Boky torolalana sy antso
26. Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly


“26. Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2025).

“26. Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

eveka manao tafa sy dinika amin’ny lehilahy iray

26.

Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

26.0

Teny fanolorana

Tombontsoa masina ny fidirana ny tranon’ny Tompo. Ireo mpitarika ao amin’ny paroasy sy ny tsatòka dia mamporisika ny mpikambana rehetra mba ho mendrika ny hihazona sy hanana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly na dia tsy mipetraka akaikin’ny tempoly aza izy ireo.

Ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia manao ny ezaka rehetra mba hakana antoka fa mendrika ny hanao izany ny olona rehetra miditra ny tranon’ny Tompo (jereo ny Salamo 24:3–5). Mpitarika ao amin’ny fisoronana manana fahefana no mitarika ireo tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly sy manome ireo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly an’ireo mpikambana izay mamaly araka ny tokony ho izy sy amin-kitsim-po ireo fanontaniana mandritra ny tafa sy dinika (jereo ny 26.3). Mampanantena ny Tompo fa raha madio ireo izay miditra ny tranony, dia ho ao Izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:15–16).

Tsy maintsy manana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly ny mpikambana 8 taona no ho mihoatra vao afaka miditra ny tempoly. Tsy maintsy atao batisa sy raisina ho mpikambana izy ireo mba ho afaka mandray fahazoan-dalana.

Ireo ankizy latsaky ny 8 taona izay fehezina amin’ny ray aman-dreniny na mijery ny famehezana ny iray tampo aminy amin’ny ray aman-drenin’izy ireo dia tsy mila fahazoan-dalana (jereo ny 27.4.1 sy ny 27.4.5). Na izany aza dia manamarina ny mombamomba azy ireo amin’ny alalan’ny Fanomanana ôrdônansy ao amin’ny LMM ny ray aman-drenin’izy ireo (jereo ny 27.1.2).

Ity fizarana ity dia manome torolalana ho an’ireo mpitarika manome ireo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Maka hevitra amin’ny filohan’ny tsatòkany ny eveka raha manana fanontaniana mikasika ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly izay tsy voavaly ato amin’ity toko ity. Afaka mifandray amin’ny Biraon’ny Fiadidiana Voalohany ny filohan’ny tsatòka raha manana fanontaniana.

26.1

Ireo karazana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

Ny fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly dia hahafahan’ny mpikambana iray miditra any amin’ny tempoly rehetra. Maka antoka ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana fa mahazo ny fahazoan-dalana mety tsara amin’ny toe-javatra iainan’izy ireo ny mpikambana. Misy karazany telo ny fahazoan-dalana:

  1. Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly mba hanatanterahana batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloana tena. Ireo fahazoan-dalana ireo dia natao ho an’ireo mpikambana tsy mbola nandray fanafiana masina izay manatanteraka batisa sy fandraisana ho mpikambana amin’ny alalan’ny fisoloana tena. Omena an’ilay mpikambana amin’ny alalan’ny Loharanom-pitaovana ho an’ny Mpitarika sy ny Mpitamboky (LMM) izany. Afaka misafidy ny hahazo fahazoan-dalana vita printy na amin’ny finday ilay mpikambana.

    Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny 26.3.1.

  2. Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ireo mpikambana efa nandray ny fanafiana masina. Natao ho an’ireo mpikambana efa nahazo fanafiana masina teo aloha ireo fahazoan-dalana ireo. Ireo fahazoan-dalana ireo dia manome lalana ireo mpikambana efa nandray fanafiana masina handray anjara amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly rehetra ho an’ny maty. Omena ny mpikambana iray amin’ny alalan’ny LMM izany. Afaka misafidy ny hahazo fahazoan-dalana vita printy na amin’ny finday ilay mpikambana.

    Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny 26.3.2.

  3. Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly hanatanterahana ôrdônansy ho an’ny velona. Ireo fahazoan-dalana ireo dia ho an’ireo mpikambana handray ny fanafiana masina ho an’ny tenany na hofehezina amin’ny vadiny na ny zanany. Omena amin’ny endrika nomerika amin’ny alalan’ny Fanomanana ôrdônansy ao amin’ny LMM izany. Mampiasa ny Fanomanana ôrdônansy ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana mba handefasana ilay fahazoan-dalana efa vita any amin’ny tempoly izay hanatanterahana ilay ôrdônansy.

    Mba hidirana ny tempoly, ireo mpikambana ho feno 12 taona na mihoatra izany hatramin’ny fiafaran’ny taona izay hanatanterahana ilay ôrdônansy dia tsy maintsy manana ihany koa ny iray amin’ireo karazana fahazoan-dalana roa hafa ankoatra ny fahazoan-dalana hanatanterahana ôrdônansy ho an’ny velona. Raha ilaina dia afaka manome mandritra io tafa sy dinika io ny iray amin’ireo fahazoan-dalana ireo sy ny fahazoan-dalana hanatanterahana ôrdônansy ho an’ny velona ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny 26.3.3.

    Ho fampahalalana mikasika ny fanatanterahana ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny velona dia jereo ny toko faha-27

26.2

Fitahirizana ireo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

26.2.1

Mpitarika ao amin’ny fisoronana mitahiry ireo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

Ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana izay nahazo lalana hihazona ireo bokin’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly dia tokony hitahiry tsara izany. Tsy tokony hisy olona hafa afaka mandray izany. Rehefa manavao ireo bokin’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ny Fiangonana dia potehin’ireo mpitarika ireo boky lany andro.

Maka antoka tsara koa ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana fa ireo olona tsy nahazo lalana dia tsy mahazo mijery fampahalalana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ao amin’ny LMM.

26.2.2

Fahazoan-dalana very na nisy nangalatra

Mangataka amin’ny mpikambana ny eveka mba hampandre azy avy hatrany raha very na nisy nangalatra ny fahazoan-dalan’izy ireo. Raha mbola mendrika ilay mpikambana dia miditra ao amin’ny LMM ny eveka na ny mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany mba hamoahana printy indray ilay fahazoan-dalana. Ilay fahazoan-dalana vaovao dia ho lany daty amin’ilay daty tany am-boalohany ihany.

Indraindray ny mpikambana iray izay very na nisy nangalatra ny fahazoan-dalany dia tsy miaina ireo fenitry ny fahamendrehana intsony. Amin’ireo tranga ireo dia foanan’ny eveka avy hatrany ilay fahazoan-dalana (jereo ny 26.2.3).

26.2.3.

Ireo mpihazona fahazoan-dalana tsy miaina ny fenitry ny fahamendrehana

Rehefa voafaritry ny eveka fa tsy miaina ny fenitry ny fahamendrehena ny mpikambana iray manana fahazoan-dalana manan-kery (jereo ny 26.3, dia mampiasa ny LMM izy mba hanafoanana ilay fahazoan-dalana. Raha toa ka tsy misy io rafitra io dia mifandray amin’ny biraon’ny tempoly ny eveka mba hanafoanana ilay fahazoan-dalana. Raha manana fahazoan-dalana vita printy ilay mpikambana dia angatahan’ny eveka amin’ilay mpikambana izany.

26.3

Torolalana ankapobeny rehefa manome fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

Manao ny tafa sy dinika ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana izay nahazo lalana alohan’ny ahafahan’ny mpikambana iray mandray fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Misy torolalana omena ao amin’ny LMM. Tsy tokony hanome fahazoan-dalana ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana raha tsy rehefa mamaly araka ny tokony ho izy ireo fanontaniana ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ilay mpikambana.

Ny tafa sy dinika ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly dia mamela ny mpikambana hampiseho fa manana fijoroana ho vavolombelona izy ireo ary miezaka mankatò ny didin’ Andriamanitra sy manaraka ireo mpaminaniny. Milaza ihany koa ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana, amin’ny alalan’ny tafa sy dinika, fa mendrika ilay mpikambana.

Jereo ny 26.4 raha mila fampahalalana mikasika ny fanaovana tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.

26.3.1

Fanomezana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly hanatanterahana batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloana tena

Ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana amin’ny alalan’ny fisoloana tena dia manome lalana ireo mpikambana handray anjara amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ho an’ny maty. Omena ireo mpikambana tsy mbola nandray fanafiana masina izay efa natao batisa sy noraisina ho mpikambana izy ireo.

Ireo mpikambana izay efa nandray fanafiana masina teo aloha dia tsy omena fahazoan-dalana hanatanterahana batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloana tena.

Afaka mahazo ireo fahazoan-dalana ireo ny mpikambana manomboka ny janoary amin’ny taona hahafeno 12 taona azy ireo. Ny lehilahy iray mpikamban’ny Fiangonana dia tsy maintsy tendrena ho amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana iray izay vao afaka mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.

Ao amin’ny paroasy iray dia ny eveka na ny mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany no manao tafa sy dinika ireo mpikambana tsy mbola nandray fanafiana masina mba hahazoana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly hanatanterahana batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloana tena. Ao amin’ny sampana iray dia ny filohan’ny sampana ihany no manao ny tafa sy dinika ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. (Ho an’ny tranga maningana dia jereo ny 23.6.1.)

Manaraka ireo torolalana ao amin’ny 26.4 ilay mpitarika manao ilay tafa sy dinika. Tsy tokony hatao maimaika ny tafa sy dinika ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Tokony hatao mitokana izany. Afaka manasa ray na reny, na olon-dehibe iray hafa hanatrika eo anefa ilay olona.

Manome fahazoan-dalana amin’ny alalan’ny LMM ilay mpitarika raha toa ka mendrika ilay mpikambana. Ny sonian’ilay mpikambana sy ny sonian’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà na ny filohan’ny sampana ihany no takina amin’ireo fahazoan-dalana ireo.

Ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà na ny filohan’ny sampana no mampanan-kery ireo fahazoan-dalana hanatanterahana batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloana tena ao amin’ny LMM.

Ho fampahalalana mikasika ny fanomezana fahazoan-dalana ho an’ireo mpikambana izay miomana ny handray ny fanafiana masina na hofehezina amin’ny vady, na ray aman-dreny, na zanaka, dia jereo ny 26.3.3.

26.3.2

Fanomezana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ireo mpikambana efa nandray ny fanafiana masina

Ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ireo mpikambana efa nandray fanafiana masina dia manome lalana ireo mpikambana handray anjara amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly rehetra ho an’ny maty. Omena ireo mpikambana izay efa nandray ny fanafiana masina teo aloha izy ireo. (Ho an’ireo mpikambana mandray ny fanafiana masina ho an’ny tenany manokana dia jereo ny 26.3.3).

Ao amin’ny paroasy iray dia ny eveka na ny mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany no manao ny tafa sy dinika ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly sy manome ireo fahazoan-dalana. Ao amin’ny sampana iray dia ny filohan’ny sampana ihany no manao ny tafa sy dinika ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly sy manome ireo fahazoan-dalana.

Manaraka ireo torolalana ao amin’ny 26.4 ilay mpitarika manao ilay tafa sy dinika. Tsy tokony hatao maimaika ny tafa sy dinika ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Tokony hatao mitokana izany. Afaka manasa vady, na ray na reny, na olon-dehibe iray hafa hanatrika eo anefa ilay olona.

Manome fahazoan-dalana amin’ny alalan’ny LMM ilay mpitarika raha toa ka mendrika ilay mpikambana.

Aorian’ny tafa sy dinika ataon’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà na ataon’ny filohan’ny sampana, dia mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka no manao tafa sy dinika amin’ireo mpikambana izay mipetraka ao amin’ny tsatòka iray. Asiany sonia ny fahazoan-dalan’ireo izay mendrika. Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny misiôna no manao ny tafa sy dinika faharoa ho an’ireo mpikambana mipetraka ao amin’ny distrika iray. Izy ihany koa no manao sonia ny fahazoan-dalan’ireo izay mendrika. Tsy manao tafa sy dinika ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ny filohan’ny distrika raha tsy rehefa nahazo lalana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Eo anivon’ireo tsatòka dia mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na mpitamboky eo anivon’ny tsatòka no mampanan-kery ilay fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ao amin’ny LMM. Eo anivon’ny distrika dia mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny misiôna na mpitamboky eo anivon’ny misiôna no mampanan-kery ny fahazoan-dalana.

Ho fampahalalana mikasika ny fanomezana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ireo mpikambana izay miomana ny handray ny fanafiana masina na hofehezina amin’ny vady, na ray aman-dreny, na zanaka, dia jereo ny 26.3.3.

26.3.3

Fanomezana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly hanatanterahana ôrdônansy ho an’ny velona

Omena ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ireo ôrdônansy ho an’ny velona rehefa miomana ny hanao ireto manaraka ireto ny mpikambana:

  • Handray ny fanafiana masina ho an’ny tenany (jereo ny 27.2).

  • Hofehezina amin’ny vadiny (jereo ny 27.3).

  • Hofehezina amin’ny ray aman-dreniny (jereo ny 27.4).

  • Hofehezina amin’izy ireo ny zanany (jereo ny 27.4).

Mba hidirana ny tempoly dia tsy maintsy manana ihany koa fahazoan-dalana hanatanterahana batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloana tena na fahazoan-dalana ho an’ireo mpikambana efa nandray fanafiana masina ireo mpikambana izay ho feno 12 taona no ho miakatra amin’ny faran’ny taona izay hanaovana ilay ôrdônansy. Raha ilaina dia afaka manome mandritra io tafa sy dinika io ny iray amin’ireo fahazoan-dalana ireo sy ny fahazoan-dalana hanatanterahana ôrdônansy ho an’ny velona ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana.

Ny eveka na ny filohan’ny sampana ary ny filohan’ny tsatòka no manao tafa sy dinika manokana amin’ireo mpikambana izay miomana ny handray ireo ôrdônansin’ny tempoly.

Ao anatin’ny hamehana, rehefa tsy eo ny eveka na ny filohan’ny tsatòka, dia azony atao ny manome lalana ny iray amin’ireo mpanolotsainy hanao ireo tafa sy dinika ireo. Ao amin’ny sampana iray dia ny filohan’ny sampana ihany no afaka manao ireo tafa sy dinika ireo.

Ao amin’ireo paroasy sy tsatòka lehibe ho an’ny tanora tokan-tena dia azon’ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka atao ny manome lalana mpanolotsaina efa manana traikefa hanao ireo tafa sy dinika ireo.

Ao amin’ny distrika iray, ny filohan’ny misiôna na ny mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany no manao ireo tafa sy dinika ireo. Tsy manao ireo tafa sy dinika ireo ny filohan’ny distrika raha tsy hoe nanome lalana azy ireo ny Fiadidiana Voalohany mba hanome fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.

Manaraka ireo torolalana ao amin’ny 26.4 ilay mpitarika manao ilay tafa sy dinika. Tsy tokony hatao maimaika ny tafa sy dinika ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Tokony hatao mitokana izany. Afaka manasa vady, na ray na reny, na olon-dehibe iray hafa hanatrika eo anefa ilay olona.

Mialoha ny hanomezana fahazoan-dalana hanatanterahana ôrdônansy ho an’ny velona, dia mijery ny firaketana ny mombamomba ilay mpikambana ny eveka na ny filohan’ny sampana mba hanamarinana fa tsy misy fanamarihana mikasika ny famerana ny zo maha-mpikamban’ny Fiangonana ao anatin’izany. Mamerina mijery ny mombamomba ilay mpikambana ihany koa izy amin’ny alalan’ny fampiasana ny Fanomanana ôrdônansy ao amin’ny LMM. Ataony sonia amin’ny endrika nomerika ny fahazoan-dalana hanatanterahana ôrdônansy ho an’ny velona raha toa ka mendrika ilay mpikambana ary vonona ny handray ireo ôrdônansin’ny tempoly. Avy eo dia alefany any amin’ny filohan’ny tsatòka na ny misiôna izany amin’ny alalan’ny fampiasana ny Fanomanana ôrdônansy ao amin’ny LMM.

Avy eo dia manao tafa sy dinika amin’ilay mpikambana ny filohan’ny tsatòka na ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny misiôna. Ataony sonia amin’ny endrika nomerika ilay fahazoan-dalana raha toa ka mendrika ilay mpikambana ary vonona ny handray ireo ôrdônansin’ny tempoly. Avy eo dia alefany any amin’ny tempoly izany amin’ny alalan’ny fampiasana ny Fanomanana ôrdônansy ao amin’ny LMM. Raha ilaina dia manao sonia ihany koa ny fahazoan-dalan’ilay mpikambana ho an’ireo mpikambana efa nandray fanafiana masina izy (jereo ny 26.3.2).

Ho fampahalalana momba ireo mpikambana izay miomana handray ireo ôrdônansin’ny tempoly dia jereo ny 27.1.1 sy ny 27.1.2.

Ho fampahalalana mikasika ireo mpikambana miomana handray ny fanafiana masina ho an’ny tenany, dia jereo ny 27.2.

Mba hahitana fampahalalana momba ireo mpikambana izay miomana ny hofehezina amin’ny vadiny dia jereo ny 27.3.

Mba hahitana fampahalalana momba ireo mpikambana izay miomana ny hofehezina amin’ny ray aman-dreniny dia jereo ny 27.4.

Jereo ny 27.4.5 sy ny 38.4.2 mba hijerena ireo fitsipika fanampiny mikasika ny fanatrehana ireo famehezana sy ny famehezana amin’ny ray aman-dreny.

26.3.4

sary famantarana, torolalana momba ny fampifanarahana amin’ny zava-misy
Fanomezana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ireo mpikambana any amin’ny faritra mitoka-monina

Ny mpikambana sasany dia mipetraka any amin’ny faritra izay mitaky ny hanaovany dia andaniam-bola be na mampananosarotra ny fahafahany mihaona amin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na ny misiôna. Amin’ireo toe-javatra ireo, dia afaka mihaona amin’ilay mpikambana ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na ny misiôna mba hanao tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly (jereo ny 31.4).

Manome ilay fahazoan-dalana ilay mpitarika raha toa ka mendrika ilay mpikambana. Raha toa ka mangataka fahazoan-dalana vita printy ilay mpikambana dia manao printy ilay fahazoan-dalana ho an’ilay mpikambana ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà na ny filohan’ny sampana.

Mihatra amin’ireo mpikambana izay any amin’ny tafika any amin’ny faritra mitoka-monina ihany koa io fitsipika io.

zatovo eo ivelan’ny tempoly

26.4

Fanaovana tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

Ny tempoly dia tranon’ny Tompo. Tombontsoa masina ny fidirana ny tempoly sy ny fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansy any. Io tombontsoa io dia natokana ho an’ireo izay vonona ara-panahy ary miezaka ny miaina ireo fenitry ny Tompo, ka ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana nahazo lalana no mamantatra izany.

Mba hanaovana io famantarana io dia manao tafa sy dinika amin’ilay mpikambana ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fanontaniana etsy ambany. Tsy tokony hanampy na hanala na inona na inona amin’ireo fepetra takina ny mpitarika. Na izany aza, dia azon’izy ireo amboarina hifanaraka amin’ny taona sy ny toe-javatra iainan’ilay mpikambana ireo fanontaniana.

Indraindray ny mpikambana dia manana fanontaniana mandritra ny tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Afaka manazava fitsipika fototry ny filazantsara ilay mpitarika ao amin’ny fisoronana. Afaka manampy ireo mpikambana hahatakatra ireo fanontaniana ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly koa izy raha ilaina. Tsy tokony hanolotra ny zavatra inoany manokana, na ny zavatra tiany kokoa, na ny fomba andraisany hevitra iray anefa izy.

Tsy tokony hatao maimaika ny tafa sy dinika ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Tokony hatao mitokana izany. Afaka manasa vady, na ray na reny, na olon-dehibe iray hafa hanatrika eo anefa ilay olona.

26.4.1

Fanontaniana apetraka mandritra ny tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

  1. Moa ve ianao manana finoana an’ Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, sy ny Zanany, Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina ary manana fijoroana ho vavolombelona momba azy ireo?

  2. Moa ve ianao manana fijoroana ho vavolombelona momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra anao Azy?

  3. Moa ve ianao manana fijoroana ho vavolombelona mikasika ny Famerenana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny?

  4. Moa ve ianao manohana ny Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara, ary ho hany olona eto an-tany nahazo lalana hampiasa ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra?

    Moa ve ianao manohana ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara?

    Moa ve ianao manohana ireo Manampahefana Ambony hafa sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana eto an-toerana?

  5. Niteny ny Tompo fa ny zavatra rehetra dia tokony “hatao amin’ny fahadiovana” eo anatrehany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:41).

    Moa ve ianao miezaka ny hanana fahadiovan-tsaina amam-panahy ao anatin’ny eritreritrao sy eo amin’ny fitondrantenanao?

    Moa ve ianao manaja ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?

  6. Moa ve ianao manaraka ireo fampianaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fitondrantena asehonao amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao sy ireo olon-kafa rehefa tsy misy mahita na misy mahita?

  7. Moa ve ianao manohana na mampiely fampianarana, na fomba fanao, na fotopampianarana izay mifanohitra amin’ireo izay hita ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?

  8. Moa ve ianao miezaka ny mitandrina ny andro Sabata ho masina any an-tokantrano sy any am-piangonana, manatrika ireo fivorianao, miomana amin’ny fanasan’ny Tompo sy mandray izany amim-pahamendrehana, ary miaina fiainana izay mifanaraka amin’ireo lalàna sy ireo didin’ny filazantsara?

  9. Moa ve ianao miezaka ny ho marin-toetra amin’ny zavatra rehetra ataonao?

  10. Moa ve ianao mpandoa fahafolonkarena feno?

    Ho an’ireo mpikambana vaovao mikatsaka fahazoan-dalana hanatanterahana batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloana tena: Vonona ve ianao hankatò ilay didy hoe handoa ny fahafolonkarena?

  11. Moa ve ianao mahatakatra sy manaja ny Tenin’ny Fahendrena?

  12. (Tsy apetraka ity fanontaniana ity rehefa manao tafa sy dinika amin’ny ankizy na zatovo.) Moa ve ianao manana adidy ara-bola na adidy hafa amin’ny vadinao taloha na amin’ny zanaka?

    Raha eny, moa mahatontosa tsara ireo adidy ireo ve ianao?

  13. (Tsy apetraka ity fanontaniana ity rehefa manao tafa sy dinika amin’ny mpikambana tsy mbola nandray ny fanafiana masina.) Moa ve ianao manaja ireo fanekempihavanana nataonao tany amin’ny tempoly?

  14. (Tsy apetraka ity fanontaniana ity rehefa manao tafa sy dinika amin’ny mpikambana tsy mbola nandray ny fanafiana masina.) Moa ve ianao manaja ny tombontsoa masina anananao mba hanao ny garmenta araka ny torolalana nomena nandritra ny ôrdônansy fiomanana? (Vakio amin’ny mpikambana tsirairay ilay fanambarana momba ny “Fanaovana ny garmentan’ny tempoly” izay nampiarahana amin’ity etsy ambany.)

  15. Moa ve misy fahotana goavana eo amin’ny fiainanao izay tokony hovahana miaraka amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana, izay tafiditra ao anatin’ny fibebahana ataonao?

  16. Moa ve ianao mihevitra ny tenanao ho mendrika ny hiditra ny tranon’ny Tompo sy handray anjara amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly?

26.4.2

Fanaovana ny garmentan’ny tempoly

Ny Fiadidiana Voalohany dia nanolotra ity torolalana manaraka ity mikasika ny fanaovana garmenta:

“Ny garmentan’ny fisoronana masina dia mampahatsiahy antsika ny voaly ao amin’ny tempoly, ary io voaly io dia fanehoana an’ohatra an’i Jesoa Kristy. Rehefa manao ny garmentanao ianao, dia misalotra tandindona masin’i Jesoa Kristy eo aminao. Fanehoana ety ivelany ny fanolorantena ao anatinao fa hanara-dia Azy ny fanaovana izany. Fampahatsiahivana ihany koa ny fanekempihavanana nataonao tany amin’ny tempoly ny garmenta. Tokony hanao ny garmenta ianao na andro na alina mandritra ny fiainanao. Raha tsy maintsy esorina izany, rehefa manao zavatra izay sarotra tanterahina raha manao garmenta, dia ataovy izay hampidirana izany indray faran’izay haingana avy eo. Rehefa mitandrina ny fanekempihavanana nataonao ianao, isan’izany ny tombontsoa masina hanao ny garmenta araka ny torolalana nomena nandritra ny ôrdônansy fiomanana, dia hahazo misimisy kokoa amin’ny famindram-po, ny fiarovana, ny tanjaka, ary ny herin’ny Mpamonjy ianao.”

Raha manana fanontaniana momba ny fanaovana ny garmenta ny mpikambana dia asaivo mamaky ny 38.5 izy ireo.

26.4.3.

Torolalana fanampiny

Antitranterin’ilay mpitarika ao amin’ny fisoronana amin’ilay mpikambana ny tokony hitehirizana tsara ny fahazoan-dalany. Tsy tokony hampindramina olon-kafa na oviana na oviana izany ary tokony hanaovana tatitra avy hatrany any amin’izay olona nanome azy raha toa ka very na nisy nangalatra.

zatovo mihazona fahazoan-dalana eo ivelan’ny tempoly

26.5

Fanomezana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ao anatina toe-javatra manokana

26.5.1

Mpikambana vao vita batisa

Ny eveka no manao tafa sy dinika amin’ireo mpikambana vaovao izay ampy taona tsara ka afaka mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly mba hanatanteraka batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloana tena (jereo ny 26.3.1). Manao izany tafa sy dinika izany izy fotoana fohy aorian’ny fandraisana ilay olona ho mpikambana, izay ao anatin’ny herinandro nahavitana izany raha ny tokony ho izy. Ho an’ireo rahalahy dia mety azo tanterahina miaraka amin’ny tafa sy dinika handraisana ny Fisoronana Aharôna io tafa sy dinika io. Afaka manome andraikitra ny iray amin’ireo mpanolotsainy ny eveka na ny filohan’ny sampana mba hanao ity tafa sy dinika ity. Ny lehilahy iray mpikamban’ny Fiangonana dia tsy maintsy tendrena ho amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana iray izay vao afaka mahazo fahazoan-dalana.

Mandritra ilay tafa sy dinika dia afaka mandroso sosokevitra ny eveka ny hampiasana ny Fanampiana amin’ny anaram-pianakaviana mba hanampiana ilay mpikambana vaovao hanao printy ny anaran’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana efa nodimandry izay hanaovan’ilay mpikambana vaovao ôrdônansin’ny tempoly (jereo ny “Fanampiana amin’ny anaram-pianakaviana” ao amin’ny 25.4.1).

Afaka mandray ny fanafiana masina ho an’ny tenany ireo mpikambana olon-dehibe mendrika rehefa feno herintaona katroka ny nandraisana azy ireo ho mpikamban’ny Fiangonana (jereo ny 27.2.1.1). Maka antoka ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana fa herintaona katroka farafahakeliny aorian’ny daty nandraisana ilay olona iray ho mpikambana, fa tsy ny daty nanaovana batisa azy, ny daty handraisan’ny mpikambana iray ilay fanafiana masina. Ny Fiadidiana Voalohany ihany no afaka manome fahazoan-dalana ho an’ny tranga maningana.

26.5.2

Misiônera tanora niverina avy nanao asa fanompoana tany an-tany lavitra

Mialoha ny hahatontosan’ny misiônera tanora iray izay misahana asa fanompoana any an-tany lavitra ny asa fanompoany dia manao tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ny filohan’ny misiôna. Raha mendrika ilay misiônera dia omeny fahazoan-dalana. Asian’ny filohan’ny misiôna daty ilay fahazoan-dalana ary ampidiriny mba hanan-kery ilay fahazoan-dalana, ka ho lany daty izany telo volana aorian’ny daty handehanan’ilay misiônera mody.

Manao tafa sy dinika amin’ireo misiônera nahavita asa fanompoana ny eveka mba hanomezana fahazoan-dalana vaovao hidirana ny tempoly rehefa akaiky ho tapitra ilay telo volana haha lany daty ilay fahazoan-dalana. Raha misy fahamehana rehefa tsy eo ny eveka dia afaka manome lalana ny iray amin’ireo mpanolotsainy izy mba hanao ireo tafa sy dinika ireo.

Ao amin’ireo paroasy lehibe ho an’ny tanora tokan-tena dia azon’ny eveka atao ny manome lalana mpanolotsaina efa manana traikefa mba hanao ireo tafa sy dinika ireo.

Avy eo ireo misiônera nahavita asa fanompoana dia mihaona amin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòkany mba hanao tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.

Mandritra ireo tafa sy dinika ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ireo dia mamerina mijery ihany koa ireo torohevitra nomena nandritra ny tafa sy dinika nisaorana ilay misiônera ny eveka sy ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka (jereo ny 24.8.2). Resadresahan’izy ireo ao anatin’izany ny fivoaran’ilay misiônera nahavita asa fanompoana sy izay mahasoa azy ary ny antso tontosainy ao amin’ny Fiangonana. Amporisihin’izy ireo koa izy hanohy hizotra eo amin’ny lalana feno fivoarana ara-panahy sy fanompoana mandritra ny androm-piainana.

Raha tsy manana antso ao amin’ny Fiangonana ilay misiônera nahavita asa fanompoana dia ataon’ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka izay hanomezana azy antso iray. Azo atao ny manolotra ireo misiônera nahavita asa fanompoana hanompo mba ho mpiasa ao amin’ny tempoly raha akaiky eo ny tempoly (jereo ny 25.5).

26.5.3.

Mpikambana izay latsaky ny herintaona no nonenany tao amin’ny paroasy

Raha tsy nipetraka tao amin’ny paroasy iray nandritra ny herintaona tsy tapaka farafahakeliny ny mpikambana iray dia mijery ny firaketana ny mombamomba ilay mpikambana ny eveka mba hanamarinana fa tsy misy fanamarihana mikasika ny famerana ny zo maha-mpikamban’ny Fiangonana ao anatin’izany.

Mifandray amin’ilay eveka teo aloha ny eveka na ny mpanolotsaina iray nomena andraikitra hisahana izany alohan’ny hanaovana tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Raha mahafantatra ny mpanolotsaina iray fa misy fampahalalana tsiambaratelo zarainy, dia faranany hatreo ilay fifampiresahana. Mampahafantatra ny evekany izy mba hifandray amin’ilay eveka teo aloha alohan’ny hanaovana tafa sy dinika.

26.5.4

Aorian’ny fisaraham-panambadiana na ny fisarahana na ny fanafoanana fanambadiana

Mety hahatsapa ho taomim-panahy ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka mba hanao tafa sy dinika amin’ny mpikambana iray izay nisara-panambadiana na nisara-toerana araka ny lalàna na nofoanana ny fanambadiany hatramin’ny fotoana farany nahazoany fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Mandritra io tafa sy dinika io dia mitondra fanampiana mba hampatanjaka ilay mpikambana ara-panahy izy ireo. Hamarinin’izy ireo koa raha toa ka mbola mendrika hatrany ny hiditra ny tempoly ilay mpikambana.

26.5.5

Mpikambana izay manana havana akaiky manohitra ampahibemaso ny Fiangonana na mikambana amina vondrona ao anatin’ny apôstazia

Mila mitandrina ny eveka sy ny mpanolotsainy rehefa manome fahazoan-dalana ho an’ireo mpikambana izay manana havana akaiky manohitra ampahibemaso ny Fiangonana na mpikambana amina vondrona izay ao anatin’ny apôstazia. Ny mpikambana miaina ao anatin’ireo toe-javatra ireo dia tsy tokony hatao mahatsapa fa tsy afaka mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly izy ireo noho ireo fikambanana misy ny fianakaviany. Tokony hamporisihana izy ireo hitazona fifandraisana amim-pitiavana amin’ireo havany akaiky. Azo omena fahazoan-dalana hidirana ny tempoly izy ireo raha mamaly araka ny tokony ho izy sy amin-kitsimpo ireo fanontaniana ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.

26.5.6

Ireo olona izay mahatsapa ny tenany ho transgenres (olona izay tsy mitovy amin’ny namaritana azy ny fahatsapany ny maha-lahy na ny maha-vavy azy na ny fanehoany izany)

Ireo ôrdônansin’ny tempoly dia raisina arakaraka ny toetra voajanahary maha-lahy na maha-vavy ny olona iray tamin’ny nahaterahany. Ny mpikambana mendrika izay tsy manaraka fandidiana, sy tsy manaraka fitsaboana, ary tsy manova ny mombamomba ny tenany eo anatrehan’ny fiarahamonina mba ho lasa lahy na vavy izay mifanohitra amin’ny toetra voajanahary maha-lahy na maha-vavy azy tamin’ny nahaterahany dia afaka mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly sy ireo ôrdônansin’ny tempoly. (Mba hahitana famaritana ny fiovana eo amin’ny fiaraha-monina dia jereo ny 38.6.23.)

Ireo mpikambana izay efa nanao ireo dingana amin’ny fiovana ary avy eo miverina amin’ny toetra voajanahary maha-lahy na maha-vavy tamin’ny nahaterahana sy mendrika ary vonona ny hitandrina ireo didin’ Andriamanitra dia afaka mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly sy ireo ôrdônansy any amin’ny tempoly.

Mifampidinika amin’ny filohan’ny tsatòka ny eveka mba hiresaka amim-pitandremana sy amin’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy ny toe-javatra misy ny tsirairay avy. Mikatsaka hevitra avy amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra ireo filohan’ny tsatòka sy ireo filohan’ny misiôna.

Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny 38.6.23

26.5.7

Mpikambana izay nahavita fandikan-dalàna goavana

Ny mpikambana iray izay nahavita fahotana goavana dia tsy afaka mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly raha tsy efa nibebaka (jereo ny 32.6). An’ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka manokana ny andraikitra handray fanapahan-kevitra momba ny faharetan’ny fe-potoana manelanelana ilay fahotana sy ny fanomezana fahazoan-dalana. Tokony ho ampy tsara izany mba hakana antoka fa tena efa nibebaka tamin-kitsimpo tokoa ilay olona.

26.5.8

Mpikambana izay naverina noraisina ho mpikambana taorian’ny fanesorana azy tsy ho mpikambana na ny fialany tsy ho mpikambana

26.5.8.1

Mpikambana izay tsy mbola nandray fanafiana masina tany aloha

Rehefa misy mpikambana tsy mbola nandray fanafiana masina tany aloha ka averina raisina amin’ny alalan’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana dia afaka manao tafa sy dinika amin’ny eveka izy, mba hahazoany fahazoan-dalana hidirana ny tempoly hanatanterahana batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloana tena (jereo ny 26.4.2). Io tafa sy dinika io raha ny tokony ho izy dia atao herinandro aorian’ny fandraisana ilay olona ho mpikambana. Ny lehilahy mpikamban’ny Fiangonana dia tsy maintsy tendrena ho amin’ny anjara fanompoana iray ao amin’ny fisoronana izay vao afaka mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.

Ireo mpikambana ireo dia tsy azo omena fahazoan-dalana handraisana ny fanafiana masina ho an’ny tenan’izy ireo manokana raha tsy herintaona katroka aorian’ny datin’ny namerenana azy ireo tato amin’ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny batisa sy ny nandraisana azy ireo ho mpikambana.

26.5.8.2

Ireo mpikambana izay efa nandray ny fanafiana masina tany aloha

Ny mpikambana izay efa nandray ny fanafiana masina tany aloha dia tsy afaka mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly na inona na inona karazany raha tsy voaverina amin’ny laoniny ireo fitahian’ny tempoly ho azy ireo amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny famerenana ireo fitahiana amin’ny laoniny (jereo ny 32.17.2). Rehefa tafaverina ireo fitahiana ho azy ireo dia azo omena fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ny mpikambana efa nandray fanafiana masina izy ireo.