Avia, hanaraka Ahy
8–14 jona. Almà 8–12: Ho avy mba hanavotra ny vahoakany i Jesoa Kristy


“8–14 jona. Almà 8-12: Ho avy mba hanavotra ny vahoakany i Jesoa Kristy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“8–14 jona. Almà 8–12,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Almà nitory teny

Mampianatra fotopampianarana marina, nataon’i Michael T. Malm

8–14 jona

Almà 8–12

Ho avy mba hanavotra ny vahoakany i Jesoa Kristy

Rehefa mamaky izay nampianarin’i Almà sy i Amioleka ny vahoakan’i Amônihà ianao dia inona no tsapanao fa manan-danja ho an’ireo ankizy ampianarinao?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Asao ny ankizy hamariparitra izay zavatra ataon’ny misiônera sy hilaza aminao mikasika izay olona fantatr’izy ireo fa manao asa fitoriana. Inona no ampianarin’ny misiônera ny olona? Ampio ny ankizy hahita fa i Almà sy i Amioleka dia misiônera izay nizara ny filazantsara tamin’ny vahoakan’i Amônihà.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Almà 8

Afaka mizara ny filazantsara aho.

Nandeha nanerana ny tany i Almà mba hitory ny filazantsara, ary nitory teny tao amin’ny tanànany ihany tamin’ireo namany sy mpiara-monina aminy i Amioleka. Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mitaona ireo ankizy mba hanaraka ny ohatra nasehon’izy ireo ka hizara ny filazantsara amin’ny hafa?

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky ny tapany voalohany amin’ny “Toko 22: Ny asa nanirahana an’i Almà tao Amônihà” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 58–63; jereo ihany koa ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Asao ny ankizy mba hifampisakambina tsiroaroa ary hody hanao hoe Amioleka sy Almà, izay niara-nampianatra ny filazantsara, rehefa mihira ny hira iray momba ny asa fitoriana izy ireo, toy ny “Je voudrais déjà partir en mission” (Chants pour les enfants, 90).

  • Ampio ny ankizy hamerina im-betsaka ny fahamarinana iray ao amin’ny filazantsara toy ny hoe: “Mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy ny Bokin’i Môrmôna” na “Fantatro fa tia ahy i Jesoa.” Dia asao ny ankizy tsirairay avy eo mba hizatra hizara io fahamarinana io amin’ny olona iray hafa ao an-dakilasy. Ampio ny ankizy mba hamita ny pejin’ny zavatra atao ho an’ity herinandro ity mba ho anisan’ny ao anatin’ity atrikasa ity izany.

  • Angataho ny ankizy mba hilaza aminao mikasika ny zavatra iray izay nozarain’izy ireo tamin’ny olona iray tao amin’ny fianakaviany na ny namany iray, toy ny kilalao na vatomamy. Ampio izy ireo hitanisa ireo zavatra manan-danja azontsika zaraina amin’ny hafa mikasika an’i Jesoa Kristy. Hazavao fa satria tena manan-danja tokoa ny filazantsara dia nandeha nizara izany tamin’ny vahoaka tany amin’ny tanàna maro hafa i Almà mba hahafahan’izy ireo mianatra ny ho faly.

Almà 8:18–22

Afaka ny ho namana tsara aho.

Ny asa fanompoana nataon’i Amioleka tamin’i Almà dia ohatra tsara ho an’ny ankizy mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo mitia sy manompo ny hafa.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy iray mba hody hanao hoe Amioleka ary ny ankizy iray hafa hody hanao hoe Almà eo am-pamakianao ny Almà 8:18–22. Avelao hanampy anao hitantara ilay tantara ny ankizy, ary asao ny ankizy hafa hilalao ny anjara toeran’i Almà sy i Amioleka. Namana tsara ho an’i Almà tamin’ny fomba ahoana i Amioleka? Angataho ny ankizy mba hiresaka momba ny nanehoan’ny olona iray fa namany izy ireo. Inona no zavatra tsapan’ izy ireo teo anatrehan’ izany zavatra niainana izany? Nahoana no tian’ Andriamanitra ho namana tsara ho an’ny hafa isika?

  • Mitadiava na manaova sary iray izay maneho ny finamanana (toy ny olona roa mifamihina na fo iray) ary tapatapaho hanjary ho piozila izany. Soraty eo ambadiky ny singana piozila tsirairay ny zavatra nataon’i Almà sy i Amioleka mba ho lasa mpinamana tsara izy ireo na ireo zavatra azontsika atao mba ho lasa namana tsara. Asao ny ankizy hifandimby hisafidy singany iray ary hampiditra izany eo amin’ilay piozila rehefa mamaky izay voasoratra ao an-damosin’izany ianao. Ampio izy ireo hieritreritra olona izay afaka ny ho lasa naman’izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy no namana tsara indrindra azontsika ananana.

Sary
zazavavy roa mihomehy

Afaka ny ho lasa namana tsara ho an’ny hafa isika.

Almà 11:43–44

Hitsangana amin’ny maty aho aorian’ny fahafatesana.

Nampianatra ny vahoakan’i Amônihà mikasika ny Fitsanganana amin’ny maty i Amioleka. Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hahatakatra ny dikan’ny hoe mitsangana amin’ny maty?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampiasao ny tananao mba hanehoana ny fanahy iray, ary ampiasao ny fonon-tanana mba hanehoana ny vatana iray. Esory hiala ao anatin’ilay fonon-tanana ny tananao mba hampisehoana amin’ny ankizy fa hisaraka ny fanahintsika sy ny vatantsika rehefa maty isika. Dia avereno ao anatin’ilay fonon-tanana ny tananao mba hampisehoana amin’ny ankizy fa hakambana indray ny fanahintsika sy ny vatantsika amin’ny Fitsanganana amin’ny maty. Avelao ny ankizy hifandimby hanao ilay fonon-tanana sy hanala izany eo am-pamakianao ny Almà 11:43 amin’izy ireo. Asehoy ilay sary hoe, Maria sy ilay Jesoa efa nitsangana tamin’ny maty (Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara, lah 59), ary mijoroa ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy dia nanao izay ahafahan’ny olona rehetra hitsangana amin’ny maty.

  • Asao ny ankizy hanao ny sarin’ny naman’izy ireo na ireo olona ao amin’ny fianakaviany, tafiditra ao anatin’izany ireo havany lavitra. Rehefa mizara ny sary nataony ny ankizy dia tondroy ny namana tsirairay na olona ao amin’ny fianakaviana nataon’izy ireo sary ary hazavao fa i hitsangana amin’ny maty ilay olona. Mijoroa ho vavolombelona fa nanao izay ahafahantsika hiaraka mandrakizay amin’ny fianakaviantsika i Jesoa.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Almà 8–10

Afaka mizara ny filazantsara aho.

Nizara ny filazantsara i Almà sy i Amioleka na dia tsy mora aza izany. Mety hanentana ny fanahin’ireo ankizy ampianarinao ny herim-po sy ny finoana nananan’izy ireo, amin’ny fomba ahoana izany?

Asa atao azo tanterahina

  • Fintino amin’ny alalan’ny fampiasanao ny teninao manokana ny zava-nitranga ao amin’ny Almà 8-10. Misafidiana fitsipika maro avy amin’ireo zava-nitranga ireo izay afaka manampy ny ankizy hizara ny filazantsara, toy ny faharetana (jereo ny Almà 8:8–13), fijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy (jereo ny Almà 9:26–27), sy fananana namana iray (jereo ny Almà 10:7–11). Asao ny ankizy mba hamaky ireo andininy nofinidy ka hilaza izay nianaran’izy ireo mikasika ny fizarana ny filazantsara. Nahoana no zava-dehibe ny miresaka momba ny filazantsara amin’ny hafa?

  • Asao ny ankizy mba hizara zavatra niainan’izy ireo izay nahitana azy ireo nizara ny filazantsara tamin’ny olona iray izy ireo, na zarao ny zavatra niainanao manokana. Asao ny ankizy hihaino ireo fomba ahafahan’izy ireo miomana hizara ny filazantsara eo am-pihiran’izy ireo hira iray momba ny asa fitoriana, toy ny “Proclamons la Verité” (Chants pour les enfants, 92). Nahoana isika no tian’ny Ray any An-danitra hizara ny filazantsara? Ampio ny ankizy hanao drafitra ireo fomba hizarana ny filazantsara amin’ny naman’izy ireo, toy ny fanomezana azy ireo tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna na fanasana azy ireo hanatrika fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana. Omeo fotoana izy ireo hilalaovana an-tsehatra ny zavatra mety holazain’izy ireo na hataon’izy ireo ao amin’ireo toe-javatra ireo .

Almà 11–16

Drafitry ny fanavotana ny drafitr’ Andriamanitra.

Ahoana no fomba hampiasanao ny Almà 11–12 mba “[h]ampahafantarana [ny ankizy] ny drafitry ny fanavotana”? (Almà 12:30).

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireo fitsipika mifandray amin’ny drafitry ny fanavotana izay hita ao amin’ny Almà 11–12, toy ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva, ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ny fibebahana, ny fahafatesana, ny fitsanganana amin’ny maty, ary ny fitsarana. Mamakia andininy vitsivitsy avy ao amin’ny Almà 11 na 12 izay mampianatra momba ireo fitsipika ireo, ary omeo fotoana ny ankizy hanao sary iray maneho ny fitsipika tsirairay. Inona no anjara asan’ny Mpamonjy ao anatin’io drafitra io? Asao ny ankizy mba hampiasa ny sary nataon’izy ireo hilalaovana an-tsehatra ny fampianarana ny namana iray momba ny drafitr’Andriamanitra.

Almà 12:10

Raha toa ka tsy manamafy ny foko aho dia afaka mandray bebe kokoa ny tenin’Andriamanitra.

Rehefa ny fianarana ireo fahamarinana ara-panahy no resahina dia manan-danja tahaka ny fahafahan’ny saintsika miasa ny toetry ny fontsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky ny Almà 12:10, ary resaho ny dikan’ny hoe “manamafy” ny fontsika. Nahoana no mahasarotra ny fianarana avy amin’Andriamanitra ny fo mafy?

  • Mba hanehoana io fitsipika io dia mampisehoa spaonjy iray sy vato iray amin’ny ankizy ary anontanio azy ireo izay hitroka rano bebe kokoa. Ahoana no fomba ahafahantsika maneho amin’ny Tompo fa tiantsika ho malefaka toy ny spaonjy ny fontsika?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hitady fahafahana hizara ny filazantsara na hanampy olon-kafa amin’ity herinandro ity.

Manatsara ny fampianarantsika

Zarao amin’ny mpianatra ny fijoroanao ho vavolombelona. Ny fijoroana ho vavolombelona dia mety ho tsotra toy ny hoe “Fantatro fa tia anareo tsirairay ny Ray any An-danitra” na “Mahatsapa zava-mahafinaritra ao anaty aho rehefa mianatra momba an’i Jesoa Kristy.” (Jereo ihany koa ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 11.)