Avia, hanaraka Ahy
23–29 septambra. Galatiana: -Mandehana araka ny Fanahy-


“23–29 septambra. Galatiana: -Mandehana araka ny Fanahy-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“23–29 septambra. Galatiana,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
i Kristy niseho tamin’i Paoly tao am-ponja

23–29 septambra

Galatiana

“Mandehana araka ny Fanahy”

Raha mamaky sy mandalina ny Galatiana amim-bavaka ianao dia hampianatra anao izay ilainao hozaraina amin’ny mpianatrao ny Tompo. Ny firaketana an-tsoratra ireo zavatra tsapanao dia maneho fankasitrahana amin’ Andriamanitra noho ireo fanampiany anao (jereo ny Paul B. Pieper, “Mihazona izany ho masina,” Liahona, mey 2012, 109).

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Matetika ny fandalinana soratra masina dia mitondra mankamin’ny fifampiresahana manandanja mikasika ny filazantsara miaraka amin’ny fianakaviana na ny namana. Nitranga teo amin’ireo mpianatrao ve izany tamin’ity herinandro ity? Asao izy ireo hizara ny zavatra niainany.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Galatiana 1:6–7; 3:1–5; 4:8–21; 5:1, 13–14

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manome fahafahana.

  • Na boky inona na boky inona no halalinintsika ao amin’ny Soratra Masina dia ho mora amintsika kokoa izany rehefa fantatsika ny antony nanoratana azy. Noho izany antony izany dia mety ho tsara ny hanombohanao ny fifampiresahana mikasika ny Galatiana amin’ny fanontaniana toy ny hoe “Inona araka ny eritreritrao no tanjon’i Paoly tamin’ny nanoratany an’ity epistily ity?” na “Inona no olana izay nezahin’i Paoly novahana?” Asao ny mpianatra hitady valiny ao amin’ny Galatiana 1:6–7; 3:1–5; 4:8–21. Nahoana no manan-danja amintsika amin’izao fotoana izao ny hafatra nolazain’i Paoly?

  • Ny sasany tamin’ireo Olomasina Galatiana dia nieritreritra fa tokony hanohy hiaina ny lalàn’i Mosesy izy ireo. Ho an’i Paoly izany dia toy ny miaina ao anatin’ny “ziogan’ny fanandevozana” raha oharina amin’ny fahafahana atolotry ny lalàn’i Kristy (Galatiana 5:1). Na dia mahalana aza vao miatrika izany olana izany isika ankehitriny, dia samy miatrika safidy mitovy amin’izany isika rehetra eo amin’ny fanandevozana ara-panahy sy ny fahafahana avy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Mba hanampiana ny mpianatrao hanadihady ireo fampianaran’i Paoly mikasika ny fahafahana sy ny fanandevozana, dia azonao asaina izy ireo hilaza toetra na fihetsika izay mety hitondra mankamin’ny fanandevozana ara-panahy (toy ny fomba fanao ara-kolontsaina, ny fahazaran-dratsy, ny finoanoam-poana, na ny fifantohana amin’ny zavatra atao hita ety ivelany toy izay ny fiovam-po ao anaty). Araka ny hita ao amin’ny Galatiana 5:1, 13–14, dia ahoana no fomba hahazoantsika fahafahana avy amin’ny fanandevozana ara-panahy? Ahoana no fomba niainan’ireo mpianatra ilay fahafahana nampanantenaina ao amin’ny filazantsara’i Kristy? Azonao atao koa ny manasa ny mpianatra hizara ny fomba niatrehan’izy ireo olona iray izay mahatsapa fa ny fiainana ny filazantsara dia mametra ny fahafahan’ny tena manokana.

Galatiana 5:16–26

Raha “mandeha araka ny Fanahy” isika dia handray ny “vokatry ny fanahy.”

  • Maro be ny olona sahirana amin’ny fahafantarana ny fitarihan’ny Fanahy. Ny Galatiana 5 dia afaka manampy ny mpianatrao hamantatra ny vokatry ny Fanahy. Azonao atao tsara ny mangataka azy ireo hamakafaka ny Galatiana 5:22–25 mba hahitana ireo teny nampiasain’i Paoly hamaritana ny vokatry ny Fanahy. Fa nahoana ny vokatra no sarin-teny tsara ampiasaina hilazana ny fomba hitarihan’ny Fanahy antsika? Azon’ny mpianatra atao tsara ny mizara ny fomba nisehoan’izany vokatra izany teo amin’ny fiainan’izy ireo na teo amin’ny fiainan’olon-kafa fantany. Ny sasany amin’ireo loharano hafa izay tokony hofakafakaina dia ny Matio 7:16–18; Jaona 14:26–27; Môrônia 7:13–17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12–13; sy ny tenin’ny Filoha Gordon B. Hinckley ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny.”

    Sary
    paoma eo ambony hazo

    Afaka mahazo ny “vokatry ny Fanahy” isika rehefa mikatsaka izany.

  • Indraindray isika dia afaka mianatra fitsipika iray amin’ny alalan’ny fianarana mikasika ny zavatra mifanohitra amin’izany. Ohatra, ao amin’ny Galatiana 5:16–26, dia ampifanoherin’i Paoly amin’ny “asan’ny nofo” ny “vokatry ny Fanahy.” Mba hanampiana ny mpianatra handalina hoe hatraiza no “fandehanan[‘izy ireo] araka ny Fanahy,” dia azonao toroina hevitra izy ireo hamaky ny Galatiana 5:16–26 ary avy eo dia hanao tomban’ezaky ny tenan’izy ireo manokana mitovy amin’ny ao amin’ny Fampiharana momba ny toetra ao amin’ny pejy faha 152 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako. Ohatra, ho an’ny zavatra tsirairay voatanisa ao amin’ny andininy 19–23, dia afaka manoratra fanontaniana izy ireo toy ny hoe “Mialona ny namako ve aho?” na “Mahatsapa fitiavana ve aho isan’andro?” Tsy tokony hozaraina ny valin’ny tomban’ezaky ny tena manokana nataon’ireo mpianatra, nefa kosa afaka manasa azy ireo ianao hizara hevitra na eritreritra mba hifanampian’izy ireo “handeha araka ny Fanahy.” Raha tsy manam-potoana ianareo hamitana io asa atao io ao an-dakilasy, dia toroy hevitra izy ireo hamita izany any an-trano.

Galatiana 6:7–10

Raha mamafy “ho an’ny Fanahy” isika dia hijinja fitahiana amin’ny fotoana mahamety izany.

  • Ny fandalinana ny Galatiana 6:7–10 dia afaka manampy ny mpianatra hieritreritra lalindalina kokoa mikasika ny vokatra lavitr’ezaky ny safidy ataon’izy ireo. Mba hanampiana azy ireo dia afaka mitondra masomboly isan-karazany ianao, miaraka amin’ny zava-maniry, na voankazo na legioma izay maniry avy amin’ireo voa ireo (azonao atao ihany koa ny mitondra ny sarin’ireo zavatra ireo). Afaka miara-miasa ny mpianatra, mampifandray ny voa sy ny zavatra avoakan’izany. Avy eo izy ireo dia afaka mamaky ny andininy 7–10 ary miresaka mikasika ny dikan’ny hoe mamafy “ho [an’ny] nofo” sy “ho an’ny Fanahy.” (Mety hanampy ny hafatra avy amin’ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny.”) Inona no hojinjaintsika raha mamafy ho an’ny nofo isika? Inona no hojinjaintsika raha mamafy ho an’ny fanahy isika? (jereo ny Galatiana 5:22–23). Asao ny mpianatra handalina ireo fitahiana ara-panahy izay antenain’izy ireo ho azo. Inona no “famafazana” azon’izy ireo atao dieny izao mba ho vonona ny handray ireo fitahiana ireo? Azonao atao mihitsy aza ny manasa azy ireo hanoratra ny eritreriny ary hizara izany raha tsy mampaninona azy ireo izany.

  • Ny sasany amin’ireo mpianatra dia mety hahatsapa ho “ketraka amin’ny fanaovan-tsoa” (Galatiana 6:9)—angamba satria mety tsy azon’izy ireo antoka hoe hitondra vokatra ny ezaka nataon’izy ireo. Ny firesahana ny Galatiana 6:7–10 dia mety hanampy. Ho fampidirana ireo andininy ireo dia afaka manasa olona iray ao amin’ny kilasy ianao hiresaka fohy mikasika ny fotoana izay nilany faharetana rehefa niezaka namboly zavatra. Mampianatra inona antsika mikasika ny ezaka ataontsika “handeha araka ny Fanahy” ny zavatra niainan’io olona io sy ny Galatiana 6:7–10? (Galatiana 5:25).

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hamporisihana ny mpianatrao hamaky ny Epistily ho an’ny Efesiana dia azonao lazaina azy ireo fa ato amin’ity epistily ity izy ireo dia hianatra ny fomba hahafahan’izy ireo “hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly” (Efesiana 6:11).

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Galatiana

Ireo vokatry ny fiainana ny filazantsara.

Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nampianatra hoe: “Ahoana no hahafantarantsika ireo zavatry ny Fanahy? Ahoana no hahalalantsika fa avy amin’ Andriamanitra izany? Amin’ny alalan’ny voany. Raha mitondra mankamin’ny fitomboana sy fivoarana izany, raha mitondra mankamin’ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona, raha mitondra amin’ny fomba tsara kokoa eo amin’ny fanaovana zavatra, raha mitondra mankamin’ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, dia avy amin’ Andriamanitra izany. Raha manimba antsika izany, raha mitondra antsika mankamin’ny haizina, raha mampikorontan-tsaina sy mampatahotra antsika, raha mitondra antsika amin’ny tsy finoana, dia avy amin’ny devoly izany.”

Tamin’ny fotoana hafa ihany koa dia niteny ny Filoha Hinckley hoe: “Ny bitsiky ny Fanahy dia azonao fantarina amin’ny alalan’ny vokatry ny Fanahy—izay manazava, mampiorina, izay lafitsarany sy manamafy ary mampientana, ary mitaona antsika hanana eritreritra tsara kokoa sy hampiasa teny tsara kokoa ary hanao zavatra tsara kokoa dia avy amin’ny Fanahin’ Andriamanitra. Fa izay manimba antsika sy mitondra antsika any amin’ny lalana tsy azo aleha—dia avy amin’ilay fahavalo. Inoako fa tena mazava sy tsotra tahaka izany ilay izy.” (Teachings of Presidents of the Church: Gordon B. Hinckley [2016], 121).

Mamafy amin’ny Fanahy.

Ny Loholona Ulisses Soares dia nanazava fa: “Ny hoe mamafy ho an’ny Fanahy dia midika hoe tokony hampiakatra antsika ho eo amin’ny haavon’ny fahamasinan’ireo ray aman-drenintsika any an-danitra ny eritreritra sy ny teny ary ny fihetsika rehetra ataontsika. Kanefa ny soratra masina dia mamaritra ilay toetra ara-batana na ara-nofo eo amin’ireo olona araka ny nofo izay hahafahan’ny olona ho voasariky ny firehetam-pon’ny nofo, ny fanirian’ny nofo, ny fahalinan’ny nofo sy ny fandrisihan’ny nofo raha tokony hitady fitaomana avy amin’ny Fanahy Masina. Raha tsy mitandrina isika dia mety hitarika antsika haneho fihetsika mirefarefa amin’ny tany sy tsy voahevitra izay mety ho lasa ampahan’ny toetrantsika ireo zava-misarika ireo miaraka amin’ny faneren’ilay ratsy eto amin’izao tontolo izao“(“Mitoera ao amin’ny faritry ny Tompo!” Liahona, mey 2012, 39)

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny mpianatra hifanohana. “Ny olona tsirairay ao amin’ny kilasinao dia loharano manan-karena fijoroana ho vavolombelona, hevi-baovao ary traikefa eo amin’ny fiainana ny filazantsara. Asao izy ireo hifampizara sy hifampahery” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 5).