Boky torolalana sy antso
25. Asa atao any amin’ny tempoly sy asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy sy tsatòka


“25. Asa atao any amin’ny tempoly sy asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy sy tsatòka,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2020).

“25. Asa atao any amin’ny tempoly sy asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy sy tsatòka,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
tempoly

25.

Asa atao any amin’ny tempoly sy asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy sy tsatòka

25.0

Teny fanolorana

Ny fampiraisana ireo fianakaviana ho mandrakizay dia tafiditra ao anatin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny 1.2). Ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana dia fitaovana iray mba hampiraisana sy hamehezana ny fianakaviana ho mandrakizay (jereo ny Matio 16:19). Izany asa izany dia ahitana:

Ny tempoly dia tranon’ny Tompo. Mitahy ireo zanaky ny Ray any An-danitra ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly. Manasa ny zanany rehetra ny Ray any An-danitra mba ho mendrika sy handray ireo fanekempihavanan’ny tempoly.

Ity toko ity dia fitarihana ho an’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy ireo mpikambana momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana. Misy fampahalalana bebe kokoa ao amin’ny “Temples” sy “Family History” (Gospel Topics, topics.ChurchofJesusChrist.org).

25.1

Fandraisan’anjaran’ny mpikambana sy ny mpitarika ao amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana

Ny mpikamban’ny Fiangonana dia manana tombontsoa sy andrakitra mba hanampy amin’ny fampiraisana ny fianakaviany mandrakizay. Manomana ny tenany izy ireo mba hanao fanekempihavanana rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny tempoly ary miezaka ny mitandrina ireo fanekempihavanana ireo izy ireo. Miezaka koa izy ireo mba hanampy ireo olona ao amin’ny fianakaviana hahatakatra sy handray ireo fanekempihavanan’ny tempoly ary hiezaka ny hitandrina izany. Andraikitra voalohany sahanin’ny ray aman-dreny ny manampy ireo zanany hiaina ireo fitahiana avy amin’ny fanaovana asa any amin’ny tempoly sy asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ho an’ireo olona ao amin’ny fianakaviana efa maty.

Ny mpikamban’ny Fiangonana dia entanina mba hanao fikarohana mikasika ireo havany efa maty izay mbola tsy nandray ireo ôrdônansin’ny tempoly. Avy eo dia manatanteraka ôrdônansy eo amin’ny toeran’ireo havana ireo ny mpikambana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:18). Ny olona iray efa maty izay any amin’ny tontolon’ny fanahy dia afaka misafidy ny hanaiky na handà ireo ôrdônansy izay notanterahina ho azy ireo.

Ny mpikambana koa dia manasa ny fianakaviana sy ny namana mba hamantatra ireo razambeny sy hikaroka ny tantaran’izy ireo.

Tohanan’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’ireto fomba manaraka ireto ny mpikambana:

  • Mampianatra ny maha-zava-dehibe ny fanaovana sy ny fiezahana mitandrina ireo fanekempihavanan’ny tempoly.

  • Mamporisika ireo mpikambana mba hamantatra ireo razambeny sy hikaroka ny tantaran’izy ireo ary hanatanteraka ôrdônansin’ny tempoly ho azy ireo.

  • Manohana ireo ray aman-dreny amin’ny fanampiana ny zanak’izy ireo handray anjara ao anatin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.

  • Mamporisika ireo mpikambana efa nandray fanafiana masina mba hanana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly ary hitsaoka matetika any amin’ny tempoly araka izay hamelan’ny toe-javatra iainan’izy ireo hanao izany.

  • Mamporisika ireo zatovo sy mpikambana vaovao ary olon-dehibe mbola tsy nandray fanafiana masina mba hanana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly hanatanterahana batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloana tena sy mba handeha ho any amin’ny tempoly hatao batisa sy horaisina ho mpikambana ho an’ny maty.

Jereo ny toko 26 mba hahitana fampahalalana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.

25.1.1

Andraikitry ny olona tsirairay eo amin’ny fanatrehana any amin’ny tempoly

Ny mpikambana no manapa-kevitra manokana ny amin’izay fotoana hitsaohana any amin’ny tempoly sy ny hatetik’izany. Ireo mpitarika dia tsy mamaritra isa tratrarina na fomba fanaraha-maso ny fanatrehana any amin’ny tempoly.

25.1.2

Fikarakarana dia mankany amin’ny tempoly eo anivon’ny paroasy sy tsatòka

Ny rantsan’ny Fiangonana tsirairay dia voatendry ho ao anatin’ny distrikan’ny tempoly iray. Tsy amporisihina ny fandaminana fitsidihana tempoly ataon’ny paroasy na tsatòka any ivelan’ny faritry ny distrikan’ny tempoly voatendry hisy azy ireo.

Afaka mandeha any amin’ny tempoly izay irian’izy ireo haleha ny mpikambana tsirairay sy ireo fianakaviana.

25.2

Fandrindrana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy

25.2.1

Ny episkôpà

Ny episkôpà dia miara-miasa amin’ireo fiadidian’ny kôlejy sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana eo am-pitantanan’izy ireo ireo ezaka atao mahakasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana. Manao filankevitra matetika ireo mpitarika ireo.

Ny episkôpà koa dia manana ireto andraikitra manaraka ireto mahakasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy:

  • Mamporisika ny olona tsirairay sy ny fianakaviana mba hianatra ny fotopampianaran’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ary ireo fitahiana avy amin’izany.

  • Maka antoka fa ampianarina any am-piangonana ny fotopampianaran’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ary ireo fitahiana avy amin’izany.

  • Maka antoka fa ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana dia voarindra mandritra ireo fivorian’ny filankevitry ny paroasy sy ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy.

  • Mandinika sy manome fankatoavana ny drafitra momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ho an’ny paroasy (jereo ny 25.2.6).

  • Manara-maso ny fandrindrana ny fampianarana momba ny fiomanana ho any amin’ny tempoly (jereo ny 25.2.8).

  • Manome fahazoan-dalana hidirana ny tempoly (jereo ny toko 26).

Maka hevitra amin’ny filohan’ny tsatòka ny episkôpà mba hahitana raha toa ka ilaina ny miantso mpitarika misahana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy (jereo ny 25.2.3 raha mila fampahalalana bebe kokoa).

25.2.2

Ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana

Ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana no mitantana ireo ezaka atao isan’andro mahakasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasy (jereo ny 8.2.4 sy ny 9.2.4). Ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona no mitarika izany ezaka izany ho an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny loholona. Ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana no mitarika ny ezaka ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Miara-miasa izy ireo hitarihana ireo ezaka ireo miaraka amin’ny filankevitry ny paroasy eo ambany fandrindran’ny eveka.

Ireto manaraka ireto no andraikitr’ireo mpitarika ireo:

  • Mangataka ny mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy mba hanampy ireo mpikambana ao amin’ny paroasy vao nandray antso hanao asa fitoriana mba hitady sy hanomana ny anaran’ireo razambe hanatanterahana ôrdônansin’ny tempoly.

  • Mamporisika ny olona tsirairay sy ny fianakaviana mba hianatra ny fotopampianaran’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ary ireo fitahiana avy amin’izany.

  • Maka antoka fa ampianarina any am-piangonana ny fotopampianaran’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ary ireo fitahiana avy amin’izany.

  • Manampy ny mpikambana hiomana handray ireo ôrdônansin’ny tempoly sy hanao ireo fanekempihavanan’ny tempoly.

  • Mamporisika ny mpikambana mba hitsaoka matetika any amin’ny tempoly araka izay hamelan’ny toe-javatra iainan’izy ireo hanao izany.

  • Mamporisika ny mpikambana hamantatra ireo razambeny ary hanatanteraka ireo ôrdônansin’ny tempoly ho azy ireo.

  • Manampy ny filankevitry ny paroasy mba hanao sy hanatanteraka drafitra momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ho an’ny paroasy (jereo ny 25.2.6).

  • Maka antoka fa voarafitra ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ary atao tatitra mandritra ny fivorian’ny filankevitry ny paroasy sy ny fivoriana fandrindrana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy.

  • Mitantana ny asa iandraiketan’ny mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy. Raha tsy natao ny fiantsoana io mpitarika io, dia mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona no mitana izany anjara asa izany (jereo ny 25.2.3).

Manendry mpikambana iray ao amin’ny fiadidiany avy ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana mba hanampy amin’ny fitarihana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasy. Miara-miasa ireo mpikambana roa ao amin’ny fiadidiana ireo. Manatrika ireo fivoriana fandrindrana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy izy ireo (jereo ny 25.2.7).

Sary
zatovo eo ivelan’ny tempoly

25.2.3

Sary
sary famantarana, torolalana momba ny fampifanarahana amin’ny zava-misy
Mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy

Ny episkôpà dia mifampiresaka amin’ny filohan’ny tsatòka mba hamantarana raha toa ka ilaina ny miantso mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy na tsia. Raha manapa-kevitra izy ireo ny handroso io antso io, dia mifanakalo hevitra amin’ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana ny episkôpà rehefa mamaritra hoe iza no hantsoina. Tokony ho mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka io olona io. Raha tsy natao ny fiantsoana io mpitarika io, dia mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona no mitana izany anjara asa izany.

Ny mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy dia manohana ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo amin’ny andraikitr’izy ireo mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana. Misahana ireto andraikitra manaraka ireto koa izy:

  • Mandrindra miaraka amin’ireo mpitarika an’ireo rafitra eo anivon’ny paroasy ireo ezaka atao mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, ka tafiditra ao anatin’izany ireo fiadidian’ny kôlejin’ny zatovo sy ny kilasin’ny zatovo.

  • Mitarika ireo fivoriana fandrindrana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy (jereo ny 25.2.7).

  • Manatrika ireo fivorian’ny filankevitry ny paroasy raha toa ka asaina amin’izany.

  • Manampy ny filankevitry ny paroasy mba hanao sy hanatanteraka drafitra momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ho an’ny paroasy (jereo ny 25.2.6).

  • Mampianatra ireo mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy. Mandrindra ny ezaka ataon’izy ireo mba hanampiana ireo mpikambana amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.

  • Miara-miasa amin’ny mpitarika ny asa fitoriana eo anivon’ny paroasy sy ireo misiônera mba hanampiana ireo izay mianatra ny filazantsara, sy ireo mpikambana vaovao ary ireo mpikambana niverina nazoto mba handray anjara mavitrika amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.

  • Manendry ireo mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy hanompo any amin’ny ivon-toeran’ny FamilySearch, raha azo atao izany any amin’ilay toerana (jereo ny 25.3.6).

25.2.4

Mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy

Ireo mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy dia manompo eo ambany fitarihan’ny mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy na ilay mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona izay misahana io andraikitra io. Ny episkôpà no miantso ireo mpikambana ireo hanompo. Azo antsoina hanao izany na olon-dehibe na zatovo. Afaka manolotra izay afaka manompo ireo filohan’ny kôlejin’ny loholona, sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana ary ny an’ny Zatovovavy.

Ireto manaraka ireto no andraikitra sahanin’ireo mpanorohevitra:

  • Manampy ny mpikambana hiaina ireo fitahiana avy amin’ny fikarohana ireo razambeny sy ny fanatanterahana ireo ôrdônansin’ny tempoly ho azy ireo. Ireo zavatra iainana ireo dia tena manan-danja manokana ho an’ireo izay mianatra ny filazantsara, sy ireo mpikambana vaovao sy ireo mpikambana miverina mavitrika, ary ireo izay miomana handray fahazoan-dalana hanatanterahana batisa sy fandraisana ho mpikambana isoloana tena.

  • Manampy ny mpikambana hiomana handray ireo ôrdônansin’ny tempoly sy hanao ireo fanekempihavanan’ny tempoly.

  • Mandray anjara ao amin’ireo fivoriana fandrindrana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana (jereo ny 25.2.7).

  • Manompo any amin’ny ivon-toeran’ny FamilySearch eo an-toerana rehefa tendrena hanao izany (jereo ny 25.3.6).

25.2.5

Ny filankevitry ny paroasy

Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy dia manao sy manatanteraka ombam-bavaka drafitra momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ho an’ny paroasy. Mba hahitana fampahalalana momba izany drafitra izany dia jereo ny 25.2.6.

Azon’ny eveka atao ny manasa ny mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy mba hanatrika ireo fivoriana filankevitry ny paroasy.

25.2.6

Drafitra momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ho an’ny paroasy

Ny paroasy tsirairay dia tokony hanana drafira tsotsotra momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana. Izany drafitra izany dia manampy ireo mpikambana ao amin’ny paroasy, tafiditra ao anatin’izany ny ankizy sy ny zatovo, mba handray anjara amin’ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana sy hiomana mba hitsaoka matetika any amin’ny tempoly araka izay hamelan’ny toe-javatra iainan’izy ireo hanao izany.

Ireo filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana dia manampy ny filankevitry ny paroasy amin’ny fanaovana ilay drafitra. Manampy ihany koa ny mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy. Rehefa manao ilay drafitra izy ireo dia:

  • Mandinika ireo zavatra ilaina sy loharanom-panampiana misy.

  • Mamantatra ireo andraikitra horaisina mandritra ny taona.

  • Manapa-kevitra ny amin’ny fomba hanatanterahana ilay drafitra sy ny fomba hizarana asa iandraiketana mifanaraka amin’izany.

Voatanisa etsy ambany ireo ohatra mampiseho ny zavatra azo ampidirina ao anatin’ilay drafitra:

  • Manampy ny mpikambana mba hanorina ny rafi-tetiarany ao amin’ny FamilySearch.org na amin’ny alalan’ny application Arbre familial (jereo ny 25.4.2).

  • Mampandray anjara an’ireo mpikambana vaovao sy mpikambana niverina navitrika, ny zatovo ary ny ankizy amin’ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.

  • Manampy mpikambana manokana mba hiomana handray ireo ôrdônansin’ny tempoly.

Dinihin’ny eveka ilay drafitra ka ankatoaviny. Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy no mandray an-tanana ny fanatanterahana izany. Manao tatitra ny fivoaran’izany izy ireo mandritra ireo fivorian’ny filankevitry ny paroasy. Mitondra fanovana ao amin’ilay drafitra koa izy ireo rehefa ilaina izany.

25.2.7

Fivoriana fandrindrana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy

Tanterahina tsy tapaka ny fivoriana fohy, tsotsotra, enti-mandrindra ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy. Raha toa ka misy olona voantso ho mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy, dia izy no mitarika izany fivoriana izany. Raha tsy izany dia ilay mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona no manatanteraka izany andraikitra mba hitarika izany.

Ireo olona hafa izay asaina hanatrika izany dia ahitana:

  • Ireo mpikambana nomena andraikitra ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana.

  • Mpanampy iray ao anatin’ny kôlejin’ny mpisorona.

  • Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasin’ny Zatovovavy zokiny indrindra.

  • Mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.

Mifampidinika toy ny mpandray anjara mitovy lenta ireo rehetra manatrika izany, ka tafiditra ao anatin’izany ny zatovo.

Ny tanjon’ireo fivoriana ireo dia mba:

  • Handrindra ireo ezaka atao amin’ny fanatanterahana ny drafitra momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ho an’ny paroasy (jereo ny 25.2.6).

  • Hanaovana drafitra momba ny fomba hanampiana mpikambana manokana mahakasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana izay azy ireo manokana rehefa ilaina ny manao izany.

Azo tanterahina mivantana ireo fivoriana ireo na atao avy lavitra. Ny fandrindrana dia azo atao ihany koa amin’ny fomba hafa toy ny amin’ny alalan’ny antso an-telefaonina, na ny hafatra an-tsoratra fohy na ny emails.

25.2.8

Fampianarana momba ny fiomanana ho any amin’ny tempoly

Eo ambany fitarihan’ny eveka dia azo alamina ny fampianarana momba ny fiomanana ho any amin’ny tempoly mba hanampiana ireo mpikambana hanao fanekempihavanana rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny tempoly izy ireo. Atao amin’ny fotoana ivelan’ireo fivoriana mahazatra amin’ny alahady ireo fampianarana ireo, amin’ny fotoana izay mety amin’ireo mpikambana. Azo atao any amin’ny trano fiangonana izy ireo na any an-trano.

Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy dia misafidy ombam-bavaka ireo mpikambana hasaina hanatrika ny fampianarana tsirairay. Izany fampianarana izany dia mety tena hanampy ireto olona manaraka ireto:

  • Mpikambana vaovao

  • Mpikambana miomana ny handray ny fanafiana masin’izy ireo na hofehezina

  • Mpikambana niverina navitrika ao am-piangonana

  • Mpikambana efa nandray fanafiana masina izay tsy nanavao ny fahazoan-dalan’izy ireo hidirana ny tempoly nandritra ny fotoana naharitra

Miantso mpampianatra iray na mihoatra izany hisahana ny fiomanana ho any amin’ny tempoly ny episkôpà. Ireo lesona sy ireo torolalana momba ny fandrindrana ny fampianarana dia hita ao amin’ny Endowed from on High: Temple Preparation Seminar Teacher’s Manual (Nandray ny fanafiana masina avy any ambony: Seminera fiomanana ho any amin’ny tempoly, Bokin’ny mpampianatra). Omena ny tahadikan’ny Miomana hiditra ny tempoly ireo mpandray anjara. Mba hahitana loharanom-panampiana ho an’ny fandalinan’ny tena manokana sy ireo lesona dia jereo ny temples.ChurchofJesusChrist.org.

25.3

Fandrindrana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny tsatòka

Ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka dia manohana ireo mpitarika sy mpikambana eo amin’ny ezaka ataon’izy ireo momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.

25.3.1

Fiadidian’ny tsatòka

Ny filohan’ny tsatòka dia mihazona ireo fanalahidin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana eo anivon’ny tsatòka. Izy sy ny mpanolotsainy dia manana ireto andraikitra manaraka ireto mahakasika ny lafin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ao anatin’izany asa izany:

  • Maka antoka fa ampianarina tsy tapaka mandritra ireo fivorian’ny tsatòka ny fotopampianarana mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ary ireo fitahiana avy amin’izany.

  • Manampy ny mpikambana mba hiomana hanao fanekempihavanana masina rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny tempoly izy ireo.

  • Mamporisika ny mpikambana hamantatra ireo razambeny ary hanatanteraka ireo ôrdônansin’ny tempoly ho azy ireo.

  • Mamporisika ny mpikambana mba hitsaoka matetika any amin’ny tempoly araka izay hamelan’ny toe-javatra iainan’izy ireo hanao izany.

  • Manao dinidinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly (jereo ny toko 26).

Mandritra ny fivoriany tsy tapaka miaraka amin’ny filohan’ny kôlejin’ny loholona tsirairay dia miresaka momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka (jereo ny 8.3.1). Afaka manatrika izany ireo mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo izay nomena andraikitra hisahana ilay kôlejy.

25.3.2

Ny kômitin’ny mpitarika misahana ny olon-dehibe eo anivon’ny tsatòka

Ny kômitin’ny mpitarika misahana ny olon-dehibe eo anivon’ny tsatòka dia ahitana:

  • Ny fiadidian’ny tsatòka.

  • Ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka.

  • Ireo filankevitra avo nomena andraikitra hiara-hiasa amin’ireo kôlejin’ny loholona.

Ireo mpitarika ireo dia mampianatra sy manohana ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana eo anatrehan’ny andraikitr’izy ireo mahakasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana (jereo ny 25.2.2). Azo atao ho ana vondrona ny fampianarana na atao ho an’ny olona tsirairay. Azo asaina ireo mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy handray izany fampianarana izany.

Ho fampahalalana misimisy kokoa mikasika ny fivorian’io kômity io dia jereo ny 29.3.9

25.3.3

Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo

Ny fiadidian’ny tsatòka dia afaka manome andraikitra mpikambana ao amin’ny filankevitra avo mba hampianatra sy hanohana ireto olona manaraka ireto amin’ny andraikitr’izy ireo mahakasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana:

  • Ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona

  • Ireo mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy

  • Ireo mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny tsatòka

Azo atao ny manome andraikitra ny mpikambana iray fanampiny ao amin’ny filankevitra avo hitarika ireo ezaka ireo. Na izany aza dia manana ireo andraikitra ireo ny mpikambana ao amin’ny filankevitra avo rehetra any amin’ireo paroasy sy kôlejy nampiandraiketina azy ireo.

Ny filankevitra avo dia afaka manampy ireo mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy mba hampianatra ireo mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy. Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo dia azon’ireo mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny tsatòka ampiana.

Ny fiadidian’ny tsatòka dia afaka manome andraikitra mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo handrindra ny ezaka ataon’ny tsatòka amin’ny firaketana fampahalalana (jereo ny 25.4.3). Azo omena andraikitra hanara-maso ny asa any amin’ny ivon-toeran’ny FamilySearch izy na ny mpikambana iray hafa ao amin’ny filankevitra avo (jereo ny 25.3.6).

25.3.4

Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka

Eo ambany fitarihan’ny filohan’ny tsatòka, ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka dia mampianatra sy manohana ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny paroasy mahakasika ny andraikitr’izy ireo eo amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.

25.3.5

Sary
sary famantarana, torolalana momba ny fampifanarahana amin’ny zava-misy
Mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny tsatòka

Ny mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny tsatòka dia manohana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana manerana ny tsatòka. Izy ireo dia manompo eo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny tsatòka sy ny mpikambana iray na mihoatra izany ao amin’ny filankevitra avo izay nomena andraikitra hisahana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.

Ireo mpanorohevitra ireo dia manohana ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka eo amin’ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fampianarana ny hafa ao anatin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana (jereo ny 25.3.3 sy ny 25.3.4). Azo omena ireto andraikitra manaraka ireto koa izy ireo:

  • Manampy amin’ny fampianarana sy ny fanohanana ireo mpikambana ao anatin’ireo antso omena mahakasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.

  • Manampy amin’ny fandrindrana ny ezaka ataon’ny tsatòka amin’ny firaketana fampahalalana (25.4.3).

  • Manompo any amin’ny ivon-toeran’ny FamilySearch (jereo ny 25.3.6).

25.3.6

Sary
sary famantarana, torolalana momba ny fampifanarahana amin’ny zava-misy
Ivon-toeran’ny FamilySearch

Raha misy ireo loharanom-pitaovana dia afaka manorina ivon-toeran’ny FamilySearch iray na mihoatra ny tsatòka. Ireo ivon-toerana ireo dia natao hanampiana ny mpitsidika hamantatra sy hanangonana fampahalalana ary hampiraisana ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay velona sy efa maty. Afaka mampiasa ireo ivon-toerana ireo na iza na iza.

Ny filohan’ny tsatòka dia manome andraikitra mpanorohevitra iray mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny tsatòka mba hanara-maso ireo ezaka atao any amin’ny ivon-toeran’ny FamilySearch tsirairay. Ireo mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny tsatòka sy ny paroasy amin’ny ankapobeny no miandraikitra ny ivon-toerana tsirairay. Tokony hisokatra amin’ny fotoana maha-afaka ny olona ireo ivon-toeran’ny FamilySearch.

Ny hany tranga maningana dia misy ivon-toeran’ny FamilySearch lehibe sasany izay ny Fiadidian’ny Vondromparitra no manara-maso azy ireo.

25.3.7

Mpanoro hevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny Vondromparitra

Afaka miantso mpanoro hevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny Vondromparitra ireo Fiadidian’ny Vondromparitra. Raha ahafahana manao izany ny toe-javatra misy, dia azo atao ny miantso olona iray na mpivady ho an’ny filankevitra enti-mandrindra tsirairay. Manompo mandritra ny telo hatramin’ny dimy taona eo raha ny mahazatra ireo mpanoro hevitra.

Ny Fiadidian’ny Vondromparitra dia afaka manome andraikitra Fitopololahin’ny Vondromparitra handrindra ny asan’ireo mpanoro hevitra ireo mandritra ny filankevitra enti-mandrindra. Tokony hifanaraka amin’ny zavatra ifantohan’ny vondromparitra ny asan’ireo mpanoro hevitra.

Araka izay toromarika omen’ny Fiadidian’ny Vondromparitra sy ny Fitopololahin’ny Vondromparitra, ireo mpanoro hevitra dia manampy ireo filohan’ny tsatòka mba hanatanteraka ny andraikitr’izy ireo mahakasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana. Ireo mpanoro hevitra dia manampy ireo filohan’ny tsatòka amin’ny ezaka ataon’izy ireo hampianarana ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo, ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka, sy ireo kômitin’ny mpitarika misahana ny olon-dehibe eo anivon’ny tsatòka ary ireo mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ny andraikitr’izy ireo.

Ireo mpanoro hevitra dia azo omena andraikitra hanampy ireo fiadidian’ny tsatòka hanomana ireo mpikambana mikasika ny fitsaohana any amin’ireo tempoly vao nambara ao anatin’ilay vondromparitra. Ireo andraikitra hafa dia mety ahitana ny fampianarana ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka mikasika ireo fitsipika sy fomba fanao eo amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana. Tafiditra ao anatin’ireo:

  • Ny fomba fandaminana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny tsatòka sy paroasy (jereo ny 25.3 sy ny 25.2).

  • Ny fomba fanohanana ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana eo anatrehan’ireo andraikitr’izy ireo (jereo ny 25.2.2).

  • Ny fomba ahafahan’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa atao mikasika ny tantaram-pianakaviana mitondra fitahiana ho an’ny ankizy sy ny zatovo (jereo ny 10.2.4, sy ny 11.2.4, ary ny 12.2.4).

  • Ny fomba fanatanterahana fivoriana enti-mandrindra mahomby mahakasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana (jereo ny 25.2.7).

  • Ny fomba fanampiana ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy hanao drafitra sy hametraka tanjona (jereo ny 25.2.6).

  • Ny fomba fanampiana ireo mpikambana hiomana handeha ho any amin’ny tempoly (jereo ny 25.2.8).

  • Ny fomba fanampiana ireo mpikambana izay vao sambany hanao batisa isoloana tena any amin’ny tempoly (jereo ny 23.2).

  • Ny fomba hanampiana ireo mpikambana hiaina zavatra manan-danja momba ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana (jereo ny Temple and Family History Leadership Instruction).

25.4

Ireo loharanom-pitaovana ho an’ny tantaram-pianakaviana

25.4.1

Ny fianakaviako: Ireo tantara izay mampiray anay

Ny Ny fianakaviako: Ireo tantara izay mampiray anay dia manampy ny olona hahita ireo havana sy razambe ary hanangona ny tantaran’izy ireo. Io boky kely io koa dia afaka manampy ireo mpikambana mba hanomboka hanomana anaran’olona ao amin’ny fianakaviana hanatanterahana ôrdonansin’ny tempoly.

Io boky kely io dia azo alaina ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Ireo tahadikan’io boky kely io dia azo hafarana ao amin’ny store.ChurchofJesusChrist.org.

25.4.2

FamilySearch.org sy ireo applications FamilySearch

FamilySearch.org dia tranonkalan’ny Fiangonana ho an’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana. Izany dia afaka manampy ireo mpampiasa azy mba:

  • Hanorenana ny fifandraisan’ny fianakaviana ao anatin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana.

  • Hahitana ireo razambe sy ny tantaran’izy ireo.

  • Hizarana sy hitahirizana ireo tantaram-pianakaviana sy ireo sary ary ireo tantara.

  • Hanomanana anaran’olona ao amin’ny fianakaviana hanatanterahana ôrdônansin’ny tempoly.

Ny application Arbre familial sy ny application FamilySearch Memories dia manome fahafahana ny olona handray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana avy amin’ny finday.

Sary
fianakaviana mijery sary

25.4.3

Firaketana anarana faobe

Ny firaketana anarana faobe dia dingana atao mba hampidirana fampahalalana avy amin’ny firaketana mifono tantara natao sora-tanana ho ao anatin’ny tahiry fototra iray izay azo zahana ao amin’ny FamilySearch.org. Ireo izay manao firaketana anarana faobe dia manome fahafahana ny hafa mba hahita amin’ny fomba mora kokoa ireo razambeny ary manatanteraka ôrdônansin’ny tempoly ho azy ireo.

Afaka mandray anjara amin’ny fanaovana firaketana fampahalalana ny rehetra. Afaka ny ho zavatra iainana tena mampivelatra izany ho an’ireto olona manaraka ireto:

  • Zatovo

  • Tanora

  • Mpikambana izay tsy afaka mamonjy ara-dalàna ireo fivoriam-piangonana

  • Mpikambana vaovao

  • Ny besinimaro

Ny fiadidian’ny tsatòka dia afaka manendry mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny tsatòka na mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo iray mba handrindra izany asa izany.

Mba hahitana fampahalalana bebe kokoa dia jereo ny “Indexing Overview” ao amin’ny FamilySearch.org.

25.5

Fanolorana na fiantsoana olona ho mpanatanteraka asa any amin’ny tempoly

25.5.1

Fanolorana olona ho mpanatanteraka asa any amin’ny tempoly

Ireo olona azo atolotra ho mpanatanteraka asa any amin’ny tempoly dia hita amin’ny alalan’ireto fomba manaraka ireto:

  • Mpikambana hitan’ny eveka na ny mpitarika iray hafa ao amin’ny paroasy

  • Mpikambana izay nanatona ny eveka hiresaka momba ny fanompoana

  • Mpikambana natolotry ny filohan’ny tempoly, na ny vadin’ny filohan’ny tempoly na mpitarika iray hafa ao amin’ny tempoly

  • Mpikambana izay miomana ho misiônera na misiônera nahavita asa fitoriana vao tsy ela (jereo ny toko 24).

Ny anaran’ireo olona azo atolotra ho mpanatanteraka asa any amin’ny tempoly dia alefa amin’ny alalan’ny fampiasana ny Recommend Temple Worker tool (fitaovana hanolorana mpanatanteraka asa any amin’ny tempoly). Io fitaovana io dia azon’ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka ary ny fiadidian’ny tempoly ampiasaina. Hazavaina etsy ambany ny dingana arahina amin’ny fandefasana ireo anarana.

Rehefa mahita olona azo atolotra ho mpanatanteraka asa any amin’ny tempoly ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny tempoly, dia alefan’izy ireo any amin’ny eveka ny anaran’ilay olona amin’ny alalan’ny fampiasana ny fitaovana Recommend Temple Worker tool.

Rehefa mahita olona azo atolotra ho mpanatanteraka asa any amin’ny tempoly ny eveka na mandray fanolorana olona avy amin’ny filohan’ny tempoly, dia mifampiresaka amin’io mpikambana io izy mikasika ilay fahafahana manompo. Mamerina mamaky ireo zavatra takina amin’ireo mpanatanteraka ôrdônansy any amin’ny tempoly (jereo ny 25.5.2) na ireo mpilatsaka an-tsitrapo hanompo ao amin’ny tempoly izy (jereo ny 25.5.3). Raha toa samy mahatsapa ny eveka sy ilay mpikambana fa mety izany fahafahana manompo izany, dia fenoin’ny eveka ny taratasy fanolorana olona ary alefany amin’ny alalan’ny fampiasana ny fitaovana Recommend Temple Worker tool. Ilay mpikambana dia tokony hahatakatra fa rehefa lasa ny taratasy fanolorana olona dia tsy midika akory izany fa ho antsoina izy na homena andraikitra ho mpanatanteraka asa any amin’ny tempoly.

Dinihin’ny filohan’ny tsatòka avy eo ilay taratasy fanolorana olona ho an’ireo mpikambana izay mipetraka ao amina tsatòka. Ho an’ireo mpikambana izay mipetraka ao amina distrika dia ny filohan’ny misiôna no mandinika izany. Raha toa ka ankatoavin’ny filohan’ny tsatòka na ny filohan’ny misiona izany, dia alefany any amin’ny filohan’ny tempoly mba hodinihina amin’ny alalan’ny fampiasana ny fitaovana Recommend Temple Worker tool.

Ireo mpikambana izay nantsoina na notendrena mba ho mpanatanteraka asa any amin’ny tempoly raha ny mahazatra dia manolo-tena ny hanompo isan-kerinandro amin’ny fotoana efa voafaritra any amin’ny tempoly. Tokony hosorohin’ireo mpitarika ny fanomezana antso fanampiny izay hanembantsembana ny fahafahan’ireo mpikambana manompo any amin’ny tempoly.

Ny fitaovana Recommend Temple Worker tool koa dia mampiseho amin’ireo eveka sy filohan’ny tsatòka ny lisitra ahitana ireo mpikambana rehetra avy amin’ny paroasin’izy ireo na ny tsatòkan’izy ireo izay manompo any amin’ny tempoly amin’izao fotoana izao.

25.5.2

Fepetra takina ho an’ireo mpanatanteraka ôrdônansy any amin’ny tempoly

Ireo mpanatanteraka ôrdônansy any amin’ny tempoly dia manampy amin’ny fanatontosana ôrdônansy any amin’ny tempoly. Ny mpikambana iray dia tsy maintsy mahafeno ireto fepetra manaraka ireto mba hahafahana manolotra azy ho mpanatanteraka ôrdônansy:

  • Mipetraka ao amin’ny distrikan’ny tempoly misy ilay tempoly izay hanompoany.

  • Efa nandray ny fanafiana masina, mitandrina ireo fanekempihavanana natao tany amin’ny tempoly, ary mihazona fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly.

  • Manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.

  • Manana fahafahana ara-batana hanatanteraka ôrdônansy tsy mila fanampiana.

  • Mendri-kaja eo anivon’ny Fiangonana sy ny fiarahamonina.

  • Mahay miara-miasa amin’olon-kafa.

  • Azo ianteherana ary salama tsara.

  • Tsy misy fanamarihana natao tao amin’ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana azy ankehitriny.

Ankoatra izay dia maka antoka ny amin’ireto zavatra manaraka ireto ny eveka:

  • Raha toa ka niharan’ny famerana ny zo maha-mpikambana ny olona iray teo aloha, dia tsy azo aroso ho mpanatanteraka ôrdônansy izy raha tsy afaka dimy taona taorian’ny nanesorana ilay famerana ny zo maha-mpikambana. (Jereo ny 32.11.3 sy ny 32.16.1.)

  • Raha toa ka nesorina tsy ho mpikambana ny olona iray mbola tsy nandray fanafiana masina, na raha toa ka niala tsy ho mpikambana ilay olona, dia tsy azo aroso ho mpanatanteraka ôrdônansy izy raha tsy afaka dimy taona taorian’ny namerenana azy ho mpikamban’ny Fiangonana indray. (Jereo ny 32.11.4, 32.14.9, 32.16.1, ary ny 32.16.2.)

  • Raha toa ka nesorina tsy ho mpikambana ny olona iray efa nandray fanafiana masina, na raha toa ka niala tsy ho mpikambana ilay olona, dia tsy azo aroso ho mpanatanteraka ôrdônansy izy raha tsy afaka dimy taona taorian’ny fandraisana ny fameranana ireo fitahiana amin’ny laoniny. (Jereo ny 32.11.4, 32.14.9, ary ny 32.17.2.)

Raha toa ka mbola tsy feno dimy taona ny nisehoan’ilay toe-javatra nolazaina tetsy ambony, dia azo atolotra ho mpanao asa an-tsitrapo ao amin’ny tempoly ilay mpikambana raha toa izy ka mahafeno ny fepetra takina mahakasika izany andraikitra izany.

25.5.3

Fepetra takina ho an’ireo mpilatsaka an-tsitrapo hanompo ao amin’ny tempoly

Ireo mpilatsaka an-tsitrapo hanompo ao amin’ny tempoly dia manampy amin’ireo fitantanan-draharaha ao amin’ny tempoly, toy ny manompo ao amin’ny birao na ao amin’ny toerana fanasan-damba. Ny mpikambana iray dia tsy maintsy mahafeno ireto fepetra manaraka ireto mba hahafahana manolotra azy ho mpilatsaka an-tsitrapo hanompo ao amin’ny tempoly:

  • Mipetraka ao amin’ny distrikan’ny tempoly misy ilay tempoly izay hanompoany.

  • Efa nandray ny fanafiana masina, mitandrina ireo fanekempihavanana natao tany amin’ny tempoly, ary mihazona fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly.

  • Mahay miara-miasa amin’olon-kafa.

  • Azo ianteherana ary salama tsara.

  • Tsy misy fanamarihana natao tao amin’ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana azy ankehitriny.

Ny maningana amin’ireo fepetra ireo, dia hoe tsy voatery efa nandray ny fanafiana masina ireo mpikambana izay milatsaka an-tsitrapo manao asa any ivelan’ny tempoly. Ohatra iray amin’izany ny mpikambana iray izay miasa eo an-tokotanin’ny tempoly.

25.5.4

Fiantsoana sy fanokanana ireo mpanatanteraka ôrdônansy

Rehefa voarain’ny filohan’ny tempoly ilay taratasy fanolorana olona ho mpanatanteraka ôrdônansy, dia manao tafa sy dinika amin’io olona io ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tempoly na ny olona iray izay omeny andraikitra. Ilay olona manatanteraka ny dinidinika dia miantso araka izay hitaoman’ny fanahy ireo izay afaka ny ho mpanatanteraka ôrdônansy ary manokana azy ireo.

25.5.5

Fanendrena mpilatsaka an-tsitrapo

Ireo mpilatsaka an-tsitrapo hanompo ao amin’ny tempoly dia azon’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tempoly na ny olona iray izay omeny andraikitra atao tafa sy dinika sy omena andraikitra. Omena andraikitra ireo mpilatsaka an-tsitrapo fa tsy antsoina. Tsy ilaina atokana izy ireo.