Seminera
Fifehezana Fotopampianarana: Môzià 4:9—“Minoa an’ Andriamanitra”


“Fifehezana Fotopampianarana: Môzià 4: 9—‘Minoa an’ Andriamanitra,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

Fifehezana fotopampianarana: Môzia 4:9,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fifehezana Fotopampianarana: Môzià 4:9

“Minoa an’ Andriamanitra”

Sary
zatovo miandrandra lanitra, mandalina

Tamin’ny fandalinanao ny Môzià 4:9–10, dia nianatra ny maha-zava-dehibe ny finoana an’ Andriamanitra ianao. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Môzià 4:9, sy hanazava ny fotopampianarana, ary hampihatra ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy eo amin’ireo toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Ianaro tsianjery sy hazavao

Tsarovy ny zavatra niainanao tamin’ny fandalinana ny fanasan’i Benjamina Mpanjaka ao amin’ny Môzià 4:9–10 ho an’ny vahoakany mba hino an’ Andriamanitra. Raha ilaina dia hevero ny hamaky indray ireo andininy ireo sy hamerina hijery ilay kisary noforoninao tao amin’ny diary fandalinanao tamin’ny lesona tany aloha.

  • Inona avy ireo toetoetra na toetra mampiavaka an’ Andriamanitra nanasan’i Benjamina Mpanjaka ny vahoakany mba hinoan’zy ireo?

  • Ahoana no ahafahan’ny finoana ireo toetran’Andriamanitra ireo miantraika amin’ny fiainanao?

Misafidiana iray amin’ireo toetoetra na toetra mampiavaka an’ Andriamanitra voalaza ao amin’ny Môzià 4:9–10 izay nampianarin’i Benjamina ny olony mba hinoan’izy ireo. Zarao ny fomba mety hahafahanao manazava izany amin’ny olona iray izay tsy mahatakatra ny dikan’izany.

Ny andianteny manan-danja ao amin’ny Môzià 4:9 dia ny hoe “Minoa an’ Andriamanitra; … minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra.” Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy anao hitadidy io andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja.

Ao amin’ny diary fandalinanao, soraty amina litera lehibe ny hoe minoa. Eo ambanin’izany, soraty ny andianteny hoe an’ Andriamanitra, ary eo ambanin’izany dia soraty ny andianteny hoe minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra. Avy eo dia soraty amin’ny litera lehibe eo ambany ilay toko sy andininy Môzià 4:9. Manomboka avy any ambony, teneno mafy ny andalana tsirairay sady manondro ny teny, andianteny, na toko sy andininy ianao. Avereno imbetsaka ity sahanasa ity mandrapaha tadidinao izany.

Fizàrana mampihatra

Avereno jerena fohifohy ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy ao amin’ny andiam-pehezanteny 5–12 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Afaka manandrana mitanisa ireo fitsipika telo tsy ankijery ianao. Avy eo dia raketo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba nampiasanao, na azonao hampiasana, ireo fitsipika ireo eo.

Vakio ity rafi-tantara manaraka ity, ka mieritrereta toe-java-nisy teo amin’ny fiainanao izay nanoherana ny finoanao an’ Andriamanitra na tsy nampatanjaka izany araka ny itiavanao azy.

Ao amin’ny kilasy iray izay misy mpampianatra mananihany fivavahana sy tsy mino an’ Andriamanitra i Myra. Nanelingelina an’i Myra ireny fanamarihana ireny tamin’ny voalohany, saingy tao anatin’ny volana vitsivitsy tao an-dakilasy dia nanomboka nanontany tena izy raha mety ho marina ny an’ilay mpampianatra. Nino an’ Andriamanitra foana izy taloha fa izao dia tsapany fa mety manomboka miahiahy ny fisian’ Andriamanitra izy.

. .

Ampiasao ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana ao amin’ny Môzià 4:9 mba hanampiana amin’ny toe-java-misy an’i Myra na amina rafi-tantara hafa mifandray amin’ny finoana an’ Andriamanitra izay mifandraika kokoa amin’ny fiainanao.

Eritrereto ny valinteny izay homenao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa mieritreritra ny hanampy an’i Myra ianao.

Manao asa amim-pinoana

  • Inona no fihetsika mahatoky azon’ny olona iray atao rehefa sahirana amin’ny finoana an’ Andriamanitra izy?

  • Ahoana ny fomba mety hanampian’ny fanaovana ireo fihetsika ireo azy ireo?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Inona avy no fampianarana avy ao amin’ny Môzià 4:9 afaka manampy ny olona iray amin’io toe-java-misy io hanana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

  • Ahoana no ahafahan’ny fanapahan-kevitry ny olona iray hino na tsy hino an’ Andriamanitra miantraika amin’ny hoavin’izy ireo?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Inona no andalan-tsoratra masina na zavatra niainana (niainanao na olon-kafa) hafa afaka manampy ny olona iray amin’io fanamby io?

  • Aiza ihany koa no ahafahan’ny olona mahita fampahalalana mba hanampy azy ireo amin’io toe-java-misy io? Mitadiava loharano iray hafa farafahakeliny ary hazavao ny fomba ahafahan’izany manampy.

  1. Zarao ny fomba hampiasanao ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Môzià 4:9 mba hanampiana an’i Myra amin’ny toe-java-misy iainany.