Avia, hanaraka Ahy
22–28 jona. Almà 17–22: “Izaho hahatonga anareo ho fitaovana eo an-tanako”


“22–28 jona. Almà 17–22: -Izaho hahatonga anareo ho fitaovana eo an-tanako-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“22–28 jona. Almà 17-22,”Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Amôna miresaka amin’i Lamônia Mpanjaka

I Amôna sy i Lamônia Mpanjaka, nataon’i Scott M. Snow

22–28 jona

Almà 17–22

“Izaho hahatonga anareo ho fitaovana eo an-tanako”

Toy ny niainan’i Lamônia sy ny hafa ao amin’ity tantara ity fiovam-piainana ara-panahy, dia afaka miaina zavatra ara-panahy koa ny ankizy ampianarinao izay hisy fiantraikany eo amin’ny fiainan’izy ireo mandritra ireo taona ho avy. Ataovy ao an-tsaina hatrany izany eo am-pisaintsainanao ny fomba hampianaranao azy ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Asehoy ny sarin’ny zava-nitranga tao amin’ny Almà 17–22 (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Angataho ny ankizy mba hilaza aminao ny zavatra hitany eo amin’ilay sary.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Almà 17–19

Afaka mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananako amin’ny hafa aho.

Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny ohatra nasehon’ireo zanakalahin’i Môsià mamporisika ireo mpianatrao hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo amin’ny hafa?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hilalao an-tsehatra ny tantaran’i Amôna ao amin’ny Almà 17–19. Azonao ampiasaina koa ny “Toko 23: Amôna: Mpanompo lehibeTantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 64–68, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Raha eritreretinao fa ho tian’ny ankizy izany dia mitondrà akanjo tsotra sy fitaovana entina milalao an-tsehatra. Tantarao amin’ny ankizy ny zavatra nianaranao avy amin’ilay tantara ary asao izy ireo mba hitantara ny azy ireo koa.

  • Mampisehoa fitaovana iray ary resaho amin’ny ankizy hoe ampiasaina amin’ny inona izany. Inona ireo fitaovana hafa izay fantatry ny ankizy? Asao izy ireo mba hody hanao hoe mampiasa fitaovana iray. Hazavao fa toy ny fampiasantsika fitaovana mba hanaovana zavatra dia afaka mampiasa antsika koa ny Ray any An-danitra mba hanao ny asany. Vakio ny Almà 17:11, ary hazavao fa i Amôna sy ireo rahalahiny dia fitaovana teo am-pelatanan’ny Ray any An-danitra mba hanampiana ny Lamanita hahafantatra ny filazantsara.

  • Asao ny ankizy hihazakazaka eo amin’ny toerana misy azy ireo ihany ary hody hanao hoe mandondona varavarana eo am-pitantaranao ny tantaran’i Abisa nitety trano niresaka mikasika ny herin’ Andriamanitra (jereo ny Almà 19:16–34). Ampio ny ankizy hieritreritra fomba ahafahan’izy ireo ho tonga tahaka an’i Abisa ary hizara ny filazantsara amin’ny hafa.

  • Asao ny ankizy hanao sary ny tenan’izy ireo mizara ny filazantsara amin’ny olona iray. Ampio izy ireo hieritreritra zavatra manokana izay azon’izy ireo zaraina. Miaraha mihira hira iray momba ny filazantsara, toy ny “Je voudrais déjà partir en mission” (Chants pour les enfants, 90). Omeo fahafahana izy ireo hizara ny zavatra tsapan’izy ireo mikasika ireo zavatra nampianaran’i Amôna.

Almà 17:21–25; 20:9–27

Afaka manampy ny hafa hanatona an’i Kristy aho amin’ny alalan’ny fanehoana ny fitiavako azy ireo.

Nanalefaka ny fon’ny Lamônia Mpanjaka sy ny rainy ny fitiavana nasehon’i Amôna sy ny asa fanompoana nataony. Inona no azon’ny ankizy ianarana avy amin’ireo tantara ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Fintino amin’ny ankizy ny Almà 17:21–25 ka hamafiso fa naniry ny hanompo an’i Lamônia i Amôna. Asao ny ankizy mba hizara izay zavatra niainany rehefa nanompo olona izy ireo. Ampahatsiahivo izy ireo fa ny asa fanompoana lehibe nataon’i Amôna dia nanampy an’i Lamônia Mpanjaka haniry hianatra mikasika ny filazantsara (jereo ny Almà 18:15–23). Asao ny ankizy hieritreritra olona iray izay azon’izy ireo hanaovana asa fanompoana androany ary ifampiresaho ny fomba ahafahan’izy ireo manompo izany olona izany.

  • Tantarao amin’ny ankizy ny tantara ao amin’ny Almà 20:8-27. Azonao ampiasaina ny “Toko 24: Ny fihaonan’i Amôna sy ny rain’i Lamônia Mpanjaka” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 69-70, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Angataho izy ireo mba hieritreritra fihetsika samihafa azon’izy ireo atao isaky ny miteny hoe Amôna, na Lamônia na rain’i Lamônia ianao. Hamafiso fa ny antony iray niovan’ny fon’ny Rain’i Lamônia dia noho ny fitiavan’i Amôna fatratra an’i Lamônia. Asao ny ankizy hanao ny sarin’ny zavatra iray izay azon’izy ireo atao mba hampisehoana fitiavana amin’olona iray.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Almà 17:1–4

Mitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananako rehefa mamaky soratra masina sy mivavaka ary mifady hanina aho.

Nihanatanjaka tao amin’ny filazantsara ireo zanakalahin’i Môsià ary lasa misiônera matanjaka noho izy ireo nandalina ny soratra masina, nivavaka ary nifady hanina tamim-pahavitrihana. Afaka manampy ny ankizy ampianarinao koa ireo zavatra ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Mitondrà zavatra any am-pianarana izay maneho ny soratra masina sy ny vavaka ary ny fifadian-kanina toy ny bokin-tsoratra masina, sarin’ny olona iray mivavaka ary sarina sakafo iray, ary hazavao hoe maneho inona ny zavatra tsirairay. Vakio ny Almà 17:1–4, ary anontanio ny ankizy ny fomba nanampian’ireo zavatra ireo an’ireo zanakalahin’i Môsià. Nahoana no manampy antsika hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra ny soratra masina sy ny mivavaka ary ny mifady hanina?

  • Ampiasao ny fizahana lohahevitra ao amin’ny Chants pour les enfants mba hanampiana ny ankizy hahita hira mikasika ny fandalinana soratra masina sy ny vavaka. Iaraho hiraina ny sasany amin’ireo hira ireo ary ampio ny ankizy hitady ny zavatra ampianarin’ireo hira ireo mikasika ny fitahiana azontsika rehefa manao ireo zavatra ireo.

Almà 17–18; 22:1–3

Afaka manampy ny hafa hanatona an’i Kristy aho amin’ny alalan’ny fanehoana ny fitiavako azy ireo.

Ny fanirian’i Amôna ho mpanompon’i Lamônia dia nitondra tany amin’ny fahafahana nampianatra an’i Lamônia tamin’ny farany rehefa nisokatra ny fony ary vonona ny handray ny filazantsara.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hamaky andininy avy amin’ny Almà 17:21–39 izay mitantara ny asa fanompoana nataon’i Amôna tamin’ny Mpanjaka Lamônia. Asao izy ireo mba hanao sary ireo olona na zava-nitranga tao anatin’ilay tantara ary hitantara ilay tantara amin’ny alalan’ny fampiasan’izy ireo ny tenin’izy ireo manokana avy eo. Ampio ny ankizy hahita ny fiantraikan’ny asa fanompoana nataon’i Amôna teo amin’ny mpanjaka (jereo ny Almà 18:9–23). Inona no azontsika ianarana avy amin’ity tantara ity mikasika ny fomba hanampiana ny hafa haniry ny hianatra bebe kokoa mikasika ny filazantsara?

    Sary
    I Amôna namonjy ireo ondrin’ny mpanjaka.

    Minerva K. Teichert (1888–1976), Ammon Saves the King’s Flocks, 1935–1945, hosodoko eo ambony masonite, 88.9 x 121.92 sentimetatra. Mozean’ny zava-kanto ao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young

  • Vakio ny Almà 22:1–3, ary angataho ny ankizy mba hihaino ny fiantraikan’ny ohatra tsara nasehon’i Amôna teo amin’ny rain’i Lamônia Mpanjaka. Angataho izy ireo mba hieritreritra olona fantatr’izy ireo izay mila mahafantatra mikasika ny filazantsara. Toroy hevitra ny ankizy fa ny fitiavan’izy ireo sy ny ohatra tsara asehon’izy ireo dia mety hanampy izany olona izany hahita ny hatsaran’ny filazantsara. Ampio ny ankizy hieritreritra fomba ahafahan’izy ireo ho ohatra tsara sy hampiseho fitiavana ny olona izay eritreretin’izy ireo.

  • Asao ireo misiônera amin’ny fotoana feno na misiônera nahavita ny asa fitoriany vao haingana mba hizara ny tantaran’i Amôna ao amin’ny Almà 17–18. Angataho izy ireo mba hizara ny zavatra nianaran’izy ireo mikasika ny asa fitoriana nataon’i Amôna sy ny anjara asan’ny asa fanompoana teo amin’ny ezaka nataon’izy ireo. Ifanakalozy hevitra amin’ny ankizy ireo fomba ahafahan’izy ireo manaraka ny ohatra nasehon’i Amôna.

  • Asaivo tanisain’ny mpianatra eny amin’ny solaitrabe ireo zavatra azon’izy ireo atao mba hanompoana ireo olona ao amin’ny fianakavian’izy ireo. Nahoana no hitahy ny fianakaviana iray manontolo ny fanaovana ireo asa fanompoana ireo?

Almà 18:24–43; 19:16–34

Afaka mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananako amin’ny hafa aho.

Ahoana no ahafahanao mampiasa ireo andininy ireo mba hamporisihana ny ankizy ho misiônera tahaka an’i Amôna sy i Abisa?

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sary izay mampiseho ny sasany amin’ireo fahamarinana nozarain’i Amôna tamin’i Lamônia Mpanjaka izay hita ao amin’ny Almà 18:24–40 (jereo ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity). Asao ny ankizy hody hanao hoe misiônera ary hifampizara ny zavatra fantatr’izy ireo mikasika ireo fahamarinana ireo.

  • Iaraho vakina amin’ny ankizy ny tantaran’i Abisa (jereo ny Almà 19:16–20, 28–29). Asao ny ankizy hifandimby hody hanao hoe Abisa amin’ny alalan’ny fandondonana ny varavaran’ny toeram-pianarana sy ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ny zavatra nitranga tao amin’ny Almà 19:1–17. Ahoana no fomba ahafahantsika hitovy amin’i Abisa ary hijoro ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana fantatsika?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hametraka tanjona ombam-bavaka miaraka amin’ny fianakavian’izy ireo mba hizara ny filazantsara amin’ny olona iray.

Manatsara ny fampianarantsika

Tohizo ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’ny fanasana mba hanao asa. Rehefa manasa ny ankizy mba hanao asa araka ny zavatra nianarany ianao dia tohizo ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’ny fanasana nataonao mandritra ny fotoam-pampianarana manaraka. Izany dia mampiseho amin’ny ankizy fa miahiahy momba ny fomba hitahian’ny filazantsara ny fiainan’izy ireo ianao. Rehefa mizara ny zavatra niainany izy ireo dia hampatanjahana sy hifanampy mba hiaina ny filazantsara (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 35).