Seminera
Fampahafantarana ny Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpianatra seminera


“Fampahafantarana ny Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpianatra seminera,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpianatra (2024)

“Fampahafantarana,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpianatra seminera

Sary
zatovovavy iray mandalina

Fampahafantarana ny Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpianatra seminera

Ny tanjon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara dia ny hanampy ny zatovo sy ny tanora hanao izay hampalalim-paka ny fiovam-pon’izy ireo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny, sy ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly, ary hiomana sy hanomana ny fianakaviany ary ny hafa ho amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Rain’izy ireo any An-danitra.

Ireo lesona ato amin’ity boky torolalana ity dia natao hanampiana anao hanatratra izany tanjona izany rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna ianao. Mirakitra lesona 255 ity boky torolalana ity. Tsy voatery hovitainao avokoa ireo lesona rehetra ireo. Ny ankamaroan’izany dia mifanaraka amin’ny andian-tsoratra masina ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy izay hohalalin’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Mifandray amin’ny fifehezana fotopampianarana ny lesona sasany. Hanampy anao ny mpampianatrao hahafantatra ny lesona mila vitaina any an-trano sy izay lesona hiarahana manao ao an-dakilasy.

Ny asa tontosaina ao amin’ny lesona tsirairay dia ahitana asa ampanaovina izay halefanao any amin’ny mpampianatrao. Ity sary famantarana ity no maneho ireo asa ampanaovina ireo: Diniho tsara ny fomba hamitanao ireo asa ampanaovina ireo. Izany dia hanampy anao hanana traikefa manan-danja kokoa rehefa mianatra sy mampihatra ireo fahamarinana avy ao amin’ny soratra masina ianao. Mivavaha alohan’ny hanombohanao ireo lesonao ary mikatsaha fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina mba hanampy anao mandritra ny fandalinanao. Mitadiava fotoana hizarana amin’ny fianakavianao sy ny hafa ny zavatra ianaranao. Rehefa manao izany ianao dia hampitombo ny fiovam-ponao ho an’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny.