Avia, hanaraka Ahy
4–10 mey. Môzià 11–17: “Fahazavana … izay tsy azo hamaizinina na oviana na oviana”


“4–10 mey. “Môzià 11–17: -Fahazavana … izay tsy azo hamaizinina na oviana na oviana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“4–10 mey. Môzià 11–17,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
i Abinadia mijoro ho vavolombelona amin’i Noà Mpanjaka

I Abinadia eo anatrehan’i Noà Mpanjaka, nataon’i Andrew Bosley

4–10 mey

Môzià 11–17

“Fahazavana … izay tsy azo hamaizinina na oviana na oviana”

Niteraka fiovana mahery vaika tamin’ny olona iray farafahakeliny taamin’ireo tandapan’i Noà Mpanjaka ny tenin’i Abinadia (jereo ny Môzià 17:2–4). Vakio ombam-bavaka ao am-ponao ny Môzià 11–17 mba hahazoanao fahatsapana mikasika ny fomba ahafahanao miova.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny afo be miredareda dia afaka manomboka amin’ny pitik’afo iray. I Abinadia dia lehilahy iray monja izay nijoro ho vavolombelona nanohitra mpanjaka iray be fahefana sy nanohitra ireo tandapany. Ny ankamaroan’ny olona dia nandà ny teniny, ary namoahana didy mba hovonoina ho faty izy. Ny fijoroany ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy anefa, izay ny “fahazavana … izay tsy azo hamaizinina na oviana na oviana” (Môzià 16:9), dia nisy fiantraikany tao am-pon’i Almà ilay mpisorona tanora. Ary nihanitombo tsikelikely ilay pitik’afon’ny fiovam-po rehefa nitondra olona maro hafa ho amin’ny fibebahana sy ny finoana an’i Jesoa Kristy i Almà. Ny lelafo izay namono an’i Abinadia dia maty nony farany, fa ny afon’ny finoana izay nentin’ny teniny dia nanana fiantraikany maharitra teo amin’ireo Nefita, sy amin’ireo izay mamaky ny teniny ankehitriny. Ny ankamaroantsika dia tsy hiatrika mihitsy ny ankabeazan’ny zavatra natrehan’i Abinadia noho ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika, kanefa isika rehetra dia miaina ao anatin’ny fotoana izay ahitantsika fa ny fanarahana an’i Jesoa Kristy dia fizahan-toetra ny herim-po sy ny finoantsika. Mety hampiredareda ny afon’ny fijoroana ho vavolombelona sy ny herim-po ao am-ponao ihany koa ny fandalinana ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Abinadia.

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Môzià 11–1317

Afaka mijoro ho an’ny marina aho na dia mijoro irery aza.

Alaivo sary an-tsaina hoe mety ho nahakivy toy ny ahoana ho an’i Abinadia ny nitory fibebahana tamin’ny vahoaka izay toa tsy liana velively tamin’ny fanovana ny fomba ratsin’izy ireo. Nolavina foana foana ny hafatra nentiny. Tsy nilavo lefona mihitsy anefa i Abinadia.

Oviana ianao no nahatsapa ho toy ny hoe nijoro irery mba hiaro ny marina? Rehefa mamaky ny Môzià 11–13 sy 17 ianao dia inona no zavatra ianaranao ka afaka manampy anao ho vonona rehefa mila anao hijoro ho an’ny filazantsarany ny Tompo? Inona no fitsipika hafa ianaranao avy amin’ny ohatr’i Abinadia?

Môzià 12:19–30

Mila milofo amin’ny fahalalana ny tenin’ Andriamanitra ny foko.

Nahafantatra tsara ny tenin’ Andriamanitra ireo mpisoron’i Noà Mpanjaka: afaka nitanisa andinin-tsoratra masina izy ireo ary nilaza fa nampianatra ny didy. Saingy ireo didy ireo dia “tsy voasoratra [t]ao am-po[ny],” ary “tsy nilofo tamin’ny fahalalana [izany] ny fo[ny]” (Môzià 13:11; 12:27). Vokatr’izany dia tsy niova mihitsy ny fiainan’izy ireo.

Eo am-pamakianao ny Môzià 12:-19–30, dia saintsaino ny dikan’ny hoe mampilofo ny fo amin’ny fahalalana ny didin’ Andriamanitra. Mitaona anao hanova ny fomba handraisanao anjara amin’ny fianarana ny filazantsara ve izany?

Môzià 13:1–9

Hanohana ireo mpanompony amin’ny asany ny Tompo.

Amin’ny lafiny iray, ny zavatra niainan’i Abinadia dia manome ohatra marobe maneho ny fomba hanampian’ny Tompo ireo mpanompony. Afaka mahita ohatra maromaro toy izany ianao ao amin’ny Môzià 13:1–9. Etsy an-kilan’izay kosa, ny Tompo ihany koa dia namela an’i Abinadia ho voaenjika, nogadraina, ary novonoina ho maritiora noho ny fijoroany ho vavolombelona. Inona no hitanao ao amin’ireo andininy ireo, izay manambara fa natoky ny Tompo i Abinadia? Inona no fiantraikan’ny ohatra nasehon’i Abinadia amin’ny fomba fahitanao ny antsonao sy ny andraikitrao?

Môzià 14–15

Nijaly noho ny amiko i Jesoa Kristy.

I Noà Mpanjaka sy ireo mpisorony dia nino fa azo avy amin’ny lalàn’i Mosesy ny famonjena. Tian’i Abinadia ho fantatr’izy ireo fa azo amin’ny alalan’i Mesia, dia i Jesoa Kristy, ny famonjena. Jereo ao amin’ny Môzià 14–15 ireo teny sy andian-teny izay mamariparitra ny Mpamonjy sy ny zavatra niaretany ho anao? Inona avy ireo andinin-tsoratra masina mampitombo ny fitiavanao sy ny fankasitrahanao Azy?

Môzià 15:1–12

Ahoana no maha-sady Ray no Zanaka an’i Jesoa Kristy?

Indraindray ireo andininy ireo dia mampisavorovoro saina satria mety ho toy izao ny fahitana ilay izy hoe i Abinadia dia mampianatra fa Olona iray ihany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Isika anefa dia mahafantatra fa Olona samy hafa Izy Ireo. Inona no tian’i Abinadia nambara? Nampianatra izy fa ny Andriamanitra Zanaka, dia i Jehovah izany, no ho ilay Mpanavotra (jereo ny Môzià 15:1), hitoetra ao amin’ny nofo, ho lasa olombelona amin’ny ampahany ary Andriamanitra amin’ny ampahany (andininy 2–3). Nampanoaviny tanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra Ray ny tenany (andininy 5–9). Noho izany antony izany no maha-sady Zanak’ Andriamanitra an’i Jesoa Kristy no maha-solontenan’ny Ray any An-danitra tonga lafatra teto an-tany Azy (jereo ny Jaona 14:6–10).

Notohizan’i Abinadia izany tamin’ny fanazavana fa i Jesoa Kristy dia ny Ray ihany koa rehefa raisina amin’ny hoe rehefa manaiky ny fanavotany isika dia lasa “taranany” (Môzià 15:11–12). Izany hoe lasa ateraka indray ara-panahy amin’ny alalany isika (jereo ny Môzià 5:7).

Jereo koa ny Jaona 5:25–27; 8:28–29; 17:20–23.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Môzià 11–1317

I Abinadia sy i Almà dia ohatra tena tsara amin’ny fijanonana ho mahatoky amin’ny fahamarinana, na dia rehefa tsy betsaka intsony aza ny olona manao izany. Mety hiatrika tsindry ara-piarahamonina ireo olona ao amin’ny fianakavianao mba tsy hiaina ny fenitra tandrovan’izy ireo. Inona no azon’izy ireo ianarana avy amin’i Abinadia sy i Almà momba ny fiarovana ny fahamarinana? Ilay sary miaraka amin’ity lesona ity dia afaka manampy ny fianakavianao hahazo an-tsaina ilay tantara. Rehefa avy mandalina ireo toko ireo dia diniho ny hilalaovana an-tsehatra ireo toe-javatra iainana eo amin’ny fiainana andavanandro mba hahafahan’ny olona ao amin’ny fianakavianao mizatra miatrika ny tsindry tsy hiaina ny fenitra tandrovany. Na azonareo atao ny mifampizara ny zavatra niainanareo rehefa niaro ny fahamarinana.

Môzià 12:33–37; 13:11–24

Inona no dikan’ny hoe manana ny didin’ Andriamanitra “voasoratra ao am-po[ntsika]”? (Môzià 13:11). Azonao atao ny manoratra hevitra vitsivitsy (na maneho an-tsary ny hevitrao) amin’ny taratasy iray miendrika sarina fo lehibe. Nahoana no sarobidy amintsika ny didy? Ahoana no ahafahantsika manoratra izany ao am-pontsika?

Sary
ray sy zanakalahy mamaky ny soratra masina

Ny famakiana soratra masina dia afaka manampy antsika hanoratra ireo didy ao am-pontsika.

Môzià 14

Hahita teny sy andian-teny maromaro mamariparitra an’i Jesoa Kristy ianareo ato amin’ity toko ity. Azon’ny fianakavianao atao ny manao lisitra izany rehefa hitanareo izy ireo. Inona no tsapan’ireo olona ao amin’ny fianakaviana momba ny Mpamonjy rehefa mandalina ireo teny sy andian-teny ireo isika?

Môzià 15:26–27; 16:1–13

Ireo andininy ireo dia mamariparitra ny zavatra mety ho nitranga tamin’ireo zanak’ Andriamanitra raha “tsy tonga teo amin’ izao tontolo izao” (Môzià 16:6) i Jesoa, na raha tsy nanaraka Azy izy ireo. Inona avy ireo zavatra tsara izay nitranga satria tonga Izy ary nanao sorompanavotana ho antsika?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà tantara sy ohatra mba hampianarana fitsipiky ny filazantsara. Matetika ny Mpamonjy no mampianatra ireo fitsipiky ny filazantsara amin’ny alalan’ny fampiasana tantara sy fifanahafana. Mieritrereta ohatra sy tantara avy amin’ny fiainanao manokana izay afaka mampazava fitsipiky ny filazantsara iray ho an’ny fianakavianao (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 22).

Sary
I Abinadia mijoro ho vavolombelona amin’i Noà Mpanjaka

Namirapiratan’ny hazavana fatratra ny tavany, nataon’i Jeremy Winborg