Boky torolalana sy antso
24. Fandefasana fangatahana hanompo sy Asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana


“24. Fandefasana fangatahana hanompo sy Asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2020).

“24. Fandefasana fangatahana hanompo sy Asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Sary
misiônera mandeha an-tongotra

24.

Fandefasana fangatahana hanompo sy Asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana

24.0

Teny fanolorana

Fahiny ny Tompo dia nanome iraka ny hanangonana an’i Isiraely eny anivon’ny “firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina” (Matio 28:19; jereo koa ny andininy 20). Navaozin’ny Tompo io iraka io amin’izao andro farany izao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:11; 68:6–8; 112:28–30). Ireo mpikambana rehetra ao amin’ ny Fiangonana dia manao fanekempihavanana amin’ny fotoana anaovana batisa azy ny ho vavolombelon’ Andriamanitra sy ny hanompo ny hafa (jereo ny Môzià 18:8–10).

Tombontsoa masina ny fanompoana ny Tompo amin’ny maha misiônera. Mitondra fitahiana mandrakizay izany ho an’ilay olona sy ho an’ireo izay tompoiny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:14–16).

Ny antso ho misiônera dia ahitana fampiandraiketana hampianatra filazantsara, na hanohana ny asa ataon’ireo departemanta na rantsana ao amin’ny Fiangonana, na hanompo eo amin’ny fiarahamonina eo an-toerana.

Ny Tompo dia mangataka ny zatovolahy afaka mirotsaka sy mendrika tsirairay avy mba hiomana sy handeha hanao asa fitoriana. Ho an’ny zatovolahy Olomasin’ny Andro Farany dia andraikitry ny fisoronana ny fandehanana manao asa fitoriana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:1, 4–7).

Raisin’ny Tompo ihany koa ireo zatovovavy mendrika sy afaka manao asa fitoriana raha maniry izany izy ireo. Ho an’ny zatovovavy dia fahafahana lehibe ny asa fitoriana saingy tsy voatery hanao izany izy ireo. Ny fiomanana hanao asa fitoriana dia hitahy ny zatovovavy na misafidy ny ho misiônera izy na tsia.

Ilaina ihany koa ireo misiônera zokiolona ary amporisihina mba hiomana hanompo.

24.1

Ilay antso mba hanompo

Ny misiônera tsirairay dia voantso hanampy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy eo amin’ny asan’ Izy Ireo. Misolotena an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny ireo misiônera. Manompo ny Tompo amin’ny fomba feno fandavantena izy ireo amin’ny asa iray feno fitiavana eo anivon’ireo zanany. Ny fampianarana sy ny asa fitoriana misahana asa fanompoana dia sady mitahy ny misiônera no mitahy ny hafa. (Jereo ny Matio 16:25; 22:36–40.)

Ny antso ho misiônera dia omena ireo mpikambana izay maniry hanompo, sy mendrika, ary manana fahafahana hanao izany. Ireo mpikambana ireo dia miezaka manompo ny Tompo amin’ny “fo, ny hery, ny saina, ary ny tanjak’” izy ireo manontolo. Mikolokolo “finoana, sy fanantenana, sy fiantrana ary fitiavana” izy ireo. Ny mason’izy ireo dia “tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra.” Raha manao izany izy ireo dia ny Tompo no hahalany azy ireo ho amin’ny asa. (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2, 5; jereo ny andininy 1–7.)

Ireo misiônera dia misolotena ny Tompo ary tsy maintsy antsoina amin’ny alalan’ny fahefana tokony ho izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:11; Fanekem-pinoana 1:5). Ny antso hanompo hanao asa fitoriana dia amin’ny ankapobeny aroson’ny Filohan’ny Fiangonana. Ho an’ireo misiônera zokiolona misahana asa fanompoana dia ny filohan’ny tsatòka no manolotra ny antso.

24.2

Asa anendrena ireo misiônera

Ny antso hanompo amin’ny maha misiônera dia ahitana asa anendrena mazava tsara. Karazany maro samihafa ireo asa anendrena ireo. Mazàna izy ireo no ahitana:

  • Karazana asa fanompoana iray.

  • Ny toerana.

  • Ny faharetan’ny fanompoana.

Ny asa anendrena tsirairay dia tarihin’ny fanambarana mba hifanentana tsara amin’ilay misiônera sy amin’ny zavatra ilain’ireo zanak’ Andriamanitra.

Ny asa anendrena iray dia mety hiova amin’ny alalan’ny fanambarana mitohy, araka ny fiovan’ny toe-javatra. Zava-dehibe ny asa anendrena iray mazava tsara. Na izany aza dia mbola latsa-danja noho ny antso hanompo ho misiônera izany. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 80:3.)

24.2.1

Misiônera tanora voatendry hampianatra

Ny ankamaroan’ireo misiônera tanora dia tendrena hampianatra ny filazantsara lavitry ny toeram-ponenany. Ireny asa anendrena ireny dia omena amin’ny alalan’ny fanambarana amin’ireo Apôstôly. Ireny misiônera ireny dia manompo eo ambany fitarihan’ny filohan’ny misiôna.

Ireo lehilahy tsy manambady izay 18–25 taona dia afaka manompo ho misiônera voatendry hampianatra. Mazàna izy ireo no manompo mandritra ny 24 volana.

Ireo vehivavy tsy manambady izay 19–29 taona dia afaka manompo ho misiônera voatendry hampianatra. Mazàna izy ireo no manompo mandritra ny 18 volana.

24.2.2

Misiônera tanora misahana asa fanompoana

Ny misiônera tanora sasany dia tendrena hanompo ato amin’ny Fiangonana sy eo amin’ny fiarahamonina no sady mipetraka ao amin’ny trano fonenany ihany. Ireny asa anendrena ireny dia omena amin’ny alalan’ny fanambarana amin’ireo Apôstôly ary atolotra an’ireo mpilatsaka ho misiônera izay mifanentana kokoa amina misiôna manao asa fanompoana ny toe-javatra iainany (jereo ny 24.3.3).

Ho an’ireo olona ireo dia mitovy amin’ny an’ireo izay voatendry hanao misiôna mampianatra ihany ny fenitry ny fiomanana sy ny fahamendrehana. Ireo mpilatsaka ho misiônera tanora rehetra dia anaovana fangatahana amin’ny fomba mitovy ihany.

Ireo misiônera misahana asa fanompoana dia manompo eo an-toerana eo ambany fitarihan’ny filohan’ny tsatòka. Samy mandray fanendrena izy tsirairay, izay voatefy hifanentana amin’ny toe-javatra iainany ary mifototra amin’ny asa fanompoana misy (jereo ny 24.7.1). Manompo tanteraka araka ny fahafahan’izy ireo manontolo izy ireo.

Ireo lehilahy tsy manambady izay 18–25 taona dia afaka manompo manao misiônera misahana asa fanompoana. Mazàna izy ireo no manompo mandritra ny 6–24 volana.

Ireo vehivavy tsy manambady izay 19–29 taona dia afaka ny ho misiônera misahana asa fanompoana. Mazàna izy ireo no manompo mandritra ny 6–18 volana.

Ny fanaovana misiôna misahana asa fanompoana ho an’ireo misiônera tanora dia tsy mbola hita amin’ny faritra rehetra maneran-tany. Raha mila ny lisitr’ireo faritra izay ahafahana manao misiôna misahana asa fanompoana dia jereo ny ChurchofJesusChrist.org/service-missionary. Io tranonkala io dia manolotra fampahalalana fanampiny koa mikasika ny misiôna misahana asa fanompoana. Any amin’ny toerana izay tsy ahitana fanaovana misiôna misahana asa fanompoana, dia azon’ireo mpikambana tanora atao ny manompo araka ny fandaharan’asa ho an’ny misiônera zokiolona misahana asa fanompoana (jereo ny 24.2.4).

24.2.3

Misiônera zokiolona

Ireo mpikambana manambady 40 taona no ho miakatra dia azo antsoina ho misiônera zokiolona mpivady raha toa ka tsy manana zanaka tsy mahavita tena ahiana.

Ireo vehivavy tokan-tena 40 taona no ho miakatra dia azo antsoina koa ho misiônera zokiolona raha toa ka tsy manana zanaka mipetraka ao an-tokantrano.

Ireo lehilahy tsy manambady izay 40 taona no ho miakatra dia tsy azo atao misiônera zokiolona. Na izany aza izy ireo dia afaka manompo atao misiônera misahana asa fanompoana. (Jereo ny 24.2.4.)

Ireo misiônera zokiolona rehetra dia amporisihana hitady olona hampianarina sy hanampy ireo olona ireo hiomana ho amin’ny batisa. Ireo misiônera zokiolona dia azo tendrena ihany koa hanohana:

  • Ireo mpikambana sy faritra ary mpitarika eo an-toerana.

  • Departemanta sy tranon’ny Fiangonana.

  • Fikambanana mpanao asa soa.

Mazàna ireo misiônera zokiolona no manompo lavitry ny trano fonenany mandritra ny 6–23 volana. Ireo izay manompo ivelan’ny firenena fonenany dia mazàna manompo mandritra ny 18 volana raha kely indrindra.

Ireo misiônera zokiolona dia tsy angatahana hiasa mandritra ny fotoana mitovy amin’ny an’ireo misiônera tanora, na hanao zavatra mitovy amin’ny azy ireo, na hahavita zavatra mitovy amin’ny andrasana amin’izy ireo. Na izany aza dia mitaky ezaka ny asa fanompoana ataon’izy ireo. Noho izany antony izany dia tokony ho tsara ny toe-pahasalamany ka ampy ahafahany manompo. Tokony koa izy ireo hahafeno ireo fepetra ara-bola (jereo ny 24.3.4.2).

Ireo eveka sy filohan’ny tsatòka ary mpitarika hafa dia mandinika amim-bavaka izay mety ho afaka hanompo. Azon’ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka atao dinidinika ireo mpikambana ireo mba hamantarana ny fahafahan’izy ireo ara-potoana, sy hanasana azy ireo hiomana hanompo.

Ny asa anendrena ireo misiônera zokiolona dia omena amin’ny alalan’ny fanambarana amin’ireo Apôstôly. Azon’ireo mpitarika atao ny mandroso karazana asa ampiandraiketina voafaritra mazava ho an’ireo misiônera zokiolona. Na izany aza ireo mpitarika dia tsy tokony hanome fampanantenana mikasika izay asa anendrena izay ho voarain’izy ireo. Afaka milaza izay mba tiany ireo mpilatsaka ho misiônera mikasika ny asa ampiandraiketina, saingy tokony ho vonona izy ireo hanaiky na inona na inona asa anendrena azy.

Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny SeniorMissionary.ChurchofJesusChrist.org.

Sary
misiônera mpivady mampianatra vehivavy iray

24.2.4

Misiônera zokiolona misahana asa fanompoana

Ankoatra ny antso any amin’ny paroasy na tsatòka misy azy ireo dia azon’ireo mpikambana atao ny manompo ny Tompo amin’ny maha misiônera zokiolona misahana asa fanompoana. Ireny misiônera ireny dia manolotra fanompoana tena manan-danja any amin’ireo departemanta sy trano ary misiônan’ny Fiangonana (jereo ny 24.7.1). Mipetraka ao amin’ny trano fonenan’izy ireo ihany izy ireo.

Ireo lehilahy sy vehivavy 26 taona no ho miakatra dia azo antsoina ho misiônera zokiolona misahana asa fanompoana.

Ankoatra izany, ireo lehilahy tanora 18–25 taona sy ireo vehivavy tanora 19–25 taona dia afaka manompo ao amin’ny fandaharan’asa ho an’ny misiônera zokiolona misahana asa fanompoana raha toa izy ireo ka monina amin’ny toerana izay tsy ahitana fanaovana misiôna misahana asa fanompoana ho an’ny misiônera tanora. Afaka manompo koa izy ireo raha manambady na efa nanompo nanao misiônera mampianatra na misahana asa fanompoana.

Ny filohan’ny tsatòka no miantso ireo misiônera zokiolona misahana asa fanompoana. Eo ambany fitarihany izy ireo no manompo. Ny halavan’ny fotoana hanompoan’izy ireo isan-kerinandro dia miankina amin’ny fahafahan’izy ireo, sy ny asa fanompoana azo atao eo amin’ny faritra misy azy ireo, ary ny toromarika avy any amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra.

Ny filohan’ny tsatòka no manome ny asa anendrena an’ireo misiônera zokiolona misahana asa fanompoana. Mifanakalo hevitra miaraka amin’ilay misiônera sy ny hafa izy ary mikatsaka amim-bavaka ny fanambarana mikasika ny asa anendrena tsirairay. Azony jerena ny SeniorMissionary.ChurchofJesusChrist.org rehefa mamaritra ireo asa anendrena.

Ho fampahalalana fanampiny mikasika ny misiônera zokiolona misahana asa fanompoana, dia jereo ny 24.7.

24.2.5

Famintinana ireo asa anendrena ireo misiônera

Ity tabilao manaraka ity dia mamintina ireo karazana asa anendrena ireo misiônera.

Misiônera tanora voatendry hampianatra
(jereo ny 24.2.1)

Misiônera tanora misahana asa fanompoana
(jereo ny 24.2.2)

Misiônera zokiolona
(jereo ny 24.2.3)

Misiônera zokiolona misahana asa fanompoana
(jereo ny 24.2.4)

Antsoin’ny

Misiônera tanora voatendry hampianatra
(jereo ny 24.2.1)

Filohan’ny Fiangonana

Misiônera tanora misahana asa fanompoana
(jereo ny 24.2.2)

Filohan’ny Fiangonana

Misiônera zokiolona
(jereo ny 24.2.3)

Filohan’ny Fiangonana

Misiônera zokiolona misahana asa fanompoana
(jereo ny 24.2.4)

Filohan’ny tsatòka

Tendren’ny

Misiônera tanora voatendry hampianatra
(jereo ny 24.2.1)

Apôstôly

Misiônera tanora misahana asa fanompoana
(jereo ny 24.2.2)

Apôstôly

Misiônera zokiolona
(jereo ny 24.2.3)

Apôstôly

Misiônera zokiolona misahana asa fanompoana
(jereo ny 24.2.4)

Filohan’ny tsatòka

Atokan’ny

Misiônera tanora voatendry hampianatra
(jereo ny 24.2.1)

Filohan’ny tsatòka

Misiônera tanora misahana asa fanompoana
(jereo ny 24.2.2)

Filohan’ny tsatòka

Misiônera zokiolona
(jereo ny 24.2.3)

Filohan’ny tsatòka

Misiônera zokiolona misahana asa fanompoana
(jereo ny 24.2.4)

Filohan’ny tsatòka na mpanolotsainy

Toerana hipetrahany

Misiônera tanora voatendry hampianatra
(jereo ny 24.2.1)

Lavitry ny trano fonenany

Misiônera tanora misahana asa fanompoana
(jereo ny 24.2.2)

Ao amin’ny trano fonenany

Misiônera zokiolona
(jereo ny 24.2.3)

Lavitry ny trano fonenany na ao amin’ny trano fonenany

Misiônera zokiolona misahana asa fanompoana
(jereo ny 24.2.4)

Ao amin’ny trano fonenany

Mpitarika ara-pivavahana

Misiônera tanora voatendry hampianatra
(jereo ny 24.2.1)

Filohan’ny misiôna na filohan’ny toerana manan-tantara

Misiônera tanora misahana asa fanompoana
(jereo ny 24.2.2)

Filohan’ny tsatòka

Misiônera zokiolona
(jereo ny 24.2.3)

Filohan’ny misiôna, na filohan’ny tempoly, na filohan’ny toerana manan-tantara; na Filohan’ny Vondromparitra

Misiônera zokiolona misahana asa fanompoana
(jereo ny 24.2.4)

Filohan’ny tsatòka

Manao tatitra amin’ny

Misiônera tanora voatendry hampianatra
(jereo ny 24.2.1)

Filohan’ny misiôna na filohan’ny toerana manan-tantara

Misiônera tanora misahana asa fanompoana
(jereo ny 24.2.2)

Mpitarika ny misiôna misahana asa fanompoana

Misiônera zokiolona
(jereo ny 24.2.3)

Filohan’ny misiôna, na filohan’ny tempoly, na filohan’ny toerana manan-tantara; Filohan’ny Vondromparitra; talen’ny ivontoerana ho an’ireo vahiny mpitsidika; na ny mpitantana departemanta ato amin’ny Fiangonana na ny mpitantana ny trano sy fananan’ny Fiangonana.

Misiônera zokiolona misahana asa fanompoana
(jereo ny 24.2.4)

Ny mpitantana an’ilay asa fanompoana nanendrena

Fepetra takina mahakasika ny taona

Misiônera tanora voatendry hampianatra
(jereo ny 24.2.1)

18–25 (lehilahy)
19–29 (vehivavy)

Misiônera tanora misahana asa fanompoana
(jereo ny 24.2.2)

18–25 (lehilahy)
19–29 (vehivavy)

Misiônera zokiolona
(jereo ny 24.2.3)

40 taona na mihoatra raha manambady na raha vehivavy tokan-tena

Misiônera zokiolona misahana asa fanompoana
(jereo ny 24.2.4)

26 taona na mihoatra

24.3

Miomana sy manao izay hahamendrika ny hanao asa fitoriana

Ireo mpirotsaka ho misiônera dia entanina hanao asa fitoriana noho ny fitiavan’izy ireo ny Tompo sy ireo zanany. Tokony ho efa mahazatra an’izy ireo ireo fanontaniana amin’ny dinidinika fanomezan-dalana hanao asa fitoriana.

24.3.1

Fiovam-po ho an’i Jesoa Kristy

Ireo mety ho misiônera dia miezaka manamafy orina ny fiovam-pony ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Izy ireo dia:

  • Miezaka manamafy orina ny finoany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Manamafy orina ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny (jereo ny Almà 5:45–47).

  • Miaina ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny “[fisafidianana] ny hibebaka sy hanao ny marina” (Almà 13:10; jereo koa ny 2 Nefia 31:9–21).

  • Mivavaka, sy mandalina soratra masina (indrindra ny Bokin’i Môrmôna) sy ny fampianaran’ireo mpaminany velona, ary mitandrina ny didy (jereo ny Almà 17:2–3).

  • Mandray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:22).

  • Mandray anjara amin’ny seminera sy ny institiota (ho an’ireo zatovo sy ireo tanora).

24.3.2

Manaraka ireo fenitry ny fahamendrehana

Ireo izay azo antsoina ho misiônera dia miezaka ny ho mendrika ny hanana ny Fanahy ho namana. Ilaina izany ho an’ny asa fitoriana feno fahombiazana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:13–14). Ny fahamendrehana ny hanana ny Fanahy ho namana dia ahitana ny hoe voadio amin’ny fahotana (jereo ny Helamàna 4:24; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:42).

24.3.2.1

Fibebahana

Ny fibebahana sy ny famelana amin’ny fahotana dia fanomezana izay azon’ny zanak’ Andriamanitra rehetra raisina. Lasa tanteraka ireo fanomezana ireo noho ny hery manavotra ananan’i Jesoa Kristy. Ny fibebahana dia mitaky ny fampiharana finoana an’i Kristy, amin’ny finiavana tena marina, ary fitandremana ny didy. Tafiditra amin’izany ny fiaikena sy ny famoizana ny fahotana. Ho an’ireo fahotana goavana, dia mitaky ny fiaikena amin’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka ny fibebahana.

Ny olona iray izay mibebaka dia voavela heloka ary voadio amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Tsy tsaroan’ny Tompo intsony ilay fahotana. (Jereo ny Isaia 43:25; Jakôba 6:5; Almà 34:15–17; Helamàna 5:10–11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43. Jereo ihany koa ny 32.1 ato amin’ity boky torolalana ity.)

Ireo mpikambana izay maniry hanao asa fitoriana dia tokony hitodika any amin’ny Tompo rehefa mibebaka sy miomana hanompo. Azon’izy ireo atao koa ny mikatsaka fanampiana feno fitiavana avy amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviana sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana.

Ny olona iray mpirotsaka ho misiônera dia tsy maintsy efa nibebaka tamin’ny fahotana goavana vao azon’ny filohan’ny tsatòka alefa ny fangatahana ho misiônera (jereo ny 32.6–32.8; jereo koa ny 24.4.4). Ny dingan’ny fibebahana dia ahitana fotoana ampy ahafahan’ilay olona maneho amin’ny alalan’ny fiainana feno fahamarinana fa nandray ny fanahin’i Kristy izy ho famelana ny fahotany.

24.3.2.2

Fiaiken-keloka diso aoriana

Ny olona iray izay mandray ny antsony hanao asa fitoriana na manomboka ny fanompoana amin’ny fanaovana asa fitoriana ka tsy nibebaka tamin’ny fahotana goavana dia mety mila mijanona na miverina any an-trano. Arakaraka ny toe-javatra, dia mety afaka manompo izy rehefa avy nibebaka (jereo ny 24.6.3.2).

24.3.3

Fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po

Asa feno fanamby ny asa fitoriana. Ny zavatra takina eo amin’ny ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po dia mety hanahirana. Mazàna ireo misiônera no miasa ao anatin’ny toe-javatra tsy mahazatra. Mety hisy fiantraikany amin’ny fahasalamana ny fiovan’ny sakafo na ny toetrandro, na ny toe-javatra iainana. Betsaka koa ny zavatra takina ao amin’ny fandaharam-potoan’ny misiônera. (Jereo ny Almà 17:5; 26:27–28, 30.) Ireo misiônera tanora voatendry hampianatra dia tsy maintsy feno fanolorantena ary mahavita na ara-batana na ara-tsaina na ara-pihetseham-po manaraka ny fandaharam-potoan’ny misiônera manontolo. (Jereo ny Missionary Standards for Disciples of Jesus Christ [2019], 2.4.)

Ireo mpirotsaka ho misiônera dia miomana hanompo amin’ny fanatanjahana ny fahasalaman’izy ireo ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po. Miezaka koa izy ireo hanana fahaizana miatrika olana sy fizakan-tena.

Mety ilain’ny mpitarika ny mifampiresaka amim-pitandremana amin’ny mpirotsaka ho misiônera iray mikasika ireo olany ara-pahasalamana mialoha ny handefasana ny fangatahana. Ny sasany amin’ireo izay hirotsaka ho misiônera dia mety mila fitsaboana matihanina amin’ireo olana ara-pahasalamana ananan’izy ireo (jereo ny 31.3.6). Ny mpirotsaka iray izay nomena taratasy momba ny fanafody ho arahana dia tsy maintsy manolo-tena ny hanaraka izany mandritra ny fotoana rehetra hanompoany, araka ny toromariky ny mpiasan’ny fahasalamana.

Sary
misiônera mampianatra fianakaviana

24.3.4

Fiantohana ara-bola

Tafiditra amin’ny fanompoana eo amin’ny asa fitoriana ny fahafoizan-tena ara-bola (jereo ny Marka 1:17–18; Almà 15:16). Ny misiônera sy ny fianakaviany no manana andraikitra voalohany hiantohana eo amin’ny ara-bola ny fanompoana eo amin’ny asa fitoriana. Tokony hanao ny fiomanana sy fahafoizana sahaza ho an’izany izy ireo. Tokony hizaka tena ara-bola araka izay tratrany izy ireo eo amin’ny fanatanterahana ny fanolorantena handrotsaka anjara biriky.

24.3.4.1

Fiantohana ara-bola ireo misiônera tanora manompo lavitry ny fonenany

Ho an’ireo mpirotsaka ho misiônera tanora izay niomana araka izay fahafahany manao dia tsy tokony hahemotra noho ny antony ara-bola ny fandehanany manompo. Ireo izay mila fanampiana ara-bola mba hahatanteraka ny fanolorantena handrotsaka anjara biriky andrasana aminy dia afaka mandray fanampiana avy amin’ny havana sy ny namana.

Raha mbola tsy feno ny ilaina, dia azon’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka atao ny mangataka ireo mpikambana ao amin’ny paroasy na ny tsatòka handrotsaka anjara biriky ao amin’ny kitapom-bolan’ny paroasy ho an’ny asa fitoriana.

Tsy azo ampiasaina ho amin’izany ny vola ao amin’ny tetibola sy ny kitapom-bolan’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina.

Ny fanolorantena handrotsaka anjara biriky isam-bolana. Ireo misiônera tanora voatendry hampianatra sy ny fianakaviany dia mandrotsaka anjara biriky raikitra voafaritra mazava isam-bolana mba hanampiana amin’ny fiatrehana ny saran’ny fandaharan’asa fitoriana ny filazantsara. Faritana amin’ny iray amin’ireto fomba ireto ny habetsak’izany:

  • Ireo misiônera avy amin’ny firenena sasany dia mandray anjara amin’ny anjara biriky natao mitovy tantana. Izany hoe mitovy ny lelavola anjara biriky arotsaky ny misiônera tsirairay na aiza na aiza toerana hanompoan’izy ireo. Any amin’ny foiben’ny Fiangonana no hamaritana ny habetsahany. Afaka mifandray amin’ny Departemanta misahana ny Misiônera (jereo ny 24.9.3) ireo mpitarika na amin’ny biraon’ny vondromparitra hahitana ny lisitr’ireo firenena voakasik’io fandaharan’asa anjara biriky mitovy tantana io.

  • Ho an’ireo firenana hafa dia mifandinika miaraka ny eveka, sy ny filohan’ny tsatòka sy ilay misiônera ary ny fianakaviany mikasika ny habetsak’ilay anjara biriky arotsaka isam-bolana. Mila mihevitra ny haka tari-dalana avy amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka. Amporisihan’izy ireo ny fahafoizana ara-bola sy ny fizakan-tena mifototra amin’ny toe-javatra iainan’ilay misiônera sy ny fianakaviany. Misy anjara biriky ifanarahan’izy ireo izay raketin’izy ireo ao amin’ilay fangatahana hirotsaka. Manolo-tena hanaraka izany ilay misiônera sy ny fianakaviany. Afaka mandray anjara koa hahafeno an’io anjara biriky io ny hafa raha toa ka monina ao amin’ny firenena iavian’ilay misiônera (jereo ny “Kitapom-bolan’ny Paroasy ho an’ny Asa Fitoriana” etsy ambany ato amin’ity fizaràna ity ihany).

Ao amin’ny kitapom-bolan’ny paroasy ho an’ny asa fitoriana no arotsaka ireo anjara biriky. Amarinin’ny eveka fa voarotsaka isam-bolana ny vola. Ireo lelavola ankoatra ilay fandrotsaka isam-bolana dia tsy tokony harotsaka mialoha. Ny vola narotsaka mialoha dia tsy azo averina raha toa ka mody aloha ilay misiônera.

Fandaniam-bola any am-panompoana. Isam-bolana ireo misiônera tanora dia mandray lelavola avy any amin’ny misiôna hiantohana ny sakafo sy ny fitaterana ary fandaniana hafa ilaina eo amin’ny fiainana an-davanandro. Masina ireny vola ireny. Tsy mampiasa izany ny misiônera raha tsy amin’ny zavatra ilaina amin’ny asa fanompoana. Tsy tokony hampiasaina amin’ny fividianana zavatra ho an’ny tena manokana, na tahirizina, na halefa any amin’ny fianakaviana na olon-kafa izy ireny. Averin’ny misiônera any amin’ny misiôna izay lelavola rehetra tsy ilain’izy ireo.

Volan’ny tenany manokana no ampiasain’ny misiônera hiantohana ny fandaniana hafa. Tokony ho faran’izay kely izany fandaniana ho an’ny zavatra ilain’ny tena manokana izany. (Jereo ny Missionary Standards for Disciples of Jesus Christ, 4.8.)

24.3.4.2

Fiantohana ara-bola ireo misiônera zokiolona manompo lavitry ny fonenany

Ny fanolorantena handrotsaka anjara biriky isam-bolana. Ireo misiônera zokiolona manompo lavitry ny fonenany dia mandray anjara mandrotsaka isam-bolana ao amin’ny kitapom-bola ho an’ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy niaviny. Izany anjara biriky izany dia manampy amin’ny fiantohana ny vola lany amin’ny trano ipetrahana sy ny fampiasana fiara (jereo koa ny “Fandaniam-bola fanampiny” etsy ambany ao amin’ity fizaràna ity ihany). Azo atao mihoatra noho ny sandan’ny trano na fiara iantohan’ny Fiangonana izany anjara biriky izany.

  • Ireo misiônera zokiolona avy amin’ny firenena izay mandray anjara amin’ilay fandaharan’asa anjara biriky mitovy tantana dia mandrotsaka lelavola voatendry hita ao amin’ilay antontan-taratasy misy ny antso.

  • Ho an’ireo firenana hafa dia miara-mifandinika ny eveka, sy ny filohan’ny tsatòka ary ilay misiônera mikasika ny habetsak’ilay anjara biriky arotsaka isam-bolana. Amporisihan’ireo mpitarika ny fahafoizana ara-bola, mifototra amin’ny toe-javatra iainan’ilay misiônera. Misy anjara biriky ifanarahan’izy ireo izay raketin’izy ireo ao amin’ilay fangatahana hirotsaka. Io anjara biriky io dia tsy maintsy farafahakeliky mitovy amin’ny sandam-bola nofaritan’ny Fiadidian’ny Vondromparitra ho an’ny misiônera zokiolona (rehefa nifanakalo hevitra tamin’ny Departemanta misahana ny Misiônera). Afaka mandray anjara mameno an’io anjara biriky io koa ny hafa izay monina ao amin’ny firenena niavian’ilay misiônera.

Amarinin’ny eveka fa voarotsaka isam-bolana ny vola. Ireo lelavola ankoatra ilay fandrotsaka isam-bolana dia tsy tokony harotsaka mialoha.

Fandaniam-bola fanampiny. Ankoatra ny anjara biriky nanolorana tena arotsaka isam-bolana, izay manampy amin’ny fiantohana ny saran’ny trano sy ny fiara, dia tsy maintsy miantoka feno ny fandaniam-bola hafa ireo misiônera zokiolona, anisan’izany ny sakafo.

24.3.4.3

Fiantohana ara-bola ireo misiônera manompo ka mipetraka any amin’ny toerana iaviany

Ireo misiônera izay manompo ka mipetraka any amin’ny toerana iaviany ihany no tompon’andraikitra amin’ny zavatra rehetra ilainy eo amin’ny lafiny ara-bola. Ireo izay mila fanampiana ara-bola dia afaka mandray izany amin’ny havana sy ny namana. Tsy azo ampiasaina ho an’ny zavatra ilaina mifandray amin’ny maha misiônera ny kitapom-bolan’ny paroasy na ny an’ny tsatòka.

24.3.4.4

Fiantohana sy fandaniana mahakasika ny fahasalamana

Ireo misiônera rehetra dia amporisihina mafy hanohy ny fiantohana ara-pahasalamana efa ananan’izy ireo raha azo atao, voakasik’izany koa ireo misiônera tanora voatendry hampianatra.

Ireo misiônera manompo ka mipetraka any amin’ny toerana iaviany ihany dia tsy maintsy mampiseho ny fiantohana ara-pahasalamana sy fiantohana hafa ananany. Ireo misiônera zokiolona manompo lavitry ny trano fonenany dia tsy maintsy mampiseho ihany koa io fiantohana io. Ireo misiônera zokiolona izay hanompo ivelan’ny firenena onenany dia mety ho afaka mahazo fiantohana amin’ny alalan’ny Senior Service Medical Plan.

24.3.5

Anjara andraikitry ny fianakaviana sy ny mpitarika eo amin’ny fanomanana misiônera

Ireo olona ao amin’ny fianakaviana sy ny eveka ary ireo mpitarika hafa dia manampy ny zatovo hiomana hanao asa fitoriana. Ny eveka dia manasa ny zatovolahy tsirairay ho tonga misiônera, ary manasa ihany koa ny zatovovavy tsirairay izay maniry hanompo.

  • Manampy azy ireo ho tonga misiônera mpikambana mahomby amin’ny fizarana ny filazantsara mialoha ny handraisan’izy ireo antso hanompo.

  • Manome fahafahana azy ireo hanompo sy hampianatra.

  • Manamboatra fotoana ahafahan’izy ireo miaraka amin’ireo misiônera amin’ny fotoana feno.

  • Manasa ireo misiônera manompo amin’izao fotoana izao na ireo efa avy nanao asa fitoriana hizara ny traikefany tamin’izy ireo nampianatra sy nanompo.

  • Mitia sy mitaona ny fanahin’ny olona tsirairay ho vonona hanao asa fitoriana.

  • Mamporisika azy ireo hanokana fotoana fanampiny hivavahana sy handalinana ny soratra masina, indrindra ny Bokin’i Môrmôna.

  • Mametraka fandaharam-pianarana fiomanana ho misiônera.

Ireo olona ao amin’ny fianakaviana sy ireo mpitarika dia mamporisika ireo mpikambana zokiolona hihevitra ny hanao fanompoana eo amin’ny asa fitoriana ho an’ny zokiolona. Mety ho tafiditra amin’izany ny fanampiana azy ireo:

  • Handinika ny fahafahan’izy ireo hanao asa fitoriana eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-bola, na lavitry ny trano fonenany izany na hoe mijanona ao amin’ny trano fonenany ihany.

  • Mamantatra ireo fahafahana manao asa fitoriana izay azon’izy ireo tanterahana.

  • Ho tonga misiônera mpikambana mahomby amin’ny fizarana ny filazantsara mialoha ny handraisan’izy ireo antso hanompo.

  • Hahatakatra ireo fitahiana izay hoentin’ny asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana ho an’ny fianakavian’izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:5–6).

Ireo olona ao amin’ny fianakaviana sy ireo mpitarika dia mamporisika ireo rehetra izay mirotsaka ho misiônera handalina:

  • Ny Bokin’i Môrmôna sy ny soratra masina hafa.

  • Ny Torio ny filazantsarako.

  • Ny Safeguards for Using Technology (Aroloza amin’ny fampiasana ny teknôlôjia).

Ireo olona ao amin’ny fianakaviana sy ireo mpitarika dia manampy ireo mpirotsaka ho misiônera hanolo-tena hanaraka ireo fenitra iainan’ny misiônera. Mamporisika ireo mpirotsaka ho misiônera izy ireo handalina ilay boky torolalana mikasika ireo fenitra iainan’ny misiônera izay mifandray amin’ny asa mety hanendrena azy ireo:

  • Ho an’ireo misiônera tanora voatendry hampianatra: Missionary Standards for Disciples of Jesus Christ (Fenitra momba ny asa fitoriana ho an’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy)

  • Ho an’ireo misiônera tanora misahana asa fanompoana: Missionary Standards for Disciples of Jesus Christ—Service Missions (Fenitra momba ny asa fitoriana ho an’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy—Asa fitoriana misahana asa fanompoana)

24.4

Fankatoavana sy fandefasana ny fangatahana ho misiônera

Ny mpirotsaka ho misiônera sasany dia tsy ampy herintaona no nonenany tsy tapaka tao amin’ny paroasy. Amin’ny toe-javatra tahaka izany, dia fotoana aloha be eo amin’ny dingan’ny fikarakarana ny fangatahana dia efa mifandray amin’ny evekan’ilay paroasy taloha nisy an’ilay olona ny eveka.

24.4.1

Fijerena ny toe-pahasalamana

Mitaky zavatra betsaka ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po ny asa fitoriana. Ireo mpirotsaka ho misiônera rehetra dia takina ny hanao fizaham-pahasalamana amin’ny mpitsabo hanombatombanana ny fahavononany ara-pahasalamana.

Ireo fanombatombanana ny toe-pahasalamana dia jeren’ny biraon’ny vondromparitra sy ny Departemanta misahana ny Misiônera. Indraindray dia mety hiantraika amin’ny fahafahan’ny olona iray hanompo lavitry ny toeram-ponenany ny olana ara-pahasalamana sasany. Amin’ny toe-javatra sasany dia mety ho averina ilay fangatahana arahina toromarika momba ny fomba ahafahan’ilay olona manatsara ny fahavononany ara-pahasalamana.

24.4.2

Dinidinika sy taratasy fanomezan-dalana

Ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka dia manao tafa sy dinika amin’ny antsipiriany manadihady ny ara-panahy sy mampivoatra amin’ny olona tsirairay mirotsaka ho misiônera. Ireo fanontaniana amin’ny dinidinika fanomezan-dalana hanao asa fitoriana no ampiasain’izy ireo. Resahan’izy ireo ny mombamomba an’ilay mpirotsaka ho misiônera:

  • Ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny (jereo ny 24.3.1).

  • Ny fanarahany ireo fenitry ny fahamendrehana (jereo ny 24.3.2).

  • Ny fahavononany eo amin’ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po (jereo ny 24.3.3).

  • Ny fahavononany ara-bola (jereo ny 24.3.4).

Dinihan’ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka ihany koa ireo fampahalalana momba ireo fenitry ny fahamendrehana sy ny fahavononana ara-pahasalamana ao amin’ny Système de recommandation missionnaire en ligne. Raha manana fanontaniana ny filohan’ny tsatòka iray any Etazonia na Kanadà dia mifandray amin’ny Departemanta misahana ny Misiônera (jereo ny 24.9.3). Raha any amin’ny toeran-kafa dia mifandray amin’ny biraon’ny vondromparitra izy. Ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka dia tsy tokony hanampy fenitra hafa hahafahan’ny olona iray ho lany. Ary tsy tokony hanova ihany koa ireo fanontaniana amin’ny dinidinika.

Ireo fampahalalana ao amin’ny taratasy fanomezan-dalana dia manampy amin’ny dingan’ny fanambarana eo amin’ny fiantsoana ho amin’ny asa fitoriana. Maka antoka ireo mpitarika fa ambara tsy misy an-kanafina ireo fampahalalana rehetra takina.

Raha toa ka manana olana ilay eveka na ilay filohan’ny tsatòka mikasika ny fahafenoan’ny mpirotsaka iray ireo fenitry ny fahamendrehana na mahakasika ny fahavononany ara-pahasalamana, dia mifanakalo hevitra miaraka amin’ilay olona izy ireo. Azon’izy ireo atao koa ny mifampiresaka amin’ny ray aman-drenin’ilay mpirotsaka ho misiônera, raha toa ka nahazo lalana taminy. Tsy alefan’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka ny taratasy fangatahana iray raha tsy efa nibebaka tamin’ny fahotana goavana ilay olona (jereo ny 24.3.2.1). Arakaraka ny toe-pahasalaman’ilay olona ara-batana na ara-tsaina na ara-pihetseham-po, dia azon’izy ireo resahana ny mety hanendrena azy ho misiônera misahana asa fanompoana.

Ao anatin’ny hamehana, rehefa tsy eo ny eveka na ny filohan’ny tsatòka, dia azony atao ny manome lalana ny iray amin’ireo mpanolotsainy hanao ireo dinidinika ireo.

Any amin’ireo distrika dia ny filohan’ny misiôna na ny mpanolotsaina iray voatendry no manao ny dinidinika ary manome fahazoan-dalana ireo mpirotsaka ho misiônera. Tsy manao an’ireo dinidinika ireo ny filohan’ny distrika.

Sary
misiônera miresaka amin’ny lehilahy iray

24.4.3

Fandefasana ireo fanomezan-dalana hanao asa fitoriana

Azon’ny filohan’ny tsatòka atao ny mandefa ny fangatahana ho an’ny misiônera tanora iray hatramin’ny 120 andro mialoha ny daty maha afaka azy. Azon’ny filohan’ny tsatòka atao ny mandefa ny fangatahana ho an’ny misiônera zokiolona iray hatramin’ny sivy volana mialoha ny daty maha afaka azy. Ny daty maha afaka dia tsy maintsy amin’ny fotoana izay mahatanteraka ireto fepetra rehetra manaraka ireto:

  • Efa nahatratra ny taona ahafahana manompo ilay olona.

  • Efa mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny herintaona raha haingana indrindra ilay olona.

  • Efa nahavita ny fianarana tany amin’ny lisea na ambaratonga faharoa na ny mitovy amin’izany ilay olona na tsy manaraka fianarana amin’ireo intsony. (Amin’ireo mpirotsaka ho misiônera tanora izay 18 taona no mihatra izany.)

Ireo mpirotsaka ho misiônera tanora sy ny filohan’ny tsatòkan’izy ireo dia manao drafitra amin’izay fotoana tokony handefasan’ny filohan’ny tsatòka ny fanomezan-dalana. Azon’izy ireo ampiasaina ny Submission Planning Tool sy ny Mission Release Date Planning Tool raha mila fanampiana.

Mazàna ny taratasy fangatahana dia alefa amin’ny alalan’ny paroasy sy tsatòka misy ilay olona. Ireo eveka ana paroasy lavitry ny tokantrano, toy ny paroasy ho an’ny tanora tokan-tena dia afaka mikarakara taratasy fangatahana ho misiônera. Fa mifampiresaka amin’ny evekan’ilay paroasy niavian’ilay olona aloha izy ireo. Ilay paroasy misy ny trano fonenany no tokony hosoratana hoe paroasy mamatsy ilay mpirotsaka ho misiônera.

24.4.4

Ireo izay tsy afaka manao asa fitoriana amin’ny fotoana feno

Indraindray misy mpikambana izay maniry hanompo nefa tsy azo antsoina ho misiônera amin’ny fotoana feno. Izany dia mety hoe noho ny olana ara-pahasalamana, na ny tsy fahatratrarana ny fenitry ny fahamendrehana, na ny olana araka ny lalàna, na noho ny toe-javatra hafa. Maneho fitiavana sy fankasitrahana ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka noho ny finiavan’ilay mpikambana hanompo. Azon’ny filohan’ny tsatòka esorina aminy ny adidy tsy maintsy hanaovana asa fitoriana amin’ny fotoana feno.

Mamporisika an’ilay mpikambana ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka handroso hatrany eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainany azy. Mamporisika azy koa izy ireo hanohy ireo tanjona manan-danja hafa toy ny fandrantoana fianarana sy ny asa ho an’ny mpikambana tanora.

24.5

Aorian’ny fandraisana antso ho amin’ny asa fitoriana

Entanina hamaky sy hamerina hamaky ny Bokin’i Môrmôna ireo misiônera vao nahazo antso mialoha ny hanombohan’izy ireo ny asa fanompoany. Manaraka ny torohevitry ny Mpanjaka Benjamina izy ireo ny “hitandrina ny tenan[’izy ireo] sy ny eritreritr[’izy ireo] ary ny tenin[’izy ireo] sy ny ataon[’izy ireo]” (Môzià 4:30).

Mandray andraikitra avy hatrany izy ireo amin’ireo toromarika nomena niaraka tamin’ilay antso. Tokony haverin’izy ireo dinihana koa ilay boky kely hoe Adjusting to Missionary Life (Manova ny fomba fiainana hifanaraka amin’ny fomba fiainan’ny misiônera) na ny Adjusting to Service Missionary Life: Resource Booklet (Manova ny fomba fiainana hifanaraka amin’ny fomba fiainan’ny misiônera misahana asa fanompoana: Boky kely loharanon-kevitra). Tokony handalina ireo fepetra rehetra arahan’izy ireo mandritra ny fanompoana ihany koa izy ireo sy ny fianakaviany.

Manohana ireo misiônera amin’izany ezaka izany ireo fianakaviana sy ireo mpitarika. Antitranterin’izy ireo ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fanaovana ny tsara sy ny fitoerana ho mendrika hanana ny Fanahy.

24.5.1

Ny fanafiana masina sy ny asa fanompoana any amin’ny tempoly

Raha toa ka tsy mbola nandray ny ôrdônansin’ny fanafiana masina tany amin’ny tempoly ireo misiônera vao naharay antso dia tokony handray izany mialoha ny hanombohana ny fanompoana eo amin’ny asa fitoriana, raha azo atao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:15–16; 105:33). Tafiditra amin’izany koa ireo misiônera manao asa fanompoana raha toa ka mety amin’ny toe-javatra iainany izany. Ho fampahalalana mikasika ny fandraisana fanafiana masina dia jereo ny 27.2.

Ireo misiônera vao naharay antso izay efa nandray fanafiana masina dia afaka manompo any amin’ny tempoly manao mpanatanteraka ôrdônansy mialoha ny hanombohan’ny asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana raha mety (jereo ny 25.5).

24.5.2

Ireo fivoriana fanasan’ny Tompo

Asain’ny episkôpà ireo misiônera vao naharay antso handray fitenenana mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo mialoha ny handehanan’izy ireo hanompo. Fivoriana fanasan’ny Tompo toy ny mahazatra io. Ny fanasan’ny Tompo sy ny Mpamonjy no tokony hifantohana. Tokony hasaina ilay misiônera hiresaka momba an’i Jesoa Kristy, sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny, ary ny fifaliana entin’ny fizarana ny filazantsara sy ny fanompoana ny hafa.

Raha ny tokony ho izy dia tsy hasaina handray fitenenana ireo fianakavian’ilay misiônera na ireo namany. Tsy tokony hihoarana ny fotoana mahazatra faharetan’ny fivoriana fanasan’ny Tompo.

Tokony hialan’ireo mpikambana sy ireo mpitarika izay zavatra mety hampiala ny fifantohana amin’ny maha masina ny antso hitory filazantsara na hiteraka fandaniam-bola tsy ilaina atao. Ohatra, tsy tokony hataon’izy ireo ny:

  • Manao printy fandaharam-potoana manokana ho an’ny fivoriana fanasan’ny Tompo.

  • Manao filaharana handraisan-tanana aorian’ny fivoriana fanasan’ny Tompo.

  • Manao varavarana misokatra, ankoatra ny fivoriam-pianakaviana. Raha misy fivoriana karakarain’ny fianakaviana, dia amporisihana mba tsy hanelingelina ireo fivoriana alahady izany.

24.5.3

Fanokanana ireo misiônera

Ny filohan’ny tsatòka misy an’ilay misiônera no manokana ny misiônera tsirairay fotoana fohy araka izay azo atao mialoha ny daty hanombohany ny fanompoany. Ao anatin’ny hamehana, rehefa tsy eo ny filohan’ny tsatòka, dia azony atao ny manome lalana ny iray amin’ireo mpanolotsainy hanokana misiônera. Azony atao koa ny mampiandraikitra ny fanokanana misiônera zokiolona misahana asa fanompoana amin’ny mpanolotsaina iray.

Ny filohan’ny misiôna na ny iray amin’ireo mpanolotsainy no manokana ireo misiônera izay voantso avy amin’ireo distrika ao amin’ny misiôna tarihiny. Tsy misahana fanokanana misiônera ny filohan’ny distrika.

Ny rahalahy iray izay hanompo lavitry ny trano fonenany dia tsy maintsy efa nandray ny Fisoronana Melkizedeka mialoha ny hanokanana azy ho misiônera. Ny rahalahy iray izay hanompo amin’ny maha misiônera misahana asa fanompoana dia tokony hihazona ny Fisoronana Melkizedeka raha toa ka mety amin’ny toe-javatra misy azy izany. Raha mila toromarika mikasika ny fanendrena ho amina anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka dia jereo ny 18.10.

Fotoana fohy mialoha ny hanokanana misiônera iray dia ataon’ny filohan’ny tsatòka na mpanolotsaina iray voatendry dinidinika izy. Raha toa ilay misiônera ka tsy mahafeno intsony ireo fenitry ny fahamendrehana, na raha toa ka misy olana momba ny fahasalamana, dia tsy atokana izy. Mifandray amin’ny Departemanta misahana ny Misiônera (jereo ny 24.9.3) ny filohan’ny tsatòka, na amin’ny biraon’ny vondromparitra mba hahazoana torolalana.

Tokony ho traikefa tena miavaka ny fotoana fanokanana. Afaka manatrika ny fianakaviana sy ireo namana akaiky. Manampy azy ireo ny filohan’ny tsatòka hahatakatra sy hahatsapa ny maha masina sy maha manan-danja ny antso hanompo amin’ny maha solontenan’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny.

Tsy tokony ho raketina ilay fanokanana sy ny fitsofan-drano miaraka amin’izany. Na izany aza dia entanina ilay misiônera hanoratra ao amin’ny diariny ny zavatra niainany ary hanoratra ireo ampahany amin’ilay tsodrano izay nanan-danja manokana.

Azavain’ny filohan’ny tsatòka fa tokony hanaraka ireo fitsipika mifehy ireo misiônera ilay olona rehefa vita fanokanana.

Ny fanokanana misiônera iray dia ho an’ny antso hanompo, fa tsy ho an’ny fanendrena iray manokana. Raha miova ny asa hanendrena misiônera iray, dia tsy averina atokana izy. Raha misy misiônera isaorana ka aty aoriana nahazo lalana hiverina hanompo (jereo ny 24.6.3.2), dia averina atokana ho misiônera indray izy.

24.6

Fanompoana lavitry ny trano fonenana

24.6.1

Fandehanana hamonjy ny sahan’ny misiôna

Ho an’ireo misiônera tanora voatendry hampianatra dia iantohan’ny Fiangonana ny saran-dalana mankany amin’ny Ivon-toerana Fanofanana Misiônera (IFM) sy avy any mankany amin’ny asa nanendrena hanompoana. Iantohan’ny Fiangonana koa ireo fandaniana ireo ho an’ireo misiônera zokiolona izay manompo lavitry ny trano fonenany mandritra ny maherin’ny herintaona.

Afaka manatitra misiônera mankany amin’ny IFM ny fianakaviana akaiky. Na izany aza dia tsy voatery hanao izany izy ireo. Tsy manokana fotoana hanaovan’ny fianakaviana veloma ny misiôneran’izy ireo ny IFM.

Noho ny antony ara-piarovana sy antony hafa, dia tsy amporisihana ireo fianakaviana sy ny hafa hihaona amin’ny misiônera any amin’ny seranam-piaramanidina rehefa miala ao amin’ny IFM ny misiônera hankany amin’ny asa nanendrena azy ireo.

Sary
misiônera mpivady mampianatra vehivavy iray

24.6.2

Any amin’ny sahan’ny misiôna

24.6.2.1

Faritra hametrahana ireo misiônera

Mifanakalo hevitra ny filohan’ny tsatòka sy ny an’ny misiôna mikasika ny filana misiônera amin’ireo paroasy sy sampana voafaritra mazava. Tsy takina ny hanendrena misiônera amin’ny rantsana rehetra. Ny rantsana sasany dia mety hanana ekipana misiônera mihoatra ny iray. Ny filohan’ny misiôna no mamaritra ny toerana hametrahana ireo misiônera.

24.6.2.2

Fanompoana ireo mpikambana sy ny fiarahamonina

Mifanakalo hevitra ny filohan’ny tsatòka sy ny an’ny misiôna mikasika ny fomba ahafahan’ireo misiônera manolotra fanompoana ho an’ireo mpikambana sy ny fiarahamonina. Afaka mampiasa ny JustServe.org izy ireo any amin’ny toerana misy izany.

24.6.2.3

Trano ipetrahana sy sakafo ary fitaterana

Ny filohan’ny tsatòka sy ny filohan’ny misiôna no mamaritra ny fepetra sy ny fetran’ny fahafahan’ny mpikambana eo an-toerana miantoka trano hipetrahana sy sakafo ho an’ireo misiônera. Tsy tokony hatao hiteraka vesatra ho an’ireo mpikambana eo an-toerana ny fiantohana trano sy sakafo.

Tsy takina amin’ireo mpikambana ny hiantoka tsy tapaka fitaterana ho an’ireo misiônera, na ireo izay ampianariny, na ireo izay vao vita batisa vao haingana.

Mety hanome torolalalana ny Fiadidian’ny Vondromparitra mikasika ny trano ipetrahan’ny misiônera, sy ny sakafo ary ny fitaterana azy ireo eo amin’ny faritra.

24.6.2.4

Sary
sary famantarana, torolalana momba ny fampifanarahana
Misiônera misahana andraikitra ao amin’ny sampana

Amin’ny toe-javatra tena mahalana dia azo tendrena hihazona andraikitra ao amin’ny sampana ny misiônera manompo lavitry ny toeram-ponenany. Raha toa ka ao anatina tsatòka ilay sampana, dia eo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny tsatòka ny fanokanana ilay misiônera, raha ankatoavin’ny filohan’ny misiôna.

Raha eo anivona distrika ilay sampana dia tsy ilaina atokana ilay misiônera. Ny fahefana hanompo ao anaty rantsana iray iandraiketan’ny misiôna dia efa tafiditra ao anatin’ilay fanokanana ho misiônera. Raha misy elder misahana andraikitra izay mitaky fihazonana fanalahidin’ny fisoronana, dia manatontosa izany izy ireo araka ny fahefana nampiandraiketina avy amin’ny filohan’ny misiôna.

24.6.2.5

Fangatahana hanohana ny hafa eo amin’ny ara-bola na amin’ny fianarana na ny fifindra-monina

Ireo misiônera sy ireo fianakaviany dia tsy tokony hiantoka fanohanana ara-bola ho an’ireo izay monina any amin’ny toerana hanompoan’ireo misiônera, tafiditra amin’izany ny fanohanana ara-bola ho an’ny fianarana. Ary tsy tokony hiantoka olona izay maniry hifindra monina any amin’ny firenena hafa ireo misiônera sy ny fianakaviany (jereo ny 38.8.19).

24.6.2.6

Fanafody

Ireo misiônera dia tompon’andraikitra amin’izay fanafody mety hilainy. Ireo olona ao amin’ny fianakaviana sy ny hafa dia tsy mahazo mandefa na mampitondra fanafody ho an’ireo misiônera. Raha misy fanafody tsy hita eo amin’ny faritry ny misiôna dia mifanakalo hevitra amin’ny filohan’ny misiôna ilay misiônera.

24.6.2.7

Fahafatesan’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana akaiky

Raha misy fianakavian’ilay misiônera akaiky nindaosin’ny fahafatesana, dia afaka misafidy ilay misiônera ny hody mandritra ny fotoana voafetra hamonjy ny fandevenana. Na izany aza anefa dia amin’ny ankapobeny toroina hevitra ilay misiônera hijanona any amin’ny sahan’ny misiôna. Raha mety, dia azony atao ny mijery ny fotoam-pandevenana amin’ny alalan’ny internet.

Raha misafidy ny hody ilay misiônera, dia mifandray amin’ny Departemanta misahana ny Misiônera ny filohan’ny misiôna.

24.6.2.8

Firaketana ny maha-mpikambana sy Fahafolonkarena

Hazonin’ny paroasy niavian’ilay misiônera ny firaketana ny maha-mpikambana azy. Ny paroasy niaviny ihany koa no mirakitra ny maha mpandoa fahafolonkarena azy. Tsy mandoa fahafolonkarena ireo misiônera amin’ny vatsim-bola fanohanana raisin’izy ireo avy amin’ny misiôna. Na izany aza dia mandoa fahafolonkarena izy ireo raha manana fidiram-bola manokana.

24.6.3

Fiverenana mody avy any amin’ny misiôna

24.6.3.1

Fiverenana mody araka ny fe-potoana napetraka tany am-boalohany

Ireo misiônera sy ny fianakaviany dia tsy tokony hangataka fisaorana mialoha amin’ny antso na fanitarana ny fotoana hanompoana noho ny antony mampetipety azy ireo.

Tokony hody avy hatrany ireo misiônera tanora rehefa avy any amin’ny misiôna. Ny dia hafa rehetra dia tsy azo ankatoavina raha tsy misy ray aman-dreny na mpiantoka iray miaraka amin’ilay misiônera.

Tsy hisaorana ireo misiônera raha tsy efa nahavita tatitra tamin’ny filohan’ny tsatòkany. Manaraka ireo fitsipika mifehy ny misiônera izy ireo mandra-pahatonga an’io fotoana io.

24.6.3.2

Fiverenana mody mialoha ny fotoana

Misy misiônera sasany ampodiana mialoha noho ny antony ara-pahasalamana, na ara-pahamendrehana, na noho ny antony hafa. Manolotra fanohanana manokana an’ireny misiônera nampodiana ireny ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka. Ampian’ireo mpitarika izy ireo hahazo fahasalamana indray na hiverina hanompo raha azo atao.

Ho an’ireo misiônera izay vonona hiverina hanompo, dia mifandray amin’ny Departemanta misahana ny Misiônera ny filohan’ny tsatòka mba hangatahana izany (jereo ny 24.9.3). Ny misiônera sasany izay miverina manompo dia mety ho tendrena amina misiôna hafa hisahana fampianarana na misiôna misahana fanompoana.

Raha tsy azo atao ny miverina manompo, dia entanin’ireo mpitarika ilay mpikambana handroso hatrany eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainany azy. Mamporisika azy koa izy ireo hanohy ireo tanjona manan-danja hafa toy ny fandrantoana fianarana sy ny asa ho an’ny misiônera tanora.

24.7

Asa fitoriana misahana fanompoana

24.7.1

Mamantatra ireo sehatra ahafahana mampiasa misiônera misahana asa fanompoana

Manao filankevitra ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka ary ilay misiônera misahana asa fanompoana mba hamantarana ireo sehatra ahafahana manao asa fanompoana eo an-toerana. Ho an’ireo misiônera tanora misahana asa fanompoana dia mandray anjara amin’io fifanakalozan-kevitra io ny mpitarika ny misiôna misahana ny asa fanompoana sy ireo ray aman-dreny na mpiantoka an’ilay misiônera.

Ireo sehatra ahafahan’ireo misiônera tanora misahana asa fanompoana dia faritana rehefa voantso hanompo izy ireo. Ireo sehatra ahafahan’ireo misiônera zokiolona misahana asa fanompoana dia azo faritana mialoha na aorian’ny fotoana hiantsoana azy ireo.

Ny asa fanompoana dia azo tanterahina hoe atrehana mivantana na avy lavitra amin’ny alalan’ny fampiasana teknôlôjia. Afaka mampiasa ireto loharano manaraka ireto ny mpitarika mba hahitana fampahalalana momba ny sehatra ahafahana manompo:

24.7.2

Trano ipetrahana sy fitaterana

Ireo misiônera misahana asa fanompoana dia mipetraka ao an-tranon’izy ireo ihany na miaraka amin’ny olona iray hafa ao amin’ny fianakaviana izay efa nankatoavan’ny Birao misahana ny Misiôna manao asa fanompoana. Izy ireo ihany no miantoka ny fitateran’izy ireo mankany amin’ny toerana hanompoany raha ilaina.

24.7.3

Fiofanana sy fanaraha-maso

Ireo misiônera misahana asa fanompoana dia hofanina ary arahana maso eo amin’ny toerana hanompoany ihany. Mety ho ny mpitarika ny misiôna misahana asa fanompoana koa no manofana sy manara-maso azy ireo. Mandray fitarihana isan’andro izy ireo avy amin’ny mpitarika ny misiôna misahana asa fanompoana (ho an’ireo misiônera tanora misahana asa fanompoana) na avy amin’ny mpitantana ilay toerana notendrena hanompoan’izy ireo (ho an’ireo misiônera zokiolona misahana asa fanompoana) momba ny andraikitr’izy ireo.

Ny filohan’ny tsatòka no mpitarika ilay misiônera eo amin’ny ara-pivavahana. Manampy ilay misiônera koa izy hahatakatra sy hanaraka ireo fenitra iainan’ny misiônera misahana asa fanompoana (jereo ny Missionary Standards for Disciples of Jesus Christ—Service Missions (Fenitra momba ny asa fitoriana ho an’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy—Asa fitoriana misahana asa fanompoana)).

24.7.4

Misiônera misahana asa fanompoana mihazona antso any amin’ny paroasy na tsatòka

Ny eveka na ny filohan’ny tsatòka dia afaka manome antso ao amin’ny paroasy na tsatòka ho an’ireo misiônera misahana asa fanompoana raha toa ilay antso ka tsy manelingelina ny andraikiny na ny fandaharam-potoany amin’ny asa fanompoany. Ho an’ireo misiônera tanora manao asa fanompoana, dia mifandamina amin’ny mpitarika ny misiôna misahana asa fanompoana ireo mpitarika ireo.

24.7.5

Famaranana ny asa fitoriana misahana asa fanompoana

Miara-manao filankevitra ny filohan’ny tsatòka sy ny mpitarika ny misiôna misahana asa fanompoana (ho an’ny misiônera tanora) ary ilay misiônera misahana asa fanompoana, mba hamaritana ny fotoana hamaranan’ilay misiônera ny fanompoany.

Ny fanaovana misiôna misahana asa fanompoana ho an’ireo misiônera tanora dia tsy mihoatra ny 24 volana ho an’ireo lehilahy. Tsy mihoatra ny 18 volana ireo asa fanompoana ireo ho an’ny vehivavy.

Ireo misiônera zokiolona misahana asa fanompoana dia afaka manitatra ny fanompoana ataon’izy ireo hatramin’ny fe-potoana ifanarahan’ny filohan’ny tsatòka sy ilay misiônera.

Sary
vehivavy mandray fitenenana eo amin’ny polipitra

24.8

Aorian’ny asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana

24.8.1

Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

24.8.1.1

Misiônera tanora manompo lavitry ny fonenany

Ho toromarika mikasika ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho an’ireo misiônera tanora miverina mody dia jereo ny 26.5.3.

24.8.1.2

Misiônera zokiolona manompo lavitry ny fonenany

Afaka manao tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ny filohan’ny misiôna raha ilaina izany. Raha mendrika ilay misiônera dia omen’ny filohan’ny misiôna fahazoan-dalana vaovao izay lany andro afaka roa taona.

24.8.1.3

Misiônera manao asa fanompoana

Ireo misiônera manao asa fanompoana dia tokony hifandamina amin’ireo mpitarika eo an-toerana momba ireo dinidinika hanavaozana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly (jereo ny 26.3.1).

24.8.2

Dinidinika hisaorana misiônera

Ny filohan’ny tsatòka no misahana ny fisaorana ireo misiônera ary manao dinidinika hanolorana ny fisaorana. Afaka manao ny fisaorana ho an’ireo misiônera zokiolona misahana asa fanompoana ny iray amin’ireo mpanolotsainy. Any amin’ireo distrika, dia mazàna ny filohan’ny misiôna na ny mpanolotsaina iray voatendry no misahana ny fisaorana ireo misiônera. Ho an’ireo tranga maningana, dia jereo ny 6.3.

Mety hanampy ireto torolalana manaraka ireto raha ny mahakasika io dinidinika io.

  • Derao izy ireo noho ny nanaovan’izy ireo misiôna.

  • Asao izy ireo hizara traikefa niainan’izy ireo tany amin’ny misiôna.

  • Amporisiho izy ireo hanohy ny dia amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy azy ireo mandritra ny androm-piainany.

  • Toroy hevitra izy ireo hiorina eo ambonin’ireo fahazarana tsara izay nananan’izy ireo tamin’izy ireo misiônera.

  • Amporisiho izy ireo hanaraka isan’andro ny Fanahy ary hanana fiainana feno haja.

  • Amporisiho izy ireo hihevitra ny ho avy sy hiomana ho amin’izany, tafiditra ao amin’izany ny fandrantoana fianarana sy ny asa ho an’ireo misiônera tanora. Ampio izy ireo hametraka tanjona sy hanao drafitra araka izay ilaina. Diniho ny fivoarany ao amin’ny My Plan ho an’ireo misiônera tanora.

  • Alaviro ny fampanantenana fitahiana voafaritra mazava ho valisoa noho ny fanompoana nanaovana asa fitoriana.

  • Entano izy ireo hanana fiainana mendrika ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly hatrany.

24.8.3

Tatitry ny misiônera sy fandraisam-pitenenana amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo

Asain’ny filohana tsatòka sy distrika ireo misiônera vao nisaorana tsy ela hanao tatitra mikasika ny fanompoana nataony mandritra ny fivorian’ny filankevitra avo na ny filankevitry ny distrika. Tafiditra amin’izany ireo misiônera misahana asa fanompoana. Azon’ireo eveka asaina ihany koa ireo misiônera vao nisaorana tsy ela hanao tatitra mandritra ny fivoriana filankevitry ny paroasy.

Raha mety, noho ny halavirana na noho ny toe-javatra hafa, dia afaka manolotra ny tatitra ataony ireo misiônera vao nisaorana tsy ela amin’ny fampiasana teknôlôjia na koa amin’ny fivoriana filankevitry ny paroasy ihany.

Mandamina fotoana ny episkôpà hahafahan’ireo misiônera vao nisaorana tsy ela handray fitenenana mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Tafiditra amin’izany ireo misiônera misahana asa fanompoana. Fivoriana fanasan’ny Tompo toy ny mahazatra io fivoriana io. Iantohan’ny episkôpà fa voahaja ireo fitsipika singanina ao amin’ny 24.5.2.

Afaka mandray fitenenana any amin’ireo paroasy hafa ireo misiônera vao nisaorana tsy ela raha asain’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na distrika. Mety ho asain’ny mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo na ny filankevitry ny distrika ihany koa izy ireo.

24.8.4

Antso

Omen’ireo mpitarika andraikitra anendrena eo amin’ny asa fanompoana sy antso haingana ireo misiônera vao nisaorana tsy ela. Tafiditra amin’izany ny hiheverana ny hiantsoana azy ireo ho mpanatontosa ôrdônansy any amin’ny tempoly raha mety (jereo ny 25.5).

24.9

Loharanom-pitaovana ho an’ny fanomezan-dalana hanao asa fitoriana sy asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana

24.9.1

Ireo boky torolalana sy taratasy hofenoina

24.9.2

Tranonkala

24.9.3

Fomba ahafahana mifandray amin’ny Departemanta misahana ny Misiônera

  • Laharana an-tariby: 1-801-240-2222 na 1-800-453-3860, Poste 2-2222