Avia, hanaraka Ahy
21–27 ôktôbra. 1 sy 2 Tesaloniana: -Mba tsy halaky hohetsiketsehina amin’ny saina na hampitahorina hianareo-


“21–27 ôktôbra. 1 sy 2 Tesaloniana: -Mba tsy halaky hohetsiketsehina amin’ny saina na hampitahorina hianareo-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“21–27 ôktôbra. 1 sy 2 Tesaloniana” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
Rahavavy misiônera miresaka amin’ny tovolahy iray

21–27 ôktôbra

1 sy 2 Tesaloniana

“Mba tsy halaky hohetsiketsehina amin’ny saina na hampitahorina hianareo”

Nampianatra i Almà hoe: “Aza matoky olona ho mpampianatra na ho mpiahy anareo raha tsy olon’ Andriamanitra izy ka mandeha amin’ny lalany sy mitandrina ny didiny” (Môsià 23:14). Inona no torohevitra aroson’io soratra masina io mikasika ny fomba tokony hiomananao hampianatra?

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Omeo minitra vitsy ny mpianatra hamakina haingankaingana ny 1 sy 2 Tesaloniana ary hitady andinin-tsoratra masina iray izay manan-danja amin’izy ireo. Asao izy ireo hizara ny andinin-tsoratra masiny amin’ny olona iray hafa ao an-dakilasy, ary aorian’izay dia mangataha vitsivitsy amin’ireo mpiara-miasa tsiroaroa hizara ny zavatra nianarany avy amin’izy samy izy.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

1 Tesaloniana 1:5–8; 2:1–13

Mitory amin-kitsimpo sy amim-pitiavana ireo mpiahin’ny filazantsara.

  • I Paoly dia nanomboka ny epistily nosoratany ho an’ny Tesaloniana tamin’ny fampahatsiahivana tamin’ny Olomasina ny fomba nizaran’izy sy ireo olona hafa ny filazantsara tamin’izy ireo. Mety ho fotoana tsara ho an’ny mpianatrao izany ahafahany mandrefy ny fahaizany mifampianatra sy mianatra zavatra avy amin’izy samy izy. Afaka manasa ny mpianatra ianao hamaky ny 1 Tesaloniana 1:5–8; 2:1–13 ary hitady ireo fitsipika mifandray amin’ny fizarana amim-pahombiazana ny filazantsara. Aorian’izay izy ireo dia afaka manoratra fanontaniana mifototra amin’ireo andininy ireo, izay hanampy azy ireo hanombantombana ny ezaka ataony hampianatra ny filazantsara amin’ny hafa. Ohatra, fanontaniana iray azo apetraka ny hoe: “Moa ve aho fitaratra amin’ny zavatra fantatro?” (Jereo ny 1 Tesaloniana 1:7). Ahoana no ahafahan’ny fanarahana ireo fitsipika ao amin’io andalan-tsoratra masina io manampy antsika hanompo amin’ny fomba tsara kokoa an’ireo izay ampianarintsika?

  • Ny famakiana ny 1 Tesaloniana 1:5–8; 2:1–13 dia mety hampahatsiahy ny mpianatra an’ireo mpampianatra tahaka an’i Kristy izay nitaona azy ireo ho amin’ny tsara “tahaka ny ray amin’ny zanaka” (1 Tesaloniana 2:11). Asao ny mpianatra hanadihady ireo andalan-tsoratra masina ireo mba hitadiavana toetoetra iray mampiavaka ny mpiahy marina iray sy hieritreritra mpampianatra iray izay fantatr’izy ireo fa fitaratra amin’izany toetoetra izany. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanoratra taratasy iray na hanamboatra taratasy mari-pankasitrahana iray ho an’ilay mpampianatra eritreretin’izy ireo. Amporisiho izy ireo hampiditra andinin-tsoratra masina iray avy ao amin’ny 1 Tesaloniana ao anatin’ilay taratasy na ilay mari-pankasitrahana ary hampiditra fanazavana mikasika ny fomba hanehoan’ilay mpampianatra fa hita taratra eo amin’ny fiainany ny zavatra voalaza ao amin’izany andininy izany. Mety hahatsapa ho taomim-panahy mihitsy koa aza izy ireo hanome ilay taratasy na ilay mari-pankasitrahana an’ilay olona izay nosoratan’izy ireo ny momba azy.

1 Tesaloniana 3:9–13; 4:1–12

Rehefa manara-dia an’i Jesoa Kristy isika dia afaka ny ho lasa masina.

  • Nampianatra ny Olomasina Tesaloniana i Paoly fa “Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin’ny fahalotoana, fa amin’ny fahamasinana” (1 Tesaloniana 4:7). Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny fahamasinana dia afaka mihira ny “Ah, Donne-moi Père” (Cantiques, lah. 70) ny mpianatrao rehetra na ny olona iray. Angataho ny mpianatra hiresadresaka ny toetoetry ny fahamasinana izay voalaza ao amin’ilay hira ka manan-danja amin’izy ireo. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Omeo fahamasinana bebe kokoa aho,  …  bebe kokoa, dia asao ny mpianatra hitady teny na andian-teny avy ao amin’ny 1 Tesaloniana 3:9–13; 4:1–12 mba hamenoana ilay fehezan-teny. Ahoana no ahafahantsika manana izany toetoetra izany?

  • Ho an’ny sasany dia mety hampatahotra ilay fanasana mba ho masina. Mety hanampy raha toa ka takatry ny mpianatra fa ny fiezahana hanana fahamasinana dia dingana mandeha miandalana, izay mitaky antsika “hitombo hatrany hatrany” rehefa mandeha ny fotoana (1 Tesaloniana 4:10). Mba hanehoana io dingana io dia afaka manasa mpianatra iray ianao hiresaka mikasika ny talenta na ny zava-bita iray izay nilàna ezaka tsy tapaka tao anatin’ny fotoana naharitraritra, toy ny manamboatra bemiray na mitendry zava-maneno iray. Inona no mampitovy izany amin’ilay dingana hahatongavana ho masina? Asao ny mpianatra hamaky ny 1 Tesaloniana 1:9–13; 4:1-12 ary hizara hevi-baovao mikasika ny ezaka ilaina hatao mba hahatongavana ho masina araka ny fomba nofariparitan’i Paoly. Inona no nanampy antsika hivoatra mankany amin’ny fahamasinana?

1 Tesaloniana 4:11–12; 2 Tesaloniana 3:7–13

Tokony hiasa isika mba hamatsiana izay ilain’ny tenantsika sy ireo izay sahirana.

  • Ny fanontaniana tahaka izao manaraka izao dia afaka mitarika ho amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny torohevitr’i Paoly mikasika ny asa: Inona no vokatry ny fidonanaham-poana? Inona araka ny eritreritreo no tian’i Paoly holazaina tamin’ireo teny hoe “tsara”? (1 Tesaloniana 4:11; 2 Tesaloniana 3:12). Azonao atao ny manoratra fanontaniana tahaka ireto eny amin’ny solaitrabe mba hosaintsainin’ny mpianatrao rehefa mamaky ny 1 Tesaloniana 4:11–12 sy ny 2 Tesaloniana 3:7–13 izy ireo. Asao izy ireo hiara-hiresadresaka momba ireo fanontaniana ireo ka hiaraka tsiroaroa, na ao anatin’ny vondrona maromaro, na hiaraka daholo rehefa manao izany. Inona no soratra masina hafa izay manampy antsika hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny asa sy ny maha-zava-doza ny fidonanaham-poana? (Jereo ireo ohatra nomena ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”)

2 Tesaloniana 2

Misy apôstazia hitranga mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

  • Afaka manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny mpianatrao momba ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny fahatakarana ny Apôstazia Lehibe. Ny Rindran-damina ho an’ity herinandro ityao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia ahitana loharanom-pitaovana maro momba ny Apôstazia. Afaka manasa mpianatra vitsivitsy ianao mba ho vonona hizara hevi-baovao avy amin’ny fandalinan’izy ireo ireo loharanom-pitaovana ireo, na afaka miara-mandalina sy mifanakalo hevitra momba izany ao an-dakilasy ianareo. Misy horonan-tsary iray momba ny Apôstazia koa ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” izay azo ampidirina ao amin’ny fifanakalozanareo hevitra.

  • Mety hanampy ny firesadresahana ny sasany amin’ireo sarin-teny izay nampiasain’ireo mpaminany hamaritana ny Apôstazia, toy ny fihemorana (jereo ny 2 Tesaloniana 2:3), ny mosary (jereo ny Amosa 8:11–12), ny ambodia masiaka miditra ao amin’ny andian’ondry (jereo ny Asan’ny Apostoly 20:28–30), ary ny sofina mangidihidy (jereo ny 2 Timoty 4:3–4). Zarao ho tsiroaroa ny mpianatra dia angataho izy ireo hamaky ny iray na ny mihoatra an’ izany amin’ireto soratra masina ireto (na soratra masina hafa fidinao) sy hilazalaza ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo momba ny Apôstazia Lehibe. Inona no nampianarin’ireo mpaminany momba ny Apôstazia sy ny ho vokatr’izany?

  • Mba hanampiana ny mpianatra hianatra bebe kokoa momba ny Apôstazia Lehibe dia asao izy ireo haka sary an-tsaina hoe manana namana iray izy ireo, izay tsy mahatakatra ny antony ilàna famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny. Manaova tabilao misy tsanganana roa eny amin’ny solaitrabe izay misy lohateny hoe Antony nahatonga ny Apôstazia sy Vokatra nateraky ny Apôstazia. Asao ny mpianatra hiaraka tsiroaroa na ao anatin’ny vondrona kely maromaro hanadihady ilay fizarana mitondra ny lohateny hoe “Ny Apôstazia Lehibe” ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (pejy 41–43) ka hitady ny antony nahatonga ny Apôstazia sy ny vokatr’izany mba hosoratana eny amin’ny solaitrabe. Hevitra inona avy ao amin’io tabilao io no azon’izy ireo ampiasaina hanampiana ilay namany hahatakatra ny antony ilàna ny Famerenana amin’ny laoniny?

  • Mety hitondra tombontsoa ho an’ny mpianatrao ve ny mifanakalo hevitra mikasika ny fomba hiarovana ny tenantsika tsy “hihemotra”? Afaka manasa azy ireo ianao hamakafaka ny 2 Tesaloniana 2 sy hitady ny torohevitra azon’izy ireo omena ny namana iray, ka hanampy azy hisoroka ny fihemoran’ny tenany manokana.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hitaomana ny mpianatra hamaky ny 1 sy 2 Timoty, sy ny Titosy, ary ny Filemona amin’ity herinandro ity dia asao izy ireo haka sary an-tsaina hoe nahazo taratasy ho azy ireo manokana avy tamin’ny Apôstôly iray izay mirakitra torohevitra mikasika ny fomba hanatanterahana ny antson’izy ireo ao amin’ny Fiangonana. Asao izy ireo hieritreritra ny antsony eo am-pamakiany ireo taratasy ho an’ny tena manokana nosoratan’i Paoly ho an’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana taloha ireo.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

1 sy 2 Tesaloniana

Soratra masina momba ny asa sy ny hakamoana.

Horonan-tsary momba ny Apôstazia ao amin’ny LDS.org

  • “L’apostasie et le rétablissement—Ce que signifie le rétablissement pour moi”

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà fomba fampianarana isan-karazany. Mety ho mora ny mizatra mampiasa fomba fampianarana iray manokana, kanefa mety afaka misy akony amin’ny mpianatra samihafa ny fomba fampianarana samihafa. Mitadiava fomba hanovaovana ny fomba fampianaranao, toy ny fampiasana horonan-tsary, hosodoko, na hira, na ny fanomezana fahafahana ny mpianatra hampianatra (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 22).