Boky torolalana sy antso
3. Ireo fitsipiky ny fisoronana


“3. Ireo fitsipiky ny fisoronana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2020).

“3. Ireo fitsipiky ny fisoronana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
fianakaviana mitsangantsangana akaikin’ny tempoly

3.

Ireo fitsipiky ny fisoronana

3.0

Teny fanolorana

Ny fisoronana dia ny hery sy ny fahefan’ Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny fisoronana no hanatanterahan’ny Ray any An-danitra ny asany dia ny “[h]anatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39). Omen’ Andriamanitra fahefana sy hery ireo zanakalahy sy zanakavaviny ety ambonin’ny tany hanatanterahana ny asany (jereo ny toko 1).

3.1

Famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no hany fikambanana eto ambonin’ny tany manana ny fahefan’ny fisoronana. Ny Mpaminany Joseph Smith dia nandray ny Fisoronana Aharôna sy ireo fanalahidiny avy tamin’i Jaona Mpanao Batisa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1). Nandray ny Fisoronana Melkizedeka sy ireo fanalahidiny avy tamin’ireo Apôstôly Petera sy Jakoba ary Jaona izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:12–13.).

Tao amin’ny tempolin’i Kirtland no nisehoan’i Mosesy sy Elià ary i Elia tamin’i Joseph Smith ary nanolorany azy ny fahefana fanampiny ilaina hanatanterahana ny asan’ Andriamanitra amin’ny andro farany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–16).

Mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra ireo ankehitriny ny olona tsirairay ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Ireo mpitarika ireo no miantso sy manome lalana ireo mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana hampiasa ny fahefana sy ny herin’ny fisoronan’ Andriamanitra mba hanampiana eo amin’ny asany ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana.

3.2

Ireo fitahiana entin’ny Fisoronana

Amin’ny alalan’ny fanekempihavanana sy ireo ôrdônansin’ny fisoronana no hamelan’ Andriamanitra ireo fitahiana lehibe ho azon’ireo zanany rehetra raisina. Tafiditra amin’izany ireto:

  • Ny batisa sy ny maha-mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

  • Ny fanomezana ny Fanahy Masina.

  • Ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo.

  • Ny fahefana sy ny hery ahafahana manompo amin’ny antso sy asa ampiandraiketina ao amin’ny Fiangonana.

  • Ny fandraisana ny tsodranon’ny patriarika sy ireo tsodrano hafa an’ny fisoronana ho amin’ny fanasitranana sy ny fankaherezana ary ny fandraisana fitarihana.

  • Ny fandraisana ny fanafiana masina amin’ny herin’ Andriamanitra any amin’ny tempoly.

  • Ny fahafahana ho voafehy amin’ny olona ao amin’ny fianakavianao ho mandrakizay.

  • Ny fampanantenana ny fiainana mandrakizay.

Ireo zanak’ Andriamanitra dia afaka mandray ireo fitahiana entin’ny fisoronana ireo ary miaina fifaliana lehibe rehefa miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

3.3

Fisoronana Melkizedeka sy Fisoronana Aharôna

Ato amin’ny Fiangonana dia misy fizarana roa ny fisoronana: ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fisoronana Aharôna (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107: 1).

3.3.1

Fisoronana Melkizedeka

Ny Fisoronana Melkizedeka no antsoina hoe “ny Fisoronana Masina araka ny Lamin’ny Zanak’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:3). Io no hery izay ahafahan’ireo zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra ho tonga tahaka Azy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–21; 132:19–20).

“Mihazona ny zon’ny fiadidiana ny Fisoronana Melkizedeka.” Ary “manan-kery sy fahefana amin’ireo anjara fanompoana rehetra ao amin’ny fiangonana, amin’ny vanim-potoana rehetra eo amin’izao tontolo izao, mba hitantana ny zavatra ara-panahy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:8). Amin’ny alalan’io fahefana io no hitarihan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy hitantanan’izy ireo ny asa ara-panahy rehetra ao amin’ny Fiangonana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:18).

Ny Filohan’ny Fiangonana no mpisorona avo mpiahy ny Fisoronana Melkizedeka (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:65–67). Ny filohan’ny tsatòka no mpisorona avo mpiahy ao amin’ny tsatòka (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:8, 10; jereo koa ny toko 6 ao amin’ity boky torolalana ity). Ny eveka no mpisorona avo mpiahy ao amin’ny paroasy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:17; jereo koa ny toko 7 ao amin’ity boky torolalana ity).

Ho fampahalalana mikasika ireo anjara fanompoana sy andraikitry ny Fisoronana Melkizedeka, dia jereo ny 8.1.

3.3.2

Ny Fisoronana Aharôna

Ny Fisoronana Aharôna dia “fanampin’ … ny Fisoronana Melkizedeka” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:14). Tafiditra ao amin’izany ireo fanalahidin’ny:

  • Fanompoan’ny anjely.

  • Filazantsaran’ny fibebahana.

  • Fitantanana ireo ôrdônansy ivelany, anisan’izany ny batisa ho famelan-keloka.

(Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1; 84:26–27; 107:20.)

Ny eveka no filohan’ny Fisoronana Aharôna ao amin’ny paroasy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:15).

Ho fampahalalana mikasika ireo anjara fanompoana sy andraikitry ny Fisoronana Aharôna, dia jereo ny 10.1.3.

3.4

Ny fahefan’ny fisoronana

Ny hoe fahefan’ny fisoronana dia ilay fahazoana lalana hisolo tena an’ Andriamanitra ary hanao zavatra amin’ny anarany. Ao amin’ny Fiangonana, ny fahefan’ny fisoronana rehetra dia ampiasaina eo ambany fitarihan’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana.

Ireo lehilahy mendrika mpikamban’ny Fiangonana dia mandray ny fahefan’ny fisoronana amin’ny alalan’ny fanomezana fisoronana sy ny fanendrena ho amina anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana. Ny mpikambana rehetra ato amin’ny Fiangonana dia afaka mampiasa fahefana nozaraina rehefa atokana na voatendry hanampy eo amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra. Ny mpikambana dia tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra sy amin’ireo izay notendreny hiahy mikasika ny fomba hampiasan’izy ireo ny fahefany (jereo ny 3.4.4).

3.4.1

Ireo fanalahidin’ny fisoronana

Ny fanalahidin’ny fisoronana dia ilay fahefana izay hitarihana ny fampiasana ny fisoronana ho an’ireo zanak’ Andriamanitra. Ny fampiasana ny fahefan’ny fisoronana rehetra ao amin’ny Fiangonana dia tarihin’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:2).

3.4.1.1

Ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana

I Jesoa Kristy no mihazona ny fanalahidy rehetra ao amin’ny fisoronana. Eo ambany fitarihany no hanomezana ireo fanalahidin’ny fisoronana an’ireo lehilahy mba hampiasaina amin’ireo antso manokana mba hanampiana amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra araka izay hazavaina etsy ambany.

Nomen’ny Tompo ny Apôstôliny tsirairay ireo fanalahidy rehetra izay mahakasika ny fanjakan’ Andriamanitra eto ambonin’ny tany. Izay Apôstôly velona efa ela niasana indrindra, izay Filohan’ny Fiangonana, no hany olombelona eto ambonin’ny tany nahazo lalana hampiasa ireo fanalahidy rehetra an’ny fisoronana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:1–2; 107:64–67, 91–92; 132:7).

Eo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Fiangonana no hanomezana fanalahidy an’ireto mpitarika ao amin’ny fisoronana manaraka ireto mba hahafahan’izy ireo miahy eo amin’ny faritra iandraiketan’izy ireo:

  • Filohana tsatòka sy distrika.

  • Eveka sy filohana sampana.

  • Filohana kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka sy Aharôna.

  • Filohana tempoly.

  • Filohana misiôna sy filohana ivon-toerana fanofanana misiônera.

  • Filohana toerana manan-tantaran’ny Fiangonana.

Ireo mpitarika ireo dia mandray ny fanalahidin’ny fisoronana rehefa atokana amin’ny antsony.

Ireo fanalahidin’ny fisoronana dia tsy omena olon-kafa, anisan’izany ireo mpanolotsain’ireo mpitarika na filohana rafitry ny Fiangonana eo an-toerana. Ireo mpitarika ireo dia omena fahefana nozaraina rehefa natokana sy rehefa mandray asa nampiandraiketina teo ambanin’ny fitarihan’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana. Ireo filohana rafitry ny Fiangonana dia miahy eo ambany fitarihan’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana (jereo ny 4.2.4).

Sary
fivorian’ny filankevitry ny paroasy

3.4.1.2

Lamina eo amin’ny asan’ Andriamanitra

Ireo fanalahidin’ny fisoronana dia miantoka fa ny asan’Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana dia tanterahina amin’ny fomba milamina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:11; 132:8). Ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana dia mitarika ny asan’ny Tompo ao anatin’ny faritra iandraiketan’izy ireo. Io fahefana hiahy io dia tsy manankery raha tsy amin’ireo andraikitra mazava mifandraika amin’ny antson’ilay mpitarika. Rehefa hisaorana amin’ny antsony ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana dia tsy mihazona intsony an’ireo fanalahidy ireo.

Ireo rehetra izay manompo ao amin’ny Fiangonana dia atokana na tendrena eo ambany fitarihan’ny olona iray izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana.

3.4.2

Fanomezana ny fisoronana sy fanendrena ao amin’ny fisoronana

Eo ambany fitarihan’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana no hanomezana ny Fisoronana Aharôna sy ny Fisoronana Melkizedeka an’ireo lehilahy mendrika mpikamban’ny Fiangonana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:14–17). Rehefa nomena ilay fisoronana sahaza dia tendrena amin’ny anjara fanompona iray ao amin’io fisoronana io ilay olona, toy ny diakona na loholona. Ny mpihazona fisoronana iray dia mampiasa ny fisoronana araka ny zo sy andraikitr’io anjara fanompoana io (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:99).

Ny lehilahy tsirairay ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia tokony hiezaka ny ho mendrika handray sy hampiasa ny Fisoronana Melkizedeka mba hanompoana ny hafa. Rehefa mandray an’io fisoronana io ny lehilahy iray dia manao fanekempihavanana hanatanteraka amim-pahatokiana ireo andraikitry ny fisoronana izay ananany. Mandray avy amin’ Andriamanitra ihany koa izy fianianana, na fampanantenana fitahiana maharitra mandrakizay (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:33–44; jereo koa ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fianianana sy fanekempihavanan’ny fisoronana”).

Ho fampahalalana misimisy kokoa mikasika ny fanomezana fisoronana sy fanendrena ao amin’ny fisoronana dia jereo ny 8.1.1, 10.6, 18.10, ary ny 38.2.5.

3.4.3.

Fizarana ny fahefan’ny fisoronana hanompoana ao amin’ny Fiangonana

Ny fahefan’ny fisoronana entina manompo ao amin’ny Fiangonana dia zaraina amin’ireo mpikambana araka izao fomba manaraka izao:

  • Amin’ny alalan’ny fanokanana ho amin’ny antso iray ao amin’ny Fiangonana

  • Amin’ny alalan’ny asa nanendrena avy amin’ireo mpitarika miahy ao amin’ny Fiangonana

3.4.3.1

Fanokanana

Rehefa atokana eo ambany fitarihan’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana ny mpikamban’ny Fiangonana, dia omena azy ireo ny fahefana avy amin’ Andriamanitra hanatanterahany izany antso izany. Ohatra:

  • Ny vehivavy iray izay antsoina sy atokan’ny eveka ho filohan’ny Fikambanana Ifanampiana dia omena fahefana hitarihana ny asan’ny Fikambanana Ifanampiana ao amin’ny paroasy.

  • Ny lehilahy na vehivavy iray izay antsoina sy atokan’ny olona iray ao amin’ny episkôpà ho mpampianatra ao amin’ny Kilonga dia omena fahefana hampianatra ireo ankizy ao amin’ny Kilonga ao amin’ny paroasy.

Ireo rehetra izay antsoina sy atokana dia manompo eo ambany fitarihan’ireo izay miahy azy ireo (jereo ny 3.4.1.2).

Rehefa hisaorana amin’ny antso iray ny mpikamban’ny Fiangonana dia tsy manana intsony ny fahefana mifandraika amin’izany.

Ho fanampim-pahalalana misimisy kokoa mikasika ny fanokanana ireo mpikambana ho amin’ny antso ao amin’ny Fiangonana dia jereo ny 18.11.

3.4.3.2

Asa ampiandraiketina

Ireo mpitarika miahy ao amin’ny Fiangonana dia afaka mizara fahefana amin’ny alalan’ny asa ampiandraiketina. Rehefa mandray ireo asa ampiandraiketina ireo ny lehilahy sy ny vehivavy dia omena fahefana avy amin’ Andriamanitra hanaovana asa. Ohatra:

  • Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia mizara fahefana amin’ireo Fitopololahy izay voatendry hitantana Vondromparitra sy hiahy amin’ireo fihaonamben’ny tsatòka.

  • Ireo filohan’ny misiôna dia mizara fahefana amin’ireo misiônera lahy sy vavy izay voatendry hitarika sy hampiofana misiônera hafa.

  • Misy fahefana zaraina amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana manompo amin’ny maha-rahavavy mpanompo sy rahalahy mpanompo azy ireo. Mitranga izany rehefa voatendrin’ny filohan’ny kôlejin’ny loholona na ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana izy ireo, eo ambany fitarihan’ny eveka.

Ny fahefana izay zaraina amin’ny alalan’ny asa ampiandraiketina dia voafetra ho amin’ny andraikitra voafaritra manokana sy ny faharetan’ilay asa ampiandraiketina.

Ho fampahalalana misimisy kokoa mikasika ny asa ampiandraiketina amin’ny alalan’ny fizarana andraikitra dia jereo ny 4.2.5.

3.4.4

Fampiharana ny fahefan’ny fisoronana amim-pahamarinana

Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy ireo mpikambana dia mampiasa ny fahefan’ny fisoronana izay nomena na nozaraina mba hitahiana ny fiainan’ny hafa.

Io fahefana io dia tsy natao ho ampiasaina raha tsy amim-pahamarinana ihany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:36). Ampiharina amin’ny alalan’ny fandresen-dahatra, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy, ny fitiavana ary ny halemem-panahy izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:41–42). Mifanakalo hevitra miaraka amin’ny hafa ireo mpitarika ao anatin’ny fanahin’ny firaisan-kina ary mikatsaka ny sitrapon’ny Tompo amin’ny alalan’ny fanambarana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:2). Ho fampahalalana mikasika ny fifanakalozan-kevitra miaraka amin’ny hafa dia jereo ny 4.4.3.

Ireo izay mampihatra ny fahefan’ny fisoronana dia tsy manery ny hafa hanaiky ny sitrapony. Tsy mampiasa izany ho amin’ny tanjona misy fitiavan-tena izy ireo. Raha misy olona mampiasa io fahefana io tsy amim-pahamarinana dia “misintona ny lanitra [ary] malahelo ny Fanahin’ny Tompo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:37).

Misy antso sasany ato amin’ny Fiangonana izay ahitana andraikitra hiahy. Ho fampahalalana momba ny fiahiana ato amin’ny Fiangonana dia jereo ny 4.2.4.

Sary
lehilahy anankiroa sy vehivavy iray miresaka

3.5

Herin’ny Fisoronana

Ny herin’ny fisoronana dia herin’ Andriamanitra, izay ampiasainy mba hitahiana ireo zanany. Ny herin’ny fisoronan’ Andriamanitra dia mirotsaka amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana rehetra, na lahy na vavy, raha toa izy ireo ka mitandrina ireo fanekempihavanana izay nataon’izy ireo taminy. Manao ireo fanekempihavanana ireo ny mpikambana rehefa mandray ny ôrdônansin’ny fisoronana. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–20.)

Ireo fitahiana entin’ny herin’ny fisoronana izay azon’ny mpikambana raisina dia ahitana:

  • Tari-dalana ho an’ny fiainan’izy ireo.

  • Fanambarana hahafantarana ny fomba hanatanterahana ny asa izay nanendrena na nanokanana azy ireo na nasaina nataon’izy ireo.

  • Fanampiana sy hery hitoviana kokoa amin’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra.

3.5.1

Ireo fanekempihavanana

Ny hoe fanekempihavanana dia fampanantenana masina ifanaovan’ Andriamanitra sy ireo zanany. Andriamanitra no manome ireo fepetran’ilay fanekempihavanana, ary ireo zanany kosa dia manaiky ny hankatò ireo fepetra ireo. Mampanantena Andriamanitra fa hitahy ireo zanany rehefa manatanteraka ny fanekempihavanana izy ireo.

Manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ireo mpikambana rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny 18.1). Ireo rehetra maharitra hatramin’ny farany amin’ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo dia hahazo ny fiainana mandrakizay (jereo ny 2 Nefia 31:17–20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7).

Ny ray aman-dreny sy ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ary ny hafa dia manampy ny tsirairay hiomana hanao fanekempihavanana rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny filazantsara. Maka antoka izy ireo fa takatr’ilay olona ny fanekempihavanana izay hataony. Rehefa avy nanao fanekempihavanana ny olona iray dia manampy azy hitandrina izany izy ireo. (Jereo ny Môzià 18: 8–11, 23–26.)

3.5.2

Ireo ôrdônansy

Ny ôrdônansy dia asa masina tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana. Efa hita hatrizay foana tao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny ôrdônansy (jereo ny Genesisy 1:28; Mosesy 6:64–65).

Amin’ny ôrdônansy maro dia manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ny olona tsirairay. Ohatra amin’izany ny batisa, ny fanasan’ny Tompo, ny fanafiana masina, ary ny ôrdônansin’ny famehezana ny mpivady. Amin’ny ôrdônansy hafa kosa toy ny tsodranon’ny patriarika, na ny tsodrano ho an’ny marary, dia tsy manao fanekempihavanana ny tsirairay saingy mandray fitarihana sy tanjaka izy ireo hitandremana ireo fanekempihavanana.

Ireo ôrdônansy dia manana hevitra ara-tandindona izay mampitodika ny olona mankany amin’ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy. Ao anatin’ireo ôrdônansy izay ahitana fanekempihavanana dia manampy ny tsirairay ireo tandindona hahatakatra ny fampanantenana izay ataony sy ireo fitahiana izay raisiny noho ny fahatokian’izy ireo.

Ny ôrdônansy tsirairay dia mamela ny isam-batan’olona handray ireo fitahiana ara-panahy be dia be. Nanambara ny Tompo hoe: “Miharihary ao amin’ny ôrdônansin’[ny Fisoronana] ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20). Ilaina ho an’ny fiainana mandrakizay ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny 18.1.

Ny olona tsirairay izay velona dia mandray ny ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana ho an’ny tenany. Avy eo izy ireo raha azo atao dia hiverina any amin’ny tempoly hanatanteraka ireo ôrdônansy ireo hisoloana tena ireo izay efa maty. Ho fampahalalana misimisy kokoa mikasika ny fanatanterahana ireo ôrdônansy ho an’ny maty dia jereo ny toko faha-28.

Sary
vehivavy iray mandray tsodranon’ny fisoronana

3.6

Ny fisoronana sy ny tokantrano

Ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra, na vehivavy na lehilahy na ankizy, izay mitandrina ny fanekempihavanana nataon’izy ireo dia hanana ny herin’ny Fisoronan’ Andriamanitra ao an-tokantranony mba hanamafy orina azy ireo sy ny fianakaviany (jereo ny 3.5). Hanampy azy ireo io hery io amin’ny fanaovana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ny fisandratana eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana sy ny fianakaviany (jereo ny 2.2).

Ireo lehilahy izay mihazona Fisoronana Melkizedeka dia afaka manome tsodranon’ny fisoronana ho an’ny olona ao amin’ny fianakaviany ho fanomezana fitarihana sy fanasitranana ary fankaherezana. Raha ilaina dia afaka mangataka izany avy amin’ireo fianakaviana lavitra na rahalahy mpanompo na ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana ihany koa ireo mpikamban’ny Fiangonana. Ho fampahalalana misimisy kokoa mikasika ireo tsodranon’ny fisoronana dia jereo ny 18.3 sy ny 18.14.