Testamenta Taloha 2022
11–17 aprily. Paska: “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana”


“11–17 aprily. Paska: -Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“11–17 aprily. Paska,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
fasana miaraka amin’ny vato efa voakodia niala teo amin’ny varavarana

Sarina fasana foana nataon’i Maryna Kriuchenko

11–17 aprily

Paska

“Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana”

Rehefa miomana hampianatra ianao dia eritrereto ny fomba hanampiana ny ankizy hahazo fahatakarana sy fijoroana ho vavolombelona lalina kokoa momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Anontanio ny ankizy ny zavatra ataon’ny ankohonany entina mankalaza ny Paska. Inona no hataon’izy ireo mba hahatsiarovana ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

I Jesoa Kristy no Mpamonjy ahy.

Ny Alahadin’ny Paska dia fotoana tsara ampianarana ny ankizy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy tao Getsemane sy ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana. Izany dia afaka manampy azy ireo hahatsapa ny fitiavan’i Jesoa ho azy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ny sarin’ny Mpamonjy ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, na sary hafa momba ny sorona nataon’ny Mpamonjy (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 56, 57, 58), ary avelao ny ankizy hizara aminao izay fantany momba ireo zava-nitranga eo amin’ireo sary. Tantarao amin’ny ankizy ny fijalian’i Jesoa tao Gethsemane sy teo ambony hazo fijaliana (jereo ny Matio 26:36–46; 27:35–50; Lioka 22:39–46; Jaona 19:16–30; “Toko 51: Nijaly tao amin’ny Sahan’i Getsemane i Jesoa,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 129–32). Mijoroa ho vavolombelona fa vonona ny hijaly sy ho faty ho antsika i Jesoa satria tia antsika Izy. Asao ny ankizy hizara ny fihetseham-pony momba an’i Jesoa Kristy.

  • Vakio amin’ny ankizy ny Jaona 10:9, ka hamafiso ny tenin’i Jesoa hoe “Izaho no vavahady.” Satria nijaly sy maty noho ny fahotantsika i Jesoa, ary ary nitsangana tamin’ny maty, dia afaka hiara-hiaina amin’ Andriamanitra indray isika tsirairay. Ampiasao ny varavaran’ny efitrano fianaranareo hampianarana fa i Jesoa dia toy ny varavarana iray mamela antsika hiverina any amin’ny Ray any An-danitra.

  • Vakio amin’ny ankizy ny Isaia 53:6, dia mampisehoa sarina ondry iray. Avelao ny iray amin’ireo ankizy hametraka ilay sary eo amin’ny zoron-trano lavitra iray ao amin’ny efitrano. Hazavao fa rehefa manao safidy ratsy isika dia manalavitra ny Ray any An-danitra toy ny ondry lasa mania. Dia asao ilay ankizy hampody ilay ondry ary mijoroa ho vavolombelona fa satria nijaly sy maty ho antsika i Jesoa Kristy dia afaka mitondra antsika miverina any amin’ny Ray any An-danitra Izy. (Azonao atao ny mampiseho ny sarin’i Jesoa mpiandry ondry, ohatra: sary 64 ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara.)

  • Miaraha manao hira iray momba an’i Jesoa Kristy, toy ny hoe “Ny fitiavany no natolony ho ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 42-43). Ampio izy ireo hahatsikaritra izay mety ho fahatsapana fiadanan-tsaina sy fitiavana ananany rehefa mihira. Asongadino koa ireo teny ao amin’ny hira izay manoritsoritra ny fitiavan’ny Mpamonjy. Ahoana no ahafahantsika mizara ny fitiavany amin’ny hafa?

Maty sy nitsangana tamin’ny maty ho ahy i Jesoa.

Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hahafantatra fa noho ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia hatsangana amin’ny maty isika sy ny olon-tiantsika indray andro any?

Sary
I Kristy eo amin’ny hazo fijaliana

Andro maloka tao Golgota, nataon’i J. Kirk Richards

Asa atao azo tanterahina

  • Lazao amin’ny ankizy ny momba ny fahafatesan’i Jesoa sy ny Fitsanganany tamin’ny maty (jereo ny Marka 15–16). Ampiasao ny sary amin’ny rindran-damina ho amin’ity herinandro ity, sary 57-60 ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara, na “Toko 54: Nitsangana i Jesoa” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao (pejy 139–144) mba hanampiana ny ankizy haka sary an-tsaina ilay tantara.

  • Ampio ny ankizy hahatakatra fa ny fitsanganana amin’ny maty dia midika fa rehefa maty isika dia ho velona indray mandrakizay miaraka amin’ny vatana tonga lafatra ka tsy ho faty intsony. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Fitsanganana amin’ny maty, ary avelao ny ankizy hiasa ao amin’ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity. Asao ny ankizy hampiasa izany hizarana amin’ny fianakaviany ny tantaran’ny Fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty.

  • Vakio amin’ny ankizy ny Almà 40:23. Asehoy azy ny tananao ao anaty fonon-tanana. Lazao azy ireo fa ny tananao dia toy ny fanahy ary ny fonon-tanana dia toy ny vatana. Alao ny fonon-tànana mba hampisehoana fa rehefa maty isika dia handao ny vatantsika ny fanahintsika. Apetraho indray ilay fonon-tanana hanehoana ny Fitsanganana amin’ny maty.

  • Miaraha manao hira iray momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy amin’ny maty, toy ny “Moa ve Jesoa nitsangana?” na ny “Nitsangana indray Jesoa Kristy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 45, 44). Mijoroa ho vavolombelona fa noho i Jesoa Kristy dia ho velona indray isika ary hanana vatana tonga lafatra aorian’ny fahafatesantsika.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Nijaly ho ahy Jesoa.

Rehefa mandalina ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ianao dia eritrereto ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra ny fomba hitahian’ny Mpamonjy sy hampatanjahany azy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Zarao ho vondrona telo ny ankizy ary omeo ny iray amin’ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto ny vondrona tsirairay: Isaia 53:4–12; Almà 7:11–13; ary Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19. Asao ny ankizy hitady teny sy andian-teny izay mamaritra ireo zavatra niaretan’i Jesoa Kristy ho antsika. Asao izy ireo hanoratra ny valinteniny eny amin’ny solaitrabe ary hizara ny fahatsapan’izy ireo momba ny Mpamonjy rehefa avy namaky ireo soratra masina ireo.

  • Manomàna tapa-taratasy. Soraty amin’ny antsasak’izany ireo andalan-tsoratra masina ao amin’ny Testamenta Taloha mikasika ireo faminaniana momba an’i Jesoa Kristy. Soraty amin’ny antsasany hafa ireo andalan-tsoratra masina ao amin’ny Testamenta Vaovao momba ny fomba nahatanteraka ireo faminaniana ireo. (Ny indran-damina ho amin’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia mitanisa ohatra vitsivitsy.) Asao ny ankizy hamaky ireo andinin-tsoratra masina ka hampifandray ireo faminaniana miaraka amin’ny fahatanterahan’izy ireny.

  • Ampio ny ankizy hanao tsianjery ny fanekem-pinoana fahatelo. Inona no ampianarin’io soratra masina io antsika momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany?

  • Anontanio ny ankizy ny fomba hamaritany ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy amin’ny olona iray. Amporisiho izy ireo hampiasa soratra masina, fihirana na sary hanehoana ny dikan’ny sorom-panavotan’ny Mpamonjy amin`izy ireo. Ahoana no fomba hitahiana antsika noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy?

Maty sy nitsangana tamin’ny maty ho ahy i Jesoa.

Ny fisian’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia afaka mitondra fanantenana sy fifaliana lehibe ho antsika, indrindra miaina ny fahafatesan’ny olon-tiana iray isika. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hahita fampiononana amin’ny Fitsanganana amin’ny maty?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampisehoy ny sary 57–59 ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara. Angataho ny ankizy mba hampifandray ireo sary amin’ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto: Matio 27:29–38; Matio 27:59–60; ary Jaona 20:10–18. Dia asao ny ankizy hitantara ny tantaran’ny fahafatesan’i Jesoa, ny fandevenana Azy ary ny Fitsanganany tamin’ny maty amin’ny tenin’izy ireo manokana.

  • Vakio miaraka amin’ny ankizy ny Joba 14:14. Asao ny ankizy hizara ny fomba hamalian’izy ireo ny fanontanian’i Joba. Ampio izy ireo hahita soratra masina izay mijoro ho vavolombelona momba ny Fitsanganana amin’ny maty (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fitsanganana amin’ny maty,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  • Iaraho mamaky amin’ny ankizy ny Mosesy 1:39. Anontanio izy ireo raha toa ka fantany ny maha-samy hafa ny “tsy fahafatesana” sy ny “fiainana mandrakizay.” Asao izy ireo hitady valiny ao amin’ny andiam-pehezan-teny voalohany ao amin’ny “Fiainana Mandrakizay” (Lohahevitra araka ny filazantsara, topics.ChurchofJesusChrist.org). Iza no handray ny tsy fahafatesana? Inona no takiana hahazoana ny fiainana mandrakizay? Mijoroa ho vavolombelona fa ireo fanomezana sarobidy roa ireo dia tanteraka noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

  • Iaraho manao ny hira Paska na fihirana iray, toy ny “Nalefany ny Zanany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 20) na “Tafatsangana Kristy!” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 107). Asao ny ankizy hizara ny fahatsapan’izy ireo rehefa mihira ireo hira ireo. Inona no ampianarin’ireo hira ireo momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Asao ny ankizy hanoratra ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba ny Mpamonjy mba hozaraina ao an-tokantrano miaraka amin’ny fianakaviany.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hanampiana ny ankizy hizara amin’ny fianakaviany izay nianarany tao amin’ny kilasy dia amporisiho izy ireo hanao hira any an-tokantrano amin’ity herinandro ity momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Manatsara ny fampianarantsika

Afaka mamantatra ny fitaoman’ny Fanahy ny ankizy. Ampianaro ny ankizy fa ny fahatsapana ananan’izy ireo rehefa miresaka na mihira momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany dia avy amin’ny Fanahy Masina ary afaka manorina ny fijoroana ho vavolombelona ananany ireo fahatsapana ireo.