Avia, hanaraka Ahy
9–15 septambra. 2 Korintiana 1–7: -Mihavàna amin’ Andriamanitra anie ianareo-


“9–15 septambra. 2 Korintiana 1–7: -Mihavàna amin’ Andriamanitra anie ianareo-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“9–15 septambra. 2 Korintiana 1–7,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
Jesoa Kristy

9–15 septambra

2 Korintiana 1–7

“Mihavàna amin’ Andriamanitra anie ianareo”

Rehefa mamaky ny 2 Korintiana 1–7 ianao amin’ity herinandro ity, dia mieritrereta mpianatra manokana—ireo izay tonga manatrika, sy ireo tsy tonga. Ahoana no ahafahan’ireo fitsipika ao anatin’ireo toko ireo hitahy azy ireo?

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Manokàna fotoana ahafahan’ireo mpianatra mizara hevitra izay hahatonga ny fandalinan’izy ireo soratra masina hahomby kokoa.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

2 Korintiana 1:3–7; 4:6–10, 17–18; 7:4–7

Afaka ho tonga fitahiana ireo fitsapana mahazo antsika.

  • Mety misy amin’ireo mpianatrao miaina fitsapana sarotra. Ireo zavatra niainan’i Paoly izay nosoritsoritany sy ny torohevitra nomeny ao amin’ny 2 Korintiana dia afaka manampy ireo mpianatra hieritreritra ireo fitahiana izay mety ho tonga avy amin’ny fitsapana mahazo azy ireo. Mba hanombohana ny fifanakalozan-kevitra dia afaka miangavy mpianatra iray ianao hiomana hiresaka mikasika ny fomba nahafahan’ny fitsapana iray nitondra fitahiana teo amin’ny fiainany, na hoe inona no zavatra nianarany avy tamin’olon-kafa izay niaritra fitsapana. Avy eo dia omeo minitra vitsy ireo mpianatra hamerenany hijerena ny 2 Korintiana 1:3–7; 4:6–10, 17–18; sy ny 7:4–7, ary hikaroka ny zavatra nampianarin’i Paoly mikasika ireo tanjon’ny fitsapana sy ireo fitahiana azo avy amin’izany. (Mba ahitana ohatra amin’ny fampianarany dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.) Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hamaky mafy ireo andininy izay ahitany fampianarana manokana, ary avy eo hizara traikefa iray na fijoroana ho vavolombelona mifandraika amin’izany fampianarana izany.

  • Diniho ny hanomezana fotoana ny mpianatra handinihany hoe ahoana no ahafahan’ny fitsapana mitondra fitahiana eo amin’ny fiainantsika, anisan’izany ny fijerena ny fampianaran’i Paoly hita ao amin’ny 2 Korintiana 1:3–7; 4:6–10, 17–18; sy ny 7:4–7. Mandritra izany fotoana izany dia azon’izy ireo atao ny manoratra ny fomba azo hampiharana ireo fampianaran’i Paoly eo amin’ny fahoriana izay atrehan’izy ireo eo amin’ny fiainany.

  • Mba hanatsarana ny fifanakalozan-kevitra, dia hiaraho mihira ny hira tian’ireo mpianatra indrindra izay mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fankaherezana sy ireo fitahiana izay omen’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy antsika mandritra ny fotoam-pitsapana—toy ny “Fototra mafy orina” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, p. 12). Aorian’ny fiaraha-mihira dia afaka manasa ny mpianatra ianao hitady andian-teny iray ao amin’ny 2 Korintiana 1 sy 4 izay hitan’izy ireo fa mifanaraka amin’ny hafatra hampitain’ilay fihirana.

2 Korintiana 2:5–11

Mandray fitahiana isika ary mitondra fitahiana ho an’ny hafa rehefa mamela heloka.

  • Isika rehetra dia efa samy niaina zavatra “nampalahelo” nataon’olona antsika na ny fianakaviantsika (andininy 5). Azon’ny mpianatra atao tsara ny mamakafaka ny 2 Korintiana 2:5–11, ary mitady torohevitra avy amin’i Paoly mikasika ny fomba hifandraisana amin’ny olona izay nanafintohina antsika. Asao ny mpianatra hamerina hijery ny Lioka 15:11–32; ny Jaona 8:1–11; ary ny teny nindramina avy amin’ny Loholona Kevin R. Duncan (jereo ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny”) mba hianarana misimisy kokoa ny fomba tokony handraisantsika ireo izay nanota. Amin’ny fomba ahoana no hanimbantsika ny tenantsika sy ny hafa rehefa tsy vonona ny hamela heloka isika?

2 Korintiana 5:14–21

Afaka mihavana amin’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

  • Maro ny olona tonga ao am-piangonana manana faniriana te ho akaiky an’ Andriamanitra, ary ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny 2 Korintiana 5:14–21 dia afaka manampy azy ireo. Ho fanombohana, dia azon’ny mpianatra fakafakaina ny hevitry ny teny hoe mampihavana, angamba mety azo atomboka amin’ny fijerena ilay teny ao anaty rakibolana. Inona no hevi-baovao entin’izany mikasika ny fihavanana amin’ Andriamanitra? Inona no hevi-baovao fanampiny azontsika avy amin’ny ny teny hoe Sorompanavotana ao amin’ny Torolàlana ho an’ny Soratra Masina? Ahoana no fomba hanampian’ireo hevi-baovao ireo antsika hahatakatra ny 2 Korintiana 5:14–21? Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ny fahatsapana ananan’izy ireo mikasika ny Mpamonjy, izay ny Sorompanavotany no nahatanteraka ny fampihavanana antsika amin’ Andriamanitra.

2 Korintiana 7:8–11

Ny alahelo araka an’ Andriamanitra dia mitondra mankany amin’ny fibebahana.

  • Ny 2 Korintiana 7:8–11 dia manome fanazavana tena ilaina mikasika ny alahelo araka an’ Andriamanitra, sy ny anjara asan’izany eo amin’ny fibebahana. Inona no ianarantsika mikasika ny alahelo araka an’ Andriamanitra ao amin’ny 2 Korintiana 7:8–11 sy ao amin’ny tenin’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny”? Nahoana no tena ilaina amin’ny fibebahana ny alahelo araka an’ Andriamanitra?

  • Mety ho entanim-panahy ianao handrisika ny hanaovana fifanakalozan-kevitra mivelatra kokoa mikasika ny fibebahana. Raha izany dia azonao atao ny manandrana zavatra tahaka izao: Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Ny fibebahana dia . Asao ny mpianatra hitady ny fomba hamenoana io teny io amin’ny fampiasana ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny 2 Korintiana 7:8–11, ary koa tao amin’ireo soratra masina sy loharano hafa hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny.” Ahoana no fomba azon’izy ireo ampiasana an’ireo fampianarana ireo hanampiana olona iray hahatakatra ny fomba fibebahana marina?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Anontanio ny mpianatra raha efa nisy fotoana izy ireo nivavaka mba hanesorana ny fitsapana na fijaliana iray. Ao amin’ny 2 Korintiana 8–13, no hahitan’ izy ireo ny zavatra nataon’i Paoly rehefa nivavaka ho an’izany izy, kanefa tsy nivaly arak’izay fomba nantenainy ny vavaka nataony.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

2 Korintiana 1–7

Ny fijerena ny hafa tahaka ny fomba fijerin’ Andriamanitra azy ireo dia manampy antsika hamela heloka.

Ny Loholona Kevin R. Duncan dia nampianatra hoe: “Ny fanalahidy iray amin’ny famelana ny heloky ny hafa dia ny miezaka mijery azy ireo tahaka ny fijerin’ Andriamanitra azy ireo. Indraindray Andriamanitra dia mamela antsika hahatakatra izay ao am-po sy ao anaty ary ao amin’ny fanahin’ny olona iray hafa izay nanafintohina antsika. Izany fijery vaovao izany dia mety hitondra antsika hankany amin’ny fitiavana mitafotafo an’ilay olona mihitsy aza“. (“Ilay diloilo manasitran’ny famelan-keloka,” Liahona, mey 2016, 34).

Ny alahelo araka an’ Andriamanitra dia mitaona amin’ny fiovana sy fanantenana.

Nanazava ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe:

Ny alahelo araka an’ Andriamanitra dia mitaona amin’ny fiovana sy fanantenana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ny alahelon’izao tontolo izao dia misarika antsika hidina sy hamono ny fanantenana ary mandresy lahatra antsika hilefitra amin’ny fakam-panahy fanampiny.

Ny alahelo araka an’ Andriamanitra dia mitondra amin’ny fiovam-po sy fiovana ho olom-baovao. Mahatonga antsika hankahala ny fahotana izany sy hitia ny zavatra tsara. Mamporisika antsika izany hijoro sy handeha ao amin’ny fahazavan’ny fitiavan’i Kristy. Ny fibebahana marina dia resaka fanovana fa tsy fampijaliana na fahoriana” (“Vitanao io izao dia izao!” Liahona, nôv. 2013, 56).

Inona no atao hoe fibebahana?

Nampianatra ny Loholona Neil L. Andersen hoe:

“Rehefa manota isika dia manalavitra amin’ Andriamanitra. Rehefa mibebaka isika dia miverina mitodika indray any amin’ Andriamanitra.

“Ilay fanasana hibebaka dia mahalana no hoe feo famaizana, fa antso feno fitiavana mihitsy aza izany mba hihodina sy ‘hiverina hitodika’ any amin’ Andriamanitra [jereo ny Helamàna 7:17]. Izany dia antson’ilay Ray be fitiavana sy ilay Zanany Lahitokana ho antsika mba hivoatra lavitra kokoa, hanakatra fomba fiainana ambony kokoa sy hiova ary hahatsapa fahasambarana avy amin’ny fitandremana ny didy. Amin’ny maha mpianatr’i Kristy antsika, dia mifaly isika noho ny fitahiana azo avy amin’ny fibebahana sy ny fifaliana azo avy amin’ny famelan-keloka. Lasa tafiditra ao anatintsika izy ireo ary mamolavola ny fomba fisainantsika sy ny fomba fahatsapantsika zavatra. …

“Ho an’ny ankamaroany dia toy ny dia lavitra iray ny fibebahana fa tsy toe-javatra miseho indray mandeha. Tsy mora izany. Sarotra ny miova. Mitaky fihazakazahana tohanan-drivotra sy filomanosana mifanohitra amin’ny fandehan’ny fikorianan’ny rano izany. Hoy i Jesoa hoe: -Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy- [Matio 16:24]. Ny fibebahana dia fialana amin’ny zavatra sasany toy ny tsy fahamarinan-toetra, ny fieboeboana, ny fahatezerana, ary ny eritreritra maloto, ary fitodihana any amin’ny zavatra hafa toy ny hatsaram-panahy, ny tsy fitiavan-tena, ny faharetana, ary ny fiainam-panahy. Izany dia -fitodihana indray- amin’ Andriamanitra” (Mibebaha … mba hahazoako manasitrana anareo,” Liahona, nôv. 2009, 40–41).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampandraiso anjara ireo izay manana fahasahiranana. Indraindray ireo mpianatra manana fahasahiranana dia mila ampandraisina anjara fotsiny mba hahatsapany fa tiana izy. Diniho ny hanomezana azy ireo andraikitra handray anjara amin’ny lesona ho avy. Aza milavo lefona raha toa izy ireo tsy miraika amin’ny ezaka ataonao amin’ny voalohany. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 8–9.)