Testamenta Taloha 2022
18–24 aprily. Eksodosy 18–20: “Izay teny rehetra nolazain’ i Jehovah dia hataonay.”


“18–24 aprily. Eksodosy 18–20: -Izay teny rehetra nolazain’ i Jehovah dia hataonay,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“18–24 aprily. Eksodosy 18–20,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
tendrombohitra

Tendrombohitra iray ao Egypta izay inoana fa mety ho ny Tendrombohitra Sinay

18–24 aprily

Eksodosy 18–20

“Izay teny rehetra nolazain’ i Jehovah dia hataonay”

Rehefa mamaky ny Eksodosy 18–20 ianao, dia eritrereto ireo fitsipika izay mety hanan-danja indrindra amin’ny ankizy. Mety ho voatarika ianao mba hanamafy fitsipika iray hafa ankoatra ireo voalaza etsy ambany.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny ankizy hizara ny iray amin’ireo Didy Folo (na avereno jerena miaraka amin’izy ireo ny didy vitsivitsy) ary nahoana izy ireo no mahatsapa fa zava-dehibe ny fankatoavana izany didy izany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Eksodosy 18:8–12

Afaka mitahy ny hafa ny fizarako ny fijoroana ho vavolombelona ananako.

Nifaly i Jetro raha nizara ny zavatra nataon’ny Tompo ho an’ny zanak’Israely i Mosesy. Ity tantara ity dia afaka manome aingam-panahy ny ankizy ampianarinao mba hizara amin’ny hafa izay fantany fa marina.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ireto teny manaraka ireto avy ao amin’ny Eksodosy 18:8: “Ary nambaran’i Mosesy tamin’ny rafozany izay rehetra efa nataon’i Jehovah.” Anontanio ny ankizy raha tadidin’izy ireo ny zavatra nataon’ny Tompo hanampiana ny zanak’Israely handositra an’i Egypta. (Mba hanampiana azy ireo hitadidy, dia asehoy ireo sary na pejin’ny asa atao avy tao amin’ireo lesona teo aloha). Inona ireo zavatra nataon’ny Tompo mba hanampiana antsika? Ampio ny ankizy hahafantatra fa toa an’i Mosesy dia afaka milaza amin’ny olona hafa momba ny zavatra lehibe nataon’ny Tompo ho antsika isika.

  • Ny kilasin’ny Kilonga dia mety ho toerana lehibe ho an’ny ankizy hampiharana ny fizarana fijoroana ho vavolombelona tsotra. Zarao amin’izy ireo ny fijoroana ho vavolombelona anananao, ary ampio izy ireo hizara amin’ny hafa ireo fahamarinan’ny filazantsara inoan’izy ireo.

Eksodosy 20:3–17

Manome didy Andriamanitra satria tiany ho sambatra aho.

Ny baiko dia torolalana avy amin’ny Ray any An-danitra hikatsahana ny fiadanana eto amin’ity fiainana ity sy fifaliana any amin’ny mandrakizay. Ahoana no fomba hamporisihanao ny ankizy hankatò ireo didin’ Andriamanitra?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hizara ny zavatra fantany momba ny tantaran’ny didy folo. Ampio izy ireo hahatakatra ny ampahany rehetra amin’ny tantara izay tsy hain’izy ireo.

  • Rehefa mamaky ny didy maro avy ao amin’ny Eksodosy 20:3–17 amin’ny ankizy ianao (na ampifanaraho ireo amin’ny teny takatr’izy ireo izany), dia asao izy ireo hampakatra ny ankihibeny raha toa ka zavatra tokony hataontsika ilay didy ary hanondrika ny ankihibeny raha zavatra tsy tokony hataontsika izany. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fahasambarana azo avy amin’ny fankatoavana ny didin’Andrimanitra (jereo ny Môzià 2:41).

  • Hirao miaraka amin’ny ankizy ny hira iray momba ny fomba hitahian’ny Ray any An-danitra antsika rehefa mankatò ireo didy, toy ny “Hajao ireo didy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 68-69). Asao ny ankizy hihaino ireo tononkira hahitana ireo fitahiana azontsika raisina rehefa mankatò isika.

Eksodosy 20:12

Afaka manome voninahitra ny ray aman-dreniko aho.

Ny fanomezam-boninahitra ny ray aman-dreny dia mihoatra noho ny mankatò azy ireo fotsiny. Ampio ny ankizy hahatakatra ireo fomba hafa ahafahan’izy ireo manome voninahitra ny ray aman-dreniny.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hianatra ilay andian-teny hoe “Hajao ny rainao sy ny reninao” (Eksodosy 20:12). Raha ilaina dia hazavao fa ny hoe “manome vonihanitra” ny olona dia mety midika hoe maneho fanajana azy na mitondra fahasambarana ho azy. Inona no nataon’i Jesoa hanomezam-boninahitra ny Rainy any An-danitra? Ahoana no fomba nanajany ny reniny? (jereo ny Lioka 2:48–51; Jaona 19:26–27). Ampio ny ankizy hieritreritra zavatra azon’izy ireo atao mba hanomezam-boninahitra ny ray aman-dreniny ary asao izy ireo hilalao an-tsehatra ny heviny.

  • Asao ny ankizy hanamboatra karatra fisaorana ho an’ny ray aman-dreniny. Azon’izy ireo atao ny manoratra na manao sary ao anatin’ilay karatra ireo zavatra hataon’izy ireo mba hanomezam-boninahitra ny ray aman-dreniny.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Eksodosy 20:13–26

Afaka manampy “hitondra ny enta-mavesatra” aho amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo

Nianatra i Mosesy fa ny fiezahana hitarika ny zanak’ Israely rehetra samy irery dia “tsy tsara” (Eksodosy 18:17). Ny fifankatiavana sy ny fifanompoana dia afaka manampy hanamaivana ny enta-mavesatr’ireo mpitarika antsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy mba hanao sarina faribolana maromaro eny amin’ny solaitrabe haneho ireo mpikambana ao amin’ny paroasy. Manaova sarina faribola iray antsoina hoe eveka. Fa maninona no ho lasa olana raha ny eveka irery no manampy ny olon-drehetra? Iaraho mamaky ny Eksodosy 18:13–26 hahitana izay torohevitra nomen’i Jetro tamin’ny fotoana niezahan’i Mosesy hanao ny zava-drehetra tamin’ny tenany samirery. Angataho ny ankizy mba hametaka faribolana hafa haneho ireo mpitarika sy mpikambana hafa ao amin’ny paroasy izay manampy ny eveka hanompo ny hafa. Inona no ataon’ireo mpitarika sy ny mpikambana hafa ireo hanamaivanana ny enta-mavesatry ny eveka? Ahoana no ahafahantsika manao toy izany ho an’ireo mpitarika ao amin’ny paroasintsika? ho an’ny ray aman-dreny ao an-tokantrano?

  • Ampio ny ankizy hanao ny lisitr’ireo mpitarika ao amin’ny paroasinao. Asaivo misafidy iray amin’izy ireo ny kilasy dia ifanakalozy hevitra izay hataon’io olona io hanatontosana ny asan’ny Tompo ary izay azon’ny ankizy atao mba hanampiana.

    Sary
    lehilahy mifandray tanana amin’ny vehivavy iray.

    Ny fanompoana ny olona hafa dia fomba iray ahafahantsika manampy amin’ny asan’ny Tompo.

Eksodosy 20:1–7

Zava-dehibe ny fametrahana ny Tompo ho lohalaharana eo amin’ny fiainako.

Isika rehetra dia manana zavatra izay mety hahatonga antsika ho halaim-panahy ametraka izany mialoha an’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra ny dikan’ny hoe mametraka ny Ray any An-danitra ho lohalaharana?

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky ny Eksodosy 20:1–7, ary hazavao fa izay rehetra omentsika toerana mialoha an’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika dia mety hitovy amin’ireo “andriamanitra hafa” sy ny “sary voasokitra” voalaza ao amin’ny andininy 3-4. Anontanio ny ankizy ny antony anirian’ny Ray any An-danitra ny hanaovantsika Azy ho lohalaharana. Inona ireo fitahiana ampanantenainy antsika raha manao izany isika? Anontanio ny ankizy ny fomba ahafahantsika maneho amin’ny Ray any An-danitra fa manan-danja kokoa Izy noho ny zavatra hafa rehetra eo amin’ny fiainantsika.

  • Mieritrereta asa iray izay misy dingana voalohany lehibe, toy ny fanasana tanana alohan’ny hisakafoana na fametahana ba-kiraro alohan’ny hametahana kiraro. Inona no mety hitranga raha tsy manao ireo zava-dehibe ireo aloha isika? Inona no itovian’izany amin’ny fametrahana ny Ray any An-danitra ho voalohany eo amin’ny fiainantsika? Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fomba nitahiana anao noho ny fametrahana an’ Andriamanitra ho voalohany, ary asao ny ankizy hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany koa.

  • Miaraha manao hira iray momba ny Ray any An-danitra, toy ny “Tia ahy ny Ray any An-danitra” (Bokin-kiran’ny ankizy, 16–17). Inona no ianarantsika avy amin’ilay hira momba ny maha-manan-danja ny mametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika?

Eksodosy 20:3–17

Manome didy Andriamanitra satria tiany ho sambatra aho.

Ny ankizy dia mety hitandrina kokoa ireo didy raha toa ka raisiny ho fanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fahafahana maneho ny fitiavan’izy ireo Azy izany.

Asa atao azo tanterahina

  • Manomàna tapa-taratasy misy ireo didy ao amin’ny Eksodosy 20:3–17. Soraty eo amin’ny solaitrabe ny isa iray ka hatramin’ny folo, ary asao ny ankizy hametraka ireo tapa-taratasy araka ny filaharana marina eo amin’ny solaitrabe. Miresaha momba ny fomba ahafahantsika manaraka ireo didy ireo.

  • Asao ny ankizy haka sary an-tsaina ireo teny manan-danja avy amin’ireo didy hanampiana azy ireo hahatsiaro azy ireny.

  • Tantarao ny tantara momba an’i Chloe avy amin’ny hafatry ny Rahavavy Carole M. Stephens “Raha tia ahy ianareo dia hitandrina ny didiko” (Liahona, nôv. 2015, 118–20). Ahoana no anampian’io tantara io antsika hahatakatra ny antony hanomezan’ny Tompo didy ho antsika? Ahoana no maneho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra ny fankatoavana?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hieritreritra zavatra izay tiany atao noho izay nianarany tao an-dakilasy. Ampio izy ireo hanao fampahatsiahivana tsotra momba izay hataony ka azony entina mody.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy hahafantatra ny Fanahy. Afaka mamantatra ny fitaoman’ny Fanahy ny ankizy. Ampianaro izy ireo fa ireo fahatsapana fiadanana sy fitiavana ary hafanana izay ananany rehefa miresaka na mihira momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany dia avy amin’ny Fanahy Masina.