Avia, hanaraka Ahy
18–24 mey. Môsià 18–25: “Ary ireo no nantsoina hoe ny vahoakan’ Andriamanitra”


“18–24 mey. “Môsià 25–28: -Ary ireo no nantsoina hoe ny vahoakan’ Andriamanitra-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“18–24 mey. Môsià 25–28,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
anjely miseho amin’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià

Ny fiovam-pon’i Almà Zanany, nataon’i Gary L. Kapp

18–24 mey

Môsià 25–28

“Ary ireo no nantsoina hoe ny vahoakan’ Andriamanitra”

Fantatry ny Ray any An-danitra izay ilain’ny ankizy ao amin’ny kilasinao sy ny fomba hanampiana azy ireo. Katsaho ny fitarihany eo am-pamakianao ny Môsià 25–28 ary avereno jerena ity rindran-damina ity.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Ampisehoy ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary angataho ny ankizy mba hamariparitra ny zavatra niseho tao amin’ilay sary. Raha toa ka efa mahay tsara ny tantaran’i Almà Zanany sy ireo zanakalahin’i Môsià ny ankizy dia avelao izy ireo hizara izay fantany.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Môsià 26:30–31

Tian’ny Tompo hamela heloka aho.

Nampianatra an’i Almà ny Tompo fa mamela malalaka ireo izay mibebaka Izy. Tokony hanaraka ny ohatra nasehony isika amin’ny alalan’ny famelana ireo izay nanota tamintsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ity fehezan-teny avy ao amin’ny Môsià 26:31 ity: “Tokony hifamela heloka ianareo.” Avelao ny ankizy hizatra hamerimberina hiteny hoe “Mamela anao aho” ka fantaro raha toa ka fantatr’izy ireo ny dikan’ny hoe mamela heloka. Mizarà zavatra niainana iray teo amin’ny fiainanao izay nahitana ny namelanao olona iray na ny namelan’ny olona iray anao.

  • Ampio ny ankizy hilalao an-tsehatra ny fifamelana heloka. Angataho ny ankizy iray hody hanao hoe nanao zavatra izay nampalahelo na nanohina ny ankizy iray hafa izy. Inona no azon’ilay ankizy hafa lazaina na atao mba hanehoana famelan-keloka?

  • Asao ny ankizy mba hanao sarina endrika malahelo eo amin’ny lafy irain’ny taratasy ary endrika faly ao ambadik’izany. Angataho izy ireo mba hihazona ambony ilay endrika malahelo rehefa milaza momba ny zavatra niainany izy ireo ka nahatonga azy ireo ho tezitra tamin’ny iray tampo aminy na ny namany. Angataho izy ireo mba hihazona ambony ilay endrika faly rehefa milaza momba ny fomba namelany na hamelany io olona io izy ireo.

Môsià 27:8–37

Manampy ny olona hiova sy ho tonga tahaka an’i Jesoa bebe kokoa ny filazantsara.

Ny fiovam-pon’i Almà Zanany sy ireo zanakalahin’i Môsià dia maneho fa noho i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany, dia afaka miova sy tonga tahaka an’i Jesoa bebe kokoa ny olona na iza na iza.

Asa atao azo tanterahina

  • Fintino amin’ny ankizy ny tantaran’ny fiovam-pon’i Almà Zanany sy ireo zanakalahin’i Môsià , araka ny voafariparitra ao amin’ny Môsià 27:8–37. Mba hahazoana fanampiana dia jereo ny “Toko 18: Ny fibebahan’i Almà Zanany” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 49–52, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Tantarao indray ilay tantara avy eo, ka avelao ny ankizy mba hizara ireo antsipirian-javatra tadidin’izy ireo. Avelao izy ireo hilalao an-tsehatra ilay tantara, ary ampio izy ireo hahita ny fahasamihafana teo amin’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià taloha sy taorian’ny nibebahan’izy ireo.

  • Asao ny ankizy hampiasa ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hitantarana ny tantaran’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià. Vakio ny Môsià 27:24, ary ampio ny ankizy hahatakatra fa niova i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià satria nibebaka tamin’ny fahotany izy ireo ary nanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

    Sary
    I Almà Zanany nentina nankany amin’ny tranon-drainy

    Nifaly ny Rainy, nataon’i Walter Rane

Môsià 28:1–8

Afaka mizara ny filazantsara aho.

Taorian’ny fiovam-pon’izy ireo, ireo zanakalahin’i Môsià dia maika ny hizara ny filazantsara tamin’ny olon-drehetra, ka anisan’izany ireo fahavalony, ny Lamanita.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampiasao ny Môsià 28:1–8 mba hitantarana amin’ny ankizy ny tantaran’ireo zanakalahin’i Môsià izay nanapa-kevitra ny hitory ny filazantsara amin’ireo Lamanita. Mba hahazoana fanampiana dia jereo ny “Toko 19: Lasa mpitory ny filazantsara ny zanakalahin’i Môsià” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 53, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Nahoana izy ireo no naniry ny hizara ny filazantsara? (jereo ny andininy 3).

  • Ampio ny mpianatra tsirairay mba hieritreritra olona iray izay mila mahafantatra bebe kokoa ny filazantsara. Ampio ny ankizy hanao drafitra izay holazainy amin’ilay olona neritreretin’izy ireo.

  • Iaraho manao ny hira iray momba ny fizarana ny filazantsara, toy ny “Je voudrais déjà partir en mission” (Chants pour les enfants, 90). Hamafiso ireo andian-teny ao amin’ilay hira izay manolotra hevitra ny amin’ny fomba ahafahantsika mizara ny filazantsara amin’ny hafa.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Môsià 26:22–23, 29–30; 27:8–37

Mamela malalaka ireo izay mibebaka Andriamanitra.

Raha toa ka misy olona manontany tena ao amin’ny kilasinao raha toa ka afaka ny ho voavela marina izy, dia afaka manampy ny tenin’Andriamanitra tamin’i Almà Rainy sy ny zavatra niainan’i Almà Zanany.

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy hody hanao hoe miresaka amin’ny olona iray izay tsy mieritreritra velively fa hamela azy Andriamanitra. Asao izy ireo hamerina hamaky ny tenin’Andriamanitra tamin’i Almà Rainy ao amin’ny Môsià 26:22–23, 29–30. Inona no hitan’izy ireo fa hanampy izany olona izany?

  • Mialoha ny kilasy dia asao ny ankizy iray mba hamaky mikasika ny fiovam-pon’i Almà Zanany, izay hita ao amin’ny Môsià 27:8–37, ary ho vonona ny hitantara ilay tantara amin’ny iray kilasy toy ny hoe i Almà Zanany mihitsy izy. (Raha ilaina dia asaivo mangataka ny rainy na ny reniny izy mba hanampy.) Eo am-pizaran’ilay ankizy ilay tantara dia mametraha fanontaniana toy ny hoe: “Inona no zavatra tsapanao rehefa … ?” na “Dia inona no zava-nitranga avy eo?”

  • Asao ny ankizy hitanisa ireo teny avy ao amin’ny Môsià 27:8–10 izay mamariparitra hoe toy ny ahoana i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià nialoha ny fiovam-pon’izy ireo. Asaivo manao fitanisana iray hafa izy ireo avy eo avy ao amin’ny Môsià 27:32–37 izay mamariparitra hoe toy ny ahoana izy ireo taorian’izany. Araka ny andininy 24–29, inona no nahatonga io fiovana lehibe teo amin’i Almà io?

Môsià 26:29–31

Mba ho voavela heloka dia tsy maintsy mamela heloka aho.

Ampio ireo ankizy hahita ny fifandraisana misy eo amin’ny famelan-keloka atolotr’izy ireo ny hafa sy ny famelan-keloka antenain’izy ireo ho an’ny tenany.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hamaky ny Môsià 26:29–31 ary hanisa hoe impiry no mipoitra ny teny hoe “mamela”. Mampianatra antsika inona momba ny famelana ny hafa ireo andininy ireo? Nahoana no sady manampy ilay olona izay nanao zavatra tsy mety no manampy ilay olona izay mamela heloka ny famelan-keloka?

  • Angataho ny ankizy iray mba hanao sarina tetezana iray eny amin’ny solaitrabe, ary zarao ity teny nataon’ny Filoha Thomas S. Monson ity: “Izay tsy afaka mamela ny hafa dia manapaka ilay tetezana izay tsy maintsy hiampitany raha toa ka te hamonjy ny lanitra izy, satria mila ny famelan-keloka ny olona rehetra” (George Herbert, quoted in “Hidden Wedges,” Ensign, May 2002, 19). Fafao ny ampahany amin’ilay tetezana, ary asaivo manampy anao hamerina hanorina izany, tsikelikely, ny ankizy eo am-pizaran’izy ireo fomba ahafahany manolotra famelan-keloka ho an’ny hafa. Asao izy ireo mba hieritreritra olona iray izay tokony havelany heloka.

Môsià 27:8–24

Afaka mivavaka sy mifady hanina aho mba hotahiana ireo olon-tiako.

Diniho ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra fa afaka mampatanjaka ny finoan’izy ireo ny fifadian-kanina rehefa mivavaka ho an’ireo olona izay tiany izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho vakina ny Môsià 27:8-24, ary angataho ireo ankizy mba hitady ny zavatra nataon’i Almà sy ny vahoakany mba hanampiana an’i Almà Zanany. Zarao ny zavatra niainanao rehefa nifady hanina sy nivavaka ho an’ny olona iray ianao, ary amporisiho ny ankizy hizara ny zavatra niainan’izy ireo manokana.

  • Asao ny ankizy mba hieritreritra olona fantatr’izy ireo izay mila ny fanampian’Andriamanitra eo amin’ny fiainany. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa ny ankizy dia afaka mivavaka sy mifady hanina amim-pinoana mba hitahian’Andriamanitra io olona io. Asao ny ankizy mba hivavaka ho an’ilay olona neritreretin’izy ireo, ary raha afaka manao izany izy ireo, dia hifady hanina ho azy ihany koa.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asaivo misafidy zavatra iray izay nianarany avy tamin’ny zavatra niainan’i Almà Zanany sy ireo zanakalahin’i Môsià izay tian’izy ireo hozaraina amin’ny fianakaviany ny ankizy.

Manatsara ny fampianarantsika

Tohano ny ray aman-dreny. “Ny ray aman-dreny no mpampianatra filazantsara manan-danja indrindra ho an’ny zanany. Izy ireo dia samy manana andraikitra voalohany mba hitarika ny zanany ary manana hery tena lehibe hanaovana izany (jereo ny Deoteronomia 6:6–7 Rehefa mampianatra ny ankizy any am-piangonana ianao dia mivavaha mba hahita fomba hanohanana ny ray aman-dreny” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25).