Avia, hanaraka Ahy
27 aprily–3 mey. Môzià 7–10 : “Tamin’ny herin’ny Tompo”


“27 aprily–3 mey. Môzià 7–10: -Tamin’ny herin’ny Tompo ,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“27 aprily–3 mey. Môzià 7–10,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
I Amôna mampianatra an’i Limia Mpanjaka

I Amôna teo anatrehan’i Limia Mpanjaka, nataon’i Minerva K. Teichert

27 aprily–3 mey

Môzià 7–10

“Tamin’ny Herin’ny Tompo”

Eo am-pamakianao ny soratra masina dia mety hisarika ny sainao amina andian-teny na andinin-tsoratra masina sasantsasany ny Fanahy. Raketo an-tsoratra ny zavatra tsapanao fa ifandraisan’ireny andinin-tsoaratra masina ireny aminao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Nandritra ny fotoana niainan’ny olon’i Môzià Mpanjaka “fandriampahalemana lalandava” tao Zarahemlà (Môzià 7:1), dia nieritreritra momba ny andiana Nefita iray hafa izay nitoetra tao amin’ny tanin’i Lehia-Nefia an-taonany maro mialoha ny nandehanan’izy ireo. izy ireo. Taranaka maro no lasana ary tsy nandre na inona na inona mikasika azy ireo ny olon’i Môzià. Noho izany dia nangataka an’i Amôna i Môzià hitondra andiana mpanadihady hikaroka ireo Nefita izay nandao azy ireo. Hitan’ilay andiana mpanadihady fa “noho ny heloka” (Môzià 7:24) no nahatonga azy ireny ho tao anatin’ny fanandevozan’ny Lamanita. Kanefa rehefa tonga i Amôna sy ny rahalahiny dia nanana fanantenana ny ho afaka tampoka teo izy ireo.

Indraindray isika dia tahaka ireo Nefita babo ireo ka mijaly noho ny fahotantsika sy manontany tena ny amin’ny fomba hahitantsika fiadanana indray. Indraindray isika dia tahaka an’i Amôna, izay mahatsapa ho taomim-panahy hanampy ny hafa ary amin’ny farany dia mahita fa ireo ezaka nataontsika dia nitaona azy ireny “[hampitraka] ny loha[ny], sy [hifaly], ary [hametraka] ny fitokia[ny] amin’ Andriamanitra” (Môzià 7:19). Na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra misy antsika dia mila mibebaka sy “mitodika any amin’ny Tompo amin’ny fo feno finiavana” isika rehetra omban’ny finoana fa “Izy no hanafaka [antsika]” (Môzià 7:33).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Môzià 7:14–33

Raha mitodika amin’ny Tompo, sy matoky Azy, ary manompo Azy aho dia hanafaka ahy Izy.

Nanome tsirim-panantenana an’i Limia Mpanjaka ny fihaonana tamin’i Amôna, izay Nefita avy any Zarahemlà, ary naniry ny hampita izany fanantenana izany tamin’ny vahoakany izy. Eo am-pamakianao ny Môzià 7:14–33, dia jereo ny zavatra nolazain’i Limia tamin’ny olony mba hankaherezana azy ireo, sy hampatanjahana ny finoany, ary hanomezana fanantenana azy ireo fa hanampy azy ireo Andriamanitra. Na dia mety tsy ho meloka amin’ny fahotana mitovy amin’ny an’ny olon’i Limia aza ianao dia ahoana no hahafahan’ny teniny manampy anao hitodika amin’ny Tompo? Hahatsikaritra ianao ohatra fa nampahatsiahy ny olony momba ny tantara taloha momba ny fanafahan’ Andriamanitra i Limia (jereo ny andininy 18–20). Hanampy anao hatoky an’ Andriamanitra amin’ny fomba ahoana ireo tantara ireo, miampy ireo tantara hafa ao amin’ny soratra masina na ny zavatra niainanao manokana?

Môzià 8:5–12

Inona ireo takelaka 24 hitan’ny olon’i Limia?

Nandritra ny fikarohana izay tsy nahomby nataona andian’olona vitsy avy amin’ny vahoakan’i Limia mba hahitana ny tanin’i Zarahemlà dia nahita takela-bolamena 24 misy teny voasokitra tamin’ny fiteny tsy fantany izy ireo. Ireo takelaka ireo, izay nadikan’i Môzià Mpanjaka taty aoriana, dia mitantara momba ny vahoaka izay fantatra amin’ny hoe Jaredita, tonga teo amin’ny tany nampanantenaina avy any amin’ny tilikambon’i Babela ka voaringana nony farany (jereo ny Môzià 28:11–19). Taty aoriana dia nataon’i Môrônia ny famintinina ireo takelaka ireo (jereo ny Etera 1:1–2) izay lasa ny bokin’i Etera. Jereo ao amin’ny Môzià 28:18 ny fiantraikan’io rakitsoratra io teo amin’ny olon’i Môzià.

Môzià 8:12–19

Manome mpaminany sy mpahita ary mpanambara ny Tompo ho tombontsoan’ny zanak’olombelona.

Rehefa nandre ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Amôna ny amin’ny nananganan’ny Tompo mpahita iray i Limia dia “nifaly fatratra, ary nanati-tsaotra an’ Andriamanitra” (Môzià 8:19). Nahoana izy, araka ny fihevitrao, no nanana fahatsapana toy izany? Inona no nianaranao momba ny mpahita avy amin’ny tenin’i Amôna ao amin’ny Môzià 8:13–19? Amin’izao androntsika izao, “ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy dia tohanana ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mpahita”). Oviana no fotoana farany nisaintsainanao ireo fitahiana avy amin’ny fananana mpaminany sy mpahita ary mpanambara eto an-tany? Azonao raketina, ny naha-“tombontsoa lehibe” (Môzià 8:18) ho anao ny fananana mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

Ny Mpaminany Joseph Smith no mpahita lehibe izay nanomboka ny fotoampitantanana misy antsika (jereo ny F&F 21:1; 124:125; Joseph Smith—Tantara 1:62). Ahoana no nanehoany nandritra ny asa fanompoany ny famariparitan’i Amôna ny atao hoe mpahita?

Môzià 9–10

Afaka miatrika ireo olako “[a]min’ny herin’ny Tompo” aho.

Niaiky i Zenifa fa nanao hadisoana izy. Diso nazoto loatra izy indraindray ka nametraka ny olony, dia ny razamben’ny olon’i Limia izany, tao anatin’ny toe-java-tsarotra tamin’ny fanaovana fifanarahana tsy natao tamim-pahendrena tamin’ny Mpanjaka Lamàna. Saingy taty aoriana rehefa nandeha niady tamin’ny Lamanita izy dia nanampy ny olony hiatrika ny fanambin’izy ireo tamim-pinoana. Eo am-pamakianao ny Môzià 9–10, dia tadiavo ny zavatra nataon’ny olon’i Zenifa hanehoany ny finoany. Ahoana no nampatanjahan’ Andriamanitra azy ireo? Midika inona aminao ny hoe miroso “[a]min’ny herin’ny Tompo”? (Môzià 9:17; 10:10–11).

Môzià 10:11–17

Afaka ny hisy fiantraikany eo amin’ny maro ireo safidy ataoko.

Araka ny ao amin’ny Môzià 10:11–17, dia ahoana no nanakanan’ny zavatra nataon’ny razamben’ny Lamanita sy ny fomba fisainan’izy ireo ny Lamanita tsy hahafantatra ny fahamarinana? Inona no fiantraikan’ny safidy nataon’ireo razamben’ny Lamanita tamin’ireo taranaka ho avy? Eritrereto ireo olona izay mety ho voataonan’ny zavatra inoanao sy ny safidy ataonao. Inona no zavatra ataonao mba hanampiana azy ireo hanana finoana bebe kokoa an’i Kristy?

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Môzià 7:19–20

Jereo ireo ohatra nolazain’i Limia mba hankaherezana ny vahoakany mba hanam-pinoana. Inona ireo ohatra avy amin’ny soratra masina izay manainga antsika “hametraka ny fitokian[a] amin’ Andriamanitra”? Inona no hevitry ny hoe mametraka fitokiana amin’ Andriamanitra? (jereo koa ny Môzià 9:17; 10:19). Inona amin’ireo tantara avy amin’ny fiainantsika na ny an’ny razambentsika no azontsika zaraina mba hiteraka fitokiana lehibe kokoa amin’ Andriamanitra?

Môzià 7:26–27

Inona no zavatra ianarantsika momba ny Mpamonjy avy amin’ireo andininy ireo? (jereo koa ny F&F 130:22). Nahoana isika no feno fankasitrahana noho ny fahafantarana ireo zavatra ireo?

Môzià 8:13–18

Mba hanampiana ny fianakavianao hahatakatra ny atao hoe mpahita, dia azonao hatao ny mampiseho azy ireo ny sarin’ireo fitaovana izay manampy antsika hahita ny zavatra izay tsy hitantsika amin’ny fomba hafa, toy ny masolavitra, teleskaopy na mikraoskopy. Inona no mampitovy an’ireo fitaovana ireo amin’ny mpahita? (jereo ny Mosesy 6:35–36). Inona no afaka hitan’ny mpahita kanefa tsy hitantsika? Inona no porofo ananantsika fa mpahita i Joseph Smith?

Azonao hatao ny mampiseho sarina mpaminany sy mpahita ary mpanambara velona ary manontany ny fianakavianao ny zavatra fantatr’izy ireo momba azy ireo? Ahoana no hanarahantsika azy ireo?

Môzià 9:14–18; 10:1–10

Vonona ara-batana sy ara-panahy ny olon’i Zenifa tamin’ny fotoana nanafihan’ny Lamanita. Inona no azontsika ianarana avy amin’i Zenifa sy ny olona mikasika ny fiomanana hiatrika ireo olana?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mikatsaha hevi-baovao ara-panahy anao manokana. Ity lesona ity dia manolotra ireo andinin-tsoratra masina sy ireo fitsipika hifantohana kanefa aza avela hametra ny fandalinanao ireo tolo-kevitra ireo. Mety hisy andininy hanan-danja be aminao na mety hahalala fitsipika izay tsy voatonona ato ianao. Avelao ny Fanahy hitarika anao.

Sary
I Joseph Smith sy i Môrônia

Fahitana nomena an’i Joseph Smith, nataon’i Clark Kelley Price