Avia, hanaraka Ahy
1–7 jona. Almà 5–7: “Efa nahatsapa izany fiovana mahery vaika izany tao am-ponareo va ianareo?”


“1–7 jona. Almà 5–7: -Efa nahatsapa izany fiovana mahery vaika izany tao am-ponareo va ianareo?-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“1–7 jona. Almà 5–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
Jesoa mitrotro zanak’ondry

Tsy adino ianao, nataon’i Jon McNaughton

1–7 jona

Almà 5–7

“Efa nahatsapa izany fiovana mahery vaika izany tao am-ponareo va ianareo?”

Ny Almà 5–7 dia afaka manampy anao handinika ny fiovam-ponao miandalana ho an’i Jesoa Kristy. Eo am-pamakianao izany dia raketo izay ampianarin’ny Fanahy anao.

Ny fahatsapanao

I Almà dia tsy nahafantatra ny amin’ny fandidiana amin’ny famindrana fo izay manavotra aina ankehitriny, izay hanoloana fo simba na marary iray amin’ny fo salama iray. Kanefa izy dia nahafantatra ny amin’ny “fiovam-po” iray izay mahagaga kokoa (Almà 5:26), fiovam-po iray izay hanomezan’ny Mpamonjy antsika fanavaozam-piainana ara-panahy toy ny hoe “ateraka indray” (jereo ny Almà 5:14, 49). Hitan’i Almà fa ity fiovam-po ity dia ilay tena nilain’ny maro tamin’ireo Nefita. Nanan-karena ny sasany tamin’ireo Nefita ary ny hafa nahantra, ny sasany niavonavona ary ny hafa nanetry tena, ny sasany mpanenjika ary ny hafa niharan’ny fanenjehana (jereo ny Almà 4:6–15). Kanefa izy rehetra dia nila nanatona an’i Jesoa Kristy mba hositranina, tahaka antsika rehetra. Raha toa ianao ka mikatsaka ny handresy ny avonavona na hiaritra fanenjehana dia ny hafatr’i Almà ihany no hafany hoe: “Avia, ary aza matahotra” (Almà 7:15). Avelao ny Mpamonjy hanova ny fo mafy iray, maniasia, na maratra ho fo iray izay mietry, sy madio, ary vaovao.

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Almà 5:14–32

Tsy maintsy miaina sy manohy mahatsapa fiovam-po mahery vaika aho.

Ireo fanontaniana mampandini-tena napetrak’i Almà tamin’ny vahoakan’i Zarahemlà izay hita ao amin’ny Almà 5:14–33, dia afaka manampy anao hanadihady ny aty fanahinao manokana ka hahatakatra ny dikan’ny hoe miaina “fiovam-po mahery vaika” mandritra ny fiainanao. Ny Filoha M. Russell Ballard dia nanazava ny lanjan’ireny fanontaniana ireny: “Mila manontany tena matetika aho hoe: -Manao ahoana aho?- Toy ny karazana dinidinika manokana sy maningana amin’ny tenanao izany. … Ho torolalana ho ahy mandritra io fandinihan-tena mangina sy manokana io dia tiako ny mamaky sy misaintsaina ireo teny mampandini-tena hita ao amin’ny Almà toko fahadimy” (“Miverina dia mandray,” Liahona, mey 2017, 64).

Hevero ny hamaky ireo fanontanian’i Almà toy ireny hoe manao tafa sy dinika amin’ny tenanao ireny ianao ary mizaha ny toe-ponao. Azonao atao ny mirakitra ny valinteny azonao ho an’ireo fanontaniana ireo. Inona no tsapanao fa tokony ataonao vokatr’io tafa sy dinika nataonao io?

Jereo koa ny Dale G. Renlund, “Mihazona ilay fiovam-po mahery vaika,” Liahona, nôv. 2009, 97–99.

Sary
vehivavy mivavaka eo amin’ny sisi-pandriana

Tsy maintsy miaina “fiovam-po” ny tsirairay avy amin’ny mpianatr’i Kristy.

Almà 5:33–62

Afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenako manokana momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany aho amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Nijoro ho vavolombelona mahery vaika momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany i Almà ary nanazava ihany koa ny fomba nahazoany izany fijoroana ho vavolombelona izany. Rehefa nijoro ho vavolombelona izy dia tsy niresaka momba ny zavatra niainany tamin’ny nahitany sy nandrenesany anjely iray (jereo ny Môzià 27:10-17) fa namariparitra kosa ireo ezaka nataony hahafantarany ny fahamarinana ho an’ny tenany. Inona no ianaranao avy amin’ny Almà 5:44–51 mahakasika ny fomba nahafantaran’i Almà ny fahamarinana? Ahoana no ahafahanao manaraka ny ohatra nasehony amin’ireo ezaka ataonao mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona na hanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao? Inona no zavatra ianaranao momba ny Mpamonjy avy amin’ny fampianaran’i Almà ao amin’ny Almà 5:33–35, 48–50, sy 57–60?

Almà 7

Hanampy ahy hijanona eo “amin’ ny lalana izay mitondra mankany amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra” ny fankatoavako tsy tapaka.

Tsy niatrika toe-java-tsarotra nitovy tamin’ny an’ny vahoakan’i Zarahemlà ny vahoakan’i Gideôna ka noho izany dia nanampy an’i Almà ny Fanahy hahatakatra ny filàn’izy ireo ka nampianariny tamin’ny fomba hafa izy ireo (jereo ny Almà 7:17, 26). Mety hahatsikaritra fahasamihafana ianao eo amin’ny hafatr’i Almà tao Zarahemlà (jereo ny Almà 5) sy tao Gideôna. Ohatra, takatr’i Almà fa ny vahoakan’i Gideôna dia “mby amin’ny lalana izay mitondra mankany amin’ny fanjakan’ Andriamanitra” (Almà 7:19). Nandritra ny toriteniny nataony tamin’izy ireo i Almà dia nampianatra azy ireo zavatra maro momba ny fomba hijanonana eo amin’ny lalana (jereo ny Almà 7). Inona no torohevitra nomeny azy ireo? Inona no azonao ampiharina eo amin’ny fiainanao amin’izao?

Almà 7:7–16

Nentin’ny Mpamonjy teo Aminy ny fahotako, sy ny fanaintainanako ary ny rofiko.

Efa nahatsapa ve ianao fa tsy misy olona na dia iray aza mahatakatra ireo ezaka tsara vitanao na ny zava-tsarotra atrehanao? Raha efa nahatsapa toy izany ianao dia afaka hanampy ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny Almà 7:7–16. Nijoro ho vavolombelona ny Loholona David A. Bednar fa: “Ny Zanakalahin’ Andriamanitra dia mahafantatra tanteraka sy mahatakatra tsara, satria efa nahatsapa sy nitondra ny enta-mavesatsika tsirairay Izy. Ary noho ny sorona tsy manam-petra sy mandrakizay nataony (jereo ny Almà 34:14), dia manana fangorahana tanteraka Izy ary afaka manolotra amintsika ny sandrin’ny famindram-pony” (“Mitondra mora foana ny enta-mavesany,” Liahona, mey 2014, 90).

Eo am-pamakianao ny Almà 7:7–16, dia diniho hoe inona no zavatra anampian’ireo andininy ireo antsika hahatakatra ireo tanjon’ny sorona nataon’ny Mpamonjy. Ahoana no hahazoantsika ny heriny ho eo amin’ny fiainantsika? Hevero ny hirakitra an-tsoratra ireo zavatra tonga ao an-tsainao.

Jereo ihany koa ny Isaia 53:3–5.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Almà 5:6–13

Nahoana i Almà no naniry ny mba hahatsiarovan’ny vahoakany ny famindram-pon’ny Tompo tamin’ireo razambeny? Tantara inona amin’ny tantaram-pianakavianao no mampianatra anao momba ny famindram-pony? Azonao atao ny mitsidika ny familysearch.org/myfamily mba hiraketana ireny tantara ireny.

Almà 5:14–33

Mety ho fantatry ny olona ao amin’ny fianakavianao izany hoe fahatsapana tena ho vonona na tsia ho amin’ny fandehanana milasy, fitsapam-pahaizana any am-pianarana, na tafa sy dinika ho an’ny asa izany. Inona no zavatra niainanao vao haingana izay azonao zaraina ka maneho ny maha-zava-dehibe ny fahavononan’ny tena? Azonao atao ny manasa ny olona ao amin’ny fianakavianao hamerina hijery ny Almà 5:14–33 ary hikaroka ireo fanontaniana izay napetrak’i Almà mba hanomanany ny vahoakany hihaona amin’ Andriamanitra. Azon’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana atao koa ny misafidy fanontaniana iray ary mizara ny fomba mety hanampian’izany antsika hiomana hihaona amin’ Andriamanitra. Azon’ny fianakavianao atao ihany koa ny mametraka ny maro amin’ireo fanontanian’i Almà eran’ny trano mba hosaintsainin’ny olona ao amin’ny fianakaviana.

Almà 6:4–6

Inona avy ny sasantsasany amin’ireo antony hivoriantsika amin’ny maha-Olomasina antsika? Ahoana no hahafahantsika manao izay hahatongavan’ny fotoantsika any am-piangonana ho mahomby kokoa ho an’ny tenantsika sy ho an’ny hafa?

Almà 7:9–16

Inona no zavatra ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo izay manampy antsika tsy hatahotra (Almà 7:15) rehefa mila mibebaka sy miova isika? Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny fitodihana any amin’ny Mpamonjy rehefa mila fanampiana isika? Inona ireo zavatra hafa efa nataontsika mba hahazoana ny fanampiany? Tamin’ny fomba ahoana no namonjeny antsika?

Almà 7:23

Iza no olona fantatsika fa ohatra iray tsara amin’ny iray na maro amin’ireo toetra tsara voatanisa ao amin’io andininy io? Nahoana no zava-dehibe ny miezaka manana ireo toetra tsara ireo?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Mametraha fanontaniana izay manasa ny mpianatra mba handray andraikitra. Hevero ny hametraka fanontaniana izay manainga ny olona ao amin’ny fianakavianao mba handinika ny fomba hahafahan’izy ireo miaina feno kokoa ny filazantsara. “Tsy fanontaniana ifanakalozan-kevitra ireo fa natao hosaintsainin’ny tena manokana” (Mampianatra amin’ny fomban’ny Tompo, 31).

Sary
I Jesoa Kristy manao akanjo mena

Mpisolovava antsika, nataon’i Jay Bryant Ward