Avia, hanaraka Ahy
11–17 mey. Môzià 18–24: “Nanao fanekempihavanana Taminy izahay”


“11–17 mey. Môzià 18–24: -Nanao fanekempihavanana Taminy izahay,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“11–17 mey. Môzià 18–24,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
Ny vahoakan’i Limia mandeha mitsoaka

Ny fitsoahan’i Limia Mpanjaka sy ny vahoakany, nataon’i Minerva K. Teichert

11–17 mey

Môzià 18–24

Nanao fanekempihavanana Taminy izahay

Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson hoe, “Rehefa mamaky sy misaintsaina ny soratra masina isika dia hahazo ilay bitsiky ny Fanahy tena tsara ho an’ny fanahintsika” (“Tsy irery na oviana na oviana isika,” Liahona, nôv. 2013, 122).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny tantaran’i Almà sy ny olony ao amin’ny Môzià 18; 23–24 dia maneho ny dikan’ny hoe “tonga ao amin’ny valan’ Andriamanitra” (Môzià 18:8). Rehefa natao batisa izy ireo dia nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra fa “hanompo Azy sy hitandrina ny didiny” (Môzià 18:10). Na dia fanolorantena tena an’ny tena manokana aza izany dia misy ifandraisany ihany koa amin’ny fomba fifampitondran’izy ireo. Marina tokoa fa ny dia miverina eo anatrehan’ Andriamanitra dia an’ny tena manokana sy raharahan’ny isam-batan’olona ary tsy misy olon-kafa afaka hitandrina ny fanekempihavanantsika eo amin’ny toerantsika, kanefa tsy midika izany fa irery isika. Mila mifanampy isika. Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy antsika dia nanao fanekempihavanana ny hanompo an’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fifanampiana sy fifanompoana mandritra ilay dia, “[m]ifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay” (Môzià 18:8–10). Tena nanana enta-mavesatra hozakaina toa antsika ihany koa ny vahoakan’i Almà. Ary fomba iray hanampian’ny Tompo antsika “[h]itondra mora foana ny enta-mavesa[tsika]” (Môzià 24:15) ny fanomezana antsika ny fiarahamonin’ny Olomasina izay nampanantena ny hiara-ory amintsika sy hampionona antsika sahala amin’ny nampanantenantsika ny hanao izany amin’izy ireo.

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Môzià 18:1–17

Tafiditra ao anatin’ny batisa ny fanekempihavanana ny hanompo an’ Andriamanitra sy hijoro ho vavolombelona momba Azy.

Ny Môzià 18:8–10 dia mirakitra ny fampianaran’i Almà momba ny fanekempihavanan’ny batisa na ny fampanantenana ataontsika amin’ Andriamanitra amin’ny batisa. Eo am-pamakianao ireo andininy ireo dia saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo momba ireo fampanantenana nataonao tamin’ny batisa? Inona no ampanantenain’ Andriamanitra anao?

  • Inona no ifandraisan’ny fanekempihavanana hanompo an’ Andrimanatra (jereo ny andininy 10) amin’ny ezaka ataontsika mba hifanompo? (jereo ny andininy 8–9)

  • Inona no ataonao amin’izao fotoana izao mba hihazonana ny fampanantenana nataonao?

  • Manampy anao mba ho “heniky ny Fanahy” amin’ny fomba ahoana ny fitandremanao ny fanekempihavanana nataonao tamin’ny batisa? (Môzià 18:14). Ahoana no hanampian’ny Fanahy anao hitandrina ny fanekempihavanana nataonao?

Sary
batisa ao anatin’ny ranomasim-be

Rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra aho dia mandray ireo fitahiana avy Aminy.

Io tantara io koa dia manambara ny fomba fanaovana batisa araka ny tokony ho izy. Inona no ianaranao ao amin’ny andininy 14–17 mikasika ny fomba tokony hanaovana ny batisa? Inona ihany koa no ianaranao momba ny batisa ao amin’ny Matio 3:16; Romana 6:3–5; 3 Nefia 11:21–28; sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:72–74?

Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 77, 79.

Môzià 18:17–30

Tokony hiray hina ny vahoakan’ Andriamanitra.

Araka ny hitan’i Almà sy ny vahoakany, indraindray ny hoe manaraka an’i Jesoa Kristy dia midika hoe mandao fomba fiainana iray mahazatra ho amin’ny zavatra vaovao sy hafa. Kanefa ny vahoakan’i Almà dia nandray hery avy amin’izy samy izy amin’ny maha-anisan’ny “fiangonan’i Kristy” azy ireo (Môzià 18:17). Ahoana no hitaoman’ireo fampianarana ao amin’ny Môzià 18:17–30 anao ho tonga mpikamban’ny Fiangonana tsaratsara kokoa? Inona no azonao atao hanampiana ireo mpikambana ao amin’ny paroasy na ny sampana misy anao mba“[h]ifamihina ao amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiavana”? (Môzià 18:21).

Jereo koa ny Henry B. Eyring, “Ny fontsika mitambatra ho iray,” Liahona, nôv. 2008, 68–71.

Môzià 19–20

Ho tanteraka ny tenin’ireo mpaminany.

I Abinadia dia nanome faminaniana manokana vitsivitsy momba ny zavatra hanjo an’i Noà Mpanjaka sy ny olony raha mandà ny hibebaka izy ireo. Saingy toa tsy mampino ny sasany tamin’ireny faminaniana ireny (jereo ny Môzià 12:1–8, 14–15), indrindra hatramin’ny nisian’ny fahombiazan’ny Nefita tamin’ny fiarovana ny tenany tamin’ny Lamanita saika hatramin’ny 50 taona teo (jereo ny Môzià 9:16–18; 11:19). Kanefa ho tanteraka avokoa ny tenin’ireo mpaminany—amin’izao androntsika izao tahaka ny tamin’ny an’i Abinadia.

Inona no hitanao ao amin’ny Môzià 19–20 izay mety nahatonga an’i Gideôna hanambara fa tanteraka ireo faminanian’i Abinadia? (jereo ny Môzià 20:21). Ahoana no hampatanjahan’io tantara io ny finoanao ireo fampitandremana sy torohevitr’ireo mpaminanin’ Andriamanitra sy ny fanolorantenanao hanaraka ny tenin’izy ireny? Oviana ianao no nahita ny fahatanterahan’ny tenin’ny mpaminany iray tamin’izao androntsika izao?

Môzià 21–24

Afaka manamaivana ny enta-mavesatro Andriamanitra.

Samy tafalatsaka tao anatin’ny fahababoana ny vahoakan’i Limia sy ny an’i Almà na dia samy hafa aza ny antony sy ireo toe-javatra niainana. Inona no azonao ianarana avy amin’ny fampitahana ny tantaran’ny vahoakan’i Limia ao amin’ny Môzià 19–22 sy ny olon’i Almà ao amin’ny Môzià 18; 23–24? Azonao soratana ny fihetsik’ireo andian’olona ireo nanoloana ny fanandevozana na ny fomba nanafahana ny tsirairay avy aminy nony farany. Eo am-panaovanao izany dia karohy ireo hafatra izay mihatra amin’ny fiainanao. Ohatra, inona no ianaranao avy amin’ireo tantara ireo izay hanampy anao hiatrika ireo fitsapana lalovanao?

Môzià 23:21–24; 24:8–17

Afaka matoky ny Tompo aho.

Na dia efa nibebaka tamin’ny fahotany aza i Almà sy ny olony dia mbola navarina ho andevo ihany izy ireo. Ny zavatra niainan’izy ireo dia maneho fa ny hoe matoky ny Tompo sy ny miaina ireo fanekempihavanana nataontsika dia tsy manakana foana ireo fahasarotana, kanefa izany dia manampy antsika tokoa handresy azy ireny. Eo am-pamakianao ny Môzià 23:21–24 sy ny 24:8–17, dia soraty ireo teny na andian-teny izay afaka manampy anao hatoky an’ Andriamanitra na dia eo aza ny toe-javatra iainanao.

Jereo koa ny Thomas S. Monson, “Tsy handao na hahafoy anao Aho,” Liahona, nôv. 2013, 85–87.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Môzià 18:1–4

Misy oha-pitenenana milaza fa mety ho toy ny tsy dia manan-danja firy ny zavatra iray, kanefa mety hitondra fiantraikany goavana izany any aoriana any. Olona iray monja no nandray ny teny vavolombelon’i Abinadia, kanefa izany olona iray izany, dia i Almà izany, dia nahataona taranaka Nefita maro. Azonao hatao ny mampiasa voankazo misy voany hanehoana io fitsipika io. Ahoana no hiaran’io hafatra io amin’ny fianakavianao? Inona no azontsika atao mba hizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika amin’ny hafa?

Môzià 18:8–10

Inona no zavatra azontsika ianarana mikasika ny fanekempihavanana ataontsika amin’ny batisa avy amin’ireo andininy ireo? (Jereo koa ny FF 20:73, 77–79). Inona no ataontsika amin’izao fotoana izao mba hiomanana hanao na mba hitandremana ny fanekempihavanana (n)ataontsika (t)amin’ny batisa?

Môzià 18:30

Aiza avy ireo toerana manana lanja manokana ho antsika noho ireo zavatra ara-panahy niainantsika teo amin’izy ireny?

Môzià 21:11–16; 24:10-15

Inona no azonao ianarana avy amin’ny fampitahana ny tantaran’ny fahababoan’ny vahoakan’i Almà sy ny vahoakan’i Limia?

Môzià 21:15; 24:11–15

Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny sasantsasany amin’ireo fomba hamalian’ny Tompo ireo vavaka ataontsika?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mitadiava fotoana izay mety aminao. Matetika mora kokoa ny mianatra amin’ny fotoana izay ahafahanao mandalina ny soratra masina tsy misy manelingelina. Mitadiava fotoana izay mety aminao, ary ataovy izay vitanao mba handalinana tsy tapaka amin’izany fotoana izany isan’andro.

Sary
olona atao batisa

Ny ranon’i Môrmôna, nataon’i Jorge Cocco