Avia, hanaraka Ahy
25–31 mey. Môzià 29–Almà 4: “Niorina mafy izy sady tsy niova”


“25–31 mey. Môzià 29–Almà 4: “Niorina mafy izy sady tsy niova,’” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“25–31 mey. Môzià 29–Almà 4,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
i Almà Zanany mitory ny filazantsara

I Almà Zanany mitory ny filazantsara, nataon’i Gary L. Kapp

25–31 mey

Môzià 29–Almà 4

“Niorina mafy izy sady tsy niova”

Manasa ny fanambarana ho tonga ny famakiana ny soratra masina. Omano tsara ny saina handray ny hafatra tian’ny Tompo omena anao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny olona sasany dia mety hihevitra fa ny soso-kevitra naroson’i Môzià Mpanjaka mba hanoloana ny mpanjaka amin’ireo mpitsara voafidy dia fanovana rafitra ara-pôlitika feno fahendrena fotsiny ihany. Fa ho an’ny Nefita kosa, indrindra fa ho an’ireo izay niaina teo ambany fifehezan’i Noà Mpanjaka ratsy fanahy, dia manana lanjany ara-panahy ihany koa io fanovana io. Efa hitan’izy ireo ny nampisian’ny mpanjaka tsy marina iray “heloka” sy “faharavana [lehibe]” teo anivon’ny vahoakany (Môzià 29:17), ary “dodona fatratra tokoa” izy ireo ny ho afaka tamin’ny fitaomana tahaka izany. Izany fanovana izany dia hamela azy ireo ho tompon’andraikitra amin’ny fahamarinan’ny tenany manokana sy “hiantsoroka ny fahotany avy” (Môzià 29:38; jereo koa ny FF 101:78).

Marina tokoa fa ny fifaranan’ny fitondran’ny mpanjaka akory dia tsy midika hoe tapitra hatreo ny olana teo amin’ny fiarahamonina Nefita. Nampiely fiheveran-diso ny olona fatsora toa an’i Nehôra sy Amlisia, nanenjika ny Olomasina ireo tsy mpino, ary maro tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana no lasa niavonavona ka dia tsy nitandrina ny didy intsony. Kanefa “ireo mpanara-dia an’ Andriamanitra izay nanetry tena” dia nanohy “niorina mafy … sady tsy niova” na dia teo aza ny zavatra nitranga manodidina azy ireo (Almà 1:25). Ary noho ilay fanovana napetrak’i Môzià dia afaka “[n]aneho ny heviny” izy ireo mba hitarihana ny fiarahamonina nisy azy ho amin’ny tsara (Almà 2:6).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Môzià 29:11–27; Almà 2:1–7

Afaka ny ho mpitarika ho amin’ny tsara eo anivon’ny mpiara-belona amiko aho.

Dimy taona monja tao anatin’ny fitondran’ny mpitsara dia nisy olana nitranga izay nizaha toetra ilay fanambarana nataon’i Môzià fa ny feon’ny vahoaka mazàna dia misafidy izay rariny (jereo ny Môzià 29:26). Tafiditra tao anatin’ilay olana ny fahafahana ara-pivavahana: ny lehilahy iray nantsoina hoe Amlisia dia nikatsaka ny “hanaisotra amin[’ny olony] ny zony sy ny tombontsoany ao amin’ ny fiangonana” (Almà 2:4). Efa nahatsikaritra ve ianao tao amin’ny firenenao na ny fiarahamonina misy anao fa notandindomin-doza ny zo momba ny fivavahana? Inona no ianaranao avy amin’ny fomba fihetsika nasetrin’ny Nefita an’izany loza nanambana izany? (jereo ny Almà 2:1–7).

Tsy maintsy hoe misy olana goavana betsaka lalovan’ny fiarahamonina misy anao. Ahoana no hahafahanao maka antoka, tahaka ny Nefita, fa miombona amin’ny “feon’ny vahoaka” ny feonao? Ianao dia mety monina any amin’ny toerana izay voafetra ny fahefan’ny feon’ny vahoaka eo amin’ny governemanta. Raha izay no izy dia moa ve misy fomba hafa hahafahanao hijoro ho mpitarika ho amin’ny tsara eo amin’ny fiarahamonina misy anao?

Almà 1

Afaka mamantatra sy mitsipaka fotopampianarana diso aho.

Na dia nibaboka aza i Nehôra tamin’ny farany fa diso ny zavatra nampianariny, dia mbola nisy fiantraikany hatrany teo amin’ny Nefita nandritra ny taona maro ny fampianarany (jereo ny Almà 1:15–16; 2:1–2; 14:14–18; 15:15; 21:4; 24:28). Nahoana ny olona no mety nahita fa nahasarika ny fampianaran’i Nehôra? Eo am-pamakianao ny Almà 1:2–4, dia jereo raha afaka mahita ireo fiheveran-diso ao anatin’ny fampianaran’i Nehôra ianao. Ho tsikaritrao angamba fa ampianarina miaraka amin’ny zavatra marina amin’ny ampahany izy ireo.

Nanohitra an’i Nehôra tamin’ny “tenin’ Andriamanitra” (Almà 1:7, 9) i Gideôna. Misy soratra masina tonga ao an-tsainao ve, izay afaka mandiso ny fiheveran-diso nampianarin’i Nehôra? Ireto misy ohatra vitsivitsy, fa mbola misy maro hafa: Matio 7:21–23; 2 Nefia 26:29–31; Môzià 18:24–26; ary ny Helamàna 12:25–26. Ahoana no hanampian’ireo soratra masina ireo anao handiso ireo fiheveran-diso ampianarina amin’izao fotoana izao?

Fomba iray hafa handalinanao ny Almà 1 ny mampitaha an’i Nehôra sy ireo mpanara-dia azy (andininy 3–9, 16–20) amin’ny “vahoakan’ Andriamanitra” (andininy 25–30; jereo koa ny 2 Nefia 26:29–31). Ahoana no hahafahanao ho tonga bebe kokoa tahaka ny vahoakan’ Andriamanitra? Mahatsikaritra “kômiberaky ny mpisorona” ao anatin’ny fanompoanao manokana ve ianao?

Almà 1:27–31; 4:6–15

Tsy manankina ny fony amin’ny harena ny tena mpianatr’i Jesoa Kristy.

Ny toko 1 sy 4 ao amin’ny Almà dia samy miresaka fotoana izay niroboroboan’ny Fiangonana, saingy samy hafa ny fihetsika nasehon’ireo mpikamban’ny Fiangonana nanoloana izany firoboroboana izany ao amin’ny toe-javatra niainana tsirairay. Inona no fahasamihafana hitanao? Raha miainga avy amin’ny zavatra hitanao, dia ahoana no hamaritanao ny toe-tsaina nananan’ireo “mpanara-dia an’ Andriamanitra izay nanetry tena” (Almà 4:15) nanoloana ny harena sy ny firoboroboana? Inona no tsapanao fa tokony hovainao amin’ny toe-tsainao manokana?

Almà 4

Afaka manova ny fo ny “ tenin’ Andriamanitra” sy ny “fanambarana tsisy tsiny”.

Nahoana i Almà no “tena nalahelo tokoa” (Almà 4:15) ao amin’ny Almà 4? Ny olona sasany dia mety hilaza fa ny anjara fanompoan’ny lohan’ny mpitsara dia ho afaka nametraka an’i Almà teo amin’ny anjara andraikitra tsara indrindra mba hamahana ny olana izay hitany teo anivon’ny vahoakany. Saingy nino i Almà fa nisy fomba iray tsaratsara kokoa. Inona no manaitra anao amin’ny fanampiany ny vahoakany? Ny fandalinanao dia mety hamoaka hevitra mikasika ny fomba hahafahanao mitaona ireo manodidina anao amim-pahamarinana. Raha izay tokoa no mitranga dia mandraisa andraikitra amin’ireo hevitra azo ireo.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Almà 1:19–25

Mety hahazo tombony avy amin’ny fitadiavana ireo fihetsika isan-karazany hasetrin’ny olona ny fanenjehana ao amin’ireo andininy ireo ny fianakavianao. Azonareo atao ny manao fanazaran-tena mikasika ny fihetsika tsara tokony haseho rehefa manaratsy ny zavatra inoantsika ny hafa. Mety hanampy ireo horonan-tsary ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org/religious-freedom/examples .

Almà 3:4

Inona no hafatra tian’ireo Amlisita nampitaina rehefa “nasiany marika … ny handriny”? (jereo ny Almà 3:4, 13). Inona no hafatra mety ampitaintsika, amim-panahiniana na tsia, amin’ny endritsika ivelany? Mety ho fotoana tsara izao hamerenana ny “Tenue vestimentaire et présentation” ao amin’ny Jeunes, soyez forts (2011), 6–8.

Almà 4:2–3

Inona ireo zavatra na traikefa izay “[mamoha antsika] ho amin’ ny fahatsiarovana ny adidi[ntsika]” amin’ Andriamanitra? (Almà 4:3). Mety hahazoana vokatra tsara ny fizarana ireo andininy ireo rehefa avy mamoha ny fianakavianao amin’ny maraina. Aorian’izay ianareo dia afaka miresadresaka ny fomba hanampian’ny fanamby amin’ny fifohazana ara-batana antsika hahatakatra ny fanamby amin’ny fifohazana ara-panahy.

Almà 4:10–11

Ahoana no hahafahantsika manao izay tsy hahatonga antsika ho “vato fahatafintohinana lehibe ho an’ireo izay tsy isan’ny fiangonana”? (Almà 4:10). Mety hanampy ihany koa ny miresaka mikasika ny fomba hahafahantsika maka antoka fa ny zavatra ataon’ny hafa, indrindra fa ireo mpikamban’ny Fiangonana namantsika, dia tsy lasa vato fahatafintohinana ho an’ny fivoarantsika ara-panahy.

Almà 4:19

Mba hanampiana ny fianakavianao hahatakatra ny herin’ny fijoroana ho vavolombelona dia afaka manasa azy ireo ianao hieritreritra fotoana iray izay nahenoan’izy ireo ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny olona iray, ka nisy fiantraikany lehibe teo amin’izy ireo tokoa ilay izy. Inona no mety ho antony nisafidianan’i Almà hampiasa fijoroana ho vavolombelona sy ny tenin’ Andriamanitra mba hikasihana ny fon’ny vahoaka? (jereo koa ny Almà 31:5). Nahoana izany no mahomby kokoa noho ny fomba hafa izay mety hampiasain’ny olona mba handresena lahatra ny hafa hiova? Misy olona ve any, izay azo hampatanjahana amin’ny alalan’ny fizarantsika amin’izy ireo ny fijoroantsika ho vavolombelona ananantsika ny finoany?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mampihatra ny soratra masina amin’ny tenanao. Eritrereto ny fomba azo hampiharana ireo tantara sy fampianarana ao amin’ny soratra masina eo amin’ny fiainanao. Ohatra, ianao dia mety hahita zavatra mitovy eo amin’ny olana ara-piarahamonina eto amin’izao tontolo ankehitriny izao sy izay niainan’ny Nefita ao amin’ny Almà 1–4.

Sary
Ny Nefita miady amin’ny Amlisita

I Almà sy i Amlisia, nataon’i Scott M. Snow