Avia, hanaraka Ahy
4–10 mey. Môsià 11–17: “Fahazavana … izay tsy azo hamaizinina na oviana na oviana”


“4–10 mey. “Môsià 11-17: -Fahazavana … izay tsy azo hamaizinina na oviana na oviana-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“4–10 mey. Môsià 11–17,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Abinadia nijoro ho vavolombelona tamin’i Noà Mpanjaka

I Abinadia niatrika an’i Noà Mpanjaka, nataon’i Andrew Bosley

4–10 mey

Môsià 11–17

“Fahazavana … izay tsy azo hamaizinina na oviana na oviana”

Mandiniha sy mivavaha mba hahafantarana ny fomba ahafahanao mampiasa ny tantaran’i Abinadia sy ireo fampianarany ao amin’ny Môsià 11–17 mba hanampiana ireo ankizy ampianarinao. Raketo fahatsapana voarainao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Avelao ny ankizy hizara ny zavatra fantany mikasika ny tantaran’i Abinadia sy i Noà Mpanjaka. Ny sary ao anatin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Môsià 11–1317

Afaka mijoro ho an’ny marina aho na dia mijoro irery aza.

I Abinadia sy i Almà dia samy be herim-po tamin’ny fiarovana ny fahamarinana. Ahoana no ahafahanao mampiasa io tantara io mba hambolena herim-po ao anatin’ny ankizy hiatrehana ireo fotoana izay tsy maintsy hiarovan’izy ireo ny finoany?

Asa atao azo tanterahina

  • Fintino ny tantaran’i Abinadia sy i Noà Mpanjaka ary i Almà izay hita ao amin’ny Môsià 11–13 sy 17. Azonao atao ny mampiasa ny “Toko 14: Abinadia sy Noà Mpanjaka” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 38-42, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Asao ny ankizy hilalao an-tsehatra ilay tantara ka avelao hifandimby hilalao ny anjara toeran’ny olona samihafa izy ireo.

  • Mandehana eo am-pitoerana miaraka amin’ny ankizy eo am-panaovan’izy ireo ny hira iray izay mandrisika ny fananana herim-po, toy ny “Je serai vaillant” (Chants pour les enfants, 85). Iaraho mamaky ny tonon’ilay hira, ary ampio ny ankizy hamantatra ny ataon’ny olona be herim-po iray. Misafidiana andininy vitsivitsy avy ao amin’ny Môsià 11–13 sy 17 mba hovakina amin’ny ankizy hampisehoana ny herim-po nasehon’i Abinadia sy i Almà (ohatra, jereo ny Môsià 13:1–4, 9).

Môsià 12:33–36; 13:11–24

Tokony hankatò ireo Didy Folo aho.

Nahafantatra ireo didy ny mpisoron’i Noà Mpanjaka saingy tsy nanaraka izany izy ireo. Ny tenin’i Abinadia dia afaka manampy ny ankizy hahatakatra ny lanjan’ny fankatoavana ireo didy.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hanisa hatramin’ny 10. Na omeo taratasy kely miisa 10 ahitana tarehimarika iray isaky ny taratasy izy ireo ary avelao izy ireo handahatra araka ny tokony ho izy ireo taratasy. Hazavao fa nomen’ny Ray any An-danitra Didy Folo isika mba hanampiana antsika hiverina hiaraka hiaina Aminy. Ampio ny ankizy hiaraka hitanisa aminao ny sasany amin’ireo Didy Folo avy ao amin’ny Môsià 12:33–36 sy 13:11–24.

  • Ampisehoy ny sarin’i Mosesy miaraka amin’ny Didy Folo (toy ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 14), dia hazavao fohifohy ny fomba nahazoan’i Mosesy ireo didy avy tamin’Andriamanitra (jereo ny Eksodosy 19–20). Mampisehoa sarin’i Abinadia (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana) avy eo, ary lazao amin’ny ankizy fa nampahatsiahy an’i Noà Mpanjaka sy ireo mpisorony momba ireo Didy Folo i Abinadia. Misafidiana vitsivitsy amin’ireo didy avy ao amin’ny Môsià 12:33–36 sy 13:11–24 izay tsapanao fa manan-danja manokana ho an’ireo ankizy ampianarinao, ary resaho amin’izy ireo ireo fitahiana izay tonga avy amin’ny fankatoavana ireo didy ireo.

  • Iaraho manao ny hira iray mikasika ireo didy, toy ny “Pour trouver la paixChants pour les enfants, 68). Nahoana isika no mitandrina ireo didy?

Môsià 14:5; 15:7–9

Mijoro ho vavolombelona amin-kerim-po momba an’i Jesoa Kristy ireo mpaminany.

Nampianatra an’i Noà Mpanjaka sy ireo hafa momba an’i Jesoa Kristy i Abinadia na dia tamin’ny fotoana nampidi-doza aza izany. Ahoana no ahafahan’ny tantaran’i Abinadia mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny ankizy mikasika ireo mpaminany?

Asa atao azo tanterahina

  • Zarao amin’ny ankizy ny sasany amin’ireo zavatra nampianarin’i Abinadia momba an’i Jesoa Kristy Môsià 14:5 sy 15:7–9. Ampio ny ankizy hahatakatra fa tian’i Abinadia hanaraka an’i Jesoa i Noà Mpanjaka sy ny vahoakany mba ho faly izy ireo. Amin’izao androntsika izao dia mampianatra antsika momba ny Mpamonjy ireo mpaminany velona. Mamakia sombin-dahateny avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, na mampisehoa horonan-tsary fohy ahitana ny fizaran’ny iray amin’ireo mpaminany velona ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy (ohatra: jereo ny horonan-tsary “Special Witnesses of Christ” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org).

  • Mampisehoa sarina rojo, fonja iray, ary afo ary manaova sarin’izany. Ampianaro ny ankizy fa i Abinadia dia vonona ny hofatorana, haiditra am-ponja, ary hodorana mihitsy aza mba hizarana ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba an’i Jesoa Kristy. Na dia tsy hiatrika na oviana na oviana ireo loza ireo aza isika dia ahoana no ahafahantsika ho be herim-po tahaka an’i Abinadia amin’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika amin’ny alalan’ny tenintsika sy ireo safidintsika?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Môsià 11–1317

Afaka mijoro ho an’ny marina aho na dia mijoro irery aza.

Ahoana no ahafahanao manomana ny ankizy ampianarinao mba hijoro ho an’ny marina na dia tsy maintsy hanao izany samirery aza?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hanao ny sarin’ireo ampahany samihafa amin’ilay tantaran’i Abinadia sy i Noà Mpanjaka ary i Almà izay hita ao amin’ny Môsià 11–13 sy 17. Ampio izy ireo hampiasa ny sary nataon’izy ireo hitantarana ilay tantara na ampiasao ny “Toko 14: Abinadia sy Noà Mpanjaka” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 38-42, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Tamin’ny fomba ahoana no nijoroan’i Abinadia sy i Almà ho an’ny marina? Nahoana i Noà Mpanjaka no tsy nijoro ho an’ny marina? (jereo ny Môsià 17:11–12). Ampio ny ankizy hieritreritra ireo fotoana izay nijoroan’izy ireo ho an’ny marina.

  • Ampio ny ankizy hieritreritra ny toe-javatra izay ahafahan’izy ireo mijoro ho an’ny marina, ary asao izy ireo hilalao an-tsehatra ny sasany amin’ireo toe-javatra ireo. Ohatra, inona no azon’izy ireo atao rehefa miezaka mitaona azy ireo hijery horonan-tsary tsy tsara na tsy te hampiditra olona iray ao amin’ny kilalao lalaovin’izy ireo ny naman’izy ireo?

  • Ampisehoy ilay horonan-tsary: “Dare to Stand Alone,” (ChurchofJesusChrist.org). Nitovy tamin’i Abinadia ny Filoha Thomas S. Monson, tamin’ny fomba ahoana?

Môsià 12:33–36; 13:11–24

Tokony hankatò ireo Didy Folo aho.

Nampianatra an’i Noà Mpanjaka sy ireo mpisorona ratsy fanahy mikasika ny Didy Folo i Abinadia. Moa ve takatry ny ankizy ampianarinao ny antony tokony hitiavantsika sy hankatoavantsika ireo didin’Andriamanitra?

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo mamaky iray amin’ireo didy ao amin’ny Môsià 12:35 sy 13:11–24 ny ankizy tsirairay. Ampio ny ankizy hieritreritra fomba hifanampiana mba hahatsiarovana ny didy tsirairay (toy ny famoronana fehezan-teny mirima, na fihetsika, na fanafohezanteny). Afaka manampy ihany koa ilay hira “The Commandments” (Children’s Songbook, 112). Omeo taratasy miendrika sarina fo ny ankizy, ary asao izy ireo mba hanoratra iray na maromaro amin’ireo Didy Folo eo amin’ny fon’izy ireo (jereo ny Môsià 13:11), angamba izay tsapan’izy ireo fa tokony hoezahany hankatoavina tsaratsara kokoa.

  • Miaraha manao hira iray momba ny didy, toy ny “Pour trouver la paixChants pour les enfants, 68). Inona ireo fitahiana azo avy amin’ny fitandremana ireo didy?

Sary
ray sy zanakalahy mamaky soratra masina

Mampianatra antsika ireo didin’Andriamanitra ny soratra masina.

Môsià 14:6; 16:4–9

Rehefa manota aho dia manjary very; afaka ny ho hita aho noho i Jesoa Kristy.

Mba hampianarana momba an’i Jesoa Kristy dia nitanisa ny tenin’i Isaia mpaminany i Abinadia, izay nampitaha antsika tamin’ny ondry very. Ahoana no ahafahanao mampiasa io fampitahana io mba hampianarana ny ankizy momba ny Mpamonjy?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hizara zavatra niainana izay nahavery zavatra iray izay azy ireo na izy ireo mihitsy no very. Inona no tsapan’izy ireo? Inona no nataon’ izy ireo? Iaraho mamaky ny Môsià 14:6 sy 16:4–9. Ahoana no fomba “iviliantsika” lalana amin’Andriamanitra indraindray? Ahoana no fomba hanampian’ i Jesoa Kristy antsika mba hiverina?

  • Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina andian’ondry iray. Inona ireo antony sasany mety hahavery ny iray amin’ireo ondry? Tanisao eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’izy ireo. Inona no mampitovy antsika amin’ny ondry very? Inona no mety ho tsapan’ny Ray any An-danitra rehefa “hita” isika amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy? (jereo ny FF 18:10–13). Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpamonjy sy ny fibebahana.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hangataka ireo olona ao amin’ny fianakaviany mba hizara zavatra niainan’izay ireo izay nijoroan’izy ireo ho an’ny marina, na amporisiho ny ankizy hizara ny zavatra niainan’izy ireo manokana.

Manatsara ny fampianarantsika

Fanalahidin’ny fianarana ny famerimberenana. Mahazo tombontsoa avy amin’ny fihainoana fitsipika iray ao amin’ny filazantsara na fanaovana asa atao mihoatra ny indray mandeha ny ankizy. Ezaho averimberina amin’ny fomba samihafa ireo asa atao.