Avia, hanaraka Ahy
26 aogôsitra–1 septambra. 1 Korintiana 8–13: -Ianareo no tenan’i Kristy-


“26 aogôsitra–1 septambra. 1 Korintiana 8–13: “Ianareo no tenan’i Kristy” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“26 aogôsitra–1 septambra. 1 Korintiana 8–13,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
fivoriana fanasan’ny Tompo

26 aogôsitra–1 septambra

1 Korintiana 8–13

“Ianareo no tenan’i Kristy”

Ny loholona Richard G. Scott dia nampianatra fa isika dia “mety tsy haheno ilay fitarihana ho an’ny tena manokana faran’izay sarobidy indrindra avy amin’ny Fanahy” raha toa tsy manoratra na mamaly “ireo bitsika voalohany tonga [amintsika]” (“Mahazo fitarihana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2009, 8).

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Nampiasa fanoharana sy sariohatra i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 8–13, toy ny mpihazakazaka, ny vatan’olombelona, ary ny “kipantsona mikarantsana” (1 Korintiana 13:1). Inona no hevi-baovao azon’ireo mpianatra mikasika ireo sariohatra ireo? Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’izany azy ireo hahatakatra fahamarinana iray ao amin’ny filazantsara?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

1 Korintiana 10:1–13

Miaina fakam-panahy avokoa isika rehetra saingy Andriamanitra dia manomana lalana ho antsika ialàna amin’izany.

  • Ahoana no hahafahanao manampy ny mpianatra hahita ireo fahamarinana mahery vaika ao amin’ny 1 Korintiana 10:13? Hevitra iray ny fizarana ilay andininy ho lasa andian-teny fohy, ary omena tsirairay avy amin’izany ny mpianatra tsirairay, ary asao ny mpianatra hamerina hiteny ireo andian-teny ireo amin’ny fomba filazany azy manokana. Ohatra, inona no fomba hafa ilazana ny hoe “mahatoky Andriamanitra” na “alaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo”? Avy eo dia azonao atao ny manambatra ny hevitry ny mpianatra sasantsasany ary mitady fomba hafa hampiharana izany bebe kokoa eo amin’ny fiainantsika. Mety ho afaka hizara ny zavatra niainan’izy ireo ny mpianatra ka nahitan’izy ireo fa marina ireo fampanantenana izay ao anatin’io andininy io. Inona avy ireo hevi-baovao fanampiny azontsika amin’ireo andininy ao amin’ny Almà 13:27–28?

  • Aza mivalampatra loatra amin’ny fakam-panahin’olona iray manokana fa azonao atao ny mampifantoka ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny 1 Korintiana 10:13 amin’ireo fakam-panahy izay antsoin’i Paoly hoe, “iombonan’ny rehetra.” Azon’ireo mpianatra atao ny manomboka izany amin’ny alalan’ny famantarana ireo fakampanahy izay nampitandreman’i Paoly ao amin’ny andininy 1–12. Azon’izy ireo atao ihany koa ny manolotra soso-kevitra amina ohatra maoderina momba ny fakam-panahy iombonana, toy ny tsy fahamarinan-toetra, ny fosafosa ary ny fitsaratsarana ny hafa. Fomba ahoana no mety hahafahan’ny olona iray, miaraka amin’ny fanampian’ Andriamanitra, “hahatohitra” ireo fakam-panahy ireo? Azonao atao ny manao tantara an-tsehatra kely ho an’ny tranga sasany.

  • Mety ilaina ny mandinika ny 1 Korintiana 10:13 ao anatin’ny sahan-kevitry ny faniriana mivaivay nananan’i Paoly mba hisian’ny firaisan-kina eo amin’ireo Olomasina. Inona no azontsika hifanampiana mba “handresena” sy “hahazakana” ireo fakam-panahy izay mety atrehintsika? Ahoana no ahafahan’ny firaisan-kina manampy antsika handresy ny fakam-panahy?

1 Korintiana 10:-16–17; 11:23–30

Ny fanasan’ny Tompo no mampiray antsika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy antsika.

  • Ireo andininy ireo dia afaka hitarika amin’ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny fomba hahafahan’ny fanasan’ny Tompo mampiray ny paroasinao, eo am-panaovana ireo ezaka ho tonga tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa. Azonao atao ny manomboka amin’ny famakiana ny 1 Korintiana 10:16–17 sy ny fikarohana ny mety ho dikan’ny teny hoe firaisana ao amin’io teny io (misy iray afaka mijery izay mety ho famaritana ao anatin’ny rakibolana). Ahoana no nanampian’ny fiarahana mandray ny Fanasan’ny Tompo antsika mba hahatsapa ho iray kokoa? Inona no azontsika atao mba hampitomboana ny firaisan-kina mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo? Inona no mampifandray an’io tanjona io amin’ny torohevitr’i Paoly hoe “aoka ny olona hamantatra ny tenany“? (1 Korintiana 11:28).

1 Korintiana 12

Tokony hikatsaka ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy isika mba ho tombontsoan’ireo zanaky ny Ray any An-danitra.

  • Ahoana no fomba ahafahanao manampy ireo mpianatrao hamerina hijery sy hamantatra ireo karazana fanomezam-pahasoavana lehibe nofaritan’i Paoly? Omeo iray minitra izy ireo hanoratany ny lisitry ny fanomezam-pahasoavan’ny fanahy betsaka indrindra araka izay tratrany, izay tonga ao an-tsain’izy ireo. Rehefa vita izany dia asao ny mpianatra hizara izay nosoratany mandra-paha-voatonona ny fanomezam-pahasoavana rehetra izay voasoratr’izy ireo. Avy eo dia afaka mitady fanomezam-pahasoavana hafa ireo mpianatra ho fanampin’ireo lisitra nataony, amin’ny famakafakana ny 1 Korintiana 12 sy ny lisitra nataon’ny loholona Marvin J. Ashton ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny.” Inona amin’ireo fanomezam-pahasoavana ireo no hitan’ireo mpianatra eny amin’ny olona izay fantatr’izy ireo? Ahoana no mety hanampian’ny fampitomboana ireo fanomezam-pahasoavana antsika mba hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy?

  • Mba hanampiana ny mpianatra hahita ohatra amin’ny fomba ahafahan’ny fampitomboana ny fanomezam-pahasoavan’ny fanahy manampy amin’ny fampiorenana ny Fiangonana, dia asao izy ireo hieritreritra an’ireo fanomezam-pahasoavan’ny fanahy izay nananan’ireo olona ao amin’ny soratra masina. Mba ahitana hevitra dia tendreo izy ireo hikaroka soratra masina mifandray iray ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny“, ary hizara ireo fanomezam-pahasoavan’ny fanahy izay eritreretin’izy ireo fa ananan’ilay olona. Ahoana no fomba nitahian’ireo fanomezam-pahasoavan’ny fanahy izay nananan’ireo olona ireo azy ireo manokana sy ny hafa? Ahoana no hahafahantsika mampiasa ny fanomezam-pahasoavan’ny fanahy ananantsika mba hitahiana ny fiainan’ny hafa sy hanamafisana orina ny tenan’i Kristy, na ny Fiangonana? (jereo ny 1 Korintiana 12:-12–31; jereo ihany koa ny 1 Korintiana 14:12).

  • Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba hampitomboana ny fanomezam-pahasoavan’ny fanahy, dia asao izy ireo hamaky ny 1 Korintiana 12:27–31; Môrônia 7:48; 10:23, 30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:8; ary ny teny nindramina avy amin’ny Filoha George Q. Cannon ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Inona no ampianarin’ireo loharano ireo antsika mikasika ny fomba hahazoana fanomezam-pahasoavan’ny fanahy? Amin’ny fomba ahoana no hahafahan’ny fampitomboantsika ireo fanomezam-pahasoavan’ny fanahy ireo hahatonga antsika hitovy kokoa amin’i Kristy? Asao ireo mpianatra hifidy fanomezam-pahasoavana iray izay tian’izy ireo ho azo, ary hikatsaka ny fanampian’ny Tompo amin’ny fikatsahana izany.

1 Korintiana 13

Ny fiantrana no lehibe indrindra amin’ny fanomezam-pahasoavan’ny fanahy.

  • Mieritreritra ny olona sasany fa ny fiantrana dia ny manome ho an’ny mahantra na maneho hatsaram-panahy amin’ny hafa. Na dia azo antoka aza fa afaka maneho fiantrana tokoa ireo zavatra ireo, ny famaritana nataon’i Paoly kosa dia mbola vao mainka mivelatra kokoa. Mba hanampiana ny mpianatra hanadihady izany dia azonao angatahana izy ireo handinika amim-pahanginana ny 1 Korintiana 13 ary hieritreritra olona iray izay fantatr’izy ireo fa ohatra tsara amin’ny anankiray na maromaro amin’ireo toetra feno fiantrana nolazain’i Paoly. Ny sasany amin’ireo mpianatra dia afaka manoritsoritra izay olona neritreritn’izy ireo sy ny zavatra niainan’io olona io ka nanehoany fiantrana. Azonao atao mihitsy aza ny mitanisa eny amin’ny solaitrabe ireo ampahany amin’ny famaritana nataon’i Paoly ary manasa ny mpianatra hizara hevitra mikasika ny dikan’ny hoe “mahari-po” na “tsy mora sosotra” (1 Korintiana 13:4–5). Ahoana no fomba nampisehoan’ny Mpamonjy ireo toetran’ny fiantrana ireo? Inona no ataontsika mba hananana fiantrana? (jereo ny Môrônia 7:46–48).

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Fantatry ny mpianatrao ve fa ny fotopampianaran’ny batisa ho an’ny maty sy ireo ambaratongam-boninahitra telo dia hita ao amin’ny Baiboly? Lazao azy ireo fa hianatra mikasika an’izany izy ireo rehefa mandalina ny 1 Korintiana 14–16 amin’ity herinandro ity.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

1 Korintiana 8–13

Fanomezam-pahasoavan’ny fanahy izay mety tsy neritreretinao.

Ny loholona Marvin J. Ashton dia nizara ireto ohatra izay nantsoiny hoe “fanomezam-pahasoavana tsy dia miavaka” avy amin’ny Fanahy ireto: “Ny fanomezam-pahasoavan’ny fiangaviana; ny fanomezam-pahasoavan’ny fihainoana; ny fanomezam-pahasoavan’ny fihainoana sy fampiasana feo tony sy malefaka, ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana mitomany; ny fanomezam-pahasoavan’ny fisorohana ny fifandirana; ny fanomezam-pahasoavan’ny fahaizana mifanaraka; ny fanomezam-pahasoavan’ny fisorohana ny famerimberenana fahatany; ny fanomezam-pahasoavan’ny fikatsahana izay marina; ny fanomezam-pahasoavan’ny tsy fitsaratsarana; ny fanomezam-pahasoavan’ny fitodihana amin’ Andriamanitra mba hahazoana fitarihana; ny fanomezam-pahasoavan’ny maha-mpianatra, ny fanomezam-pahasoavan’ny fikarakarana ny hafa; ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana misaintsaina; ny fanomezam-pahasoavan’ny fanolorana vavaka; ny fanomezam-pahasoavan’ny fizarana fijoroana ho vavolombelona matanjaka; ary ny fanomezam-pahasoavan’ny fandraisana ny Fanahy Masina” (“There Are Many Gifts, Ensign, nov. 1987, 20).

Ohatra amin’ny fanomezam-pahasoavan’ny fanahy hita ao amin’ny soratra masina.

Katsaho ireo fanomezam-pahasoavan’ny fanahy.

Ny Filoha George Q. Cannon (1827–1901) tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nilaza fa adidintsika ny “mivavaka amin’ Andriamanitra, mba hanomezany [antsika] ireo fanomezam-pahasoavana izay hanitsy ny tsy fahatanterahan-[tsika]. … Natao ho an’izany tanjona izany izy ireo. Tsy misy olona tokony hiteny hoe, ‘Tsy vitako ny mifehy tena tsy manao izany satria efa toetra voajanahary ato amiko izany.’ Tsy hamarinina izy amin’izany, noho ny antony hoe nampanantena Andriamanitra fa hanome hery hanitsiana ireny zavatra ireny ary hanome fanomezam-pahasoavana hamongorana ireny zavatra ireny. Raha misy olona tsy manam-pahendrena, dia andraikiny ny mangataka fahendrena amin’ Andriamanitra. Toy izany avokoa ny amin’ny zavatra hafa rehetra” (Millennial Star, apr. 23, 1894, 260).

Manatsara ny fampianarantsika

Iaino ireo fitsipika izay ampianarinao. Ny fiainana ireo fitsipika izay ampianarinao dia hanampy anao hijoro ho vavolombelona mahery vaika kokoa momba azy ireny. Nampianatra i Paoly hoe, “Toy izany koa no nandidian’ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin’ny filazantsara” (1 Korintiana 9:14).