Avia, hanaraka Ahy
22–28 jona. Almà 17–22: “Izaho hahatonga anareo ho fitaovana eo an-tanako”


“22–28 jona. Almà 17–22: -Izaho hahatonga anareo ho fitaovana eo an-tanako,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“22–28 jona. Almà 17–22,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
i Amôna miresaka amin’i Lamônia Mpanjaka

I Amôna sy i Lamônia Mpanjaka, nataon’i Scott M. Snow

22–28 jona

Almà 17–22

“Izaho hahatonga anareo ho fitaovana eo an-tanako”

Eo am-pamakianao ny Almà 17–22, dia raketo ny eritreritra tonga ao aminao ary manaova asa mifanaraka amin’izany. Ny fanaovana izany dia haneho amin’ny Tompo ny fahavononanao handray fanambarana ho an’ny tena manokana bebe kokoa.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Eritrereto ireo mety ho antony rehetra omen’ny olona ka mahatonga azy tsy hizara ny filazantsara: “Tsy ampy ny fahalalako” na “Tsy azoko antoka hoe ho liana izy ireo” na angamba hoe “Dia ahoana raha manafintohina azy ireo aho?” Nisy fotoana angamba ianao efa nieritreritra zavatra mitovy amin’izany. Ireo Nefita dia nanana antony iray fanampiny tsy hizarana ny filazantsara amin’ny Lamanita: izy ireo dia “vahoaka baribariana sy mafy fo ary loza be; dia vahoaka izay finaritra tamin’ny famonoana ny Nefita” (Almà 17:14; jereo koa ny Almà 26:23–25). Kanefa ireo zanakalahin’i Môzià dia nanana antony iray lehibe kokoa izay nahatsapany ny tsy maintsy hizarana ny filazantsara amin’ny Lamanita: “niriany ny hanambara ny famonjena amin’ny olona tsirairay satria tsy tantiny ny mety hisian’ny fanahin’ny olona ho very” (Môzià 28:3). Io fitiavana izay nitaona an’i Amôna sy ny rahalahiny io dia afaka ny hanainga anao ihany koa hizara ny filazantsara amin’ny fianakavianao, sy ny namanao ary ny olom-pantatrao, eny na dia ireo izay mety tsy hanaiky handray izany aza.

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Almà 17:1–4

Rehefa mampiorina ny finoako manokana aho dia afaka mizara ny filazantsara am-pahombiazana.

Efa mba nisy fotoana ve ianao tafaraka indray tamina namana taloha ka nahatsapa ny zavatra tsapan’i Almà, niravoravo fatratra noho izy ireo mbola nijanona ho mafy orina tao amin’ny finoana? (jereo ny Almà 17:1–2). Inona no zavatra ianaranao avy amin’ireo zanakalahin’i Môzià mikasika ny fomba fihazonana ny finoanao ho ao amin’ny filazantsara sy ny fanolorantenanao amin’izany ho matanjaka? Rehefa misaintsaina ny tanjaka ara-panahin’ireo zanakalahin’i Môzià ianao dia inona no zavatra tsapanao fa tokony ataonao?

Inona no fiantraikan’ny fiomanana ara-panahin’ireo zanakalahin’i Môzià teo amin’ny asan’izy ireo teo amin’ny Lamanita? Azonao ampiasaina ity fahafahana ity mba hanombantombananao ireo ezaka ataonao amin’ny fampiananarana ny filazantsara “[amin’ny] hery sy ny fahefan’ Andriamanitra” (Almà 17:3).

Almà 17:6–12

Afaka ny ho fitaovana eo an-tanan’ Andriamanitra aho mba hitondra famonjena ho an’ireo zanany.

Hoy ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Tiako ho fantatry ny Tompo mandrakariva fa raha toa ka misy asa iray tiany hotanterahina dia hanatanteraka izany asa izany ho Azy izaho Tom Monson” (“On the Lord’s Errand: The Life of Thomas S. Monson,” video, ChurchofJesusChrist.org). Eo am-pamakianao ny Almà 17:6–12, dia tadiavo ny zavatra izay nataon’ireo zanakalahin’i Môzià mba hahatonga azy ireo ho fitaovana teo an-tanan’ Andriamanitra. Amin’ny fomba ahoana no hahafahanao ho fitaovana eo an-tanan’ Andriamanitra hitahiana ny hafa? Inona no zavatra ianaranao avy amin’ny ohatra nasehon’izy ireo ka nankahery anao hanao ny zavatra izay ilain’ny Tompo ataonao?

Jereo koa ny Dallin H. Oaks, “Mizara ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny,,” Liahona, nôv. 2016, 57–60.

Almà 17–18

Afaka manampy ny hafa hiomana handray ny filazantsara aho.

I Lamônia dia mpitarika ny vahoaka “baribariana sy mafy fo ary lozabe” iray (Almà 17:14), kanefa dia resiny ireo taona maro niainana tao anatin’ny fomban-drazana dia nanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy. Eo am-pamakianao momba ny fifaneraseran’i Amôna tamin’i Lamônia dia diniho ny zavatra izay nataon’i Amôna izay mety nanampy an’i Lamônia hahay handray bebe kokoa ny hafany. Raha misy eritreritra mandalo ao aminao momba ny zavatra azonao hatao mba hizarana ny filazantsara amin’ny hafa dia soraty ireny fitaomam-panahy ireny.

Mety hanampy ihany koa ny manisy marika na manoratra ireo fahamarinana izay nampianarin’i Amôna an’i Lamônia (jereo ny Almà 18:24–39), sy ireo fahamarinana nampianarin’i Aharôna ny rain’i Lamônia (jereo ny Almà 22:1–16). Inona no ampianarin’ireo andininy ireo anao momba ireo fahamarinana azonao zaraina amin’ny hafa mba hanampiana azy ireo hikatsaka fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara?

Sary
i Amôna manavotra ny ondrin’ny mpanjaka

I Amôna manavotra ny andian’ondrin’ny mpanjaka, nataon’i Minerva K. Teichert

Almà 18–22

Ny fijoroako ho vavolombelona dia afaka ny hiantraika amin’ny olona be dia be.

Na dia matetika aza ireo tantara-na fiovam-po vakintsika ao amin’ny soratra masina no ahitana tranga misongadina be, dia mazàna izany dia maneho fa ny ampahany manan-danja indrindra amin’ny tantara dia olona izay nanana herim-po hanambara sy hizara ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona amin’ny hafa. Fomba iray handalinana ireo tranga ao amin’ny Almà 18–22 ny fikarohana ireo fiantraikany lehibe avy amin’ny fizaran’ny olona iray ny fijoroany ho vavolombelona. Azonao atao ny mirakitra ny zavatra hitanao amin’ny alalan’ny kisarisary tahaka ity iray ity:

I Amôna dia nizara ny filazantsara tamin’ , izay nizara ny filazantsara tamin’ , ary ny vokany dia .

Almà 19:36

Mitolotra amiko ny sandrin’ny Tompo rehefa mibebaka aho.

Any amin’ny famaranana ny tantaran’ny fiovam-pon’i Lamônia i Môrmôna dia nampianatra zavatra manan-danja momba ny toetran’ny Tompo. Inona no ampianarin’ny Almà 19:36 anao mikasika ny toetran’ny Tompo? Oviana ianao no nahatsapa ny sandrin’ny Tompo nitolotra taminao? Ahoana no hahafahanao manampy ireo olona tianao hahatsapa ny famindram-pony?

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Almà 17–19

Amin’ny fomba ahoana no hahafahanao manao izay hahatonga ireo tantara ao amin’ireo toko ireo ho mahaliana ho an’ny fianakavianao? Azonareo atao ny milalao an-tsehatra ny tantaran’i Amôna miaro ireo ondry na ny tantaran’i Abisa mamory ny vahoaka hahita maso ny herin’ Andriamanitra. Azon’ny fianakavianao hatao ny manao sary maneho ampahany isan-karazany amin’ilay tantara ka mampiasa ny sary hitantarana ny tantara. Inona no hataon’ny fianakavianao mba hanarahana ny ohatr’i Amôna sy i Abisa?

Almà 18:24–39

Azon’ny fianakavianao hatao ny miara-mamaky ny Almà 18:24–39 sy mamantatra ireo fahamarinana nampianarin’i Amôna an’i Lamônia. Inona araka ny eritreritrao no antony nampianaran’i Amôna ireo fahamarinana ireo tamin’ny voalohany? Nahoana no manan-danja amintsika ny manana fijoroana ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana ireo?

Almà 20:8–15

Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fihetsik’i Lamônia tamin-drainy? Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatr’i Lamônia amin’ny fiarovana ny fahamarinana? (Mba hahitana ohatra sasantsasany dia jereo ny horonan-tsary “Sahia mijoro irery” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.)

Almà 22:15–18

Avereno jerena ny Almà 20:23 hahitana ny zavatra ho nafoin’ny rain’i Lamônia tamin’ny fony mba hahazoany manavotra ny ainy. Avy eo dia avereno jerena ny Almà 22:15 hahitana ny zavatra ho nafoin’ny rain’i Lamônia tamin’ny fony mba handraisany ny hafaliana avy amin’ny filazantsara. Vonona ny hamoy inona izy mba hahafantarana an’ Andriamanitra? (jereo ny andininy 18). Azon’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakavianao atao ny manoratra drafitra mba hahafoizana zavatra mba hahafantarana feno kokoa an’ Andriamanitra.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Fantaro sy ampiharo ny fitsipika. Na dia toa tsy mihatra aminao aza ny antsipirian’ireo tantara ao amin’ny soratra masina dia matetika ireo fitsipika ao amin’ireny tantara ireny no mihatra aminao. Rehefa namaky mikasika an’i Amôna sy i Aharôna ianao dia inona ireo fitsipika momba ny fizarana ny filazantsara hitanao?

Sary
Safotra ny vadin’i Lamônia Mpanjaka

Ny vadin’i Lamônia Mpanjaka niarina avy eo amin’ny tany, nidera an’i Jesoa. Ry Jesoa Ankalazaina, nataon’i Walter Rane