Seminera
Môzià 5:1–5: Tsy manana faniriana hanao ratsy intsony


“Môzià 5:1–5: Tsy manana faniriana hanao ratsy intsony,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Môzià 5:1–5,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Môzià 5:1–5

Tsy manana faniriana hanao ratsy intsony

Sary
Miresaka amin’ny vahoakany i Benjamina Mpanjaka

Amin’ny fotoana sasany, mety hahatsapa ho mila manao fanovana na manatsara zavatra iray izay ataontsika isika. Nahatsapa izany ny vahoakan’i Benjamina Mpanjaka rehefa avy nihaino azy niresaka momba an’i Jesoa Kristy sy ny zavatra namonjeny antsika. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hampitombo ny fanirianao hiova na hanohy hiova miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo.

Tonga tahaka an’i Jesoa Kristy

Jereo ireto zavatra manaraka ireto ary eritrereto ny fomba iovan’ny iray ho zavatra anankiray hafa.

Sary
goba kelin-dranomandry, rano, ary etona
Sary
saribao
  • Inona no mahatonga ny fiovan’ireo zavatra ireo?

  • Inona avy no antony iovan’ny olona?

  • Ahoana ny mety hitovitovian’ny fanovan’ny Tompo ny fontsika na ny mahasamihafa izany amin’ny fomba iovan’ireo zavatra ireo?

Eritrereto ny fahatsapanao ny hoe mihatra amin’ny tenanao manao ahoana ity teny ambara manaraka ity:

  • Tiako hanampy ahy hiova ho tsaratsara kokoa ny Tompo.

Makà iray na roa minitra ary eritrereto ny antony ahatsapanao ny zavatra tsapanao. Mety hahitana fisaintsainana ireo fomba mety nanampian’ny Tompo anao tany amin’ny lasa izany.

Rehefa mandalina ny Môzià 5 ianao, dia mitadiava antony mety hitadiavanao ny fanampian’ny Tompo mba hiova na hihatsara.

Miaina fiovan’ny fo

Rehefa tapitra ny fitenenan’i Benjamina Mpanjaka tamin’ny olony, dia niriany ho fantatra raha “nino ny teny izay efa nolazainy tamin[’izy ireo]” izy ireo (Môzià 5:1).

Vakio ny Môzià 5:1–5 mba hahitana ny fomba namalian’izy ireo. Mety hanampy ny fahafantarana fa ny teny hoe fironana dia manondro ny firehan’ny olona iray, ny zavatra ironany. Azonao atao ihany koa ny mijery ilay horonan-tsary hoe “The People of King Benjamin Make a Covenant” manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 hatramin’ny 1:37, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Fenoy miainga avy amin’ny zavatra nianaranao ity tabilao manaraka ity.

Ny fomba niovan’ny olona

Ny zavatra nahatonga ny olona niova

Ny fomba niovan’ny olona

Ny zavatra nahatonga ny olona niova

Miainga amin’ny Môzià 5:1–5, fenoy ity andian-teny manaraka ity.

Rehefa miova amin’ny alalan’ny Fanahin’ny Tompo ny fontsika, dia …

Mety hanampy raha raketina an-tsoratra ny fahamarinana na ireo fahamarinana hitanao tao amin’ny soratra masinao.

Zava-dehibe ny mahatakatra fa na dia tsy nanana “fironana hanao ratsy intsony” aza ny vahoakan’i Benjamina mpanjaka (Môzià 5:2), dia tsy midika izany fa tsy nanota intsony mihitsy izy ireo taty aoriana. Novain’ny Tompo kosa ny fon’izy ireo mba haniry amin-kitsimpo hanao ny tsara sy hisoroka ny fahotana.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ny anankiroa farafahakeliny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Tahaka ny vahoakan’i Benjamina Mpanjaka, oviana ianao no nanana faniriana mafy “hanao soa lalandava”? Inona no nanampy anao hahatsapa toy izany?

    • Nahoana araka ny eritreritrao no maro amintsika no tsy mahatsapa toy izany amin’ny fotoana rehetra?

    • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny olona iray mahatsapa toy izany matetika kokoa?

Mahatakatra ny fiovana

Hevero ny hanisy marika ao amin’ny Môzià 5:3 ny andian-teny hoe “amin’ny alalan’ny hatsaram-po tsisy fetra izay an’ Andriamanitra”. Mba hahatakarana marina ny fiovana izay nisy teo amin’ny vahoakan’i Benjamina Mpanjaka, dia mila takatsika ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy manampy antsika hiova.

Nanazava toy izao ny Rahavavy Wendy W. Nelson:

Sary
Ny Rahavavy Wendy W. Nelson

Ny Mpamonjy no mpitondra fanovana faratampony sy hany marina ary velona. Izy no loharanon’ny fiovana rehetra. … Hamoaka ny tsara indrindra ao aminao Izy rehefa mitodika Aminy ianao. Hamonjy izay rehetra tsara indrindra ao anatinao lalina tokoa Izy. …

… Tia anao Izy. Tiany ny ezaka ataonao mba hiovana.

Ny faniriany dia ny hiovanao, ny hanesorana tanteraka ny maha-olona araka ny nofo rehefa mandeha ny fotoana, ny hiovana fo, fiovana toetra. I Jesoa ilay Kristy dia nanao ny zavatra rehetra izay nataony mba hahafahanao miova! Izy no Mpamonjy anao sy Mpamonjy ahy!

Ary rehefa italahoantsika am-pahavitrihana tsy mitsahatra mba hihatra eo amin’ny fiainantsika ny herin’ny sorompanavotany tsy misy fetra, dia hitondra ilay fanovana katsahintsika fatratra ho eo amin’ny fiainantsika tsirairay ny fanasitranany faratampony. (Wendy W. Nelson, “Change: It’s Always a Possibility!” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young, 7 aprily, 1998], 10, speeches.byu.edu)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Araka ny voalazan’ny Rahavavy Nelson, inona no azon’i Jesoa Kristy atao mba hanampiana antsika hiova?

    • Inona no nianaranao momba ny anjara asanao amin’ny fiovana?

Mieritrereta olona iray fantatrao izay niova tamin’ny alalan’ny fanampian’i Jesoa Kristy. ChurchofJesusChrist.org

  • Ahoana no nanampian’ny Tompo io olona io?

  • Inona no ezaka manokana nataon’io olona io mba hiovana?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mitarika mankany amina fifaliana lehibe kokoa ireny fiovana ireny?

Mampaharitra tanteraka ilay fiovana

Ho famaranana ny fandalinanao, eritrereto ny fiainanao sy ny fandrosoanao mankany amin’ny fahatongavana tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’izao fotoana. Saintsaino ny zavatra tsapanao fa nampanaovin’ny Fanahy Masina anao vokatry ny zavatra nianaranao sy tsapanao.