Boky torolalana sy antso
10. Ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna


“10. Ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, (2020).

“10. Ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
zatovolahy ao am-piangonana

10.

Ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna

10.1

Tanjona sy firafitra

Manampy ireo zanak’ Andriamanitra hiomana hiverina eo anatrehany ny Fisoronana Aharôna. Mihazona “ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely, sy ny an’ny filazantsaran’ny fibebahana, ary ny an’ny batisa” izany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13; jereo koa ny 3.3.2 ato amin’ity boky torolalana ity).

10.1.1

Tanjona

Ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna dia manampy ireo zatovolahy hanao fanekempihavanana masina sy hitandrina izany ary hampitombo ny fiovam-pony ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

Ny kôlejy dia vondrona narafitra ahitana mpihazona fisoronana. Ny tanjon’ny kôlejy iray dia ny hanampy ireo mpihazona fisoronana hiara-hiasa mba handray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Manompo ny hafa, manatontosa ireo adidin’ny fisoronana, manorina firaisan-kina, ary mianatra sy miaina ny fotopampianarana ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna ao anatin’ny kôlejy misy azy ireo.

10.1.2

Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna

Ny fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna dia afaka manampy ny zatovolahy tsirairay hahatakatra ny maha-andriamanitra azy sy ny tanjony amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana azy. Mamerina io faneva io ireo zatovolahy sy ireo mpitarika azy ireo amin’ny fanombohan’ireo fivorian’ny kôlejy sy amin’ireo fampivondronana hafa ataon’ny kôlejy. Toy izao ilay faneva:

“Zanakalahy malalan’ Andriamanitra aho ary manana asa hampanaovina ahy Izy.

“Hitia an’ Andriamanitra aho sy hitandrina ireo fanekempihavanana nataoko, ary hampiasa ny fisoronany hanompoana ny hafa amin’ny foko, sy ny heriko, sy ny saiko, ary ny tanjako manontolo, miantomboka amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviako.

“Rehefa mikatsaka amim-pahazotoana aho mba hanompo, hampihatra finoana, sy hibebaka, ary hivoatra isan’andro dia ho mendrika ny handray ireo fitahian’ny tempoly sy ny fifaliana maharitra avy amin’ny filazantsara.

“Hiomana aho ny ho lasa mpitory ny filazantsara mazoto, sy ho vady mahatoky, ary ho ray be fitia amin’ny alalan’ny fampiharana ny maha-tena mpianatr’i Jesoa Kristy ahy.

“Hanampy amin’ny fanomanana izao tontolo izao aho ho amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanasana ny rehetra hanatona an’i Kristy ka handray ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotany.”

10.1.3

Ireo kôlejy

Arindran’ny eveka ho ao anatina kôlejy araka izay voafaritra etsy ambany ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna. (Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:85–88.)

10.1.3.1

Kôlejin’ ny diakona

Miditra ao amin’ny kôlejin’ny diakona ny zatovolahy manomboka ny volana janoary amin’ny taona handraisany 12 taona. Mahafeno ny fepetra ahafahana manendry azy ho diakona ihany koa izy ireo amin’io fotoana io raha efa vonona sy mendrika.

Mpikambana iray ao amin’ilay kôlejy izay diakona voatendry no filohan’ny kôlejy. Raha azo atao dia afaka miara-manompo aminy ny mpanolotsaina iray na roa sy ny mpitantsoratra iray. Tsy maintsy diakona ihany koa ireo mpanolotsaina sy ny mpitantsoratra.

Voafaritra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:57–59; 84:111 ireo adidin’ny diakona. Ireo adidy hafa dia ahitana ny fizarana ny fanasan’ny Tompo sy ny fanampiana ny eveka amin’ny “fitantanana ny zavatr’izao fiainana izao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:68).

10.1.3.2

Kôlejin’ ny mpampianatra

Miditra ao amin’ny kôlejin’ny mpampianatra ny zatovolahy manomboka ny volana janoary amin’ny taona handraisany 14 taona. Mahafeno ny fepetra ahafahana manendry azy ho mpampianatra ihany koa izy ireo amin’io fotoana io raha efa vonona sy mendrika.

Mpikambana iray ao amin’ny kôlejy izay mpampianatra voatendry no filohan’ilay kôlejy. Raha azo atao dia afaka miara-manompo aminy ny mpanolotsaina iray na roa sy ny mpitantsoratra iray. Tsy maintsy mpampianatra ihany koa ireo mpanolotsaina sy ny mpitantsoratra.

Adidin’ireo mpampianatra ihany koa ireo adidin’ny diakona. Adidin’izy ireo ihany koa ny manomana ny fanasan’ny Tompo sy ny manompo amin’ny maha-rahalahy mpanompo. Voafaritra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:53–59; 84:111 ireo adidy fanampiny.

10.1.3.3

Kôlejin’ ny mpisorona

Miditra ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona ny zatovolahy manomboka ny volana janoary amin’ny taona handraisany 16 taona. Mahafeno ny fepetra ahafahana manendry azy ho mpisorona ihany koa izy ireo amin’io fotoana io raha efa vonona sy mendrika.

Ny eveka no filohan’ny kolejin’ny mpisorona (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:87–88). Miantso mpikambana iray na roa ao amin’ny kôlejy izy mba ho mpanampy azy. Azo atao koa ny miantso mpitantsoratra. Tokony ho mpisorona voatendry avokoa ireo mpanampy sy mpitantsoratra.

Adidin’ireo mpisorona ihany koa ireo adidin’ny diakona sy ny mpampianatra. Voafaritra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:46–52, 73–79 ireo adidy fanampiny.

10.1.4

Ireo fanalahidin’ny fisoronana

Tarihin’ny filoha iray mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana ny kôlejy tsirairay. Mihazona fanalahidin’ny fisoronana ny filohan’ny kôlejin’ny diakona sy ny filohan’ny kôlejin’ny mpampianatra ary ny eveka. Ho fampahalalana misimisy kokoa mikasika ireo fanalahidy ireo dia jereo ny 3.4.1.

10.1.5

Sary
sary famantarana, torolalana momba ny fanamboarana
Fanamboarana ireo kôlejy hifanaraka amin’ny zavatra ilaina eo an-toerana

Ao amin’ny paroasy na sampana iray izay vitsy ny zatovolahy dia afaka miara-mivory ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna mandritra ireo lesona sy ireo fiaraha-mientana.

Raha manana diakona mihoatra ny 12 ny paroasy iray dia azon’ny eveka zaraina ny kôlejin’ny diakona. Mitombina ihany koa izany raha misy mpampianatra mihoatra ny 24 ao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:85–86). Rehefa mandray io fanapahan-kevitra io ny eveka dia mandinika ny fiantraikan’izany amin’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy.

10.2

Fandraisana anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana

Manasa ny rehetra Andriamanitra hanatona an’i Kristy sy hanampy amin’ny fanaovana ny asany amin’ny alalan’ny:

  • Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

  • Fikarakarana ireo izay sahirana.

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara.

  • Fampiraisana ireo fianakaviana ho mandrakizay.

Ny episkôpà sy ireo mpitarika ny kôlejy ao amin’ny zatovo, tohanan’ireo mpanoro hevitra (jereo ny 10.5) no miara-mifampidinika mikasika ny fomba hanatanterahana io asa io. Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa mikasika ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana dia halalino ny toko 1.

10.2.1

Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

10.2.1.1

Anjara asan’ny ray aman-dreny sy ny mpitarika

Ny ray aman-dreny no tompon’andraikitra amin’ny fampianarana ny filazantsara an’ireo zanany sy ny fanampiana azy ireo hiaina izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–28). Ny episkôpà sy ireo mpitarika ny kôlejy ao amin’ny zatovo, ampian’ireo mpanorohevitra, dia manohana ny ray aman-dreny amin’io andraikitra io araka izao manaraka izao:

  • Mamporisika ny fifampiresahana eo amin’ny zatovolahy sy ny fianakaviany.

  • Maka antoka fa manohana sy mitahy ny fianakaviana ireo fiaraha-mientana ataon’ny zatovo.

  • Manampy ireo ray aman-dreny hanomana ny zanany lahy ho amin’ny fanendrena ho amin’ny fisoronana sy handray ny Fisoronana Melkizedeka.

  • Manampy ireo ray aman-dreny hanomana ny zanany lahy ho amin’ny fanafiana masina any amin’ny tempoly, sy ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno, sy ny fanambadiana any amin’ny tempoly ary ny ho ray.

Tokony hojeren’ireo mpitarika akaiky ireo zatovo izay tsy manana fianakaviana afaka manohana azy amin’ny fiainana ny filazantsara.

Miezaka ny ho ohatra tsara ho an’ireo zatovo ny ray aman-dreny sy ny mpitarika. Tantanan’izy ireo ny zatovo eo amin’ny ezaka ataon’izy ireo hitoviana kokoa amin’i Jesoa Kristy. Ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo dia afaka manampy amin’ireo ezaka atao ireo (jereo ny ChildrenandYouth.ChurchofJesusChrist.org).

10.2.1.2

Fianarana ny filazantsara

Ny episkôpà sy ireo mpitarika ao amin’ireo kôlejin’ny zatovo ary ireo mpanorohevitra dia mamporisika ny zatovolahy sy ny fianakaviany hianatra ny filazantsara any an-trano. Mandalina ny filazantsara ireo mpitarika sy mpanorohevitra ary mizara amin’ny zatovolahy ny zavatra ianarany. Manasa ny mpikambana ao amin’ny kôlejy izy ireo hizara ny zavatra ianarany any an-trano rehefa any am-piangonana.

Mivory ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna rehefa alahady mba hanamafy orina ny finoana, hanorina firaisan-kina, hanamafy orina ny fianakaviana sy ny tokantrano, ary hanao drafitra mba handraisana anjara amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Ny episkôpà sy ireo mpitarika ny kôlejin’ny zatovo, tohanan’ireo mpanorohevitra, no mamolavola ny drafitra ho an’ireo fivoriana alahady.

Sary
zatovolahy manao fandalinana

Ny fivorian’ny kôlejy dia atao ny alahady faharoa sy fahaefatry ny volana. Maharitra 50 minitra izy ireo. Manomboka amin’ny vavaka ireo fivoriana. Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy (na iray amin’ireo mpanampy ny eveka ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona) no mitarika. Mitarika ny kôlejy izy amin’ny fiarahana manonona ny faneva sy ny fiarahana mifampidinika momba ireo asa ampandraiketina sy ireo adidy ary ireo raharaha hafa.

Avy eo dia mitarika ny fampianarana ny filazantsara ny mpikambana iray ao amin’ny kôlejy na ny olon-dehibe mpitarika iray. Mifampidinika amin’ireo mpanorohevitra momba izay olona tokony hampianatra ireo mpitarika ny kôlejy. Ireo votoatin-javatra mandrafitra ny fivoriana dia hita ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny zatovovavy (jereo ny ComeFollowMe.ChurchofJesusChrist.org). Tokony mifarana amin’ny vavaka ireo fivoriana.

Raha ny tokony ho izy dia misaraka ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna tsirairay rehefa mivory (jereo ny 10.1.5 Afaka mitambatra tsindraindray ny zatovolahy sy ny zatovovavy mandritra ny lesona iray atao ny alahady, araka izay handrindran’ny episkôpà sy ny Fiadidian’ny Zatovovavy izany.

Amporisihina ireo zatovolahy handray anjara amin’ny seminera (jereo ny 15.1).

10.2.1.3

Asa fanompoana sy fiaraha-mientana

Ny episkôpà sy ireo mpitarika ny kôlejin’ny zatovo, tohanan’ireo mpanorohevitra, no mamolavola ny drafitra ho an’ny asa fanompoana sy ny fiaraha-mientana. Tokony hanampy amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana izany. Ny asa fanompoana sy ireo fiaraha-mientana dia tokony hampiorina ny fijoroana ho vavolombelona, hanamafy orina ny fianakaviana, hampitombo ny firaisan-kina misy ao amin’ny kôlejy, ary hanolotra fahafahana hitahiana ny hafa. Amin’izany dia tokony hampifandanjana ireo sehatra efatry ny fivoaran’ny tena manokana: ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-batana ary ara-tsaina.

Atao amin’ny andro hafa ankoatra ny alahady sy ny alatsinainy hariva ny ankamaroan’ireo fiaraha-mientan’ny zatovo. Mazàna izy ireo no atao isan-kerinandro. Any amin’ny faritra sasany dia manjary sarotra tanterahina ny fiaraha-mientana isan-kerinandro noho ny halavirana sy ny tsy fandriam-pahalemana. Azo atao mahalana kokoa ireo fiaraha-mientana any amin’ireo faritra ireo, saingy tokony hatao isam-bolana izany farafahakeliny. Ny fiaraha-mientana dia azo alamina ao amin’ilay Sample Service and Activity Planner (Fakan-tahaka amin’ny fanomanana ny asa fanompoana sy ny fiaraha-mientana), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Ny asa fanompoana sy fiaraha-mientana sasany dia tokony hiarahan’ny zatovolahy sy ny zatovovavy atao, indrindra fa ho an’ireo zatovo zokiny.

Afaka mahazo tombontsoa amin’ny fifaneraserana ao anatina vondrona ahitana olona maromaro kokoa ny zatovo. Ny zatovo ao amin’ny paroasy roa na mihoatra izany dia afaka miara-mivory tsindraindray hanao asa fanompoana sy fiaraha-mientana. Afaka mandamina asa fanompoana sy fiaraha-mientana ho an’ny zatovo ireo tsatòka sy distrika tsindraindray (jereo ny 20.3.2).

Maka antoka ireo olon-dehibe mpitarika fa tsy mampidi-doza ireo fiaraha-mientana (jereo ny safety.ChurchofJesusChrist.org; jereo koa ny 20.7 ato amin’ity boky torolalana ity). Tokony hisy olon-dehibe tompon’andraikitra roa farafahakeliny manatrika ny fiaraha-mientana rehetra (jereo ny 10.8.1).

Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny AaronicPriesthoodQuorums.ChurchofJesusChrist.org. Jereo koa ny JustServe.org raha misy ho an’ny toerana misy anao. Ireo loharanon-kevitra ireo dia manolotra karazana asa fanompoana sy fiaraha-mientana azo atao.

Fiaraha-mientana fanao isan-taona. Ankoatra ny fiaraha-mientan’ny zatovo fanao mahazatra dia afaka ihany koa mandray anjara amin’ireto manaraka ireto ny zatovolahy isan-taona:

  • Fivoriana hiarahan’ny zatovo sy ny ray aman-drenin’izy ireo rehefa akaiky ny fiantombohan’ny taona. Azo atao misaraka na mitambatra ho an’ny Zatovolahy sy ny Zatovovavy izany. Azo atao ihany koa eo anivon’ny paroasy na eo anivon’ny tsatòka izany. Ireo mpanampy ny eveka ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona sy ny fiadidian’ny kilasin’ny Zatovovavy zokiny indrindra no manomana sy mitarika izany. Mandritra io fivoriana io no afaka mahazo ny mari-pamantarana iombonana tokony ho azony ireo zatovolahy handray 12 taona amin’iny taona diavina iny (jereo ny 10.8.3). Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny ChildrenandYouth.ChurchofJesusChrist.org.

  • Lasy ho an’ny kôlejin’ ny Fisoronana Aharôna (jereo ny Torolalana ho an’ny lasin’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna.). Ny zatovolahy dia afaka mandray anjara amin’ny lasy sy hetsika ary fiaraha-mientana fanampiny ilana fatoriana any an-toerana mandritra ny taona any amin’ny toerana azo anaovana izany.

  • Fihaonamben’ny zatovo eo anivon’ny paroasy na eo anivon’ny tsatòka, na fihaonambe Ho Zatovo Mahery (HZM). Mba hahitana fampahalalana mikasika ireo fihaonambe HZM, dia jereo ny FSY.ChurchofJesusChrist.org. Mba hahitana fampahalalana mikasika ireo antso ao amin’ny HZM sy ireo andraikitra mifandray amin’izany, dia jereo ny FSYLeader.ChurchofJesusChrist.org (ho an’i Etazonia sy i Kanadà) na ny FSY Planning Guide (ho an’ny faritra hafa rehetra).

  • Fiaraha-mientana iray farafahakeliny izay manamafy ireo fenitra ao amin’ny Jeunes, soyez forts. Io hetsika io dia azo atao itambaran’ny zatovolahy sy ny zatovovavy. Azo atao koa ny manasa ireo ray aman-dreny.

Fepetra takina mahakasika ny taona. Rehefa nahazo fankatoavana avy amin’ny ray aman-dreniny, ny zatovolahy dia afaka manatrika ireo lasin’ny Fisoronana Aharôna ilana fatoriana any an-toerana manomboka ny volana janoary amin’ny taona izay handraisan’izy ireo 12 taona. Afaka manatrika fandihizana, sy fihaonamben’ny zatovo, ary fihaonambe HZM izy ireo manomboka ny volana janoary amin’ny taona izay handraisan’izy ireo 14 taona.

Fandoavana ny saran’ireo fiaraha-mientana. Ny teti-bolan’ny paroasy no handoavana ny saran’ireo fiaraha-mientana, tafiditra ao anatin’izany ireo vatsy ilaina amin’izany. Tsy tokony ho lavitra loatra ny dia ary tsy tokony ho diso tafahoatra ny fandaniana atao.

Ho tranga maningana, raha tsy ampy ny vola ao amin’ny teti-bolan’ny paroasy handoavana ny saran’ireo fiaraha-mientana mandritra ny andro maromaro, toy ny lasy, dia azon’ireo mpitarika angatahana ireo mpandray anjara mba hanampy amin’ny fiantohana izany. Tsy tokony hosakanana tsy handray anjara anefa ny zatovolahy iray raha tsy afaka manampy amin’ny fandoavana izany. Raha toa ka mbola mila vola misimisy kokoa dia afaka manome lalana ny hanaovana hetsika fanangonam-bola indray mandeha isan-taona ny eveka (jereo ny 20.6.5).

Maka antoka ny episkôpà fa ampy sy voatsinjara ara-drariny ny tetibola sy ny fiaraha-mientana ho an’ny zatovolahy sy ho an’ny zatovovavy. Ny tetibola ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna dia mifototra amin’ny isan’ny zatovolahy ao amin’ny paroasy. Ny tetibola ho an’ny zatovovavy dia mifototra amin’ny isan’ny zatovovavy ao amin’ny paroasy.

Jereo ny FSY.ChurchofJesusChrist.org mba hahitana fampahalalana mikasika ny famatsiam-bola ho an’ireo fihaonambe HZM.

Sary
zatovolahy eny an-tokotany

10.2.1.4

Fivoaran’ny tena manokana

Amin’ny ezaka ataon’izy ireo hitoviana kokoa amin’ny Mpamonjy dia asaina ny zatovo hametraka tanjona mba hivoarana ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-batana, ary ara-tsaina (jereo ny Lioka 2:52). Mikatsaka fitaomam-panahy ny zatovo hamantarana ny zavatra ilainy hanaovana ezaka. Ampian’ireo ray aman-dreny izy ireo manao drafitra, sy manatanteraka ny drafiny, ary misaintsaina ny zavatra izay nianarany. Manolotra fanampiana araka izay ilaina ihany koa ireo mpitarika sy ireo mpanorohevitra. Na izany aza dia tsy tokony hanara-maso ny tanjona na ny fivoaran’ireo zatovolahy izy ireo. Afaka mandroso hevitra ny amin’izay tanjona hotratrarina ireo ray aman-dreny sy ireo mpitarika, saingy mamela ny zatovo izy ireo hikatsaka ny aingam-panahin’izy ireo manokana mikasika izay tanjona hotratrarin’izy ireo.

Amporisihina ny zatovo hamita farafahakeliny tanjona roa amin’ny sehatra tsirairay amin’ireo sehatra efatra. Afaka mampiasa ny Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo izy ireo na ny application Vivre l’Évangile rehefa mametraka tanjona sy hirakitra izany.

Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny ChildrenandYouth.ChurchofJesusChrist.org.

10.2.2

Fikarakarana ireo izay sahirana

Manampy ny eveka ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna amin’ny “fitantanana ny zavatr’izao fiainana izao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:68). Tokony hanana fahafahana tsy tapaka izy ireo hanompo ny hafa ao amin’ny fianakaviany sy miaraka amin’ny fianakaviany, mandritra ireo fiaraha-mientan’ny zatovo, ary samirery. Ahitana karazana asa fanompoana azo atao ao amin’ny ChildrenandYouth.ChurchofJesusChrist.org. Ny JustServe.org, any amin’ny toerana ahitana azy dia manolotra sosokevitra ny amin’ireo zavatra azo araraotina mba hanaovana asa fanompoana eny anivon’ny fiarahamonina.

10.2.2.1

Ny fanompoana

Ny fanompoana dia ny fikarakarana ny hafa tahaka izay ho nataon’ny Mpamonjy. Mandray ny fanendrena hanompo ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna manomboka ny volana janoary amin’ny taona izay mahafeno 14 taona azy ireo. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny toko 21.

10.2.3

Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara

Ny mpihazona ny Fisoronana Aharôna dia manana adidy “hanasa ny rehetra hanatona an’i Kristy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:59). Voatanisa eto ambany ireo fomba sasantsasany azon’izy ireo hanaovana izany:

  • Mampiseho ohatra tsara amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy.

  • Mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo amin’ny namana sy ireo olona ao amin’ny fianakaviana.

  • Manompo ireo mpikambana malaindaina ao amin’ny kôlejin’izy ireo.

  • Manasa namana hanatrika fotoam-pivavahana na fiaraha-mientan’ny zatovo.

  • Manasa namana handray anjara amin’ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo. Ireo mpitarika dia miara-miasa akaiky amin’ny ray aman-drenin’ireo zatovo ireo mba hanampiana azy ireo hahatakatra ilay fandaharan’asa sy hamaritra ny fomba tian’izy ireo sy ny zanak’izy ireo handraisana anjara amin’izany.

  • Manasa namana ho ampianarin’ireo misiônera.

Mamporisika ireo zatovolahy ireo ray aman-dreny sy ny mpitarika mba hiomana hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno sy hizara ny filazantsara mandritra ny fiainan’izy ireo. Voatanisa eto ambany ireo fomba sasantsasany azon’izy ireo hanaovana izany:

  • Mamporisika ny zatovolahy hahazo fijoroana ho vavolombelona an’ny tenany manokana momba ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarana, sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ary ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsarany.

  • Mampianatra ny zatovolahy mikasika ireo fitahiana avy amin’ny fanaovana asa fitoriana sy ny zavatra andrasana amin’izy ireo.

  • Manolotra fahafahana hanompo ao am-piangonana.

  • Manolotra fahafahana hampianatra ny filazantsara mandritra ireo fivorian’ny kôlejy sy amin’ny sehatra hafa.

Ao anatin’io fiomanana io dia afaka manangana kilasy fiomanana ho amin’ny asa fitoriana ny episkôpà na ny fiadidian’ny tsatòka. Ireo loharanom-pitaovana fototra ampiasaina amin’io kilasy io dia ny soratra masina sy ny Règles missionnaires pour les disciples de Jésus-Christ ary ny Torio ny Filazantsarako. Tsy tokony hatao mandritra ireo fivoriana mahazatra ny alahady io kilasy io.

Ny Missionary.ChurchofJesusChrist.org dia manome loharanom-pitaovana fanampiny izay afaka manampy ny zatovolahy eo am-piomanan’izy ireo hanompo amin’ny maha-mpitory ny filazantsara. Jereo ny toko 23 sy 24 raha mila fanazavana fanampiny.

10.2.4

Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay

Ireo mpihazona ny Fisoronana Aharona dia afaka manampy amin’ny fomba maro amin’ny fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Voatanisa eto ambany ny sasany amin’ireo fomba ireo:

  • Manaja ireo ray aman-dreniny sy maneho ohatra amin’izany fiainana tahaka ny an’i Kristy izany ao an-tokantranony.

  • Miomana ny hanana ny fianakaviany mandrakizay izay azy ireo manokana.

  • Manana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly.

  • Miomana handray ireo ôrdônansin’ny tempoly, anisan’izany ny fanambadiana mandrakizay.

  • Mamantatra ny momba ny havany sy ny razambeny (jereo ny Ny Fianakaviako: Ireo tantara izay mampiray anay

  • Mamantatra ireo razambe izay mila ôrdônansin’ny tempoly (jereo ny FamilySearch.org).

  • Mandray anjara matetika amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ho an’ny maty, araka izay tratra.

  • Mandray anjara amin’ny firaketana anarana faobe (jereo ny FamilySearch.org/indexing).

  • Manompo ho mpanorohevitra mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, rehefa antsoin’ny episkôpà (jereo ny 25.2.4).

10.3

Ny episkôpà

Ny episkôpà no fiadidian’ny Fisoronana Aharôna ao amin’ny paroasy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:13–15). Izy ireo no mitarika ny asan’ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Ny andraikitra voalohany indrindra sahanin’ny eveka dia ny mikarakara ireo zatovolahy sy zatovovavy ao amin’ny paroasiny. Mamantatra ny anaran’izy ireo izy ary mahatakatra ny toe-javatra iainan’izy ireo any an-tokantranony. Manatrika matetika ny fiaraha-mientana sy ny fivoriana alahady ataon’izy ireo izy.

Ny eveka no filohan’ny kôlejin’ny mpisorona. Ny adidiny dia “ny miahy [ny] mpisorona … sy ny miara-mivory aminy amin’ny filankevitra, [ary] ny mampianatra azy ireo ny adidy amin’ny anjara fanompoany”.(Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:87).

Ny mpanolotsaina voalohany ao amin’ny episkôpà no miandraikitra ny kôlejin’ny mpampianatra. Ny mpanolotsaina faharoa no miandraikitra ny kôlejin’ny diakona.

Rehefa manatrika fivorian’ny kôlejy ny olona iray ao amin’ny episkôpà dia izy no miahy ilay fivoriana.

Ireto manaraka ireto no andraikitra fanampiny sahanin’ny episkôpà amin’ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna:

Manampy amin’ireo andraikitra ireo araka izay nangatahana aminy ireo mpanorohevitra ao amin’ny kôlejy sy ireo tompon’andraikitra manokana (jereo ny 10.5).

10.4

Ireo mpitarika ny kôlejin’ny zatovo

10.4.1

Fiantsoana sy fanohanana ary fanokanana

Miantso mpisorona iray na roa ny eveka ho mpanampy azy amin’ny fitarihana ny kôlejin’ny mpisorona. Afaka miantso mpitantsoratry ny kôlejy ihany koa ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà.

Miantso ny filohan’ny kôlejin’ny diakona sy ny an’ny mpampianatra ny olona iray ao amin’ny episkôpà. Rehefa ampy ny isan’ny mpihazona Fisoronana Aharôna afaka manompo dia mandinika ombam-bavaka mpikambana iray ao amin’ny kolejiny ireo zatovolahy ireo mba hatolotra ho mpanolotsaina sy ho mpitantsoratra. Mandinika ny anarana natolotr’izy ireo ny episkôpà dia manao ny fiantsoana.

Mialoha ny hangatahana zatovolahy iray hanompo amin’ny iray amin’ireo antso ireo dia miera amin’ny ray aman-drenin’ilay zatovolahy aloha ilay mpikambana iray ao amin’ny episkôpà.

Rehefa avy nanome an’ireo antso ireo ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà dia manolotra ireo mpitarika ny kôlejin’ny zatovo mba hotohanana mandritra ny fivorian’ny kôlejy misy azy ireo. Ny eveka no manokana ireo mpanampy azy sy ny filohan’ny kôlejin’ny diakona sy ny an’ny mpampianatra. Manolotra fanalahidin’ny fisoronana an’ireo filohan’ny kôlejy izy. Afaka manome andraikitra ireo mpanolotsainy izy mba hanokana ireo mpikambana hafa ao amin’ny fiadidiana sy ireo mpitantsoratra.

Mpikambana iray ao amin’ny episkôpà no milaza ireo antso ireo mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Tsy manolotra azy ireo mba hotohanana izy.

10.4.2

Andraikitra

Ireo filohan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna, anisan’izany ny eveka, dia manana ireto andraikitra manaraka ireto. Miara-manatanteraka ireo andraikitra ireo ireo mpanolotsain’izy ireo sy ireo mpanampy ny eveka ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona.

  • Mitarika ny ezaka ataon’ny kôlejy handraisana anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny toko 1).

  • Miezaka mamantatra sy manompo ny mpikambana tsirairay ao amin’ny kôlejy, anisan’izany ireo izay tsy manatrika ireo fivorian’ny kôlejy. Mahafantatra ny zavatra ilain’izy ireo sy ny toe-javatra iainan’izy ireo.

  • Manompo ao amin’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy (jereo ny 10.4.4).

  • Mandray anjara amin’ireo ezaka ataon’ny paroasy eo amin’ny fizarana ny filazantsara ary manamafy orina ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika. Manatrika ireo fivoriana enti-mandrindra ny mpanampy iray ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona (jereo ny 23.5.7).

  • Mandray anjara amin’ireo ezaka atao mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa momba ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy. Manatrika ireo fivoriana enti-mandrindra ny mpanampy iray ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona (jereo ny 25.2.7).

  • Mampianatra an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy ny adidin’izy ireo ao amin’ny fisoronana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:85–88). Manohana azy ireo eo amin’ny fanatontosana ireo adidy ireo.

  • Mandrafitra sy mitarika ireo fivorian’ny kôlejy (jereo ny 10.2.1.2).

  • Mandrafitra sy manatanteraka ny asa fanompoana sy ny fiaraha-mientana ataon’ny kôlejy (jereo ny 10.2.1.3).

Rehefa misy mpitantsoratry ny kôlejy voantso dia manomana ny fandaharam-potoan’ireo fivoriana izy ary mandray an-tsoratra. Manampy ny mpitambokin’ny paroasy ihany koa izy ireo na ny mpanoro hevitra iray eo anivon’ny kôlejy eo amin’ny firaketana ny fanatrehana fivoriana.

Ireo mpikambana ao amin’ny episkôpà dia mampianatra an’ireo zatovolahy ny andraikitr’izy ireo (jereo ny 10.3 Tokony hanampy amim-pahavitrihana ireo mpanoro hevitra eo anivon’ny kôlejy (jereo ny 10.5).

10.4.3

Fivorian’ny fiadidian’ny kôlejy

Mivory tsy tapaka ireo fiadidian’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Ny filohan’ny kôlejy no mitarika ireo fivoriana ireo. Olon-dehibe roa farafahakeliny no manatrika: mpikambana iray ao amin’ny episkôpà, na mpanoro hevitra iray, na tompon’andraikitra manokana iray. Mandritra ireo fivoriana ireo dia miara-mifandinika ireo mpitarika ary mikatsaka ny hahazo fanambarana momba izay sitrapon’ny Tompo ho an’ny kôlejin’izy ireo. Ny fandaharam-potoana dia azo ampidirana fifanakalozan-kevitra mikasika ireto zavatra manaraka ireto:

  • Fanampiana amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana.

  • Fanompoana ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy, ka mifantoka manokana amin’ny fanohanana ireo mpikambana vaovao sy ny fanoloran-tanana ireo mpikambana malaindaina.

  • Fanampiana ireo olona avy amin’ny antokom-pivavahana hafa sy hafa finoana.

  • Fanomanana ireo fivoriana sy asa fanompoana ary fiaraha-mientan’ny kôlejy.

  • Fampianarana momba ny fitarihana ataon’ireo mpitarika ny kôlejy na ireo mpanorohevitra

Misy Fakan-tahaka amin’ny fandaharam-potoana mandritra ny fivorian’ny fiadidiana azo ampiasaina ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

10.4.4

Filankevitry ny zatovon’ny paroasy

Ny tanjon’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy dia ny hanampy ny zatovo hitondra ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy sy hanampy amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana.

Ny eveka no miahy ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy. Ireo mpikambana ao amin’io filankevitra io dia ahitana:

  • Ny episkôpà.

  • Ny iray amin’ireo mpanampy ny eveka ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona, ny filohan’ny kôlejin’ny mpampianatra ary ny filohan’ny kôlejin’ny diakona.

  • Ireo filohan’ny kilasin’ny Zatovovavy (na ny fiadidiana iray manontolo ao amin’ny kilasy raha tsy manana afa-tsy kilasin’ny Zatovovavy iray ihany ilay paroasy).

  • Ny filohan’ny Zatovovavy.

Sary
zatovolahy sy zatovovavy miresaka

Ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy dia mifampidinika mikasika ireo fomba hanampiana ny hafa hanorina fijoroana ho vavolombelona, handray ireo ôrdônansin’ny famonjena, hitandrina ireo fanekempihavanana, ary ho tonga mpanaradia an’i Jesoa Kristy (jereo ny Môrônia 6:4–5). Miara-mifampidinika izy ireo mikasika ny zavatra ilain’ireo zatovolahy sy zatovovavy ao amin’ny paroasy. Afaka miresaka fiaraha-mientana ahafahana manatanteraka ireo zavatra ilaina ireo izy ireo. Na izany aza dia mandritra ireo fivorian’ny fiadidian’ny kôlejy na ny fiadidian’ny kilasy no tokony hanaovana ny fandrafetana ireo fiaraha-mientana amin’ny antsipiriany.

Jereo ny 29.2.6 raha mila fampahalalana misimisy kokoa momba ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy.

10.5

Mpanoro hevitra sy tompon’andraikitra manokana

Mpikambana iray ao amin’ny episkôpà no miantso sy manokana lehilahy maromaro mba ho mpanoro hevitra ao amin’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Ireo mpanoro hevitra ireo dia manohana ny episkôpà amin’ny andraikitra sahanin’izy ireo amin’ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Asian’izy ireo lanja manokana ny fanoroana ireo zatovolahy, ny fampianarana azy ireo ny fomba hitarihana amin’ny alalan’ny fitaomam-panahy, ary ny fanampiana azy ireo hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy. Azo atao ny miantso mpanoro hevitra mihoatra ny anankiray ho an’ny kôlejy tsirairay rehefa ilaina sy mahasoa izany.

Ny episkôpà dia afaka miantso koa tompon’andraikitra manokana misahana ny kôlejy mba hanampy amina hetsika manokana iray toy ny lasy, na fihaonamben’ny zatovo, na fanatanjahan-tena.

Tokony hisy lehilahy olon-dehibe tompon’andraikitra roa farafahakeliny manatrika ny fivoriana sy ny fiaraha-mientana tsirairay ataon’ny kôlejy. Ny fanatrehan’ireo mpanorohevitra sy ireo tompon’andraikitra manokana dia hahafahan’ireo mpikambana ao amin’ny episkôpà mba hitsidika ihany koa ny kilasy sy ny fiaraha-mientan’ny Zatovovavy sy ny Kilonga. Tsy maintsy mamita ilay fiofanana ao amin’ny ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org ireo mpanorohevitra sy tompon’andraikitra manokana (jereo ny 10.8.1).

10.6

Fanampiana ireo Zatovolahy hiomana handray ny Fisoronana Melkizedeka.

Rehefa feno 18 taona na mihoatra ny zatovolahy iray dia azo heverina ny handraisany ny Fisoronana Melkizedeka sy ny hanendrena azy ho loholona raha niomana izy ary mendrika. Mifampidinika amin’ireo ray aman-dreniny sy ny eveka izy rehefa handray izany fanapahan-kevitra izany.

Rehefa feno 19 taona izy na alohan’ny handaozany ny tokantranon’ny ray aman-dreniny (toy ny hoe handeha hianatra any amin’ny oniversite na hanao fanompoam-pirenena any amin’ny tafika), dia tokony hotendrena ho loholona raha mendrika. Na dia tsy notendrena ho loholona aza izy teo amin’ny faha-19 taonany dia asaina izy hanatrika ireo fivorian’ny kôlejin’ny loholona.

Ny ray aman-dreny no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanampiana ny zanany lahy hiomana handray ny Fisoronana Melkizedeka. Afaka manampy ihany koa ny episkôpà sy ireo mpanorohevitry ny kôlejy amin’ny alalan’ny fanomezana traikefa an’ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna izay hanomana azy ireo ho amin’ny asa fanompoana mandritra ny androm-piainana amin’ny maha-loholona. Ny fiomanana tsara indrindra ahafahana mandray ny Fisoronana Meklizedeka dia ny manatanteraka ireo adidin’ny Fisoronana Aharôna.

Ireo izay mandray ny Fisoronana Melkizedeka dia tokony hiezaka hahatakatra:

Ho fampahalalana momba ireo lohahevitra ireo dia jereo ny “Prêtrise de Melchisédek,” sy ny “Prêtrise,” ary ny “Femmes de l’Église” (Sujets de l’évangile, topics.ChurchofJesusChrist.org).

Ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ireo rahalahy mpanompo dia afaka manampy amin’ny fanomezana io fampianarana io. Azo atao tsirairay any amin’ny tokantrano misy an’ireo zatovolahy izany na mandritra ny fotoam-pianarana iray izay atao ivelan’ireo fivoriana fanao isaky ny alahady.

10.7

Sary
sary famantarana, torolalana momba ny fampifanarahana
Mpitarika ny Zatovolahy eo anivon’ny tsatòka

Miantso sy manokana mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo mba ho filohan’ny Zatovolahy eo anivon’ny tsatòka ny fiadidian’ny tsatòka. Azo antsoina sy atokana ho mpanolotsainy ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo izay notendrena hisahana ny Zatovovavy sy ny Kilonga. Na, raha ampy tsara ny olona ao amin’ny tsatòka, dia azo antsoina ho mpanolotsaina ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka hafa avy ao amin’ilay tsatòka. (Jereo ny 6.5.)

Manompo eo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny tsatòka ny filohan’ny Zatovolahy eo anivon’ny tsatòka. Manompo ao amin’ny kômitin’ny mpitarika misahana ny zatovo eo anivon’ny tsatòka izy sy ireo mpanolotsainy ary ny mpitantsoratra (jereo ny 29.3.10). Manampy ireo episkôpà izy sy ireo mpanolotsainy amin’ny alalan’ny fampianarana azy ireo ny adidiny amin’ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna.

Azo antsoina ho mpitantsoratry ny Zatovolahy eo anivon’ny tsatòka ny rahalahy iray mpikambana ao amin’ny tsatòka.

Ho fampahalalana misimisy kokoa mikasika ny andraikitry ny fiadidian’ny Zatovolahy sy ny mpitantsoratra eo anivon’ny tsatòka, dia jereo ny 6.7.2 sy ny 6.7.3.

10.8

Torolalana sy fitsipika fanampiny

10.8.1

Fiarovana ireo zatovo

Rehefa mifanerasera amin’ny zatovo eo amin’ny sehatry ny Fiangonana ny olon-dehibe dia olon-dehibe tompon’andraikitra roa farafahakeliny no tokony hanatrika eo. Mety ilaina ny hiarahan’ireo kôlejy mivory mba hahafahana manaraka io fepetra io.

Ny olon-dehibe rehetra miara-miasa amin’ny zatovo dia tsy maintsy mamita ilay fiofanana mikasika ny fiarovana ny ankizy sy ny zatovo ao anatin’ny iray volana taorian’ny nanohanana azy (ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org). Mamerina ilay fiofanana izy ireo isaky ny telo taona aorian’izay.

Ho fampahalalana mikasika ny fomba fampiharana ireo torolalana ireo amin’ireo rahalahy na rahavavy mpanompo mpiara-miasa, dia jereo ny 21.2.2.

Sary
zatovolahy ao am-piangonana

10.8.2

Zatovolahy manana fahasembanana

Mikarakara manokana an’ireo zatovolahy manana fahasembanana ireo mpitarika ao amin’ny kôlejy. Mba hahitana fampahalalana momba ny fanampiana ireo zatovolahy ireo, dia jereo ny disability.ChurchofJesusChrist.org; jereo koa ny 38.8.27 ato amin’ity boky torolalana ity.

10.8.3

Mari-pamantaran’ny Ankizy sy Zatovo

Mahazo mari-pamantarana ireo zatovolahy ao amin’ilay fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo. Rehefa lasa mpikambana ao amin’ny kôlejin’ ny Fisoronana Aharôna hidirany voalohany ny zatovolahy iray dia mahazo mari-pamantarana iombonana avy amin’ireo mpitarika azy ao amin’ny kôlejy. Mahazo anankiray amin’ilay Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo ihany koa izy. Izany dia azo atao rehefa mihaona aminy handray azy ho ao amin’ny kôlejy ireo mpitarika ny kôlejy. Izy io koa dia azo atao mandritra ny fivoriana iray fanao isan-taona ho an’ny zatovo sy ireo ray aman-dreniny (jereo ny 10.2.1.3).

Ny volana janoary amin’ny taona handraisany 18 taona ny zatovolahy iray no mahazo mari-pamantarana iombonana iray fanampiny.

Afaka mahazo mari-pamantaran’ny fahatontosana ireo zatovolahy amin’ny alalan’ny fiezahana ny hitovy kokoa amin’ny Mpamonjy.

Ho fampahalalana misimisy kokoa mikasika ireo mari-pamantarana, dia jereo ny ChildrenandYouth.ChurchofJesusChrist.org.

10.8.4

Sary
sary famantarana, torolalana momba ny fampifanarahana
Fanangonana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina

Ao amin’ireo paroasy izay manana velarana ara-jeôgrafika voafetra, dia azon’ny eveka atao ny maniraka ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna mba hitsidika ireo mpikambana isam-bolana ary hanasa azy ireo hitondra anjara biriky amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina. Eo am-pandraisana izany fanapahan-kevitra izany ny eveka dia mandinika ny isan’ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna izay afaka manao izany sy ny fitandroana ny ain’izy ireo, ary ny fitahiana mety ho azon’ireo mpikambana izay mety tsy ho afaka hitondra anjara biriky amin’ny fomba hafa ankoatra izany (jereo ny 34.3.2).

Tokony handeha tsiroaroa ireo mpihazona ny fisoronana rehefa manangona ireo fanatitra amin’ny fifadian-kanina. Omen’ireo izay manangona fanatitra amin’ny fifandian-kanina haingana ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà izany.

Tsy tokony hanome karazana anjara biriky hafa, toy ny fahafolonkarena na fanatitra hafa, an’ireo mpanangona ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina ireo mpikambana.