Testamenta Taloha 2022
4–10 aprily. Genesisy 14–17; Mosesy 8: “Jehovah hiady ho anareo, fa hianareo kosa hangina.”


“4–10 aprily. Eksodosy 14–17: -Jehovah hiady ho anareo, fa hianareo kosa hangina,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“4–10 aprily. Eksodosy 14–17,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
Ranomasina Mena

Ny Ranomasina Mena

4–10 aprily

Eksodosy 14–17

“Jehovah hiady ho anareo, fa hianareo kosa hangina.”

Rehefa mamaky ny Eksodosy 14–17 ianao, dia raketo ireo fahatsapana ara-panahy voarainao. Ireny fahatsapana ireny dia afaka hanampy anao hiomana hampianatra ny ankizy ireo soratra masina sy fahamarinana nianaranao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ny Eksodosy 14–17 dia feno tantara tsy hay adinoina. Asao ny ankizy hizara ny tantara fantany avy ao amin’ireo toko ireo, miaraka amin’ny zavatra nianarany avy tamin’izany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Eksodosy 14:5–22

Nanafaka an’i Mosesy sy ny vahoakany ny Tompo.

Fahagagana iray naneho tamin’i Mosesy sy ny Isiraelita fa mahery ny Tompo. Ny fahafantarana ny heriny dia afaka manampy ny ankizy hatoky Azy.

Asa atao azo tanterahina

  • Mieritrereta fomba hizarana ny tantaran’ny Isiraelita niampita ny Ranomasina Mena amin’ny fomba mahaliana sy tsy hay hadinoina. Ohatra, afaka miakanjo toa an’i Mosesy ianao na ny olona iray hafa ao amin’ny paroasy mba hitantarana ilay tantara ao amin’ny Eksodosy 14:5, 9–10, 13–16, 19–22. Azon’ny ankizy odiana atao hoe ny Ranomasina Mena ireo seza, dia azon`izy ireo atao ny manaraka ilay olona maneho an’i Mosesy rehefa manao lalana eo anelanelan’izy ireo izy. Na ireo ankizy dia afaka mody manao hoe rano ka mamindra mba hanasarakany sisiny amin’ny efitra rehefa nosarahin’i Mosesy izy ireo. Antitrantero fa nomen’ny Tompo an’i Mosesy ny hery hamaky ny ranomasina mba hahafahan’ny Isiraelita ho afaka tamin’ny fahababoana.

  • Asao ny ankizy handoko ny pejin’ny asa atao rehefa mamerina miaraka amin’izy ireo ny tantara avy ao amin’ny Eksodosy 14:5–22. Dia afaka miara-niasa izy ireo mitantara ilay tantara amin’ny fampiasana ny pejin’ny asa atao.

Eksodosy 15:23–25; 16:14–15; 17:1–6

Hanome izay ilaiko ny Tompo.

Ny tantaran’ny nanomezan’ny Tompo sakafo sy rano ho an’ny Isiraelita tany an-tany efitra dia mampianatra antsika fa afaka manome izay ilaintsika Izy. Saintsaino izay azonao atao mba hampandraisana anjara ny ankizy amin’ny fianarana ireo tantara ireo.

Sary
vehivavy manangona mana

Ny mana avy tamin’ Andriamanitra dia namahana ara-batana an’ny Isiraely; mila sakafo ara-panahy isan’andro ihany koa isika. Fresco nataon’i Leopold Bruckner

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hilalao an-tsehatra ireo tranga ao amin’ny Eksodosy 15:23–25; 16:14-15; 17:1–6 ireto, ka hilalao ny toeran’i Mosesy na ny Isiraelita. Raha azo atao dia mitondrà zavatra iray hanampy amin’ny fitantarana ny tantara tsirairay, toy ny sampan-kazo (hanasitrana ny rano any Mara), ny siny na vilany (hofenoina mana), ary hazo ary vato (ho an’ny rano any Horeba). Ahoana no nikarakaran’ Andriamanitra ny Isiraelita? Ahoana no fomba hikarakarany antsika isan’andro?

  • Zarao ataovy fohifohy ireo tantara ao amin’ny Eksodosy 15:23–25; 16:14-15; 17:1–6. Rehefa mizara izany ianao dia asao ny ankizy hanao sary ireo tantara tsirairay. Inona no ianarantsika momba an’ Andriamanitra avy ao amin’ireo tantara ireo?

Eksodosy 17:8–16

Afaka manohana ny mpaminanintsika aho.

Ny tantaran’i Arona sy Hora mitazona ny tanan’i Mosesy mpaminany dia azo oharina amin’ny ezaka ataontsika hanohana ny mpaminanintsika velona.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy telo hitsangana eo anoloan’ilay efitrano ary hisolo tena an’i Mosesy, Arona ary Hora eo am-pitantaranao ny tantara avy ao amin’ny Eksodosy 17:8–16. Inona no azontsika atao ankehitriny hanampiana ny mpaminanintsika, sahala amin’i Arona sy i Hora izay nanampy an’i Mosesy mpaminany?

  • Asehoy ny sarin’ny mpaminany velona, dia anontanio ny ankizy hoe iza izy. Ampio ny ankizy hahatsiaro ny sasany amin’ireo zavatra izay nampianarin’ny mpaminany antsika vao tsy ela. Angataho ny ankizy hizara ny sasany amin’ireo fomba hanarahan’izy ireo ny mpaminany. Iaraho manao ny andininy vitsivitsy amin’ilay hira “Araho hatrany ny mpaminany,” anisan’izany ny andininy farany (Bokin-kiran’ny ankizy, 58).

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Eksodosy 14:5–22

Afaka mianatra manaraka ny Fanahy lalandava aho.

Fantatr’i Mosesy tamin’ny alalan’ny fanambarana ny fomba hitarihana ny Isiraelita hiampita ny Ranomasina Mena (jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3). Ahoana no ahafahan’ity tantara ity manampy ny ankizy ampianarinao hanao asa araka ny fanambarana ho an’ny tena manokana?

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ny sarin’i Mosesy mamaky ny Ranomasina Mena ao anatin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Angataho ny ankizy mba hamerina hijery ny Eksodosy 14:5–22 ka hizara ny zavatra fantany momba ilay tantara. Manampy inona amin’ny fahatakarantsika ilay tantara ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3? Lazao ny zava-niainana iray ka nilazan’ny Fanahy Masina zavatra tao an-tsainao na tao am-ponao, dia asao ny ankizy hiresaka momba ny zavatra niainany.

  • Ampahatsiahivo ireo ankizy ny tantaran’i Nefia manaraka ny Fanahy rehefa nandeha haka ny takelaka varahina izy (jereo ny 1 Nefia 4:1–6). Ampio ny ankizy hahita fa tsy maintsy manaraka ny Fanahy koa i Mosesy rehefa nitarika ny olony namakivaky ny Ranomasina Mena. Ampio ny ankizy hanoratra andininy vaovao ho an’ny “Herim-pon’i Nefia” (Bokin-kiran’ny ankizy, 120–21) momba ny fomba nanoroan’ny Tompo lalana an’i Mosesy rehefa naneho herim-po sy nanaraka ny Fanahy izy. Hirao ilay andininy vaovao.

Eksodosy 15:23–25; 16:14–15; 17:1–6

Hanome izay ilaiko ny Tompo.

Raha mitodika any amin’i Jesoa Kristy isika dia afaka manampy antsika mandritra ny fotoan-tsarotra eo amin’ny fiainantsika Izy, tsy misy hafa amin’ny nanampiany ny zanak’Israely.

Asa atao azo tanterahina

  • Zarao ho tsiroaroa na vondrona kely ny kilasy, ary asao ny vondrona tsirairay hamaky ny iray amin’ireto andinin-tsoratra manaraka ireto: Eksodosy 15:23–25; 16:14-15; 17:1-6. Angataho ny ankizy ao amin’ny vondrona tsirairay hanao sary maneho ny zavatra novakiany tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo, ary angataka ny mpianatra hafa hamantatra ny sary nataony. Ampio ny ankizy hamantatra izay ampianarin’ireo tantara ireo momba an’i Jesoa Kristy. Inona ireo fitsapana atrehin’ny olona ankehitriny? Ahoana no anampian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy antsika amin’ireo fitsapana ananantsika?

  • Rehefa mandinika ireo tantara ireo ianao dia anontanio ny ankizy ny antony maha-zava-dehibe ny mofo sy rano tamin’ny zanak’Israely. Inona no mety hitranga raha tsy nanana ireo zavatra ireo izy ireo? Ampio ny ankizy hahatakatra fa ny mofo sy ny ranon’ny fanasan’ny Tompo dia ilaintsika ara-panahy (jereo ny Jaona 4:13–14; 6:35, 48–51). Azonao atao ny mangataka ny ankizy hizara ny fihetseham-pony momba ny fanasan’ny Tompo.

Eksodosy 17:8–16

Voatahy isika rehefa manohana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

Rehefa niakatra ambony ihany ny tanan’i Mosesy no nandresy ny Isiraelita teo amin’ny ady tamin’i Amaleka. Inona no azontsika ianarana momba ny fanohanana ny mpitarika antsika amin’ity tantara ity?

Asa atao azo tanterahina

  • Mba hanampiana ny ankizy hamerina hijery ny tantara ao amin’ny Eksodosy 17:8–16, dia soraty eo amin’ny solaitrabe hoe: Iza no nanampy an’i Mosesy nandritra ny ady? Inona no nataon’izy ireo? Inona no vokany? Asao ny ankizy hitady valin-teny ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Inona no ampianarin’ity tantara ity mikasika ny fomba ahafahantsika manampy ny fanjakan’ Andriamanitra mba hahomby? Inona no azontsika atao mba hanohanana sy hanarahana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana?

  • Asao ny ankizy hamaky ny Eksodosy 17:8–16 ary hanao sary ny zavatra novakiany. Amporisiho izy ireo hanoratra ao amin’ny sary nataony hafatra ianarany avy amin’ilay tantara. Nahoana no hafatra manan-danja ho antsika amin’izao andro izao izany?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hisafidy ny iray amin’ireo tantara avy amin’ny fifanakalozan-kevitra nataonareo anio. Ampio izy ireo hieritreritra zavatra azon’izy ireo atao mandritra ny herinandro ho avy mba hampiharana izay ampianarin’ny tantara.

Manatsara ny fampianarantsika

Tia tantara ny ankizy. Mahafantatra tsara kokoa ny fitsipiky ny filazantsara ny ankizy rehefa mahita izany eo amin’ny fiainan’ny olona tena misy. Rehefa mizara tantara avy ao amin’ny soratra masina ianao dia eritrereto ny hizara traikefa avy amin’ny fiainanao izay mampianatra ireo fitsipika mitovy amin’izany. Azonao atao koa ny manasa ireo ankizy hizara ny zavatra niainany.