Testamenta Taloha 2022
28 martsa–3 aprily. Eksodosy 7–13: “Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta”


“28 martsa–3 aprily. Eksodosy 7–13: -Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“28 martsa–3 aprily. Eksodosy 7–13,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Mosesy, sy i Aharôna, ary i Farao

Sarin’i Mosesy sy i Aharôna teo amin’ny lapan’i Farao, nataon’i Robert T. Barrett

28 martsa–3 aprily

Eksodosy 7–13

“Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta”

Rehefa mamaky ny Eksodosy 7–13 ianao dia eritrereto ny fomba hanamafisan’ireo fahamarinana ao amin’ireo toko ireo ny finoanao an’i Jesoa Kristy. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hanana traikefa mitovy amin’izany?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mametraha sary maromaro maneho ireo zavatra ao amin’ny Eksodosy 7–13 (toy ny sahona, lalitra ary zanak’ondry) ao ambanin’ny lamba eo ambony latabatra. Asao ny ankizy maromaro haka sary iray avy ao ambanin’ilay lamba, ary asao ny iray kilasy hizara izay nianarany momba io sary io tany an-tokantrano tamin’ity herinandro ity.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Eksodosy 7–11

Manana fahefana amin’ny zavatra rehetra ny Tompo.

Tao anatin’ny fahababoana ny Isiraelita ka tsy afaka nanafaka ny tenan’izy ireo, naneho ny heriny anefa ny Tompo ka nanafaka azy ireo. Ahoana no ahafahanao mampiasa io tantara io hanampiana ny ankizy hatoky ny Tompo sy ny heriny?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio ireo andininy voafantina avy ao amin’ny Eksodosy 7–11 hampianarana ny ankizy momba ireo loza folo izay nalefan’ny Tompo tamin’ny Egyptiana. Asao ny ankizy hanao sary izay maneho ny sasany amin’ireo loza. Angataho ny ankizy mba hanangana ny sariny rehefa manao famerenana momba ireo loza ianao. Vakio ireo andian-teny avy ao amin’ny Eksodosy 7: 5 sy 9:14 mba hanazavana ny antony nandefasan’ny Tompo ny loza tany Egyptapta.

  • Zarao amin’ny ankizy ny fomba nanehoan’ny Tompo taminao “fa tsy misy tahaka [Azy] amin’ ny tany rehetra.” (Eksodosy 9:14). Avelao ny ankizy hizara ny fomba hahafantarany fa mahery ny Tompo.

Eksodosy 12:1–13; 13:10

Ny fanasan’ny Tompo dia manampy ahy hahatsiaro an’i Jesoa.

Ny Paska dia nampianatra ny Isiraelita momba ny Mpamonjy sy ny sorona hataony ho antsika indray andro any. Androany isika dia nandray ny fanasan’ny Tompo hahatsiarovana ny sorona nataon’i Jesoa.

Sary
olona mandray ny fanasan’ny Tompo

Ny fanasan’ny Tompo dia manampy antsika hahatsiaro an’i Jesoa Kristy.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampiasao ny Eksodosy 12:1–13, dia lazao amin’ny ankizy ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’ny Isiraelita mba ho voavonjy amin’ny loza farany izy ireo. Asehoy ny sarin’i Jesoa mitondra ny zanak’ondry very (Boky mirakitra ny filazantsara, lah. 64), dia hamafiso ireo fitoviana eo amin’ny zanak’ondry nampiasaina tamin’ny Paska sy i Jesoa Kristy, ilay Zanak’ondrin’ Andriamanitra.

  • Angataho ny ankizy hilaza ireo zavatra ataontsika mba hahatsiarovana ireo tranga manan-danja toy ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana sy ny fialantsasatra. Vakio ny Eksodosy 13:10, ary hazavao fa nangataka ny zanak’Israely mba hankalaza ny Paska isan-taona ny Tompo hanampiana azy ireo hahatsiaro fa namonjy azy ireo tamin’ny Egyptiana izy. Inona avy ireo fomba sasany ahafahantsika mahatsiaro fa namonjy antsika tamin’ny ota sy ny fahafatesana i Jesoa?

  • Raha azo atao dia tsidiho miaraka amin’ny ankizy ny latabatra fanasan’ny Tompo, ary resaho ny fomba hanampian’ny fanasan’ny Tompo antsika hahatsiaro an’i Jesoa Kristy. Iaraho manao ny hira iray maneho fanajana lalina momba an’i Jesoa Kristy. Ampio ny ankizy hahatsikaritra ny fahatsapana milamina ananan’izy ireo rehefa mieritreritra momba ny Mpamonjy izy ireo, ary asao izy ireo hikatsaka izany fahatsapana izany rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.

  • Omeo sombin-taratasy ny ankizy misy ny teny hoe “Afaka mahatsiaro an’i Jesoa Kristy aho mandritra ny fanasan’ny Tompo amin’ny alalan’ny …” voasoratra eny ambony. Asao izy ireo hanao sarin-javatra izay azon’izy ireo jerena mandritra ny fanasan’ny Tompo hanampiana azy ireo hahatsiaro an’i Jesoa.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Eksodosy 7–11

Manana hery hanafahana ahy ny Tompo.

Miatrika fanamby ny ankizy ary mila ny Tompo hanampy azy ireo. Ny tantaran’ireo loza folo nalefan’ny Tompo mba hanafahana ny Isiraelita dia afaka manampy ny ankizy hahatakatra fa Izy koa dia manana hery hanampiana azy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Omeo taratasy iray mizara ho fizarana folo ny ankizy tsirairay, dia asao ny ankizy mba hanao sary momba ireo loza izay voalaza ao amin’ireto andininy ireto: Eksodosy 7:17–18; 8:1–4; 8:16–17; 8:20–22; 9:1–6; 9:8–9; 9:22–23; 10:4–5; 10:21–22; 11:4–7. Inona no ampianarin’ireo loza momba ny herin’ Andriamanitra? Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra momba ny heriny?

  • Anontanio ny ankizy ny fotoana izay nahatsapan’izy ireo fa nila ny fanampian’ny Tompo. Ahoana no ahafahany manampy antsika ao anatin’ireny toe-javatra ireny? Amporisiho izy ireo hiresaka momba ny fotoana niainan’izy ireo na ny fianakaviany ny herin’ny Tompo teo amin’ny fiainany. Mijoroa ho vavolombelona fa manana hery hanampiana antsika ny Tompo.

Eksodosy 8:28–32; 9:7

Afaka manampy ahy ny Tompo mba hanana fo malefaka.

Nisafidy ny hanamafy ny fony i Farao rehefa nasain’ny Tompo handefa ny zanak’i Isiraely izy. Ahoana no ahafahanao manome aingam-panahy ny ankizy ampianarinao hisafidy hanana fo malefaka ka ho vonona ny hanompo ny Tompo sy hanao ny sitrapony izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Mitondrà zavatra mafy iray, toy ny vato, ary zavatra malefaka, toy ny spaonjy. Vakio miaraka amin’ny ankizy ny andininy vitsivitsy mamaritra ny fomba namalian’i Farao ireo loza nalefan’ny Tompo (jereo ny Eksodosy 8:28–32; 9:7), ary anontanio ny ankizy hoe inona amin’ireo zavatra roa ireo no maneho ny fon’i Farao na ny toetoetrany. Inona no dikan’ny hoe manana fo malefaka? (jereo ny Môzià 3:17).

  • Manaova lisitra misy fihetsika izay mety haneho fa manana fo mafy isika (ohatra, miady amin’ny iray tampo na tsy te hivavaka). Ahoana no fomba hampisehoantsika ny Tompo fa te hanana fo malefaka isika?

Eksodosy 11:5–6; 12:1–13

Ny Paska dia maneho ilay hery manavotr’i Jesoa Kristy.

Ny Paska dia nampianatra ny zanak’Israely fa ny Tompo dia nanafaka azy ireo tany Egypta. Ny Paska koa dia tandindon’ny sorompanavotana nataon’i Jesoa Kristy izay manafaka antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana. Ankehitriny, ny fanasan’ny Tompo dia manampy antsika hahatsiaro ny sorona nataon’i Jesoa Kristy ho antsika. Afaka manampy ny ankizy hanana traikefa manan-danja kokoa amin’ny fanasan’ny Tompo ny fampianarana azy ireo momba ny Paska.

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy sasany hamaky ny Eksodosy 11:5–6 mba hahafantarany momba ny loza farany nalefan’ny Tompo tamin’ny Egyptiana. Angataho ny ankizy hafa mba hamaky ny Eksodosy 12:3, 5–7, 13 mba hahafantarana momba ny fomba namonjena ny zanak’Israely tamin’io loza io.

  • Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra fa ny Mpamonjy no ilay Zanak’ondry izay manafaka antsika dia mampisehoa sarina zanak’ondry iray. Asao ny ankizy mba hamaky ny Eksodosy 12:3–7 hahitana hoe zanak’ondry toy ny ahoana no nirian’ Andriamanitra hampiasain’ny olona tamin’ny sakafo Paska. Inona no mampitovy io zanak’ondry io amin’i Jesoa Kristy? (Ohatra, tonga lafatra i Jesoa, ary nandatsaka ny rany i Jesoa mba hamonjy antsika.) Inona no tandindona hafa manampy antsika hieritreritra momba an’i Jesoa Kristy?

  • Iaraho mamaky ny vavaky ny fanasan’ny Tompo (jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79). Inona no mampitovy ny fanasan’ny Tompo amin’ny Paska? Inona no azontsika atao hieritreretana momba an’i Jesoa mandritra ny fanasan’ny Tompo?

  • Zarao amin’ny ankizy ny iray amin’ireo hira atao amin’ny fanasan’ny Tompo ankafizinao indrindra (jereo ny Cantiques, n° 96-118), ary resaho ny fomba hanampian’izany anao hahatsiaro ny sorona nataon’ny Mpamonjy. Asao ny ankizy hizara hira iray toy izany koa ho azy ireo.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hizara amin’ny fianakaviany ny zavatra nianarany momba an’i Jesoa Kristy nandritra ny Kilonga androany.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy haka sary an-tsaina ny tantara. Rehefa manana sary jerena momba ny zavatra ianarany ireo ankizy dia mety hahatadidy kokoa izany. Mitadiava fomba hanampiana ny ankizy hahazo sary an-tsaina ireo tantara ao amin’ny soratra masina amin’ny alalan’ny fanampiana ny fitadidiana toy ny sary, sary atao, horonantsary, saribakoly ahetsika na lalao an-tsehatra.