Avia, hanaraka Ahy
18–24 mey. Môzià 25–28: “Ary ireo no nantsoina hoe ny vahoakan’ Andriamanitra”


“18–24 mey. Môzià 25–28: -Ary ireo no nantsoina hoe ny vahoakan’ Andriamanitra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“18–24 mey. Môzià 25–28,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
anjely niseho tamin’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môzià

Ny fiovam-pon’i Almà Zanany, nataon’i Gary L. Kapp

18–24 mey

Môzià 25–28

“Ary ireo no nantsoina hoe ny vahoakan’ Andriamanitra”

Taorian’ny “[nahatongavan’] ny feon’ny Tompo tamin’i [Almà],” dia nosoratany ireo zavatra nolazain’ny Tompo taminy “mba hahazoany mitana izany” (Môzià 26:13, 33). Ahoana no hanarahanao ny ohatr’i Almà?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Nivondrona ho vahoaka iray indray ny Nefita taorian’ny niain’ny taranaka nifandimby efa ho telo isa izay niaina tany amin’ny tany samihafa. Ny vahoakan’i Limia, sy ny olon’i Almà, ary ny vahoakan’i Môzià, eny fa hatramin’ny vahoakan’ny Zarahemlà aza, izay tsy taranaka avy amin’i Nefia, tamin’izay dia “nisaina niaraka tamin’ny Nefita” avokoa (Môzià 25:13). Maro tamin’izy ireo ihany koa no naniry ho lasa mpikamban’ny Fiangonana izay naorin’i Almà. Noho izany ireo rehetra izay “naniry ny hitondra eo aminy ny anaran’i Kristy” dia natao batisa, “ary ireo no nantsoina hoe ny vahoakan’ Andriamanitra” (Môzià 25:23–24). Taorian’ny taona maro nisian’ny fifandirana sy fahababoana dia toy ireny hoe hianoka fotoan’ny fiadanana ireny amin’izay ny Nefita.

Kanefa tsy ela akory dia nanomboka nanenjika ny Olomasina ireo tsy mpino. Ny zavatra tena nahavaky fo indrindra tamin’izany dia maro tamin’ireo tsy mpino ireo no zanak’ireo mpino ihany, dia ireo “taranaka vao misondrotra” (Môzià 26:1), ka anisan’izany ireo zanakalahin’i Môzià sy zanakalahy irain’i Almà. Avy eo dia nisy fahagagana iray nitranga, ary ny tantaran’izany fahagagana izany dia nanome fanantenana an-taonany maro ana ray aman-dreny miaritra fanaintainana. Kanefa ny tantaran’ny fiovam-pon’i Almà dia tsy natao ho an’ny ray aman-dreny manan-janaka maditra ihany. Ny fiovam-po marina dia fahagagana iray izay mila mitranga ao anatintsika rehetra na toa inona na toa inona fitrangany.

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Môzià 26:1–6

Tompon’andraikitra amin’ny finoako sy ny fijoroana ho vavolombelona ananako manokana aho.

Ireo izay nandre ny toritenin’ny Mpanjaka Benjamîna dia niaina fiovam-po mahatalanjona (jereo ny Môzià 5:1–7), kanefa ny fiovam-po dia zavatra iainana manokana izay tsy afaka ampitampitaina ho lova ho an’ny zanaky ny tena. Tsy maintsy miaina fiovam-po ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ho an’ny tenantsika manokana isika rehetra. Eo am-pamakianao ny Môzià 26:1–6 momba “ny taranaka vao misondrotr’” ireo Nefita tsy mpino dia soraty ny voka-dratsin’ny tsy finoan’izy ireo. Azonao atao ihany koa ny mieritreritra olona izay irinao raha mba azonao entina eo amin’i Kristy. Na dia tsy azonao omena azy aza ny fiovam-ponao dia mety hibitsika zavatra izay azonao atao ny Fanahy hanampiana azy hanana finoana. Eo am-pamakianao ny Môzià 25–28 mikasika ny fomba nanampian’i Almà sy ny mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana ireo taranaka vao misondrotra dia mety hisy hevitra fanampiny ho tonga ao aminao.

Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–29.

Môzià 26:6–39

Ireo mpanompo mahatokin’ Andriamanitra dia mikatsaka ny hanao ny sitrapony.

Indraindray isika dia mety hieritreritra fa ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana tahaka an’i Almà dia mahafantatra mandrakariva ny zavatra tsara tokony hatao. Ao amin’ny Môzià 26 isika dia mamaky momba ny olana iray teo anivon’ny Fiangonana izay tsy mbola natrehan’i Almà hany ka “natahotra izy fandrao hanao hadisoana eo imason’ Andriamanitra” (Môzià 26:13). Inona no zavatra nataon’i Almà tao anatin’io toe-javatra io? (jereo ny Môzià 26:13–14, 33–34, 38–39). Inona no tolo-kevitra avy amin’ny zavatra niainan’i Almà mikasika ny fomba mety hiatrehanao olana sarotra ao amin’ny fianakavianao na eo amin’ny fanompoana ato am-piangonana?

Mety hahaliana ihany koa ny manao lisitra ireo fahamarinana izay nambaran’ Andriamanitra tamin’i Almà izay hita ao amin’ny Môzià 26:15–32. Jereo fa ny sasany amin’ireo fahamarinana ireo dia tsy valiny mivantana ho an’ny fanontanian’i Almà. Inona no lazain’izany aminao mikasika ny vavaka sy ny fandraisana fanambarana ho an’ny tena manokana?

Môzià 27:8–37

Ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra dia tsy maintsy ateraka indray.

Mazava ho azy fa nila fahaterahana ara-panahy i Almà zanany noho izy sy ireo zanakalahin’i Môzià izay “faraidiny indrindra tamin’ny fahotana,” ka nandeha tetsy sy teroa “handrava ny fiangonan’ Andriamanitra” (Môzià 28:4; 27:10). Kanefa tsy ela taorian’ny fiovam-pony dia nijoro ho vavolombelona i Almà fa ny fiovam-po dia afaka ny ho azo, ary ilain’ny olona tsirairay: “Aza gaga,” hoy izy, “fa ny olombelona rehetra … dia tsy maintsy ateraka indray” (Môzià 27:25; nampiana sora-mandry). Tafiditra ao anatin’izany ianao, mazava ho azy.

Eo am-pamakianao ny zavatra niainan’i Almà, hita ao amin’ny Môzià 27:8–37, dia azonao atao ny mametraka ny tenanao eo amin’ny toerany. Tsy hoe miezaka mandrava ny Fiangonana akory ianao amin’izao fa azonao atao tsara ny mieritreritra zavatra momba ny tenanao izay mila ovaina. Iza amin’izao no manohana anao sy mivavaka ho anao “amim-pinoana be” tahaka an’i Almà rainy? Inona no traikefa izay nanampy “[n]andresy lahatra [anao] ny amin’ny hery sy ny fahefan’ Andriamanitra”? (Môzià 27:14). Inona avy ireo “zavatra lehibe” efa nataon’ny Tompo ho anao sy ny fianakavianao izay tokony hotsaroanao? (Môzià 27:16). Inona no ianaranao avy amin’ny teny sy ny zavatra nataon’i Almà Zanany ny amin’ny dikan’ny hoe hateraka indray? Mety hanampy anao handrefy ny fivoaranao eo amin’ny lalan’ny fahaterahana indray ny fanontaniana toy ireto:

Jereo ihany koa ny Môzià 5:6–9; Almà 36; “Conversion” (Gospel Topics, topics.ChurchofJesusChrist.org).

Sary
I Almà Zanany nobataina nankao an-tranon-drainy

Nifaly ny rainy, nataon’i Walter Rane.

Môzià 27:14, 19–24

Henon’ Andriamanitra ny vavaka ataoko ary hovaliany araka ny sitrapony izany.

Mety mahafantara ray na reny ao anatin’ny toe-javatra niainan’i Almà Rainy ianao izay manana zanaka lahy na vavy izay manao safidy manimba. Na mety ho ianao ilay ray na reny ao anatin’izany toe-javatra izany. Inona no hitanao ao amin’ny Môzià 27:14, 19–24 izay manome fanantenana anao? Inona no mety ho fiantraikan’ireo andininy ireo eo amin’ny vavaka ataonao ho an’ny hafa?

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Môzià 25:5–11

Inona no zavatra tsapan’ny vahoakan’i Môzià taorian’ny namakiany tamin’izy ireo ny rakitsoratry ny olon’i Zenifa sy ny olon’i Almà? Nitana rakitsoratra izay azonao vakina ve ny fianakavianao? Azonao atao ny mampiditra zavatra fanampiny ao amin’ny rakitsoratrao na manomboka manao ny anao manokana. Inona no hampidirinao ao ka mety hanampy ny fianakaviana (anisan’izany ireo taranaka ho avy) mba ho “feno fifaliana fatratra tokoa” sy hianarany mikasika “hatsaram-pon’ Andriamanitra mivantana”? (Môzià 25:8, 10).

Môzià 25:16

Nahoana no zava-dehibe tamin’ny vahoakan’i Limia ny nahatsiaro fa ny Tompo dia nanafaka azy ireo hiala ny fahababoana? Inona no nataon’ny Mpamonjy ho antsika ka tokony hotsaroantsika?

Môzià 26:29–31; 27:35

Araka ny voalaza ao amin’ireo andininy ireo dia inona no tsy maintsy ataon’ny olona iray mba hahazoany famelan-keloka?

Môzià 27:21–24

Eo am-pamakianao ireo andininy ireo dia mieritrereta olona iray azon’ny fianakavianao hoentina am-bavaka sy hanaovana fifadian-kanina.

Môzià 27–28

Mba hanampiana ny fianakavianao haka sary an-tsaina ireo tantara ao amin’ireo toko ireo dia azonao atao ny manasa azy ireo hanao ny sarin’ireo olona mandray anjara ao amin’izany sy mampiasa sary mba hitantarana indray an’ilay tantara. Na koa mety ho ankafizin’izy ireo ny milalao an-tsehatra ilay tantara. Ahoana no hahafahan’izy ireo maneho ny fiovana niainan’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môzià?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà sary. “Ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara sy ny LDS Media Library ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org dia ahitana sary sy horonan-tsary izay afaka manampy ny [fianakavianao] hahita endri-javatra na zava-miseho” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 22).

Sary
anjely niseho tamin’i Almà Zanany

Sarin’ny anjely iray niseho tamin’i Almà Zanany nataon’i Kevin Keele