Avia, hanaraka Ahy
15–21 jona. Almà 13–16: “Miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo”


“15–21 jona. Almà 13–16: -Miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“15–21 jona. Almà 13–16,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
i Almà sy i Amioleka mivoaka ny fonja

Sary maneho an’i Almà sy i Amioleka nafahana tao am-ponja, nataon’i Andrew Bosley

15–21 jona

Almà 13–16

“Miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo”

Sarobidy ny fitaomam-panahy azonao eo am-pisaintsainanao ny soratra masina. Afaka mampiseho ianao fa sarobidy aminao izany amin’ny alalan’ny firaketana izany sy ny fandraisana andraikitra avy amin’izany.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Tsara tamin’ny lafiny maro ny fiainana tao Amônihà ho an’i Amioleka sy i Zezrôma. I Amioleka dia “lehilahy tsy dia kely laza,” nanana “havana sy namana maro” ary “ harena betsaka” (Almà 10:4). I Zezrôma dia “[anisan’ny] za-draharaha indrindra” teo anivon’ireo mpahay lalàna ary nanana “[raharaha] betsaka” natao (Almà 10:31). Dia tonga tao Amônihà i Almà avy eo nitondra fanasana mba hibebaka sy “hiditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo” (Almà 13:16). Ho an’i Amioleka sy i Zezrôma ary ny hafa dia nitaky fahafoizan-tena ny fanekena io fanasana io, ary nitondra ho amin’ny fahoriana tsy hay zakaina mihitsy aza.

Kanefa mazava ho azy fa tsy tapitra teo akory ny tantara. Fantatsika ao amin’ny Almà 13–16 ny zavatra nitranga taty aoriana tamin’ireo izay nino “ny herin’ i Kristy ho famonjena” (Almà 15:6). Indraindray dia misy fanafahana, indraindray dia fanasitranana, ary indraindray dia tsy mety ho lasa mora kokoa ny zava-misy eto amin’ity fiainana ity. Fa ny zavatra misy mandrakariva dia “mandray [ny olony] any Aminy amim-boninahitra ny Tompo” (Almà 14:11). Mandrakariva ny Tompo dia manome “fahefana … araka ny finoa[ntsika] izay [ao] amin’ i Kristy” (Almà 14:28). Ary mandrakariva ny “finoana ny Tompo” dia manome antsika “fanantenana fa ho azo[ntsika] ny fiainana mandrakizay” (Almà 13:29). Rehefa mamaky ireo toko ireo ianao dia afaka mahazo fampaherezana ao amin’ireo fampanantenana ireo, ary afaka ny hahatakatra tsaratsara kokoa ny tian’i Almà nolazaina rehefa niresaka momba ny “fitsaharan’ny Tompo” izy.

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Almà 13:1–19

Manampy ahy hahazo fanavotana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ireo ôrdônansin’ny fisoronana.

Azonao ampahatsiahivina fa i Almà ao amin’ny Almà 12 dia nampianatra momba ny drafitry ny fanavotan’ Andriamanitra (jereo ny Almà 12:24–27). Ao amin’ny toko 13 izy dia miresaka momba ireo mpisorona izay notendren’ Andriamanitra “hampianatra ny olona ireo zavatra ireo” (Almà 13:1). Manambara fahamarinana maro mahery vaika momba ny fisoronana ny tenin’i Almà. Afaka miezaka mamantatra fahamarinana iray, farafahakeliny isaky ny andininy ao amin’ny Almà 13:1–9 ianao. Ireto misy hevitra vitsivitsy azonao hanombohana:

Andininy 1:Ny fisoronana dia antsoina ihany koa hoe “lamin’ny Zanak’ [Andriamanitra]” (jereo koa ny FF 107:1–4).

Andininy 2:Manendry mpisorona Andriamanitra mba hanampy ny olona hiandrandra ny Zanany mba ho fanavotana.

Andininy 3:Nomanina tamin’ny andraikiny “hatry ny fanorenana izao tontolo izao” ireo mpihazona ny fisoronana.

Inona koa no hitanao? Inona no tsapanao mikasika ny fisoronana rehefa misaintsaina ireo fahamarinana ireo ianao? Ahoana no nanampian’ny ôrdônansin’ny fisoronana anao hiandrandra an’i Kristy mba ho fanavotana?

Mahaliana ny mahatsikaritra fa mpanara-dia an’i Nehôra ny maro tamin’ireo olona tao Amônihà (jereo ny Almà 14:18; 15:15). Inona no tsy nampitovy an’ireo mpisorona araka ny lamin’i Nehôra (jereo ny Almà 1:3–6) tamin’ireo mpisorona voatendry “araka ny Lamin’ny Zanak’ Andriamanitra” (FF 107:3), izay nofariparitan’i Almà? (jereo ny Almà 13:1–19).

Jereo koa ny Dale G. Renlund, “Ny fisoronana sy ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy,”Liahona, nôv. 2017, 64–67.

Sary
zatovolahy eo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo

Ny ôrdônansin’ny fisoronana dia manampy antsika hiandrandra an’i Kristy mba ho fanavotana.

Almà 13:3

Moa ve ny mpihazona ny fisoronana ihany no olona “nantsoina sy nomanina hatry ny fanorenana izao tontolo izao”?

Ny fampianaran’i Almà ao amin’ny Almà 13:3 dia miresaka manokana momba ireo mpihazona ny fisoronana. Kanefa ilay fitsipika nampianariny manao hoe nahazo asa nampandraiketina sy niomana hanatanteraka izany “hatry ny fanorenana izao tontolo izao” ny olona, dia mihatra amintsika rehetra. Hoy ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: “Tany amin’ny tontolo talohan’ny nahatongavantsika tety dia nomena asa nampandraiketina ireo vehivavy mahatoky, raha ireo lehilahy mahatoky kosa dia notendrena mialoha ho amin’ny andraikitra sasantsasany tao amin’ny fisoronana. Na dia tsy tsaroantsika aza ankehitriny ny antsipiriany dia tsy mampihena ny voninahitry ny tena fisian’ny zavatra izay efa nekentsika tany aloha tany izany” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Spencer W. Kimball [2006], 215–16; jereo koa ny FF 138:55–56).

Almà 14

Indraindray Andriamanitra dia mamela ny olo-marina hijaly.

Ny Almà 14 dia mitantara momba ireo olo-marina izay nijaly ary maty mihitsy aza noho ny finoany. Mety hanontany tena ianao, tahaka ny olona maro, hoe nahoana no misy zava-doza mitranga amin’ireo olona izay miezaka miaina amim-pahamarinana. Mety tsy hahita ny valiny rehetra ho an’io fanontaniana sarotra io ianao ao amin’ny Almà 14, kanefa maro be ny zavatra azo ianarana avy amin’ny fihetsika nasetrin’i Almà sy i Amioleka tao anatin’ireo toe-javatra nisy izay natrehan’izy ireo. Inona no ampianarin’ny teny sy ny asan’izy ireo anao momba ny antony hamelan’ny Tompo ny olo-marina hijaly indraindray? Inona no ianaranao avy amin’izy ireo mikasika ny fiatrehana fanenjehana?

Jereo koa ny Matio 5:43–44; Marka 14:55–65; Romana 8:35–39; 1 Petera 4:12–14; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:5–9.

Almà 15:16, 18

Mitaky fahafoizan-tena ny maha-mpianatra.

Mety mahaliana ny manao lisitra ireo zavatra nafoin’i Amioleka mba hanekena ny filazantsara (jereo ny Almà 10:4–5; 15:16) sy ny fampitahana izany amin’ny lisitr’ireo zavatra azony (jereo ny Almà 15:18; 16:13–15; 34:8). Vonona ny hamoy inona ianao mba hahatonga anao ho mpianatra mahatoky kokoa?

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Almà 13

Mety hahazoan’ny fianakavianao tombony ny fifantohana amin’ny fotoana rehetra hahitana ilay teny hoe “fitsaharana” ao amin’ny Almà 13. Inona no teny sy hevitra hafa hita miaraka amin’izany? Ahoana no hanampian’izany antsika hahatakatra ny mety ho hevitry ny hoe “ny fitsaharan’ny Tompo”? Inona no maha-samy hafa izany amin’ny fakana aina ara-batana?

Almà 13:10–12

Mba hanampiana ny fianakavianao hahazo an-tsaina ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo dia azonareo atao ny miara-manasa zavatra iray, toy ny akanjo fotsy ohatra. Inona no tsapantsika rehefa maloto isika? Inona no tsapantsika rehefa lasa madio indray isika? Inona no mampitovy an’ireo fahatsapana ireo amin’ny zavatra tsapantsika rehefa manota isika, ary avy eo dia mibebaka ary lasa madio amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy?

Almà 15:1–12

Inona no ianarantsika avy amin’ny zavatra niainan’i Zezrôma momba ny herin’ny Tompo mba hampatanjaka sy hanasitrana antsika, na dia manao fahadisoana aza isika? Inona no anjara asa azon’ny fisoronana tanana amin’ny fandraisantsika ny fampatanjahany sy ny fanasitranany?

Almà 16:1–10

Rehefa avy mamaky ireo andininy ireo ianareo dia afaka mamaky ny Almà 9:4. Inona no ianarantsika amin’ny fampitahana ny zavatra tsapan’i Zôrama momba ny tenin’ny mpaminany amin’ny zavatra tsapan’ireo vahoakan’i Amônihà? Inona no ataontsika mba hahatoky amin’ireo tenin’ny mpaminanintsika velona?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Mivonòna mandrakariva. Mandalo tampoka ireo fotoana azo ampianarana. Noho izany dia araraoty izy ireny rehefa mitranga. Ny loza iray mitranga eto amin’izao tontolo izao ohatra, dia mety ho fahafahana hizarana fitsipika avy ao amin’ny Almà 14 mikasika ny antony hamelan’ny Tompo ny olona tsy manan-tsiny hijaly indraindray. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 16.)

Sary
i Almà sy i Amioleka ao am-ponja

I Almà sy i Amioleka ao am-ponja, nataon’i Gary L. Kapp