Boky torolalana sy antso
4. Fitarihana sy filankevitra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy


“4. Fitarihana sy filankevitra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2021).

“4. Fitarihana sy filankevitra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
fivorian’ny filankevitry ny paroasy

4.

Fitarihana sy filankevitra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy

4.0

Teny fanolorana

Amin’ny maha-mpitarika anao ao amin’ny Fiangonana, dia nantsoina avy amin’ny fitarihan’ny Fanahy ianao tamin’ny alalan’ireo mpanompon’ny Tompo nomena lalana. Manana tombontsoa ianao hanampy eo amin’ny asan’ny Ray any An-danitra dia “ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39). Manao izany ianao amin’ny fanentanana ireo mpikambana hanolo-tena amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ho an’ny tenan’izy ireo sy ho an’ny fianakaviany ary ho an’ny hafa (jereo ny toko 1). Hahita fifaliana ianao rehefa manompo ireo zanak’ Andriamanitra.

Araka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy dia matetika ianao no hanompo ny hafa iray isaky ny mandeha. Hanana fahafahana ihany koa ianao hitarika mandritra ireo fivoriana sy fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana. Ankoatra izay dia afaka manolotra fanompoana manan-danja amin’ny alalan’ireo filankevitra ianao. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ireo fivorian’ny fiadidiana, ny fivorian’ny filankevitry ny paroasy, sy ny hafa.

Ny fanompoana feno fandavan-tena ataonao dia mitaky fahafoizana fotoana saingy aoka tsy hatao tsinontsinona ny zavatra ilainao manokana sy ny an’ny fianakavianao. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahay handanjalanja sy hanatanteraka ireo andraikitrao (jereo ny Môzià 4:27).

4.1

Ny tanjon’ny fitarihana ao amin’ny Fiangonana

Ny mpitarika dia manentana ireo mpikambana hanolo-tena amin’ny asan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fetezana ho “mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy” (Môrônia 7:48). Mba hanatanterahana izany dia miezaka aloha ireo mpitarika ho tonga mpianatra mahatokin’ny Mpamonjy. Avy eo izy ireo dia afaka manampy ny hafa hanakaiky kokoa Azy. Eo am-panampiana ny hafa izy ireo dia ho tonga mpianatra tsaratsara kokoa (jereo ny Môzià 18:26Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:5

4.2

Ireo fitsipiky ny fitarihana ao amin’ny Fiangonana

Nandritra ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy teto an-tany dia naneho ny ohatry ny mpitarika ho an’ny Fiangonany Izy. Ny tanjony fototra dia ny hanao ny sitrapon’ny Rainy any An-danitra sy ny hanampy ny hafa hahatakatra sy hiaina ny filazantsarany (jereo ny Jaona 5:30; Môzià 15:7). Nitia ireo izay notarihiny Izy ary naneho izany fitiavana izany tamin’ny fanompoana azy ireo (jereo ny Jaona 13: 3–5).

Nampitombo ny fahaizan’ny hafa manao zavatra ny Mpamonjy tamin’ny fanomezana azy ireo andraikitra sy fahafahana hivoatra (jereo ny Matio 10:5–8; Jaona 14:12). Nankahery ary nanitsy mazava sy tamim-pitiavana Izy (jereo ny Jaona 21:15–17).

Hoy ny Tompo hoe: “Aoka ny olona tsirairay hianatra ny andraikiny ary hiasa amin’ny zotom-po rehetra ao amin’ny anjara fanompoana izay anendrena azy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:99). Mihatra amin’ireo rehetra izay nahazo andraikitra hanompo sy hitarika ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy ireo teny ireo.

Ny fampiharana ireo fitsipika ato amin’ity toko ity dia hanampy anao hitarika amin’ny fomba mahomby kokoa ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy.

4.2.1

Miomana ara-panahy

Niomana ara-panahy i Jesoa ho amin’ny iraka nampanaovina azy teto an-tany (jereo ny Lioka 4:1–2). Ianao koa dia miomana ara-panahy tahaka izany amin’ny fanatonana ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fandalinana soratra masina ary ny fankatoavana ny didiny. Ny fanarahana ny Mpaminaniny dia hanampy anao ihany koa hiomana ara-panahy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–6).

Katsaho ny fanambarana mba hahatakarana ny zavatra ilain’ireo izay tarihinao sy ny fomba hanatontosanao ny asa nasain’ Andriamanitra hataonao.

Nampanantena ihany koa ny Tompo fa hanome fanomezam-pahasoavan’ny fanahy ho an’ireo izay mikatsaka izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:8 Rehefa miantso ny Ray any An-danitra amim-panetrentena ianao mba hahazoana ireo fanomezam-pahasoavana ireo, dia hampitomboiny ny fahaizanao mitarika sy mampitraka ireo izay tompoinao.

4.2.2

Manompo ireo zanak’ Andriamanitra rehetra

I Jesoa dia nanompo manokana ireo olona, nanolo-tanana hampitraka sy hampianatra ireo izay nahatsiaro ho manirery na kivy na very. Fantany ny toetra araka an’ Andriamanitra sy ny lanja mandrakizay nananan’ny olona tsirairay.

Tiavo ny olona tompoinao tahaka ny nataon’i Jesoa. Mivavaha “amin’ny herin’ny fo manontolo” mba ho heniky ny fitiavany (Môrônia 7:48). Manorena finamanana madio. Mikatsaha hanorina fifandraisana sy hanampy ireo izay mety ho manirery sy mila fampiononana na mila zavatra hafa. Hitondra fitahiana ho an’ny fiainan’izy ireo ny fitiavanao ary hanampy ny olona hanam-paniriana hanatona an’i Kristy.

Ampio ny olona hanao izay hahalalim-paka ny fiovam-pony ary hampatanjaka ny finoan’izy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ampio izy ireo hiomana hanao fanekempihavanana rehefa mandray ny ôrdônansin’izy ireo manaraka. Amporisiho izy ireo hitandrina ny fanekempihavanana nataon’izy ireo ary handray ireo fitahiana azo avy amin’ny fibebahana. Ampio izy ireo hahafantatra fa afaka mivoatra mankany amin’ny fanatratrarana ny fahafahan’izy ireo ho tonga andriamanitra izy ireo na dia eo aza ny olana izay atrehiny.

4.2.3.

Mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Ny mpitarika rehetra dia mpampianatra avokoa. Miezaha manaraka ny ohatry ny Mpamonjy tamin’ny naha-mpampianatra Azy. (jereo ny toko 17; Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy). -Ampianaro amin’ny alalan’ny teny sy ny asa ataonao ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy sy ireo fitsipiky ny filazantsarany (jereo ny 3 Nefia 11:32–33; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:12– 14). Ny fampianarana mahomby dia mitaona ny olona hanamafy orina ny fifandraisany amin’ Andriamanitra sy hiaina ny filazantsara, sady mandroso mankany amin’ny fiainana mandrakizay.

Mihoatra noho ny miteny fotsiny ny mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Tafiditra ao anatin’izany ny fihainoana sy ny fametrahana fanontaniana tahaka ny nataony (jereo ny Matio 16:13–17).

Mpianatra mazoto ihany koa ny mpampianatra mahomby. Ataovy laharam-pahamehana manan-danja eo amin’ny fiainanao ny fandalinana ny tenin’ Andriamanitra. Dingana atao mandritra ny androm-piainana ny fianarana ny filazantsara.

Mampianara avy amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:9). Tsarovy fa ny “fitorian-teny … dia … [manana] fiantraikany mahery kokoa [a]min’ny sain’ny olona noho … ny zavatra hafa” (Almà 31:5)

Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy rehefa miomana sy mampianatra ianao. Ny Fanahy Masina no mitondra ny fahamarinana hankany am-po sy ny fanahin’ireo izay ampianarinao (jereo ny 2 Nefia 33:1).

Raha antsoina na omena andraikitra ianao hiahy mandritra ny fivoriana na ny fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana, dia makà antoka fa mankahery sy marina ara-potopampianarana ilay fampianarana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:21–23).

4.2.4

Miahy amim-pahamarinana

Nanambara ny Tompo fa “tsy maintsy misy ny filoha na ny mpitarika miahy” ao amin’ny Fiangonany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:21 Ireo izay mihazona fanalahidin’ny fisoronana no miahy ao anatin’ny sehatra iandraiketan’izy ireo, toy ny kôlejy na ny paroasy iray.

Ireo rafitra hafa ao amin’ny Fiangonana, isan’izany ny Fikambanana Ifanampiana, ny Zatovovavy, ny Kilonga ary ny Sekoly Alahady dia tarihin’ny mpiandraikitra mpiahy iray ihany koa. Ireo mpitarika ireo dia antsoina sy atokana ary omena fahefana avy amin’ny fizarana andraikitra amin’ny alalan’ny olona iray izay mihazona fanalahidin’ny Fisoronana na olona iray izay nomeny lalana hanao izany (jereo ny 3.4.3).

Ny mpiandraikitra miahy tsirairay dia manompo eo ambany fitarihan’ny olona iray izay mihazona fanalahidin’ny Fisoronana (jereo ny 3.4.1). Io rafitra io dia mitondra lamina sy antanan-toha-pahefana ary maha-tompon’andraikitra mazava eo amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo.

Mahazo mizara andraikitra amin’ny olona iray hafa hisahana andraikitra hiahy mandritra ny fotoana voafetra ny mpiandraikitra mpiahy iray. Ohatra, raha tsy afaka hanatrika fivoriana alahady iray ataon’ny Fikambanana Ifanampiana ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana, dia manome andraikitra ny mpanolotsainy voalohany izy mba hiahy ilay fivoriana.

Maka antoka ny mpitarika iray izay miahy ao amin’ny rafitra iray ao amin’ny Fiangonana, na fivoriana, na fiaraha-mientana fa tontosa ireo tanjon’ny Tompo. Manaraka ireo fitsipiky ny filazantsara sy ireo fitsipiky ny Fiangonana ary ny fitarihan’ny Fanahy Masina ilay mpitarika rehefa manao izany.

Ireo olona miahy dia manaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy amin’ny fanompoana amin’ny hatsaram-panahy, ny hamoram-po, ary amin’ny fitiavana madio (jereo ny Jaona 13:13–15). Ny antso na asa nampandraiketina hiahy dia tsy mahatonga ilay olona mandray izany ho manan-danja kokoa na ambony kokoa noho ny hafa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:109–10).

Raha toa ianao ka voantso na nampandraiketina hiahy dia araho ny fampianaran’ny Mpamonjy hoe: “izay te ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo” (Matio 20:27jereo ny andininy 26–28 Miaraha midinika amin’ny hafa ary mikatsaha firaisan-kina amin’ny fahatakarana ny sitrapon’ny Tompo sy ny fanaovana ny asany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:2; jereo koa ny 4.4 ato amin’ity boky torolalana ity).

Tsy fahendrena ny maniry ny ho mpiahy na rafitra inona na rafitra inona ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–37). Fa manompoa amim-panetrentena sy amim-pahatokiana kosa amin’ny andraikitra izay iantsoana anao. Miezaha hanatanteraka ny asan’ny Tompo amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahiny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:5).

Sary
fivoriana ao amin’ny paroasy

4.2.5

Mizara andraikitra sy maka antoka ny fandraisana andraikitra

Nomen’ny Mpamonjy asa ampanaovina sy andraikitra manan-danja ireo mpianany (jereo ny Lioka 10:1). Nanome azy ireo fahafahana ihany koa Izy hanao tatitra momba ny asa nampanaoviny azy ireo (jereo ny Lioka 9:10.)

Amin’ny maha-mpitarika anao dia afaka manampy ny hafa hivoatra ianao amin’ny alalan’ny fizarana andraikitra amin’izy ireo. Hanampy azy ireo ihany koa ianao amin’izany fomba izany handray ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fanompoana. Miezaha hampandray anjara ny mpikambana rehetra amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra.

Ny fizarana andraikitra dia hahatonga ihany koa ny asa fanompoana ataonao hahomby kokoa. Raha miezaka hanao be loatra ianao dia ho “reraka mihitsy” (Eksodosy 18:18). Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy mikasika izay andraikitra ho zaraina mba hahafahanao mifantoka amin’izay laharam-pahamehana indrindra ho anao.

Ny fizarana andraikitra dia mihoatra noho ny fanomezana asa ampandraiketina. Hita ao amin’izany ihany koa ny fampianarana sy fitokisana olona iray hahavita ilay asa ampanaovina. Mazàna dia tafiditra amin’izany ireto zavatra manaraka ireto:

  • Mihaona amin’ilay olona mba hanasana azy hanompo ny Tompo amina asa iray ampandraiketina. Manampy ilay olona hahatakatra ilay asa ampandraiketina sy ny tanjon’izany.

  • Mifanakalo hevitra mikasika ilay asa ampandraiketina, sy ny olona hafa ampandraisana anjara amin’izany, ary ny fotoana tokony hamitana izany. Maka antoka fa takatr’ilay olona ilay asa ampandraiketina ary ekeny an-tsitrapo. Maneho fa mahatoky ny fahaiza-manaony.

  • Mamporisika ilay olona hikatsaka fitaomam-panahy mikasika ny fomba hanatanterahana ilay asa ampandraiketina. Mampiseho ny fatokisanao sy manampy ilay olona hahomby. Manome fitarihana sy fanohanana araka izany ilaina.

  • Mangataka matetika ilay olona hanao tatitra momba ilay asa ampandraiketina. Midera ny ezaka tsara indrindra ataon’ilay olona ary maneho fankasitrahana noho ny zavatra izay vitany.

Ireo torolalana mikasika ny fanolorana antso ao amin’ny 30.1.1 dia tokony harahina koa rehefa mizara andraikitra, raha ilaina izany.

4.2.6

Manomana ny hafa ho tonga mpitarika sy mpampianatra

Nomanin’ny Mpamonjy ireo Apôstôliny ho tonga mpitarika ao amin’ny Fiangonany. Ianao koa araka izany dia manampy ny hafa hiomana ho tonga mpitarika sy mpampianatra. Ny asan’ny Tompo dia mifantoka amin’ny fanampiana olona fa tsy amin’ny fitantanana ireo fandaharan’asan’ny Fiangonana fotsiny ihany. Tsy ireo fandaharan’asa ireo no tanjona. Hanampy ny olona hivoatra no antom-pisian’izy ireo.

Mivavaha mafy rehefa mieritreritra ny olona afaka manompo amin’ireo antso ao amin’ny Fiangonana na ireo asa ampandraiketina. Tadidio fa ny Tompo no hanefy ireo izay antsoiny. Ny manan-danja indrindra dia ny hoe te hanompo izy ireo, sy hikatsaka amim-panetrentena ny fanampian’ny Tompo, ary miezaka ny ho mendrika. Ireo antso sy asa ampandraiketina dia afaka manampy azy ireo hivoatra amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo fahafahana hampihatra ny finoany sy hiasa mafy ary hahatsapa fa Andriamanitra dia mampivoatra ny ezaka ataon’izy ireo. Manolora fitarihana sy fanampiana an’ireo zatovo, sy mpikambana vaovao ary ireo hafa izay mety mila fanampiana fanampiny eo amin’ny fanatanterahana ny antson’izy ireo.

Indraindray dia averimberina antsoina ho amin’ny toerana mpitarika ny olona sasany. Mety diso hanavesatra azy ireo sy ny fianakaviany izany ary manaisotra amin’ny hafa ny fahafahana hanao zavatra. Katsaho ny hanomezana fahafahana ny mpikambana rehetra hanompo sy hivoatra.

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa mikasika ireo antso ao amin’ny Fiangonana dia jereo ny toko 30.

4.2.7

Manomàna fivoriana sy lesona ary fiaraha-mientana misy tanjona mazava

Katsaho ny fanentanam-panahy avy amin’ny Tompo rehefa mandrafitra fivoriana sy lesona ary fiaraha-mientana izay ahitana tanjona mazava. Ireo tanjona ireo dia tokony hanamafy orina ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, ary hitondra azy ireo hanatona an’i Kristy, ary hanampy amin’ny fanatontosana ny asan’ Andriamanitra izay mitondra famonjena sy fisandratana (jereo ny toko 1sy 2 Rehefa manao drafitra dia araho ireo fitsipika hita ao amin’ny 4.4.2 sy ao amin’ny toko 20 sy 29.

4.2.8

Fanombanana ny ezaka ataonao

Avereno jerena matetika ireo andraikitrao sy ny fivoaranao ara-panahy amin’ny maha-mpitarika anao. Eritrereto ihany koa ny fivoaran’ireo izay tarihinao.

Ny fahombiazanao amin’ny maha-mpitarika anao dia refesina voalohany indrindra amin’ny fanoloranao tena hanampy ireo zanak’ Andriamanitra ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy mahatoky. Koa satria manana fahafaha-misafidy avokoa ny olona rehetra, dia mety hisy ny hisafidy ny hiala amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Indraindray mety hahakivy anao izany, saingy rehefa mitodika any amin’ny Tompo ianao dia hanarina sy hankahery anao Izy (jereo ny Almà 26:27). Azonao fantarina fa faly amin’ny ezaka ataonao ny Tompo rehefa mahatsapa ny Fanahy miasa amin’ny alalanao ianao.

4.3

Ireo filankevitra misy ato amin’ny Fiangonana

Ny Ray any An-danitra dia nametraka ireo filankevitra ho ampahany manan-danja handraisana fitaomam-panahy sy handraisana fanapahan-kevitra ary hanatontosana ny asany. Efa nisy talohan’ny nahariana izao tontolo izao ny filankevitra. Nandray anjara tamin’ireo filankevitra ireo isika tsirairay talohan’ny nahatongavana teto an-tany. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:32; Abrahama 3:22–28.)

Araka io lamina io dia tarihin’ny filankevitra amin’ny ambaratonga rehetra ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Ohatra, ny Filankevitry ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo (jereo ny 5.1.1.1), ny Fiadidian’ny Vondromparitra (jereo ny 5.2.1), ny fiadidian’ny tsatòka, ary ny episkôpà dia filankevitra avokoa. Ankoatra ireo filankevitry ny tsatòka sy ny paroasy, dia filankevitra ihany koa ny fiadidiana tsirairay ao amin’ny rafitra na kôlejy na kilasy ao amin’ny Fiangonana.

Nampianatra ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonany ny Tompo mba hifampidinika rehefa manao ny asany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:2–3). Ireo filankevitra dia manome fahafahana an’ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra handray fanambarana rehefa mikatsaka ny hahatakatra ny zavatra ilain’ireo zanak’ Andriamanitra sy manao drafitra momba ny fomba hanomezana izany izy ireo.

Sary
lehilahy roa miresaka

4.4

Fitsipika mifehy ny filankevitra mahomby

Voalazalaza ato amin’ity fizarana ity ireo fitsipika vitsivitsy mifehy ny filankevitra mahomby.

4.4.1

Tanjona hanaovana ireo filankevitra

Ny tanjona voalohany hanaovana ireo filankevitra dia ny hanampy ireo mpikambana hiara-hiasa amin’ny fikatsahana fitarihana avy amin’ Andriamanitra mikasika ireo zavatra izay hitondra fitahiana ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:8–9). Ny filankevitra dia tena manantitrantitra ny fanampiana ireo mpikambana handray ireo ôrdônansy sy hitandrina ireo fanekempihavanana miaraka amin’izany. Ireo mpikambana ao amin’ireo filankevitra dia mikatsaka ihany koa fitaomam-panahy momba ny fandaminana sy ny fandrindrana ny asan’ny Tompo ao anatin’ny sehatra izay iandraiketan’izy ireo.

Ny raharaham-pitantanana sasany, toy ny fandaminana ny tetiandro, dia mety tsy ilàna fifanakalozan-kevitra ao anatina filankevitra. Azo atao amin’ny alalan’ny fifandraisana mialoha sy aorian’ireo fivoriana ny ankamaroan’izany.

Mikarakara manokana ireo olona sy fianakaviana manana filàna maika ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra. Manampy amin’ny fandrindrana ny fanampiana ireo filankevitra. Mba hahitana fampahalalana momba ny sasany amin’ireo filàna ireo, miaraka amin’ireo loharanon-kevitra hahazoana fahatakarana sy hoenti-manampy, dia jereo ny Fanampiana amin’ny fiainana ( ao amin’ny Médiathèque de l’évangile.

4.4.2

Fiomanana amin’ireo fivoriana filankevitra

Tokony hivory matetika ireo fiadidiana sy filankevitra. Ireo mpitarika dia mikatsaka ny fitarihan’ny Tompo amin’ny fandrafetana ireo fivoriana filankevitra. Maka hevitra avy amin’ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra ihany koa izy ireo amin’ny fanapahana hevitra ny amin’izay zavatra horesahina.

Ampahafantarin’ireo mpitarika an’ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra mialoha ireo zavatra hifanakalozana hevitra. Miomana ny hizara ny heviny momba ireo zavatra horesahina ireo ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra. Ho an’ireo filankevitry ny paroasy sy ny tsatòka dia any amin’ireo fivorian’ny fiadidiana no hanaovana ny ankamaroan’io fiomanana io.

Miomana ara-panahy ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra handray anjara amin’ireo fivoriana filankevitra.

4.4.3

Fifanakalozan-kevitra sy fanapahan-kevitra

Hoy ny Tompo: “Fa aoka hiteny tsirairay ary hihaino izay lazaina ny rehetra, ka rehefa avy miteny ny rehetra, dia ho azo aorina ny rehetra amin’ny alalan’ny rehetra, mba hananan’ny olona tsirairay zo mitovy.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:122). Mihatra amin’ireo filankevitra ataon’ny Fiangonana io fitsipika io.

Mandritra ny fivoriana filankevitra iray dia manazava ny zavatra hodinihina ilay mpitarika (na olona iray nomen’ilay mpitarika andraikitra hanao izany). Avy eo ilay mpitarika dia mamporisika ny hanaovan’ireo mpikambana rehetra ao amin’ny filankevitra fifanakalozan-kevitra, mametraka fanontaniana ary mitady hevitra.

Mamporisika ireo mpikambana ilay mpitarika mba hiteny malalaka sy amin-kitsimpo. Ireo zavatra namolavola, ny taona, ny traikefa ary ny fomba fijery samihafa ananan’ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra dia manatsara ilay filankevitra. Mizara soso-kevitra ary mifampihaino amim-panajana ireo mpikambana. Rehefa mikatsaka hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo izy ireo dia afaka manjaka ny fanahin’ny fitaomam-panahy sy ny firaisan-kina.

Amin’ny filankevitra iray izay ahitana vehivavy sy lehilahy dia maka hevitra avy amin’ny roa tonta ilay mpitarika. Matetika ny vehivavy sy ny lehilahy no manana fomba fijery samy hafa ka ahafahana mahazo ny fifandanjan-kevitra ilaina. Afaka mandray fanapahan-kevitra tsara kokoa sy mahita fahombiazana lehibe kokoa amin’ny fanompoana ny Tompo ny lehilahy sy ny vehivavy rehefa mifanome lanja ny anjara biriky entin’ny tsirairay sy miara-miasa.

Mpitarika iray no mitarika ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny filankevitra. Na izany aza anefa dia tokony ho ny mihaino no ataony kokoa toy izay miteny. Rehefa mizara aloha loatra ny fomba fijeriny ny mpitarika filankevitra iray dia mety hanakana ny hafa tsy hitondra anjara biriky izany. Rehefa ilaina dia mamerina moramora na mampifantoka indray ny fifanakalozan-kevitra amin’ny zavatra tokony horesahina ny mpitarika ny filankevitra.

Rehefa tapitra ny fifanakalozan-kevitra dia afaka manapa-kevitra amin’izay asa hatao ilay mpitarika na manemotra ny fandraisana fanapahan-kevitra sady mikatsaka fampahalalana sy fitarihana fanampiny ihany. Tokony ho azo avy amin’ilay fifanakalozan-kevitra ilay fanapahan-kevitra ary hamafisin’ny Fanahy. Ny fizotran’ilay filankevitra dia manampy amin’ny famoahana fanapahan-kevitra nentanim-panahy izay mihoatra lavitra ny noho fahatakarana tsara indrindra ananan’ilay mpitarika samirery. Azon’ilay mpitarika aroso hodinihin’ny filankevitra hafa koa ilay zavatra noresahina.

Indraindray dia mety mahatsapa ho feno ahiahy ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra mahakasika ny fanampahan-kevitra manan-danja iray. Raha izay no mitranga dia afaka miandry fivoriana iray hafa ilay mpitarika handinihana bebe kokoa ilay raharaha ary hikatsahana fanamafisana ara-panahy sy firaisan-tsaina. Amin’ny toe-javatra sasany dia mety te hihaona mitokana amin’ilay mpitarika ny mpikambana iray ao amin’ny filankevitra mba hiresahana ny zavatra mampanahy azy.

4.4.4

Firaisan-kina

Nampianatra ireo mpianany ny Tompo mba “ho iray” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:27). Mikatsaka ny ho lasa iray amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny faniriana sy ny tanjona ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra. Miezaka ny hiray hina izy ireo amin’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fanapahan-kevitra raisin’izy ireo.

Tokony hisoroka ny fifandirana sy ny fitsarana tsy marina ary ny fosafosa ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra (jereo ny 3 Nefia 11:28–30). Rehefa miasa amim-piraisan-kina izy ireo dia hotahian’ny Ray any An-danitra ny ezaka ataon’izy ireo.

4.4.5

Fanaovana asa sy ny maha-tompon’ andraikitra

Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra dia manao ny ankamaroan’ny asan’izy ireo mialoha sy aorian’ireo fivoriana filankevitra. Mikatsaka fitaomam-panahy izy ireo mandritra ireo fivoriana mba hamoronana drafitra hanatontosana ireo fanapahan-kevitra. Manasa ireo mpikambana ilay mpitarika ny filankevitra hanatanteraka asa ampandraiketina mifandray amin’ireo drafitra ireo. Mazàna ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra no manasa ireo olona hafa ao amin’ny rafitra misy azy mba hanampy. Tsy tokony hovesarina be loatra amin’ny andraikitra ny olona tsirairay.

Manao tatitra ny asa nampandraiketina azy ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra. Ny fivoarana mazàna dia mitaky fifantohana sy fanaraha-maso maharitra an’ireo asa nampandraiketina.

4.4.6

Ny fihazonana ny tsiambaratelo

Mampiasa fahamalinana ireo mpitarika rehefa mizara ny mombamomba ny olona iray manokana amin’ny filankevitra. Amin’ny ankapobeny dia mangataka lalana avy amin’ilay mpikambana izy ireo mba hahafahana mizara izany fampahalalana izany.

Manaja ny fanirian’ireo izay nangataka ny hihazonana ho tsiambaratelo ny zavatra noresahina ny filankevitra. Tsy tokony hizara ny mombamomba ny olona iray manokana any ivelan’ilay filankevitra ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra raha tsy hoe ilaina hanatanterahana ilay andraikitra nampanaovin’ilay mpitarika ny filankevitra izany.

Saropady loatra ny zavatra sasany ka manahirana raha resahina amin’ny filankevitra manontolo. Raha ilaina dia mamerina mijery ireo raharaha ireo amin’ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra mitokana ireo mpitarika. Na azon’izy ireo aroso hodinihin’ny filankevitra hafa ny raharaha sasany.