Boky torolalana sy antso
31. Tafa sy dinika ary fihaonana hafa amin’ireo mpikambana


“31. Tafa sy dinika ary fihaonana hafa amin’ireo mpikambana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2020).

“31. Tafa sy dinika ary fihaonana hafa amin’ireo mpikambana,”Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
lehilahy mifandray tanana

31.

Tafa sy dinika ary fihaonana hafa amin’ireo mpikambana

31.0

Teny fanolorana

Matetika i Jesoa Kristy no nanompo tsirairay ny hafa (jereo ohatra ny Jaona 4:5–26; 3 Nefia 17:21). Tiany ny zanak’ Andriamanitra tsirairay. Ampiany manokana izy ireo.

Amin’ny maha-mpitarika anao ao amin’ny Fiangonana sy amin’ny maha-mpanompon’i Jesoa Kristy anao, dia manana fahafahana koa ianao hanampy tsirairay ny zanak’ Andriamanitra ao anatin’ny fivoaran’izy ireo ara-panahy. Ny fomba iray manan-danja ahafahanao manao izany dia amin’ny alalan’ny tafa sy dinika ary fihaonana hafa amin’ny olona tsirairay manokana. Ny sasany amin’ireo asa fanompoana tena manan-danja ataonao dia hitranga amin’ny fanaovana izany amin’ny olona tsirairay manokana. Ao anatin’ireo toe-javatra ireo, dia afaka manome fitiavana tahaka ny an’i Kristy ianao, sy mampiakatra “ny tanana izay miraviravy” ary mampatanjaka “ny lohalika malemy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5).

Ny teny hoe tafa sy dinika ao amin’ity toko ity dia ilazana ny fihaonan’ny mpitarika iray amin’ny olona iray mba hamantarana raha toa ka tokony handray anjara amina ôrdônansy iray na tokony handray antso iray ny olona iray (jereo ny 31.2). Mpikambana iray ao amin’ny episkôpà na mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka amin’ny ankapobeny no mitarika ireo tafa sy dinika ireo. Ny teny hoe tafa sy dinika dia ilazana koa ireo dinidinika momba ny fanompoana izay tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana na mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona (jereo ny 21.3).

Ankoatra ireo tafa sy dinika ireo dia misy antony maro hafa mety hihaonan’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana amin’ny mpikambana tsirairay (jereo ny 31.3). Ohatra, manao fihaonana tsy tapaka efa voalamina amin’ny zatovo tsirairay ao amin’ny paroasy ny episkôpà (jereo ny 31.3.1). Na dia tsy manompo ao amin’ny episkôpà aza ianao dia mety hangataka anao ny episkôpà hihaona amin’ny mpikambana iray izay mila fanampiana mba hanolotra fanohanana mitohy sy hanao fanompoana. Na mety manatona anao ny mpikambana iray rehefa miatrika olana manokana na olana eo anivon’ny fianakaviana izy.

Ity toko ity dia afaka manampy ny mpitarika rehetra izay manana fahafahana hihaona amin’ny mpikambana tsirairay. Tafiditra ao anatin’ireo mpitarika ireo ny mpitarika ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana, ny kôlejin’ny loholona, ary ny Zatovovavy, ireo rahalahy sy rahavavy manompo, na ireo olona hafa izay tendren’ny eveka.

31.1

Ireo fitsipika arahina

31.1.1

Miomana ara-panahy

Raha manana andraikitra mba hihaona amin’ny mpikambana iray ianao dia hanome ny fitaomam-panahy ilainao ny Tompo rehefa mikatsaka izany ianao. Manomàna tena ara-panahy amin’ny alalan’ny vavaka, ny fandalinana soratra masina, ary ny fiainana amim-pahamarinana. Henoy ny bitsiky ny Fanahy Masina. Hitarika anao amin’ny alalan’ny fahatsapan-javatra sy ny eritreritra Izy. Izy dia afaka manampy anao hahatsiaro fampianarana izay nohalalininao tao amin’ny soratra masina sy tao amin’ireo tenin’ny mpaminanin’ny andro farany izay afaka manampy ilay olona mihaona aminao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:85; 100:5–8).

Ny Médiathèque de l’Évangile dia manana amboarana loharanom-pitaovana momba ny fanoroana hevitra antsoina hoe Documentation pour les conseils de l’Église. Eo am-piomananao hihaona amin’ny mpikambana iray dia hevero ny hijery fampahalalana momba ireo lohahevitra izay miantefa aminy.

Ny Fanahy Masina ihany koa dia afaka mitarika ilay mpikambana izay hihaonanao. Afaka mieritreritra ny mba hanasa azy hiomana ara-panahy koa ianao ho an’ilay fihaonanareo.

Hevero ny hiara-hivavaka amin’ilay mpikambana rehefa manomboka ilay fihaonana ianareo. Afaka manasa toe-tsaina feno fanetrentena sy finoana izany rehefa miray hina hangataka fanampiana amin’ Andriamanitra ianareo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:32; 29:6).

Mandritra ny tafa sy dinika na ny fihaonana dia mety hisy olana na fanontaniana hitranga izay tsapanao fa tsy nivononanao ny hiatrika azy. Mety afaka manolo-kevitra ianao ny mba samy hikatsahanao sy ilay mpikambana ny fitarihan’ny Tompo. Ohatra hoe amin’ny alalan’ny fandalinana, ny vavaka ary ny fifadian-kanina. Afaka mijery fampahalalana manan-danja ao amin’ny Documentation pour les conseils de l’Église na ao amin’ny Faire face aux défis de la vie ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile koa ianao. Dia afaka mihaona indray ianareo avy eo mba hiresahana bebe kokoa momba ilay toe-javatra.

Raha toa ilay mpikambana ka nanao fahotana goavana dia alefaso any amin’ny eveka izy.

31.1.2

Ampio ilay mpikambana hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra

Amin’ny maha-mpitarika ao amin’ny Fiangonana anareo, dia misolo tena ny Mpamonjy ianareo. Anisan’ny ampahany manan-danja tao anatin’ny asa nanirahana Azy ny mampita ny fitiavan’ Andriamanitra ireo zanany (jereo ny Jaona 3:16–17). Rehefa misy mpikambana manatona anao mba hanao tafa sy dinika na mba hila fanampiana noho ny olana manokana mianjady aminy, dia ny fahafantarana fa tia azy ireo ny Ray any An-danitra no zavatra tena ilain’izy ireo matetika. Afaka mampatanjaka sy manentana ny fanahin’izy ireo izany mba hanatona an’i Kristy, hibebaka amin’ny fahotana, ary hanao safidy tsara.

Ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany dia manasa ny Fanahy sy mampianatra fotopampianarana madio. Ampiasao matetika ao anatin’ny toetra antra olona sy ao anatin’ny fitiavana izy ireo rehefa mihaona amin’ny mpikambana ianao. Ampiasao izy ireo mba hitaomana fanahy sy hanomezana famporisihana fa tsy hanamelohana na hanerena na hampitahorana (jereo ny Lioka 9:56).

Manokàna fotoana lava ho an’ilay fihaonana. Tsy tokony hahatsapa ilay mpikambana hoe tena be atao ianao. Afantohy tanteraka any aminy ny sainao.

31.1.3

Ampio ilay mpikambana hiantehitra amin’ny herin’ny Mpamonjy

Nentin’i Jesoa Kristy teo Aminy ny fahotantsika “mba hahazoany mamafa ny fandikan-dalàn[tsika] araka ny herin’ny fanafahany” (Almà 7:13). Nentiny teo Aminy koa ny fahoriantsika sy ny fanaintainantsika ary ny rofintsika mba “hahafantarany … ny fomba hanampiana ny vahoakany” (jereo ny Almà 7:11–12).

Amporisiho ny mpikambana hitodika any Aminy. Ampio izy ireo hiantehitra amin’ny heriny mba hahazo tanjaka sy hampionona ary hanavotra. Io hery io dia tonga amin’ny alalan’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy, ny fanarahana ny ohatra nasehony, ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny fisoronana sy ny fitandremana ireo fanekempihavanana ary ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’ireo bitsika avy amin’ny Fanahy Masina.

31.1.4

Ampio ilay mpikambana hahatsapa ho mahazo aina sy voaro

Misy mpikambana sasany efa niaina toe-javatra izay mahatonga azy ireo hitebiteby na ho sahiran-tsaina rehefa mihaona amina mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Mitadiava fomba hanampiana azy ireo hahatsapa fahatoniana sy fiarovana ary fahazoana aina. Anontanio an’ilay mpikambana ny zavatra azonao atao mba hanampiana.

Atolory foana an’ilay mpikambana ilay safidy ahafahana manasa olona iray hafa hanatrika mandritra ny tafa sy dinika iray na fihaonana iray. Rehefa mihaona amina mpikambana vehivavy raha lehilahy ianao na mpikambana lehilahy raha vehivavy ianao, na mihaona amina ankizy na zatovo, dia ataovy izay hanatrehan’ny ray na reny na olon-dehibe iray hafa izany. Afaka manatrika ilay fihaonana izy na miandry any ivelan’ilay efitrano, miankina amin’izay tian’ilay mpikambana mihaona aminao.

Raha toa ka tsy mampahazo aina an’ilay mpikambana ny fihaonana any amin’ny trano fivoriana, dia miaraha manapa-kevitra mikasika ny toerana hafa hihaonana. Mitadiava toerana izay ahafahan’ny Fanahy Masina manatrika sy ahafahanao mihazona tsiambaratelo. Diniho koa ny fiarovana ny tenanao manokana sy ny an’ilay mpikambana mba tsy ho tra-doza. Mba hahitana fampahalalana mikasika ny fihaonana amin’ny mpikambana amin’ny fomba virtoaly dia jereo ny 31.4.

Anisan’ny ampahany iray hafa manan-danja eo amin’ny fanampiana ireo mpikambana hahatsapa ho voaro ny fihazonana tsiambaratelo. Omeo toky ilay mpikambana fa hazonina ho tsiambaratelo ny fifampiresahanareo.

Aza zaraina na amin’iza na amin’iza izay fampahalalana hazonina ho tsiambaratelo, ka tafiditra ao anatin’izany ny vadinao sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana, raha tsy hoe omen’ilay mpikambana lalana. Hazony ho tsiambaratelo foana ny zavatra toy izany na dia aorian’ny nisaorana anao aza. Mety hanimba ny finoan’ny mpikambana iray sy ny fananany fitokisana ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany ny famborahana tsiambaratelo. Hitady fanampiana kokoa avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny mpikambana raha fantatr’izy ireo fa hazonina ho tsiambaratelo ny zavatra zarain’izy ireo.

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa momba ny tsiambaratelo, tafiditra amin’izany ny fampahalalana ara-dalàna, dia jereo ny 32.4.4.

31.1.5

Mametraha fanontaniana azo avy amin’ny fanentanan’ny Fanahy ary mihainoa tsara

Rehefa mihaona amina mpikambana anankiray dia mametraha fanontaniana izay manampy anao hahatakatra ny toe-javatra iainany. Omeo fahafahana ilay mpikambana mba haneho amin-kahalalahana ny eritreriny sy ny zavatra tsapany.

Rehefa miteny ilay mpikambana dia mihainoa tsara. Katsaho ny hahatakatra tanteraka mialoha ny hamaliana. Raha ilaina dia mametraha fanontaniana hanamafisana izay voalaza mba hahazoana antoka fa mahatakatra ianao. Saingy aza mametraka fanontaniana lalina izay tsy ilaina.

Manampy amin’ny fametrahana fitokisana ny fihainoana. Manampy ny hafa hahatsapa hoe misy mahatakatra izay manjo azy sy hahatsapa ho omena lanja ary ho tiana izany. Matetika ny olona no mila olona atokisany mba hihaino azy ireo eo am-pandalovan’izy ireo olana. Ny fihainoana dia afaka manampy anao koa hanokatra ny fonao handray ireo bitsika avy amin’ny Fanahy Masina.

31.1.6

Amporisiho ny hananana fizakan-tena

Mety tonga dia te hanolotra vahaolana mahakasika ny olan’ireo mpikambana ianao noho ny fitiavanao azy ireo. Kanefa hitahy azy ireo kokoa ianao amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo hitady vahaolana ho an’ny tenany sy handray fanapahan-kevitra ho an’ny tenany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:8).

Ampio izy ireo hamakafaka ny olana na ny fanontaniana ananan’izy ireo ao anatin’ny sahan-kevitry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny drafitry ny famonjena. Ampianaro izy ireo hikatsaka ny fitarihan’ny Tompo amin’ny alalan’ny soratra masina, ny tenin’ireo mpaminany velona, ary ny fanambarana ho an’ny tena manokana. Amin’izay fomba izay dia manampy ny mpikambana ianao ho vonona hiatrika ireo olana hafa hiseho any aoriana. Ho afaka ny hanampy kokoa ny hafa koa izy ireo ka tafiditra ao anatin’izany ny fianakavian’izy ireo.

31.1.7

Tohano ireo ezaka atao mba hibebahana

Indraindray mety hitady fanampiana ny mpikambana iray mba hibebahana amin’ny fahotana. Maro ny zavatra azonao atao mba hanentanana ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy sy mba hamporisihana ilay mpikambana hikatsaka famelan-keloka.

Ny eveka na ny filohan’ny tsatòka ihany no afaka manampy olona iray hamaha ireo olana mahakasika ny fanaovana fahotana goavana. Voatanisa ao amin’ny 32.6 ny sasany amin’ireo. Raha toa ka nanao ny iray tamin’ireo fahotana ireo ilay mpikambana dia tokony hihaona avy hatrany amin’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka izy.

Ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka tsirairay dia “mpitsara amin’i Isiraely” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:72). Manampy ny mpikambana izy ireo amin’ny alalan’izany fahefana izany mba hibebaka amin’ny fahotany sy hanatona an’i Kristy izay mamela ny fahotana (jereo ny 32.1 sy ny 32.3).

Misolo tena ny Tompo ireo mpitarika ireo ao anatin’ireo andraikitra ireo. Miezaka ny mampiasa “ny fitsarana izay home[ny azy ireo]” izy ireo (3 Nefia 27:27). Mampianatra izy ireo fa ny fibebahana dia ahitana ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy, ny fananana fanahy manenina, ny famoizana ny fahotana, ny fikatsahana famelan-keloka, ny fanaovana fanonerana, ary ny fanehoana fanolorantena vaovao hitandrina ireo didy.

Mba hanampiana azy ireo hanatanteraka ny anjara asan’izy ireo dia nomena fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy hoenti-mamantatra ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka. Io fanomezam-pahasoavana io dia manampy azy ireo hamantatra ny marina, hahatakatra ny ao am-pon’ny mpikambana iray ary hahita ny zavatra ilainy (jereo ny 1 Mpanjaka 3:6–12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:27–28).

Na tanterahina miaraka amina “mpitsara amin’i Isiraely” iray aza ny fibabohana, rehefa manome lalana ilay mpikambana, dia afaka manome fanohanana ny ezaka ataony mba hibebaka ireo mpitarika hafa. Tena manampy izany rehefa mitaky fotoana maharitra ilay fibebahana. Jereo ny ampahany farany ao amin’ny 32.8.1 mba hahitana torolalana.

31.1.8

Mandraisa andraikitra araka ny tokony ho izy manoloana ny herisetra

Ny herisetra na amin’ny endriny ahoana na amin’ny endriny ahoana dia tsy azo leferina. Raiso amim-pahamatorana ireo tatitra momba ny herisetra Raha toa ianao ka mahafantatra fa niharan’ny herisetra ny olona iray, dia tokony hitatitra izany any amin’ny manampahefana ara-panjakana sy hifampidinika amin’ny eveka ianao. Misy toromarika momba ny fanaovana tatitra sy ny zavatra tokony hatao manoloana ny herisetra nomena ao amin’ny 38.6.2.

Mba hahitana fampahalalana mikasika ny zavatra tokony hataon’ireo eveka sy ireo filohan’ny tsatòka rehefa mahalala fisiana herisetra dia jereo ny 38.6.2.1.

Mba hahitana fampahalalana mikasika ny fanampiana ireo olona niharan’ny herisetra dia jereo ny “Sévices: aide à la victime” ao amin’ny Documentation pour les conseils de l’Église. Afaka manasa ny mpikambana ianao mba hijery loharanom-panampiana mikasika ny herisetra izay mahasoa ao amin’ny Faire face aux défis de la vie.

Mba hahitana fampahalalana mikasika ny fanampiana ireo olona niharan’ny fanolanana na herisetra ara-nofo hafa dia jereo ny 38.6.18.2.

31.2

Tafa sy dinika

31.2.1

Ny tanjon’ireo tafa sy dinika

Amin’ny ankapobeny ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia manao tafa sy dinika amin’ny mpikambana mba hahafantarana raha toa izy ireo ka:

  • Vonona ny handray ôrdônansy iray na handray anjara ao anatin’izany.

  • Tokony hantsoina hihazona toerana iray ao amin’ny Fiangonana.

Mpikambana iray ao amin’ny episkôpà na mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka amin’ny ankapobeny no mitarika ny ankamaroan’ny karazana tafa sy dinika toy izany. Tsy azo ampiandraiketina mpitarika hafa ao amin’ny paroasy izany. Ny filohan’ny tsatòka anefa dia afaka mampiandraikitra tafa sy dinika sasantsany an’ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo araka ny voalaza ao amin’ny Tabilao misy ny Lisitr’ireo Antso (jereo ny 30.8).

31.2.2

Ireo karazana tafa sy dinika

Ny eveka no antsoina hoe “mpitsara tsotra” ao amin’ny paroasy sahaniny (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:74; jereo koa ny 7.1.3). Ny filohan’ny tsatòka koa dia manompo amin’ny maha-mpitsara tsotra azy (jereo ny 6.2.3). Mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana mba hanomezana lalana ny fanatanterahana ôrdônansy ireo mpitarika ireo. Noho ireo antony ireo dia misy tafa sy dinika sasantsasany izay izy ireo ihany no afaka manatanteraka azy. Azony ampiandraiketina an’ireo mpanolotsaina ireo tafa sy dinika hafa. Ity tabilao manaraka ity dia mitanisa izay olona afaka manatanteraka ny tafa sy dinika tsirairay.

Olona afaka manatanteraka ny tafa sy dinika

Tanjon’ilay tafa sy dinika

Olona afaka manatanteraka ny tafa sy dinika

Eveka ihany

Tanjon’ilay tafa sy dinika

  • Manome fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ny mpikambana iray izay handray ny fanafiana masina ho an’ny tenany na hofehezina amin’ny vadiny (jereo ny 26.3.1).

  • Manome fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ny mpikambana vaovao iray (jereo ny 26.4.2).

  • Manendry lehilahy iray izay mpikambana vaovao ho amin’ny anjara fanompoan’ny Fisoronana Aharôna (jereo ny 38.2.9.1).

  • Manendry zatovolahy iray na lehilahy iray ho amin’ny anjara fanompoan’ny mpisorona (jereo ny 18.10.2).

  • Manolotra lehilahy iray ho amin’ny anjara fanompoan’ny loholona na mpisorona avo (jereo ny 31.2.6). Mitaky fankatoavana avy amin’ny fiadidian’ny tsatòka ny fanatanterahana io tafa sy dinika io.

  • Manolotra mpikambana iray hirotsaka ho misiônera manompo amin’ny fotoana feno (jereo ny 24.4.2).

  • Miantso mpikambana iray mba ho filohan’ny rafitra iray eo anivon’ny paroasy.

  • Miantso mpisorona iray mba ho mpanampy ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona.

  • Manampy mpikambana iray hibebaka noho ny fahotana goavana iray (jereo ny toko 32).

  • Manome lalana ny mpikambana iray mba hisoratra anarana na hanohy ny fianarana any amin’ny oniversite na sekoly ambony izay an’ny Fiangonana

  • Manome fahazoan-dalana ny mpikambana iray hahazo ny fampindramam-bola avy ao amin’ny Kitapom-bola Maharitra ho an’ny Fianarana, raha misy izany.

  • Manome fahafahana ny mpikambana iray hanambara ny momba ny fanefany ny adidiny amin’ny maha-mpandoa fahafolonkarena azy (jereo ny 34.3.1.2).

  • Manome lalana ny hampiasana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina (jereo ny 31.3.4 sy ny 22.6.1).

Olona afaka manatanteraka ny tafa sy dinika

Eveka na mpanolotsaina iray izay tendreny

Tanjon’ilay tafa sy dinika

  • Manavao ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly (jereo ny 26.3.1).

  • Manome fahazoan-dalana hidirana ny tempoly mba handraisana anjara amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana isoloana tena (jereo ny 26.4.3).

  • Manome fahazoan-dalana hidirana ny tempoly mba hofehezina amin’ny ray aman-dreny na mba ho vavolombelon’ny famehezana ny iray tampo amin’ny ray aman-dreny (jereo ny 26.4.4).

  • Miantso mpikambana iray mba hanompo ao anatin’ny antso iray eo anivon’ny paroasy araka ny voalaza ao amin’ny 30.8.

  • Manome lalana ny hanaovana batisa sy handraisana ho mpikambana ny ankizy 8 taona iray izay mpikambana voarakitra ao anatin’ny rejisitra na manana ray na reny na mpiantoka izay mpikamban’ny Fiangonana (jereo ny 31.2.3.1).

  • Manome lalana ny fanendrena zatovolahy iray ho ao amin’ny anjara fanompoan’ny diakona na ny mpampianatra (jereo ny 18.10. 2).

  • Manome fahazoan-dalana handraisana tsodranon’ny patriarika (jereo ny 18.17).

  • Manome lalana ny mpihazona fisoronana iray mba hanatanteraka ôrdônansin’ny fisoronana iray any amin’ny paroasy iray hafa, raha toa tsy manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly izy. (Jereo ny Formulaire de Recommandation pour accomplir une ordonnance (taratasy fenoina mba hanatanterahana ôrdônansy).

Olona afaka manatanteraka ny tafa sy dinika

Filohan’ny tsatòka ihany

Tanjon’ilay tafa sy dinika

  • Manome fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ny mpikambana iray izay handray ny fanafiana masina ho an’ny tenany na hofehezina amin’ny vadiny (jereo ny 26.3.1).

  • Manolotra mpikambana iray hirotsaka ho misiônera manompo amin’ny fotoana feno (jereo ny 24.4.2).

  • Manao ny fisaorana misiônera iray nanompo tamin’ny fotoana feno izay hody (jereo ny 24.8.2).

  • Miantso mpikambana iray, rehefa nahazo lalana, mba ho mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, na ho patriarika, na ho eveka (jereo ny 30.8.1 sy ny 30.8.3).

  • Miantso mpikambana iray mba ho filohan’ny kôlejin’ny loholona na ho filohan’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka.

  • Manampy mpikambana iray hibebaka noho ny fahotana goavana iray (jereo ny toko 32).

Olona afaka manatanteraka ny tafa sy dinika

Filohan’ny tsatòka na mpanolotsaina iray izay tendreny

Tanjon’ilay tafa sy dinika

  • Manavao ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly (jereo ny 26.3.1).

  • Manome lalana ny fanendrena lehilahy iray ho ao amin’ny anjara fanompoan’ny loholona na ny mpisorona avo (jereo ny 18.10. 1).

  • Miantso mpikambana mba hanompo ao anatin’ireo antso araka ny voalaza ao amin’ny 30.8.1 sy ny 30.8.3.

  • Manara-maso ny fahasalaman’ny misiônera iray handeha hanompo sy ny fahamendrehany mialoha kelin’ny hanokanana azy (jereo ny 24.5.3).

  • Manome fahazoan-dalana ny mpikambana iray hisoratra anarana any amin’ny oniversite na sekoly ambony izay an’ny Fiangonana.

Ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno no manao tafa sy dinika amin’ireo olona niova fo momba ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana. (jereo ny 31.2.3.2).

Ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana no manatanteraka ireo tafa sy dinika momba ny fanompoana (jereo ny 21.3).

31.2.3

Tafa sy dinika mikasika ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana

31.2.3.1

Ireo ankizy mpikambana voarakitra ao anatin’ny rejisitra

Ny eveka no mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana amin’ny fanaovana batisa ireo ankizy 8 taona izay mpikambana voarakitra ao anatin’ny rejisitra ao amin’ny paroasy sahaniny. Noho izany antony izany, izy na ny mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany no manao tafa sy dinika amin’ireto olona manaraka ireto:

  • Ankizy 8 taona izay mpikambana voarakitra ao anatin’ny rejisitra.

  • Ankizy 8 taona izay tsy mpikambana voarakitra ao anatin’ny rejisitra, kanefa manana ray na reny na mpiantoka izay mpikamban’ny Fiangonana.

  • Mpikambana 9 taona no ho miakatra izay nahemotra ny batisany noho ny fahasembanana ara-tsaina.

Maka antoka ilay mpikambana ao amin’ny episkôpà mandritra ny tafa sy dinika fa azon’ilay ankizy tsara ny tanjon’ny batisa (jereo ny 2 Nefia 31:5–20). Maka antoka ihany koa izy fa mahazo tsara ny fanekempihavanan’ny batisa sy manolo-tena mba hiaina araka izany ilay ankizy (jereo ny Môzià 18:8–10). Tsy voatery hampiasa lisitra manokana misy ireo fanontaniana apetraka izy. Tsy tafa sy dinika hamantarana ny fahamendrehana izany satria “Tsy mila fibebahana ny ankizy [madinika]” (Môrônia 8:11).

Takina ny fahazoan-dalana avy amin’ny ray aman-dreny na ny mpiantoka alohan’ny ahafahana manao batisa ankizy iray (jereo ny 38.2.8.2).

Sary
lehilahy sy vehivavy miresaka

31.2.3.2

Ireo olona niova fo

Ny filohan’ny misiôna no mihazona ny fanalahidy hanaovana batisa ireo niova fo. Noho izany antony izany, ny misiônera iray manompo amin’ny fotoana feno dia manao tafa sy dinika amin’ireo:

  • Olona 9 taona no ho miakatra izay tsy mbola natao batisa na noraisina ho mpikambana mihitsy. Jereo ny 31.2.3.1 mba hahalalana ny zavatra maningana mahakasika ireo izay manana fahasembanana ara-tsaina.

  • Ankizy 8 taona no ho miakatra izay tsy mpikamban’ny Fiangonana ny fianakavian’izy ireo.

  • Ankizy 8 taona no ho miakatra izay hatao batisa sy horaisina ho mpikambana koa ny rainy na ny reniny.

Ny misiônera mpitarika ny distrika na mpitarika ny faritra no manatanteraka ilay tafa sy dinika. Mba hahitana fampahalalana mikasika ireo toe-javatra izay mitaky fanomezan-dalana manokana dia jereo ny 38.2.8.6.

Ny olona niova fo tsirairay izay hatao batisa dia tokony hihaona amin’ny eveka koa mialoha ny batisa. Tsy manao tafa sy dinika aminy mahakasika ny batisa anefa ny eveka. Tsy mamantatra ny fahamendrehana ihany koa izy. Hanorenana fifandraisana amin’ilay olona no tanjon’io fihaonana io.

Mandritra ilay tafa sy dinika dia manaraka ny fitarihan’ny Fanahy ilay misiônera mba hamantarana raha toa ka mahafeno ireo fepetra voafaritra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37 ilay olona (jereo koa ny Môzià 18:8–10; Môrônia 6:1–4). Ampiasain’ilay misiônera ireto fanontaniana manaraka ireto. Ampifanarahany amin’ny taonan’ilay olona sy ny fahamatorany ary ny toe-javatra iainany izany.

  1. Mino ve ianao fa Andriamanitra dia Raintsika Mandrakizay? Mino ve ianao fa i Jesoa Kristy dia Zanakalahin’ Andriamanitra ary Mpamonjy sy Mpanavotra an’izao tontolo izao?

  2. Mino ve ianao fa ny Fiangonana sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia efa naverina tamin’ny laoniny amin’izao androntsika izao tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith? Mino ve ianao fa mpaminanin’ Andriamanitra ny [Filohan’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao]? Midika inona ho anao izany?

  3. Aminao, inona no atao hoe mibebaka? Mahatsapa ve ianao fa efa nibebaka tamin’ireo fahotana nataonao taloha?

  4. Nampianarina ianao fa ny maha-mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia midika hoe miaina ireo fitsipiky ny filazantsara. Inona no takatrao momba ireto fenitra manaraka ireto? Vonona ny hitandrina azy ireo ve ianao?

    • Ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, izay mandrara ny firaisana ara-nofo ivelan’ny fatotry ny fanambadiana ara-dalàna eo amin’ny lehilahy sy vehivavy

    • Ny lalàn’ny fahafolonkarena

    • Ny Tenin’ny Fahendrena

    • Ny fitandremana ny andro Sabata ho masina, tafiditra ao anatin’izany ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro sy ny fanompoana ny hafa

  5. Efa nanao heloka bevava ve ianao? Raha izany no izy, moa ve ianao nahazo ny “liberté conditionnelle” (fahafahana arahina fepetra) na ny “liberté sur parole” (fahafahana rehefa nampanantena hanaraka fepetra sasantsasany) amin’izao fotoana izao?

  6. Efa nandray anjara tamina fanalan-jaza ve ianao? (jereo ny 38.6.1).

  7. Rehefa atao batisa ianao dia manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra fa vonona ny hitondra eo aminao ny anaran’i Kristy, hanompo ny hafa, hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra ary hitandrina ny didiny mandritra ny fiainanao. Vonona ve ianao ny hanao io fanekempihavanana io ary hiezaka ny ho mahatoky amin’izany?

Jereo ny 38.2.8.6 mba hahitana torolalana raha toa ka eny no havalin’ilay olona ny fanontaniana faha-5 sy faha-6. Jereo ihany koa ny 38.2.8.7.

Raha toa ka vonona ny hatao batisa ilay olona dia fenoin’ilay nanatanteraka ny tafa sy dinika ny Firaketana ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana (dia jereo ny 18.8.3).

31.2.4

Tafa sy dinika ho an’ny fanendrena ho amin’ny anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Aharôna

Ny eveka no mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana amin’ny fanomezana ny Fisoronana Aharôna. Izy koa no mihazona ny fanalahidin’ny fanendrena ho amin’ireo anjara fanompoan’ny diakona sy ny mpampianatra ary ny mpisorona. Manao tafa sy dinika amin’ireo rahalahy izay tokony hotendrena ho diakona na mpampianatra ny eveka na ny mpanolotsaina anankiray notendrena hiandraikitra izany mba hamantarana raha toa ka vonona ara-panahy izy ireo. Ny eveka no manao tafa sy dinika amin’ireo rahalahy izay tokony hotendrena ho mpisorona.

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny 18.10.2.

31.2.5

Tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

Ny tempoly dia tranon’ny Tompo. Tombontsoa masina ny fidirana ny tempoly sy ny fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansy any. Io tombontsoa io dia natokana ho an’ireo izay vonona ara-panahy ary miezaka ny miaina ireo fenitry ny Tompo, ka ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana nahazo lalana no mamantatra izany.

Mba hanaovana io famantarana io dia manao tafa sy dinika amin’ireo mpikambana ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ary mampiasa ireo fanontaniana ao amin’ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG) (jereo koa ireo torolalana ao amin’ny 26.3). Tsy tokony hanampy na hanala na inona na inona amin’ireo fepetra takina ny mpitarika. Na izany aza, dia azon’izy ireo amboarina hifanaraka amin’ny taona sy ny toe-javatra iainan’ilay mpikambana ireo fanontaniana.

31.2.6

Tafa sy dinika ho an’ny fanendrena ho amin’ny anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka

Ny filohan’ny tsatòka no mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana amin’ny fanomezana ny Fisoronana Melkizedeka. Izy koa no mihazona ny fanalahidin’ny fanendrena ho amin’ireo anjara fanompoan’ny loholona sy ny mpisorona avo.

Miaraka amin’ny fankatoavana avy amin’ny fiadidian’ny tsatòka dia manao tafa sy dinika amin’ilay mpikambana ny eveka amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fanontaniana etsy ambany. Mialoha ny hanaovana izany dia jereny tsara ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ilay olona hoe tsy ahitana fanamarihana ao anatin’izany, na famerana mba tsy hanatanterahana ôrdônansy, na famerana ny zo maha-mpikamban’ny Fiangonana.

Raha toa mahatsapa ny eveka aorian’ilay tafa sy dinika fa vonona ny hotendrena ilay mpikambana, dia fenoiny sy alefany ilay Firaketana ny fanendrena ho amin’ny Fisoronana Melkizedeka. Manao tafa sy dinika amin’ilay mpikambana avy eo ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, ka mampiasa koa ireo fanontaniana etsy ambany.

Ny lehilahy iray izay mandray ny Fisoronana Melkizedeka dia manao fianianana sy fanekempihavanan’ny fisoronana. Voafaritra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84: 33–44 izany. Mandritra ireo tafa sy dinika dia maka antoka ny eveka sy ilay mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka fa azon’ilay mpikambana tsara io fianianana sy fanekempihavanana io ary manaiky ny hiaina mifanaraka amin’izany izy. Apetrak’ilay mpitarika avy eo ireto fanontaniana manaraka ireto:

  1. Moa ve ianao manana finoana an’ Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, sy ny Zanany, Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina ary manana fijoroana ho vavolombelona momba azy ireo?

  2. Moa ve ianao manana fijoroana ho vavolombelona momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra Azy?

  3. Moa ve ianao manana fijoroana ho vavolombelona mikasika ny Famerenana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny?

  4. Moa ve ianao manohana ny Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara, ary ho hany olona eto an-tany nahazo lalana hampiasa ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra?

    Moa ve ianao manohana ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara?

    Moa ve ianao manohana ireo Manampahefana Ambony hafa sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana eto an-toerana?

  5. Niteny ny Tompo fa ny zavatra rehetra dia tokony “hatao amin’ny fahadiovana” eo anatrehany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:41).

    Moa ve ianao miezaka ny hanana fahadiovan-tsaina amam-panahy ao anatin’ny eritreritrao sy eo amin’ny fitondrantenanao?

    Moa ve ianao manaja ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?

  6. Moa ve ianao manaraka ireo fampianaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fitondrantena asehonao amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao sy ireo olon-kafa rehefa tsy misy mahita na misy mahita?

  7. Moa ve ianao manohana na mampiely fampianarana, na fomba fanao, na fotopampianarana izay mifanohitra amin’ireo izay hita ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?

  8. Moa ve ianao miezaka ny mitandrina ny andro Sabata ho masina any an-tokantrano sy any am-piangonana, manatrika ireo fivorianao, miomana amin’ny fanasan’ny Tompo sy mandray izany amim-pahamendrehana, ary miaina fiainana izay mifanaraka amin’ireo lalàna sy ireo didin’ny filazantsara?

  9. Moa ve ianao miezaka ny ho marin-toetra amin’ny zavatra rehetra ataonao?

  10. Moa ve ianao mpandoa fahafolonkarena feno?

  11. Moa ve ianao mahatakatra sy manaja ny Tenin’ny Fahendrena?

  12. Moa ve ianao manana adidy ara-bola na adidy hafa amin’ny vadinao taloha na amin’ny zanaka?

    Raha eny, moa mahatontosa tsara ireo adidy ireo ve ianao?

  13. Moa ve misy fahotana goavana eo amin’ny fiainanao izay tokony hovahana miaraka amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana, izay tafiditra ao anatin’ny fibebahana ataonao?

  14. Moa ve ianao mihevitra ny tenanao ho mendrika ny hotendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka?

31.3

Ireo fotoana hafa ahafahan’ireo mpitarika mihaona amin’ireo mpikambana

Manana fahafahana maro hihaonana amin’ireo mpikambana tsirairay ny mpitarika. Ohatra:

  • Mety hangataka ny hihaona amin’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana ny mpikambana rehefa mila fitarihana ara-panahy izy ireo na manana olana manokana manavesatra azy ireo. Ao anatin’ny toe-javatra sasany dia mety hahatsapa ho voatosika handamina fotoana hihaonana amin’ilay mpikambana ny mpitarika. Tsy tokony hiresaka any amin’ny Manampahefana Ambony mikasika ny toe-javatra mahazo ny tena manokana ny mpikambana (jereo ny 38.8.25).

    Mba hananana fotoana bebe kokoa hiarahana amin’ny zatovo, dia afaka mampiandraikitra ireo mpitarika hafa ao amin’ny paroasy ny sasany amin’ireo fihaonana ireo ny eveka. Ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny loholona ary ny Zatovovavy dia afaka ny hitondra fanampiana tokoa. Na izany aza ny eveka dia tsy afaka mampiandraikitra zavatra izay mitaky ilay anjara asany amin’ny maha-mpitsara tsotra azy, toy ny fibebahana noho ny fahotana goavana.

  • Mihaona amin’ireo mpikambana izay mila zavatra ilaina ara-batana ny eveka na ny olona iray izay nampiandraiketiny hanao izany (jereo ny 31.3.4 sy ny 22.6).

  • Mihaona manokana amin’ny mpikambana tsirairay ao amin’ny kôlejin’ny loholona ny filohan’ny kôlejin’ny loholona indray mandeha isan-taona. Mifampiresaka momba izay mahasoa an’ilay mpikambana sy ny fianakaviany izy ireo. Miresaka koa momba ny andraikiny ao amin’ny fisoronana izy ireo. (Jereo ny 8.3.3.2.)

  • Mihaona amin’ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana indray mandeha isan-taona ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana. Mifampiresaka momba izay mahasoa an’ilay rahavavy sy ny fianakaviany izy ireo. (Jereo ny 9.3.2.2.)

  • Mihaona amin’ny ankizy tsirairay izay 11 taona ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà rehefa hiala ao amin’ny Kilonga mba hiakatra ao amin’ny kôlejin’ny diakona na ny kilasin’ny Zatovovavy izy. Mandritra izany fihaonana izany dia manao tafa sy dinika amin’ireo zatovolahy izay handray ny Fisoronana Aharôna koa ilay mpikambana ao amin’ny episkôpà (jereo ny 18.10.2).

  • Mihaona amin’ireo mpikambana izay handeha hanao fanompoam-pirenena any amin’ny tafika ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà (jereo ny 38.9.2).

  • Mihaona amin’ny zatovo tsirairay indroa isan-taona ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà (jereo ny 31.3.1).

  • Mihaona amin’ny tanora tokan-tena tsirairay indray mandeha isan-taona farafahakeliny ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà (jereo ny 31.3.2).

  • Mihaona tsy tapaka amin’ireo mpitarika izay manompo eo ambany fitarihan’izy ireo ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka sy ny eveka ary ireo mpitarika hafa (jereo ny 31.3.3).

Rehefa mihaona amin’ny mpikambana ireo mpitarika dia manaraka ireo fitsipika hita ao amin’ny 31.1 izy ireo.

Mba hahitana fampahalalana fanampiny momba ireo lohahevitra manokana izay mety hipoitra rehefa mihaona amin’ny mpikambana dia jereo ny Documentation pour les conseils de l’Église ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile. Afaka manasa ny mpikambana koa mba hijery fampahalalana ao amin’ny Faire face aux défis de la vie ireo mpitarika.

31.3.1

Fihaonana amin’ny zatovo

Ny andraikitra voalohany indrindra sahanin’ny eveka dia ny manampy ny taranaka vao misondrotra ao amin’ny paroasy sahaniny mba hivoatra ara-panahy. Ny fomba manan-danja iray hanaovany izany dia amin’ny alalan’ny fihaonana amin’ny zatovo tsirairay (na miaraka amin’ny olon-dehibe iray hafa manatrika izany; jereo ny 31.1.4). Mihaona amin’ny zatovo tsirairay indroa isan-taona farafahakeliny ny eveka na ny iray amin’ny mpanolotsainy. Farafaharatsiny ny iray amin’ireo fihaonana ireo dia tokony hiaraka amin’ny eveka. Amin’ny figadonan’ilay taona maha-feno 16 taona ilay zatovo dia tokony hatao miaraka amin’ny eveka ireo fihaonana anankiroa mandritra ny taona raha azo atao.

Ankoatra ireo fihaonana ireo dia tokony hahatsapa fahalalahana ny zatovo eo amin’ny fakana hevitra amin’ny eveka rehefa mila fanampiana na fanohanana izy ireo. Miezaka ny manorina fifandraisana mafy orina sy mifono fifampitokisana amin’ny zatovo ny eveka mba hahazoan’izy ireo aina rehefa maka hevitra aminy.

Ny filohan’ny Zatovovavy koa dia manana andraikitra ny hanompo ny zatovovavy tsirairay. Afaka manao izany izy amin’ny alalan’ny fihaonana amin’ny zatovovavy tsirairay (na miaraka amin’ny olon-dehibe iray hafa manatrika izany; jereo ny 31.1.4).

Rehefa mihaona amin’ny zatovo ireo mpitarika dia manaraka ireo fitsipika hita ao amin’ny 31.1 izy ireo. Maro amin’ireo fitsipika ireo no manan-danja manokana rehefa mihaona amin’ny zatovo.

31.3.1.1

Mifampiresaka amin’ny ray aman-dreny

Miara-miasa akaiky amin’ny ray aman-dreny ireo mpitarika ao anatin’ny ezaka ataon’izy ireo mba hanamafy orina ny zatovo. Mikatsaka ny hanohana ny ray aman-dreny ao anatin’ny andraikitr’izy ireo amin’ny fampianarana ny zanany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy ireo.

Mizara ity fampahalalana manaraka ity amin’ny zatovo sy ny ray aman-dreniny ireo mpitarika mialoha ny fihaonan’izy ireo voalohany:

  • Ny ray aman-dreny no manana ny andraikitra voalohany hampianatra sy hikarakara ny zanany.

  • Mihaona amin’ny zatovo tsirairay indroa isan-taona farafahakeliny ny eveka na ny iray amin’ny mpanolotsainy. Afaka mihaona tsindraindray amin’ny zatovovavy tsirairay koa ny filohan’ny Zatovovavy. Mandritra ireo fihaonana ireo dia afaka mamaly fanontaniana, manome fanohanana, manolotra andraikitra sahanina ary miresaka mikasika ireo lohahevitra voatanisa ao amin’ny 31.3.1.2 ireo mpitarika.

  • Mba hanampiana ny tanora hiomana ara-panahy dia takina ny tafa sy dinika rehefa zavatra masina toy ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly sy ny fanendrena ho amin’ny fisoronana ary ny antso hanao asa fitoriana. Miara-miasa amin’ireo ray aman-dreny ny mpitarika mba hanampiana ny zatovo hiomana amin’ireo tafa sy dinika ireo.

  • Ny ray aman-dreny dia mamporisika ny zanany haka hevitra amin’ny eveka na ny mpitarika iray hafa ao amin’ny Fiangonana rehefa mila fanampiana eo amin’ny fahazoana fitarihana ara-panahy na eo amin’ny fibebahana izy ireo.

  • Tsy maintsy misy ray na reny na olon-dehibe hafa manatrika rehefa mihaona amin’ny zatovo iray ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana. Azon’ny zatovo iray atao ny manasa ilay olon-dehibe mba hanatrika mandritra ny fihaonana na hiandry any ivelan’ilay efitrano.

31.3.1.2

Ireo lohahevitra azo resahina

Ny tanjona voalohan’ireo fihaonana miaraka amin’ny zatovo dia ny hanorina finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary hanampy ny zatovo hanaraka Azy ireo. Tokony ho zavatra iainana ara-panahy izay mampahery ireo fihaonana ireo. Miezaka ireo mpitarika mba hanampy ny zatovo tsirairay hahatsapa ho tiana sy ho mahazo fandrisihina ary ho voaentana ho tonga tahaka ny Mpamonjy kokoa.

Ny zatovo sy ny mpitarika dia afaka miresaka:

  • Ireo zavatra iainana ara-panahy izay manorina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ilay zatovo momba ny Ray any An-danitra sy momba an’i Jesoa Kristy ary momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny.

  • Ny ezaka ataon’ilay zatovo eo amin’ny fitandremana ny fanekempihavanana nataony tamin’ny batisa.

  • Ny fiomanan’ilay zatovo mba hanao sy hitandrina ireo fanekempihavanan’ny tempoly.

  • Ireo tanjona manokana ananan’ilay zatovo mba ho lasa tahaka ny Mpamonjy kokoa eo amin’ny lafin-javatra rehetra eo amin’ny fiainana (jereo ny “Ankizy sy Zatovo”).

  • Ny maha-zava-dehibe ny vavaka sy ny fandalinana soratra masina ataon’ny tena manokana sy iarahan’ny mpianakavy.

  • Ny fomba hanamafisana orina ny fifandraisana amin’ny ray aman-dreny sy ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviana.

  • Ireo fitsipika sy fenitra ao anatin’ilay boky kely Ho Zatovo Mahery!

  • Ireo fomba ahafahan’ilay zatovo mandray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ny fisandratana (jereo ny 1.2).

  • Ny zavatra iainan’ny zatovolahy iray, raha zatovolahy no hihaonana, eo amin’ny fanatanterahana ireo andraikiny ao amin’ny fisoronana sy ny fiomanany mba hotendrena ho amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana manaraka.

  • Ireo fitahiana avy amin’ny fandraisana anjara amin’ny seminera.

  • Fiomanana hanao asa fitoriana mandritra ny fotoana feno (jereo ny 24.0 sy ny 24.3). Ny Tompo dia mangataka ny zatovolahy mendrika sy afaka mirotsaka tsirairay avy mba hiomana sy handeha hanao asa fitoriana. Ho an’ny zatovolahy Olomasin’ny Andro Farany dia andraikitry ny fisoronana ny fandehanana manao asa fitoriana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:1, 4–7). Raisin’ny Tompo ihany koa ireo zatovovavy mendrika sy afaka manao asa fitoriana raha maniry izany izy ireo. Ho an’ny zatovovavy dia fahafahana lehibe ny asa fitoriana saingy tsy voatery hanao izany izy ireo. Ny fiomanana hanao asa fitoriana dia hitahy ny zatovovavy iray na misafidy ny ho misiônera izy na tsia.

    Tokony hanana fo antra ireo izay mety tsy ho afaka ny hanao asa fitoriana mandritra ny fotoana feno ireo mpitarika (jereo ny 24.4.4).

    Mba hahitana fampahalalana mikasika ireo asa fanompoana eo anivon’ny asa fitoriana dia jereo ny 24.2.2.

Rehefa miresaka momba ny fankatoavana ny didy dia azon’ireo mpitarika ampiasaina ireo fanontaniana apetraka mandritra ny tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly sy ny boky kely Ho Zatovo Mahery!. Ataon’izy ireo izay tsy hampirona ny saina hikarokaro-javatra sy hanandrakandra-javatra rehefa miresaka momba ny fahadiovana ara-pitondrantena.

31.3.2

Fihaonana amin’ireo tanora tokan-tena

Ny eveka dia mametraka ho lohalaharana ny fivoaran’ireo tanora tokan-tena ao amin’ny paroasy sahaniny. Mihaona amin’ny tanora tokan-tena tsirairay indray mandeha isan-taona farafahakeliny izy na ny mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany.

Ilay mpikambana ao amin’ny episkôpà sy ilay tanora tokan-tena dia afaka miresaka ireo zavatra manan-danja ao amin’ny 31.3.1.2. Afaka miresaka zavatra manan-danja manokana ho an’ireo tanora tokan-tena koa izy ireo, toy ny fampivelarana ny fizakan-tena.

31.3.3

Fihaonana amin’ireo mpikambana mba hiresahana mikasika ny antso sy ny andraikitr’izy ireo

Ny fiadidian’ny tsatòka sy ny episkôpà ary ireo mpitarika hafa dia mihaona amin’ireo mpikambana tsirairay izay manao tatitra amin’izy ireo mikasika ny antson’izy ireo. Ohatra:

  • Mihaona tsy tapaka amin’ny eveka tsirairay eo anivon’ny tsatòka ny filohan’ny tsatòka (jereo ny 6.2.1.2).

  • Mihaona tsy tapaka amin’ny filohan’ny kôlejy tsirairay eo anivon’ny tsatòka ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka (jereo ny 8.3.1).

  • Mihaona amin’ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana isam-bolana ny eveka (jereo ny 9.3.1). Mihaona tsy tapaka amin’ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny filohan’ny Zatovovavy koa izy (jereo ny 8.3.1 sy ny 11.3.1).

  • Mihaona tsy tapaka amin’ny filohan’ny Kilonga sy ny filohan’ny Sekoly Alahady ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà (jereo ny 12.3.1 sy ny 13.2.1).

  • Mihaona amin’ireo rahalahy sy rahavavy manompo ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana (jereo ny 21.3).

Ao anatin’ireo fihaonana ireo dia manentana ny fanahin’ilay mpikambana sy mampianatra azy ao anatin’ilay andraikiny ilay mpitarika. Maneho fankasitrahana noho ny asa fanompoana ataon’ilay mpikambana ilay mpitarika ary manome fandrisihana. Manao tatitra mikasika ny fivoaran’ny olona izay tompoiny sy izay zavatra mahasoa azy ireo ilay mpikambana. Miara-miresaka mikasika ireo tanjona sy ireo olana ary ireo fahafahana azo araraotina hanaovan-javatra izy ireo. Afaka mandinika ny tetibola sy ny fandaniana natao koa izy ireo raha ilaina.

Sary
vehivavy miresaka

31.3.4

Fihaonana amin’ireo mpikambana mba hiresahana mikasika ireo zavatra ilaina ara-batana sy ny fizakan-tena

Ampahany ao anatin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ny fisandratana ny fikarakarana ireo sahirana (jereo ny 1.2). Rehefa mihaona amin’ireo mpikambana izay manana zavatra ilaina ara-batana ny mpitarika dia ampiany izy ireo mba hiandraikitra ireo zavatra ilaina mandritra ny fotoana fohy ary hanorina fizakan-tena maharitra (jereo ny 22.3).

Afaka ampiandraiketin’ny eveka amin’ny olona hafa ao amin’ny paroasy, toy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona ny fihaonana amin’ireo mpikambana izay manana zavatra ilaina ara-batana. Na izany aza dia ny eveka ihany no afaka manome lalana ny hampiasana ny kitapom-bolan’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina (jereo ny 22.6.1).

Voafaritra ao amin’ny toko 22 ireo fitsipika fanampiny mikasika ny fanampiana ireo olona manana zavatra ilaina ara-batana.

31.3.5

Fihaonana amin’ireo mpikambana mba hiresahana mikasika ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana

Tsy tokony hanoro hevitra olona hoe iza no tokony ho vadiny ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana. Tsy tokony hanoro hevitra olona koa izy ireo ny hisarahany na tsia amin’ny vadiny. Na dia mety ho safidy araka ny tokony ho izy aza ny fisaraham-panambadiana ao anatin’ny toe-javatra sasany dia tsy maintsy mitoetra any amin’ilay olona ny fanapahan-kevitra toy izany.

Matetika ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, ao anatin’ny fanarahana ny Fanahy, no mihaona amin’ireo olon-droa na olona iray manokana izay misaraka amin’ny vadiny na mikasa ny hanao fisaraham-panambadiana. Afaka mikatsaka ny hanampy mpivady iray mba hanamafy orina ny fanambadian’izy ireo ny mpitarika. Mampianatra momba ny hery sy ny fanasitranana azo avy amin’ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo tamin’ny Tompo sy ny fiainan’izy ireo ny fampianarany izy ireo. Ireo fampianarana ireo dia ahitana ny finoana, ny fibebahana, ny famelan-keloka, ny fitiavana, ary ny vavaka.

Ny mpikambana iray izay misaraka amin’ny vadiny na eo andalam-pikarakarana ny fisaharam-panambadiana dia tsy tokony hiaraka amin’olon-kafa raha tsy efa mivoaka ny didim-pitsarana momba ny fisaraham-panambadiana.

31.3.6

Fanoroana hevitra sy fitsaboana atolotry ny matihanina

Tsy nantsoina mba ho mpanoro hevitra matihanina na hanolotra fitsaboana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Ny fanampiana atolotr’izy ireo dia ara-panahy, izay mifantoka amin’ilay herin’i Jesoa Kristy izay mampatanjaka sy mankahery ary manavotra. Ankoatra io fanampiana manan-danja sy azo avy amin’ny fanentanam-panahy io, dia mety hahasoa ny mpikambana ny mandray torohevitra avy amina manam-pahaizana matihanina raha misy eo an-toerana izany. Io fanoroana hevitra na fitsaboana io dia afaka manampy ny mpikambana hahatakatra sy hiatrika ireo olana eo amin’ny fiainana amin’ny fomba mahasoa azy ireo.

Tsy mariky ny fahalemena ny fihaonana amina mpanoro hevitra matihanina mba hahazoana hevitra sy fahaiza-manao izay mahasoa ara-pihetseham-po. Mety ho mariky ny fanetrentena sy ny tanjaka aza izany.

Tokony hosafidin’ireo mpikambana amim-pitandremana tsara ireo mpanoro hevitra matihanina tsara laza izay manana fahazoan-dalana ara-dalàna mifandray amin’izany. Tokony hanaja ny fahafahana misafidy, ny soatoavina, ary ny finoan’ireo izay mikatsaka fanampiana ireo mpanoro hevitra. Mety tsara amin’ny fanoroana hevitra atolotry ny matihanina ny fampidirana ireo soatoavina ireo.

Rehefa mitady torohevitra mikasika ny firaisana ara-nofo ny mpikambana, ny eveka dia afaka manoro azy ireo hanatona mahatihanina izay manam-pahaizana manokana amin’ny fanoroana hevitra mikasika izany ary mifanaraka amin’ny fotopampianaran’ny Fiangonana ireo zavatra inoany sy ny fomba fanaony.

Toherin’ny Fiangonana izay mety ho fitsaboana, ahitana ny fitsaboana hanovana na hamerenana amin’ny laoniny ny fironana ara-pitiavana (tia lehilahy na tia vehivavy), na fitsaboana hanovana na hamerenana amin’ny laoniny ny maha-lahy na ny maha-vavy, izay mahatonga ilay olona hanao fanararaotana. (Jereo ny “Attirance pour les personnes du même sexe” (Fifanintonana eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy) sy ny “Transidentité” (olona izay tsy mitovy amin’ny namaritana azy ny fahatsapany ny maha-lahy na ny maha-vavy azy na ny fanehoany izany) ao amin’ny Faire face aux défis de la vie.)

Any Etazonia sy Kanadà dia afaka mifandray amin’ny Family Services (Sampan-draharaha misahana ny fianakaviana) ireo eveka sy ireo filohan’ny tsatòka mba hahafantarana ireo loharanon-kevitra hahafahana manome torohevitra matihanina mifanaraka amin’ireo fitsipiky ny filazantsara. Omena eto ambany ny nomeraon’ny telefaonina sy ny adiresin’ny email ahafahana mifandray:

1-801-240-1711

1-800-453-3860, extension 2-1711

FamilyServices.ChurchofJesusChrist.org

Any amin’ireo faritra hafa, ireo mpitarika dia afaka mifandray amin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Family Sevices (Sampan-drahaharaha misahana ny fianakaviana) na ny mpitantana ny fifanampiana sy ny fizakan-tena any amin’ny biraon’ny vondromparitra.

Raha tsy manana fahafahana hiantohana mpanoro hevitra matihanina amin’ny volany manokana na amin’ny alalan’ny fiantohana ara-pahasalamana ny mpikambana, dia azon’ny eveka atao ny mampiasa ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina mba hanampiana (jereo ny 22.4).

31.4

Fihaonana amin’ireo mpikambana amin’ny fomba virtoaly

Raha ny mahazatra dia mihaona mivantana amin’ny mpikambana ny mpitarika rehefa manao tafa sy dinika sy manolotra fanampiana ara-panahy sy manao fanompoana. Na izany aza, ho toy ny toe-javatra maningana, dia afaka mihaona amin’ny fomba virtoaly izy ireo rehefa tsy afaka mihaona mivantana. Ohatra, ny mpikambana iray dia afaka mihaona amin’ny mpitarika iray amin’ny fomba virtoaly raha toa ilay mpikambana ka:

  • Mipetraka lavitra be na tsy manana fahafahana hanao dia lavitra.

  • Misy tsy fahasalamana ara-batana, na ara-tsaina, na ara-pihetseham-po.

  • Mikarakara olona tsy afaka mivoaka ny trano sy tsy azo avela irery.

Azo tanterahina amin’ny fomba virtoaly, rehefa nahazoana fankatoavana, ny tafa sy dinika ataon’ireo filohan’ny misiôna sy ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno.

Tsy tokony horaketina ireo tafa sy dinika sy ireo fihaonana hafa eo amin’ny mpitarika sy ny mpikambana.

Tahaka ny tafa sy dinika sy ny fihaonana hifanatrehan-tava ihany, dia afaka manasa olona iray hafa ilay mpikambana mba hanatrika mandritra ilay tafa sy dinika na fihaonana amin’ny fomba virtoaly.

Raha tanterahina amin’ny fomba virtoaly ny tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, dia azo alefa any amin’ilay mpikambana ilay fahazoan-dalana hidirana ny tempoly vaovao rehefa voasonian’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana izany. Na izany aza dia tsy tokony hampanan-kery izany ny mpitambokin’ny tsatòka raha tsy efa nohamarininy fa efa voarain’ilay mpikambana izany.