Avia, hanaraka Ahy
30 septambra–13 ôktôbra. Efesiana: -Ho fanatanterahana ny Olona masina-


“30 septambra–13 ôktôbra. Efesiana: -Ho fanatanterahana ny Olona masina-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“30 septambra–13 ôktôbra. Efesiana,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
fianakaviana mijery sary

30 septambra–13 ôktôbra.

Efesiana

“Ho fanatanterahana ny Olona masina”

Ho tonga ireo eritreritra sy fahatsapana mikasika ny hoe inona no ho ampianarina ary ahoana no fomba hampianarana rehefa mandalina amim-bavaka ny Efesiana ianao, sy ireo teny tamin’ny fihaonambe vao haingana, sy ity fanomanan-desona ity, ary ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Asao ny mpianatra hanoratra fehezan-teny iray mamintina ny zavatra izay nianaran’izy ireo tamin’ny fandalinan’izy ireo nandritra ny herinandro, ary avy eo dia apetaho eo amin’ny solaitrabe ny famintinana nataony. Mifidiana famintinana vitsivitsy ary asao ireo mpianatra izay nanoratra izany hizara ny eritreritr’izy ireo.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Efesiana 2:19–22; 4:4–8, 11–16

Ireo mpaminany sy apôstôly—ary isika rehetra—dia mampatanjaka sy mampiray ny Fiangonana.

  • Afaka miara-manangana zavatra ve ianao sy ny mpianatra, entina hanehoana fa ny Fiangonana dia “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny apostoly sy ny mpaminany,” sy hanehoana fa ny Mpamonjy no “fehizoro indrindra”? (Efesiana 2:20). Azon’ireo mpianatra atao tsara ny manisy anarana ny boaty maromaro na kaopy taratasy ary mandahatra izany ho lasa tilikambo na piramida, ka Jesoa Kristy ary ny apôstôly sy mpaminany no mandrafitra ny fototra. Avy eo dia azonao aseho hoe inona no hitranga raha esorina i Kristy na ny mpaminany sy ny apôstôly. Fa nahoana ny vato fehizoro indrindra no fanoharana tsara maneho an’i Jesoa Kristy sy ny andraikiny ao amin’ny Fiangonana? (Mba hahitana famaritana ny vato fehizoro dia jereo ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”) Azon’ny mpianatra atao ny mamakafaka ny Efesiana 2:19–22; 4:11–16 mba hahitana ireo fitahiana izay azontsika noho ny fisian’ireo apôstôly sy mpaminany ary ireo mpitarika hafa ato amin’ny Fiangonana. Inona no azontsika atao hampiorenana ny fiainantsika eo amin’ny fampianaran’izy ireo?

    Sary
    vatofehizoron’ny tempoly

    I Jesoa Kristy no vatofehizoron’ny Fiangonana.

  • Mba hanehoana hoe hatraiza no mety tsy fahatakarana fotopampianarana rehefa tsy misy ny fitarihana tsy tapaka avy amin’ireo mpaminany sy apôstôly, dia afaka manao kilalao iray ianao, ary mitantara tantara fohy amin’ny mpianatra iray ka tsy atao misy olon-kafa maheno. Avy eo dia asao ilay mpianatra iray teo hamerina ilay tantara amin’ny mpianatra iray hafa, ary ohatr’izay hatrany ambaram-pandalon’ilay tantara tamin’ny tsirairay. Avy eo dia asao ilay mpianatra naheno farany hilaza amin’ny mpianatra rehetra ny zavatra izay henony. Tsy nisy niova ve ireo pitsopitsony tao amin’ilay tantara? Inona no ho nitranga raha toa ny mpampianatra ka afaka nanitsy an’ireo diso teny an-tsefantsefany teny? Inona no ampianarin’iny asa natao iny antsika mikasika ny antony tsy maintsy “[nananganana] teo ambony fanorenan’ny apôstôly sy ny mpaminany” ny Fiangonan’i Kristy?

  • Raha toa ireo mpianatrao ka nihaino fihaonambe maneran-tany hatramin’ny fotoana nihaonanareo farany dia asao izy ireo hizara ny fomba nanatanterahan’ireo zavatra nampianarina nandritra ny fihaonambe ny tanjona voalaza ao amin’ny Efesiana 4:11–16.

  • Omeo fotoana ireo mpianatra hitanisan’izy ireo ny sasany amin’ireo “antso” na andraikitra izay nasaina notontosain’izy ireo ao am-piangonana (jereo ny Efesiana 4:1)—ohatra, rahalahy mpanompo sy rahavavy mpanompo, ray aman-dreny, mpianatr’i Kristy, sy ny sisa. Avy eo dia afaka mifanakalo lisitra amin’ny mpianatra hafa izy ireo, sy mamaky ny Efesiana 4:4–8, 11–16, ary mizara hoe ahoana no hanorenan’ireo antso sy andraikitra ao amin’ny lisitr’izy ireo ny vatan’i Kristy. Ahoana no hahafahantsika miara-miasa mba ho tonga iray ao amin’ny “Tompo iray, finoana iray, batisa iray”?

Efesiana 5:22–6:4

Ny fanarahana ny ohatry ny Mpamonjy dia afaka manamafy orina ny fifandraisana ao amin’ny fianakaviana.

  • Na dia niaina tao anatin’ny kolontsaina izay tsy nametraka ny vehivavy ho mitovy lenta amin’ny lehilahy aza ireo Efesiana, dia ahitana torohevitra mety tsara ho an’ny mpivady amin’izao fotoana izao ity epistily ity. Azonao atao ny manoratra fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe ary manasa ny mpianatra hitsitokotoko ary hifanakalo hevitra isaky ny vondrona momba ireo fanontaniana ireo rehefa mamaky ny Efesiana 5:22–33: Ahoana no fomba nanehoan’i Kristy ny fitiavany ny Fiangonana? Inona no azontsika hatao mba hanarahana ny ohatra nasehony eo amin’ny fomba hifandraisana amin’ny vadintsika? Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ohatra izay hitan’izy ireo tamina mpivady izay nifampitondra tahaka an’i Kristy. Ahoana no ahafahantsika mampihatra ireo fitsipika ireo eo amin’ny karazana fifandraisana hafa eo amin’ny fianakaviana?

  • Na dia natao ho an’ny ankizy aza ny torohevitr’i Paoly hoe “manajà ny rainao sy ny reninao” (Efesiana 6:2) dia azo ampiharina amintsika tsirairay izany, na inona na inona sokajin-taonantsika na ny toerana misy antsika eo amin’ny fianakaviana. Asao ny mpianatra hieritreritra mikasika ny fomba ahafahany mampihatra ny torohevitr’i Paoly ao amin’ny Efesiana 6:1–3 eo amin’ny toe-javatra misy azy ireo manokana. Ohatra, ahoana no fomba ahafahantsika manaja ireo ray aman-drenintsika na dia tsy mifanaraka amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy aza ny safidy ataon’izy ireo? Azonao omena minitra vitsy ny mpianatra hanoratana ny zavatra azon’izy ireo atao hahafahana manaja kokoa ny ray aman-drenin’izy ireo.

  • Raha misy ray aman-dreny—na vao ho ray aman-dreny—manana zaza madinika ao amin’ny kilasinao, dia mety hitondra soa azy ireo ny mifanakalo hevitra momba ny Efesiana 6:4. Inona no hevitry ny hoe mitaiza ireo zanaka “amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo”? Angamba ireo mpianatra izay efa manan-janaka lehibe kokoa dia afaka mizara izay heveriny fa dikan’izany, sy ny fomba niezahany nampihatra io torohevitra io teo amin’ny fianakaviany.

Efesiana 6:10–18

Ny fiadian’ Andriamanitra dia hanampy amin’ny fiarovana antsika amin’ny ratsy.

  • Inona no mety hanampy ny mpianatra hiezaka hitafy ireo fiadian’ Andriamanitra rehetra isan’andro? Afaka manomana asa atao ianao, izay hahafahan’ny mpianatra mampifandray ireo fiadiana tsirairay amin’ireo fitsipika na hatsaran-toetra mifandraika amin’izany ao amin’ny Efesiana 6:14–17. Ahoana no hahafahan’ireo fitaovam-piadiana tsirairay hanampy amin’ny fiarovana antsika amin’ny faharatsiana? (Mba hahazoana fanampiana dia jereo ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny.”) Ahoana no fomba nitafian’izy ireo an’io fitaovam-piadiana io? Azonao atao ny mizara ao anatin’io fifanakalozan-kevitra io ny fanazavana nomen’ny Filoha N. Eldon Tanner ao amin’ny “Loharanom-pitaovana Fanampiny”. Inona no azontsika atao mba hamantarana sy hampatanjahana izay fahalemena mety ananantsika eo amin’ny fitaovam-piadiantsika?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hanentanana ireo mpianatra hamaky ny Filipiana sy Kolosiana dia azonao lazaina azy ireo fa ny iray amin’ireo Fanekem-pinoana dia nifototra tamin’ny andininy iray hita ao amin’ny iray amin’ireo epistily ireo. Azon’izy ireo karohina ve izany mandritra ny fandalinan’izy ireo amin’ity herinandro ity?

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Efesiana

Inona no atao hoe vato fehizoro indrindra?

Ny vato fehizoro indrindra dia ny vato voalohany apetraka rehefa manorina fototra. Ampiasaintsika ho fenitra hiaingana rehefa mandrefy sy mametraka an’ireo vato hafa rehetra, izay tsy maintsy atao mifanitsy amin’ilay vato fehizoro indrindra. Noho ilay vato fehizoro indrindra mizaka ny lanjan’ilay trano aorina, dia tokony ho mafy sy maritoerana ary azo hianteherana izany (jereo ny “The Cornerstone,” Ensign, jan. 2016, 74–75).

Ireo fiadian’ Andriamanitra.

Sikino fahamarinana ny valahanareo:Ity fiadiana ity dia toy ny fehikibo mamehy ny valahana. Ny teny hoe valahana dia mety midika ihany koa hoe, matanjaka, mahery na nohamafisina.

Aro-tratra:Ny aro-tratra dia miaro ny fo sy ireo taova saro-pady hafa.

Kiraro:Io dia entina ilazana ny fiarovana ny tongotr’ireo miaramila.

Ampinga:Ny ampinga dia afaka hiarovana saika ny faritry ny vatana rehetra amin’ny karazana fanafihana.

Aroloha:Ny aroloha dia hiarovana ny loha.

Sabatra:Ny sabatra no manampy antsika hiady amin’ny fahavalo.

“Diniho ny fiadianao.“

Ny Filoha N. Eldon Tanner, mpanolontsaina tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nanasa ny mpikamban’ny Fiangonana hanombantombana ny herin’ny fiadian’izy ireo manokana amin’ny alalan’ny fandalinana ny ezaka ataon’izy ireo eo amin’ny fiainana ny filazantsara. Dia nanazava izy avy eo hoe:

“Raha … malemy ny fiadiantsika, dia hisy toerana tsy voaro, sy faritra mora andairan’ny fanafihana, ary dia hiharan’ny ratra sy fandravana ataon’i Satana, izay hanohy hitady hatrany mandra-pahitany ny fahalementsika, raha manana izany isika.

“Diniho ny fiadianao. Misy toerana tsy voambina na tsy voaro ve? Manapaha hevitra izao ny hanampy izay ampahany banga na inona izany na inona. Na tonta toy ny ahoana, na banga toy ny ahoana ny fiadianao, dia tsarovy mandrakariva fa miankina amin’ny herinao hanao izay fanitsiana ilaina no hahafeno ny fiadianao.

“Amin’ny alalan’ny fitsipika lehiben’ny fibebahana no hahafahanao manova ny fiainanao sy manomboka dieny izao ny mampitafy ny tenanao amin’ny fiadian’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fandalinana, sy ny vavaka ary ny fahavononana hanompo an’ Andriamanitra sy hitandrina ny didiny” (Put on the Whole Armor of God,” Ensign, mey 1979, 46).

Manatsara ny fampianarantsika

Miezaka hanana fitiavana tahaka ny an’i Kristy. Ny Fifandraisanao amin’ireo izay ampianarinao dia tokony ho entanin’ny fitiavana. Hahazo fitahiana ianao sy ny mpianatrao raha toa mivavaka mba hampitombo an’io fitiavana tahaka ny an’i Kristy io, ary mikatsaka fomba hanehoana izany (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 6; Môrônia 7:48).