Avia, hanaraka Ahy
19–25 aogôsitra. 1 Korintiana 1–7: -Mba hiray teny hianareo rehetra-


“19–25 aogôsitra. 1 Korintiana 1–7: -Mba hiray teny hianareo rehetra-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“19–25 aogôsitra. 1 Korintiana 1–7” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
Korinto

Korinto, atsimon’i Gresy, Ny trano fivoriana sy Lapan’ny tanàna, hosodoko nataon’i Balage Balogh

19–25 aogôsitra

1 Korintiana 1–7

“Mba hiray teny hianareo rehetra”

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland fa ny ankamaroan’ny olona dia “tonga [ao am-piangonana] mba hitady traikefa ara-panahy” (“A Teacher Come from God,” Ensign, mey 1998, 26). Rehefa mamaky ny 1 Korintiana 1–7 ianao dia saintsaino amim-bavaka ny zavatra azonao atao mba hampisy zavatra iainana ara-panahy ao amin’ny kilasinao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Asao ny mpianatra hanoratra ny zavatra nataony noho ny zavatra nianarany avy amin’ny soratra masina. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

1 Korintiana 1:10–173

Tokony hiray hina ny mpikambana ao amin’ny fiangonan’i Kristy.

  • Ny firesahana ireo toko vitsivitsy voalohany ao amin’ny 1 Korintiana dia mety ho fomba iray hahafahana mampiorina firaisankina lehibe kokoa eo anivon’ny mpikambana ao amin’ny paroasy. Azonao atomboka izany amin’ny alalan’ny fangatahana ny mpianatra hiresaka momba ny fikambanana, vondrona, na ekipa iray nisy azy ireo izay tena nahay niray hina tokoa. Nahoana io vondrona io no nahatsapa ho niray hina tokoa? Aorian’izay ianareo dia afaka mamakafaka ny sasany amin’ireo fampianaran’i Paoly momba ny firaisan-kina ao amin’ny 1 Korintiana 1:10–13; 3:1–11. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo, miaraka amin’ny zavatra niainantsika, mikasika ny zavatra izay mampisy firaisan-kina sy izay mitady hanimba izany? Inona avy ireo fitahiana tonga amin’ireo izay miray hina? Ireo tantara nozarain’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia mety hanampy ihany koa mba hanatsarana io fifanakalozan-kevitra io.

  • Nampiasa sariohatry ny trano iray i Paoly mba hamporisihana ny olona hiray hina ao amin’ny 1 Korintiana 3:9–17. Ahoana no ahafahan’io fifanahafana io manampy ny mpianatrao hahatakatra kokoa ny hoe firaisan-kina? Ohatra, rehefa avy miara-mamaky ireo andinin-tsoratra masina ireo ianareo dia azonao omena “cube” ny mpianatra tsirairay dia miaraha miasa handrafitra zavatra iray. Amin’ny lafiny inona no maha “trano arafitr’ Andriamanitra” antsika? (1 Korintiana 3:9). Ahoana no handrafetan’ Andriamanitra antsika tsirairay avy? Inona no hiarahantsika manorina amin’ny maha-samy Olomasina antsika? Inona no azontsika atao amin’ny maha-paroasy miray hina antsika, kanefa tsy ho azontsika atao mihitsy raha isika samirery?

1 Korintiana 1:17–31; 2; 3:18–20

Mila ny fahendren’ Andriamanitra isika raha hanatanteraka ny asan’ Andriamanitra.

  • Mahatsapa ho tsy mahafeno ny fepetra hanompoana ao amin’ny Fiangonana ny olona sasany satria tsy nandia fianarana firy na tsy nanao fiofanana arak’asa. Ny sasany dia mahatsapa ho mahafeno tsara ny fepetra satria nahavita fianarana sy fiofanana arak’asa. Samy maneho tsy fahatakarana ny antony tena mahalany antsika hanao ny asan’ Andriamanitra ireo fomba fijery ireo. Indro misy hevitra hanampiana ny mpianatrao hiantehitra amin’ Andriamanitra: Zarao ho vondrona maromaro ny mpianatrao dia angataho izy ireo hamaky ny 1 Korintiana 1:17–31; 2; na ny 3:18–20 ary hitady teny toy ny hoe hendry sy adala. Aorian’izay izy ireo dia afaka mizara ao anatin’ny vondrona misy azy ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo momba ny fahendrena eo amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo. Inona avy ireo zavatra momba ny filazantsara izay mety ho toy ny hadalana ho an’ny olona sasany? Ahoana no hanehoan’ireo zavatra ireo ny fahendren’ Andriamanitra? Azon’ny mpianatra atao tsara koa ny mizara ny zavatra niainana izay nanehoan’izy ireo fatokiana ny fahendren’ Andriamanitra, fa tsy ny azy ireo manokana, mba hanatanterahana ny asany.

1 Korintiana 6:9–20

Masina ny vatantsika.

  • Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ireo andininy ireo dia afaka manoratra fanontaniana tahaka izao manaraka izao eny amin’ny solaitrabe ianao: Toy ny inona no fahitan’ny Tompo ny vatantsika? Inona no mahasamihafa izany amin’ny fomba tian’i Satana hieritreretantsika ny vatantsika? Inona no dikan’ny hoe tempolin’ny Fanahy Masina ny vatantsika? Asao ny mpianatra hitady ny valin’ireo fanontaniana ireo ao amin’ny 1 Korintiana 6:9–20 (jereo koa ny FF 88:15; Mosesy 6:8–9).

  • Azo ampidirina ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo momba ny fahamasinan’ny vatantsika ny resadresaka momba ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Mety hanampy tokoa izany satria amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika, dia matetika isika no manana fahafahana hanazava ny zavatra inoantsika momba ny fahadiovam-pitondrantena amin’ireo izay mety tsy mino izany. Azonao atao tsara ny manontany an’ireo mpianatrao ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’i Paoly, sy avy amin’ireo loharanom-pitaovana hafa an’ny Fiangonana ihany koa, ka afaka hanampy azy ireo hanazava amin’ny hafa ny maha-manan-danja ny fahadiovam-pitondrantena. Ny sasany amin’ireo loharanom-pitaovana ireo dia mety ahitana ireo izay voatanisa ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Lazao amin’ny mpianatrao fa raha te hahita hevitra fanampiny izy ireo mikasika ny fomba hiraisana hina kokoa amin’ny vadiny, na ny fianakaviany, na ny paroasy dia mbola mitohy ao amin’ny 1 Korintiana 8–11 ny lohahevitra momba ny firaisan-kina.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

1 Korintiana 1–7

Ohatra amin’ny firaisan-kina.

Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring hoe:

“Nasaina hiaraka handohalika amin’ny fianakaviana iray aho talohan’ny hatory raha nivahiny tao an-tranony tamin’izay. Ilay ankizy kely indrindra no nangatahana hanao ny vavaka. Nivavaka ho an’ny olona rehetra tao amin’ny fianakaviana izy araka ny anarany tsirairay avy, toy ireny patriarka ireny. Nanokatra kely vetivety ny masoko aho hijery ny endrik’ireo ankizy hafa sy ny ray aman-dreny. Afaka milaza aho fa niombom-po tao anatin’ny vavaka nataon’izany zazalahy kely izany izy ireo.

“Niara-nivavaka vao haingana ny rahavavy sasany tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana raha niomana hamangy vao voalohany vehivavy mananotena mbola tanora iray, izay maty tampoka ny vadiny. Te-hahafantatra ny zavatra tokony hatao izy ireo sy ny fomba hiarahana miasa eo amin’ny fanampiana hanomana ilay trano ho an’ny fianakaviana sy ny namana izay ho avy amin’ny fotoan’ny fandevenana. … Dia tonga ny valim-bavak’izy ireo. Rehefa tonga tao amin’ilay trano izy ireo dia samy nandeha nanao asa iray ny rahavavy tsirairay. Vita haingana ny tao an-trano ka nisy rahavavy sasany izay nalahelo fa tsy afaka nanao zavatra bebe kokoa izy ireo. Nozaraina ny teny fankaherezana, izay nifanaraka tamin’ny tokony ho izy tokoa. Nanao ny asa fanompoan’ny Tompo toy ny fo mitambatra ho iray izy ireo” (“Ny fontsika mitambatra ho iray,” Liahona, nôv. 2008, 68–69).

Ny fitahiana avy amin’ny fahadiovana ara-pitondrantena

Hoy Rahavavy Wendy W. Nelson nandritra ny Fampaherezam-panahy maneran-tany iray ho anʼny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony hoe:

“Ny fahadiovan’ny tena no fanalahidin’ny fitiavana marina. Arakaraka ny fahadiovan’ny eritreritrao sy ny zavatra tsapanao, ny teninao sy ny asanao, no maha-lehibe kokoa ny fahafahanao manome sy mandray fitiavana marina. …

“Mba ho ampahany manan-danja amin’ny fanehoan’ny mpivady ny fifankatiavany, dia tian’ny Tompo hahatsapa ny fitalanjonana sy ny fifaliana avy amin’ny fifandraisana lalina sy manokana eo amin’ny mpivady izy ireo. …

“… Izay mety ho zavatra manasa ny Fanahy ho ao amin’ny fiainanao, sy ao amin’ny fiainan’ny vadinao sy ny fanambadianao dia hampitombo ny fahafahanao miaina ny fifandraisana lalina sy manokana eo amin’ny mpivady. … Etsy an-kilan’izay, izay mety ho zavatra manohintohina ny Fanahy dia hampihena ny fahafahanao ho iray amin’ny vadinao. …

“Ny fifandraisana lalina sy manokana eo amin’ny mpivady, rehefa tohanan’ny Fanahy dia tahian’ny Tompo, ary manamasina” (“Love and Marriage,” Worldwide Devotional for Young Adults, 8 jan 2017, broadcasts.lds.org).

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe:

“Te hanamafy aho fa ny firaisana ara-nofo eo amin’ny olombelona dia natokana ho an’ny mpivady satria izany no tandindona faratampon’ny fiombonana feno, fahafenoana sy fiombonana voatendry sy narafitr’ Andriamanitra. …

“Kanefa ny fiombonana feno toy izany, ny fanolorantena tsy azo hozongozonina toy izany eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray, dia tsy mitranga raha tsy rehefa misy fifanakaikezana sy fiezahana tsy tapaka ao anatin’ny fanekempihavanan’ny fanambadiana, miaraka amin’ny fampanantenana matotra sy ny fampanantenana ny hanome izay rehetra ananany, dia ny fony sy ny sainy manontolo, ny andro iainany sy ny nofinofiny rehetra” (“Personal Purity,” Ensign, nôv. 1998, 76).

Nanazava ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ny [firaisana ara-nofo] dia tsy zava-mahaliana tiana hofantarina fotsiny ihany, na filàna tiana omena fahafaham-po, na karazana fandaniana andro na fialamboly atao amin’ny fitiavan-tena. Tsy fifaninanana ho vitaina izany na zavatra tokony ho atao fotsiny ihany. Izy ireo kosa eo amin’ny fiainana an-tany dia iray amin’ireo fanehoana faratampony ny toetra araka an’ Andriamanitra sy ny hery anaty ananantsika ary fomba hanamafisana ny fifamatorana ara-pihetseham-po sy ara-panahy eo amin’ny mpivady. Isika dia olona nomena fitahiana hanao safidy tsara ary voafaritra amin’ny alalan’ny lovantsika masina amin’ny maha-zanak’Andriamanitra—fa tsy amin’ny alalan’ny fitondrantena eo amin’ny filàna ara-nofosy ny fihetsika maoderina, na ny filôzofia lahika” (“Mino isika fa tokony ho madio fitondrantena,” Liahona, mey 2013, 42).

Ny fomba hijanonana ho madio ara-pitondrantena.

  • “La chasteté: quelles sont les limites?”

  • “Pureté Sexuelle,” Jeunes, Soyez Forts 35–37.

Manatsara ny fampianarantsika

Mijoroa ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Rehefa mampianatra ianao dia tadidio ny ohatra nasehon’i Paoly hoe: “tsy tonga tamin’ny teny sy fahendrena marevaka [izy], raha nitory … ny zava-miafina izay an’ Andriamanitra” (1 Korintiana 2:1). Ny fijoroana ho vavolombelona tsotra zarainao momba ny Mpamonjy dia afaka manana fiantraikany lalina.