Avia, hanaraka Ahy
2–8 septambra. 1 Korintiana 14–16: -Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana-


“2–8 septambra. 1 Korintiana 14–16: -Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“2–8 septambra. 1 Korintiana 14–16,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
toerana fanaovana batisa ao amin’ny tempoly

2–8 septambra

1 Korintiana 14–16

“Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana”

Alohan’ny hamakina ity rindran-damina ity dia vakio ny 1 Korintiana 14–16. Raketo an-tsoratra ny zavatra tsapanao any am-boalohany mikasika ireo fahamarinana izay hanampy ny mpianatrao, dia manohiza mikatsaka fitarihana fanampiny avy amin’ny Fanahy mandritra ny herinandro.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Omeo minitra vitsy ny mpianatra hijerena ny 1 Korintiana 14–16 ka hitady andinin-tsoratra masina iray izay tsapany fa manan-danja manokana. Asao izy ireo hitady olona iray ao an-dakilasy izay azon’izy ireo hizarana ny andinin-tsoratra masina hitany ary hanazava ny antony nifidianany izany.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

1 Korintiana 14

Rehefa miara-mivory ny Olomasina dia tokony hikatsaka izay hampandroso ny tsirairay izy ireo.

  • Ampiasao ny fampianaran’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 14 mba hampahatsiahivana ny mpianatra fa afaka manao izay handrosoan’ny tsirairay, na mifanohana sy mifankahery isika rehetra ao am-piangonana. Mety ho fomba tsotra iray hianarana ity toko ity ny manoratra fanontaniana iray eny amin’ny solaitrabe, toy ny hoe Inona no tokony ho tanjotsika rehefa miara-mivory isika? Asao ny mpianatra hitady izay valim-panontaniana azo omena ao amin’ny 1 Korintiana 14. Misy hevitra hafa azo jerena ao amin’ny Môrônia 6:4–5 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:17–23. Rehefa mizara ny zavatra hitany ny mpianatra dia anontanio azy ireo ny fahitany ny fomba hanatanterahan’ny kilasinareo an’ireo tanjona ireo. Afaka mizara zavatra niainana ihany koa izy ireo izay nahatsapan’izy ireo hoe nanome hery azy ireo ny zavatra iray nozarain’ny mpianatra iray.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny torohevitr’i Paoly hoe tokony hikatsaka ny haminany ny mpikambana, dia angataho izy ireo hanolotra famaritana ho an’ny teny hoe maminany. Afaka manoratra ny famaritana tsirairay eny amin’ny solaitrabe ianao na ny mpianatra ary miara-mijery ireo famaritana ny hoe maminany ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina sy ny torohevitr’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 14:3, 31, 39–40. Inona avy amin’ireo loharanom-pitaovana ireo no azontsika anampiana ireo famaritana hitantsika? (Jereo koa ny Apokalypsy 19:10.) Entanim-panahy hanao inona any am-piangonana sy ao an-tokantrano isika noho ny fampianaran’i Paoly?

1 Korintiana 15

Koa satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty daholo isika rehetra.

  • Ahoana no fomba ampiasanao ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 15 mba hampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny mpianatrao momba ny Fitsanganana amin’ny maty? Fomba iray azo hanaovana izany ny mizara ny mpianatra ho vondrona roa ary mangataka ny vondrona iray hitady ao amin’ny 1 Korintiana 15 ny voka-dratsy ho nihatra tamintsika raha tsy nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy. Ilay vondrona iray hafa dia afaka mitady ireo fitahiana raisintsika noho ny Fitsanganany tamin’ny maty. Avy eo dia afaka manoratra ny zavatra nianarany eny amin’ny solaitrabe ny vondrona tsirairay. Inona no azon’izy ireo anampiana ny zavatra nosoratany rehefa avy namaky ny teny nolazain’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”? Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny Fanahy mandritra ity fifanakalozan-kevitra ity dia ampisehoy ny sary iray maneho ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana).

  • Koa satria fanontanian’olona tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty no novalian’i Paoly dia mety hahazo tombony avy amin’ny filalaovana an-tsehatra ny toe-javatra mitovitovy amin’ izany koa ny kilasinao. Ohatra, ahoana no mety hahafahan’izy ireo manamafy orina ny finoan’ny olon-tiana iray ny Fitsanganana amin’ny maty? Inona no hitan’ny mpianatra ao amin’ny 1 Korintiana 15 ka hanampy azy ireo hanazava ny antony ilàna ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty sy ny porofon’ny fisian’izany? Inona no soratra masina hafa azon’izy ireo ampiasaina? (jereo ohatra ny Lioka 24:1–12, 36–46; Almà 11:42–45.)

  • Im-betsaka i Paoly no niresaka ambaratongam-boninahitra telo eo amin’ny fitsanganana amin’ny maty ao amin’ireo epistiliny (jereo ny 1 Korintiana 15:40–42 sy ny 2 Korintiana 12:1–2). Mba hanampiana ny kilasinao hahafantatra ny fomba hanazavan’ny fanambarana maoderina lalindalina kokoa ny fampianaran’i Paoly dia azonao zaraina ho vondrona telo ny mpianatra ary omeo taratasy miendrika masoandro (FF 76:50–70), na volana (FF 76:71–80), na kintana (FF 76:81–89) ny vondrona tsirairay. Asao izy ireo hamaky ny soratra masina mifandray amin’izany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 ary hizara ny zavatra ilaintsika hatao mba hahazoana ireo voninahitra samihafa nofariparitan’i Paoly. Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4; 137:7–10.

    Sary
    masoandro miposaka

    “Hafa ny voninahitry ny masoandro” (1 Korintiana 15:41).

  • Ny 1 Korintiana 15 dia iray amin’ireo toerana vitsivitsy ao amin’ny soratra masina izay hiresahana ny batisa ho an’ny maty (jereo ny andininy 29; jereo koa ny FF 128:18). Azon’ny mpianatra atao tsara ny mizara ny zavatra niainany rehefa nanatanteraka batisa na ôrdônansy hafa ho an’ny razambeny. Zarao mandritra ilay fifanakalozan-kevitra ny zavatra niainan’i Wilford Woodrfuff ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Inona no mety ho antony niresahan’i Paoly ny batisa ho an’ny maty mba ho porofon’ny Fitsanganana amin’ny maty? Raha toa hanampy ny fanaovana fifanakalozan-kevitra momba ny antony ilana ny batisa ho an’ny maty izany dia jereo ny “Baptême pour les morts,” Sujets de l’Evangile, topics.lds.org .

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Angataho ny mpianatra hieritreritra ireo fitsapana lalovany na ireo fahalemena ananany. Lazao azy ireo fa rehefa mamaky ny 2 Korintiana izy ireo dia hianatra ny zavatra nanampy an’i Paoly hiaritra fitsapana sy ny fomba fijeriny ny fahalemeny.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

1 Korintiana 14–16

Ny maha-zava-dehibe ny Fitsanganana amin’ny Maty.

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson hoe:

“Eritrereto vetivety ny maha-zava-dehibe ny Fitsanganana amin’ny maty eo amin’ny famahana tanteraka amin’izay ny mahakasika ny hoe iza marina moa i Jesoa avy any Nazareta sy ny momba ireo adihevitra lehibe ara-pilôzôfia sy ireo fanontaniana lehibe eo amin’ny fiainana. Raha tena nitsangana tamin’ny maty ara-bakiteny tokoa i Jesoa, dia tsy maintsy mandeha ho azy avy amin’izany ny hoe olona iray izay andriamanitra Izy. Tsy misy olona tsotra mety maty ka hanana fahefana avy amin’ny tenany hiverina ho amin’ny fiainana indray rehefa avy maty. Koa satria Izy nitsangana tamin’ny maty, dia tsy afaka ny ho mpandrafitra fotsiny ihany i Jesoa na ho mpampianatra fotsiny, na ho rabbin fotsiny na ho mpaminany fotsiny. Noho Izy nitsangana tamin’ny maty, dia tsy maintsy hoe Andriamanitra i Jesoa Kristy, dia ilay Zanaka Lahitokan’ny Ray.

“Noho izany, dia marina ireo zavatra izay nampianariny; tsy afaka mandainga Andriamanitra.

“Noho izany, dia Izy no Mpahary ny tany araka izay nolazainy.

“Noho izany, dia tena misy ny lanitra sy ny helo, araka izay nampianariny.

“Noho izany, dia misy ny tontolon’ny fanahy izay novanginy taorian’ny nahafatesany.

“Noho izany, dia Ho avy indray Izy araka ny nambaran’ilay anjely, ary -hanjaka eto an-tany mihitsy.-

“Noho izany, dia misy ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fitsarana farany ho an’ny olon-drehetra (“Ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty,” Liahona, mey 2014, 113).

Ny ôrdônansy ho an’ny maty: “Taratra hazavana avy eo amin’ny seza fiandrianan’ Andriamanitra.”

Nilaza ny Loholona Wilford Woodruff fa rehefa nahafantatra izy fa afaka mandray ôrdônansin’ny famonjena ho an’ireo razambeny izay nodimandry ny mpikambana velona ao amin’ny Fiangonana, dia “tahaka ny taratra hazavana avy eo amin’ny seza fiandrianan’ Andriamanitra ka nitondra fifaliana tao am-ponay izany. Nanome fahatakarana midadasika tahaka ny mandrakizay tao an-tsainay izany.” Hoy koa izy hoe: “Raha ny fijeriko dia hendry, mahitsy sy marina, sady manana ireo toetra tsara indrindra no manana fahatakarana sy fahalalana ilay Andriamanitra izay nanambara io fitsipika io tamin’ny olona. Tsapako fa nanana tsy tapaka fitiavana, famindram-po, fahamarinana ary fahaiza-mandanjalanja tsara Izy, ary tsapako hoe nitia ny Tompo mihoatra lavitra noho ny teo aloha teo amin’ny fiainako aho. … Tadidiko fa toa niteny hoe aleloia aho rehefa nivoaka ilay fanambarana manambara ny batisan’ny maty taminay. …”

“Ny zavatra tonga voalohany tao an-tsaiko,” hoy izy “dia ny hoe manana reny any amin’ny tontolon’ny fanahy aho. Nodimandry izy fony aho 14 taona. …” Taty aoriana dia niresaka ny fotoana iray izy, izay nananany fahafahana hamehy ny reniny tamin’ny rainy: “Hanana anjara amin’ny fitsanganana amin’ny maty voalohany izy. Ary na izany fotsiny aza dia efa hahavaly ny hasasarako rehetra teo amin’ny fiainako” (Teachings of Presidents of the Church: Wilford Woodruff, [2011], 185–86).

Manatsara ny fampianarantsika

Fantaro ireo izay ampianarinao. Tsy misy olona roa tena mitovy izany. Manana foto-piaviana sy fomba fijery ary andian-talenta miavaka ny olona tsirairay avy. Mivavaha mba hahafantarana ny fomba azonao hampiasana ireo zavatra ireo mba hampandraisana anjara ny mpianatrao. Rehefa takatrao tsara kokoa ny momba ireo olona ampianarinao dia afaka manao izay hisian’ny fotoam-pampianarana manan-danja sy tsy hay hadinoina ho azy ireo ianao (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 7).