Avia, hanaraka Ahy
15–21 jona. Almà 13–16: “Miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo”


“15–21 jona. Almà 13–16: -Miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“15–21 jona. Almà 13–16,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Almà sy i Amioleka nivoaka avy tao am-ponja

Sarin’i Almà sy i Amioleka nafahana avy tao am-ponja, nataon’i Andrew Bosley

15–21 jona

Almà 11–16

“Miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo”

Fotoana fohy monja no iarahanao amin’ny ankizy ao amin’ny kilasinao isan-kerinandro. Hitahy lalina ny fiainan’izy ireo ianao raha toa ka afaka mamporisika azy ireo hanohy hianatra avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna any ivelan’ny fotoam-pianarana, indrindra miaraka amin’ny fianakavian’izy ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Omeo fahafahana ny ankizy hizara ny zavatra efa fantatr’izy ireo mikasika ireo tantara ao amin’ny Almà 13–16. Mba hanampiana azy ireo dia mampisehoa sary toy ireo ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana na “Toko 22: Ny asa nanirahana an’i Almà tao Amônihà” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 58–63).

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Almà 13:1-2, 6, 16

Manampy ahy hanatona an’i Kristy ny fisoronana.

Saintsaino ombam-bavaka ny zavatra ilain’ny ankizy ao amin’ny kilasinao mba hahatakarana ireo zavatra nampianarin’i Almà momba ny fisoronana ao amin’ireo andininy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy mba hiaraka hamerina aminao famaritana tsotra irain’ny fisoronana, toy ny hoe “herin’Andriamanitra ny fisoronana.”

  • Sokafy ao amin’ny Almà 13:2, ny soratra masina ary lazao ny ankizy fa Andriamanitra dia miantso mpihazona fisoronana “mba hahazoan’ny olona [… miandrandra] ny zanany ho fanavotana.” Mba hampisehoana ny fomba hanaovan’ireo mpihazona fisoronana an’izany dia mampisehoa sary maneho ny fomba hanompoan’ireo mpihazona fisoronana (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 38–41, 103–9), ary mizarà avy eo tantara mikasika ireo fomba nanompoan’i Jesoa (jereo ny Matio 26:26–28; Marka 5:22–24, 35–43).

  • Jereo ny Almà 13:6, ary hazavao fa ireo mpihazona fisoronana dia “mampianatra ny didin’[Andriamanitra] amin’ny zanak’olombelona.” Ampio ny ankizy hieritreritra mpihazona fisoronana izay fantatr’izy ireo. Ahoana no fomba ampianaran’izy ireo ireo didy? Asao ny ankizy hanao sarina mpihazona fisoronana iray izay fantatr’izy ireo fa mampianatra ireo didin’Andriamanitra.

Sary
zatovolahy eo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo

Ireo ôrdônansin’ny fisoronana dia manampy antsika mba hitodika any amin’i Jesoa Kristy mba hahazo fanavotana.

Almà 14:18–29

Ampatanjahan’ny Ray any An-danitra aho araka ny finoako.

Ny tantaran’i Almà sy i Amioleka nafahana avy tao am-ponja dia afaka mamporisika ny ankizy hitodika any amin’ny Tompo rehefa mila fanampiana izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ireo sarin’i Almà sy i Amioleka ao anatin’ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity rehefa mitantara ny tantara ao amin’ny Almà 14:18–29 ianao. Azonao ampiasaina koa ny “Toko 22: Ny asa nanirahana an’i Almà tao Amônihà” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 58–63, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Avelao ny ankizy hifandimby hampiasa ireo sary mba hitantarana ilay tantara. Hamafiso fa i Alma sy i Amioleka dia nomena hery mba hitsoahana avy tao am-ponja “araka ny finoan’[izy ireo] izay ao amin’i Kristy” (Almà 14:26).

  • Ampio ny ankizy haka sary an-tsaina ny mety ho zavatra tsapan’i Almà sy i Amioleka fony izy ireo tao am-ponja ary asao izy ireo mba hampiseho ireo fahatsapana ireo amin’ny alalan’ny fihetsika (jereo ny andininy 22). Hazavao fa nangataka fanampiana tamin’ny Tompo i Almà (jereo ny andininy 26). Mijoroa ho vavolombelona fa hampatanjaka antsika Andriamanitra rehefa mivavaka amim-pinoana isika.

  • Ampiasao ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hampianarana ny ankizy ireo fomba sasantsasany hampatanjahan’Andriamanitra an’ireo izay manana finoana. Rehefa eo am-pandokoana ilay pejin’ny asa atao ny ankizy dia tantarao ny fotoana iray nanomezan’Andriamanitra tanjaka anao.

Almà 16:1–8

Voatahy aho rehefa misafidy ny hanaraka ny mpaminany.

I Zôrama, izay kapiteny lehiben’ny miaramila Nefita dia nahafantatra fa mpaminany i Almà ary nikatsaka fitarihana tany aminy izy. Nahita fahombiazana i Zôrama noho izany.

Asa atao azo tanterahina

  • Tantarao amin’ny alalan’ny fampiasanao ny teninao manokana ny tantara hita ao amin’ny Almà 16:1–8. Hamafiso fa noho ny fanarahan’i Zôrama sy ny tafika Nefita ny mpaminany Almà, dia afaka namonjy ireo namany izay nohazonin’ny Lamanita ho gadra ny Nefita. Mizarà zavatra niainana iray izay nahazoanao fitahiana noho ny fanarahanao ny mpaminany.

  • Mampisehoa sarin’ny Filohan’ny Fiangonana iray ary mizarà zavatra vitsivitsy nasainy nataontsika. Ampio ny ankizy hieritreritra fomba ahafahan’izy ireo manaraka an’i Jesoa amin’ny alalan’ny fanaovana ny zavatra nampianarin’ny mpaminaniny antsika.

  • Mampisehoa sarina mpaminany (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 6–9, 14, 18, 26–27) eo am-piarahanao mihira amin’ny ankizy hira iray momba ireo mpaminany toy ny “Suis les prophètes” (Chants pour les enfants, 58). Hamafiso ireo fehezan-teny izay mampianatra ny antony tokony hanarahantsika ny mpaminany.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Almà 13:1–19

Manampy ahy hanatona an’i Kristy ny fisoronana.

Rehefa mamaky ny Almà 13:1–19 ianao dia inona no hitanao fa mampahalalina ny fanajanao ny fisoronana? Inona no tsapanao fa tianao hozaraina amin’ny ankizy ampianarinao? Mety hanampy ireto hevitra manaraka ireto:

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky amin’ny ankizy ny Almà 13:10 sy 13, mba hitadiavana ireo toetra tokony hananan’ny mpihazona fisoronana. Angataho izy ireo hieritreritra olona izay fantatr’izy ireo fa ohatra maneho tsara ireo toetra ireo.

  • Ampio ny ankizy hitanisa ireo ôrdônansy raisintsika amin’ny alalan’ny fisoronana (jereo ny “Ôrdônansy” ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana, 109–10). Mangataha olona iray hamaky ny Almà 13:16. Ireo ôrdônansy ireo dia manampy antsika mba “hiandrandra an’i [Jesoa Kristy] ho famelana ny fahotan[tsika],” amin’ny fomba ahoana?

  • Anontanio ny ankizy raha fantatr’izy ireo ny fomba nahazoan’ny Fisoronana Melkizedeka ny anarany. Ampio izy ireo hahita ny valiny ao amin’ny Almà 13:14–19 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:1–4. Inona no ianarantsika avy amin’i Melkizedeka mikasika ny fomba tokony hampiasana ny fisoronana?

Almà 14:18–29

Ampatanjahan’ny Ray any An-danitra aho araka ny finoako.

Tany am-ponja nandritra ny andro maro i Almà sy i Amioleka nialoha ny nanafahan’ny Tompo azy ireo. Izany tantara izany dia afaka manampy ny ankizy hianatra fa ny fitsapana atrehan’izy ireo dia mety tsy misy vahaolana haingana na mora saingy ny Tompo dia hampatanjaka azy ireo “araka ny finoan’[izy] ireo” (Almà 14:26).

Asa atao azo tanterahina

  • Manorata fanontaniana eny amin’ny solaitrabe mba hanampiana ny ankizy hitady ireo antsipiriany avy ao amin’ny Almà 14:18–29, toy ny hoe Inona no nataon’ireo mpitsara tamin’i Almà sy i Amioleka tany am-ponja? na Ahoana no fomba nampisehoan’izy ireo ny finoan’i Jesoa Kristy? Omeo andininy iray na roa avy ny ankizy tsirairay mba hovakin’izy ireo, mba hitadiavan’izy ireo ny valin’ireo fanontaniana.

  • Asao ny ankizy mba hanao sary maneho ireo zava-nitranga avy ao amin’ny Almà 14:18–29, ary avelao izy ireo hampiasa ny sarin’izy ireo mba hitantarana ilay tantara. Ahoana no fomba ahafahantsika hitovy amin’i Almà sy i Amioleka?

  • Mizarà zavatra niainana iray izay nahitana anao nampiseho finoana ny Tompo ary nomeny hery ianao handresena na hizakana ilay fitsapana. Asao ny ankizy mba hizara zavatra niainan’izy ireo izay mitovy amin’izany.

Almà 15:3–12

Afaka manova ny fo ny filazantsara.

Nanohitra mafy an’i Almà sy i Amioleka i Zezrôma tamin’ny voalohany, saingy nanohina ny fony ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona ary nanosika azy hibebaka. Rehefa mandalina ireo andininy ireo ianao dia eritrereto izay fomba mety ahafahan’ny zavatra niainan’i Zezrôma mandrisika ny ankizy ampianarinao.

Asa atao azo tanterahina

  • Miaraha mamerina amin’ny ankizy ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ny herinandro lasa mikasika an’i Zezrôma. Iaraho mamaky ny Almà 15:3–12 mba hahitana ny fomba niovany.

  • Asao ny ankizy haka sary an-tsaina hoe nihaona tamin’i Zezrôma izy ireo nialoha ny nibebahany. Inona no holazain’izy ireo mba hanampiana azy hino ny filazantsara? Azon’izy ireo ampitahaina amin’ny zavatra nampianaran’i Almà sy i Amioleka an’i Zezrôma ny zavatra holazain’izy ireo (jereo ny Almà 11:40–46; 15:6–11). Nahoana no mety hanampy olona iray haniry ny hiova ny fahalalana ireo fahamarinana ireo?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo ankizy hieritreritra ireo zavatra izay azon’izy ireo atao amin’ity herinandro ity mba hampisehoana ny finoan’izy ireo ny Tompo. Amporisiho izy ireo mba hizara ny drafiny sy ny zavatra niainany amin’ny fianakaviany.

Manatsara ny fampianarantsika

Mianara mamantatra fanambarana. Matetika “andalana anampy andalana” (2 Nefia 28:30 no fomba ahatongavan’ny fanambarana fa tsy hoe tonga indray mandeha avokoa. … “Rehefa misaintsaina ny fitahiana hoentin’ireo fitsipiky ny filazantsara ampianarinao amin’ireo mpianatrao ianao, dia hisy hevitra sy fahatsapana ho tonga eo amin’ny fiainanao andavanandro, eny eo am-pandehanana miasa, eo am-panaovana raharaha ao an-trano, eo am-pifandraisana amin’ny fianakaviana sy ny namana” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 12).