Seminera
Ny drafitry ny famonjena: Drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany


“Ny drafitry ny famonjena: Drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Ny drafitry ny famonjena,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Tahirin-kevitra fanolorana

Ny drafitry ny famonjena

Ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarantsika

Sary
Ilay Filankevitra Lehibe

Mandritra ny diantsika amin’ny fiainana etỳ an-tany, dia mitranga matetika ny fanontaniana momba ny tanjona sy dikan’ny fiainana: Avy aiza aho? Fa maninona aho no eto? Handeha ho aiza aho? Ny fahafantarana ny valin’ireo fanontaniana ireo dia afaka manampy anao hitety ireo fanamby amin’ny fiainana kanefa mijanona amin’ny làlan’ny fanekempihavanan’ny Tompo. Afaka manampy anao hahatakatra sy hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny drafitry ny Ray any An-danitra ity lesona ity.

Drafitry ny Ray any An-danitra

  • Inona no fahalalana heverinao fa tsy vitanao ny miaina tsy misy azy? Nahoana?

Amin’ny alalan’ny soratra masina sy ny fanambarana maoderina, dia ananantsika ny fahalalana momba ny fiainana talohan’ny nahaterahana, ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, ny fiainana aorian’ny fahafatesana sy ireo singa maro hafa momba ny fisiantsika mandrakizay. Ho sarotra ny hiaina tsy misy io fahalalana io. Makà fotoana hieritreretana ny zavatra fantatrao momba ny drafitry ny Ray any An-danitra. Saintsaino ny hoe mety hanao ahoana ny fiainanao tsy misy izany fahalalana izany.

Rehefa mandalina ianao anio, dia mikatsaha fiarahana amin’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahalala kokoa momba ny drafitra be fitiavan’ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany.

Drafitry ny Ray any An-danitra ao amin’ny Bokin’ i Môrmôna

Ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra zavatra be dia be momba ny drafitry ny Ray any An-danitra. Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanambara hoe: “Mijoro ho vavolombelona aho fa tena tenin’ Andriamanitra tokoa ny Bokin’i Môrmôna. Ahitana ny valin’ireo fanontaniana manan-danja indrindra amin’ny fiainana izy io” (Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?,” Ensign na Liahona, nôv. 2017, 62). Indreto misy fanontaniana vitsivitsy valian’ny Bokin’i Môrmôna. Misafidiana roa farafahakeliny ary vakio ny andinin-tsoratra masina nanampy tamin’ny famaliana ilay fanontaniana.

  • Inona no ampianarin’ny Bokin’i Môrmôna momba ny fiainana talohan’ny nahaterahana? (Almà 12:25, 30; ilay andian-teny hoe “fanorenana izao tontolo izao” dia manondro ny fiainana talohan’ny nahaterahana.)

  • Inona no anjara asa tanan’i Jesoa Kristy amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra? (Almà 22:12–14)

  • Inona no tanjon’ny fiainana? (Almà 34:32–33)

  • Inona no mitranga rehefa maty isika? (Almà 40:11–14, 21–23)

  • Inona no mety hitranga raha tsy misy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? (2 Nefia 9:6–11)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona avy ireo fahamarinana na fotopampianarana hitanao avy amin’ny andininy novakinao?

    • Teny na andian-teny inona avy ao amin’ilay andininy no mampianatra ny fahamarinana na fotopampianarana hitanao?

    • Inona amin’ireo fampianarana momba ny drafitry ny Ray any An-danitra no ankasitrahanao indrindra? Nahoana?

Ny drafitry ny Ray any An-danitra sy ny fiainako

Ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fomba ahafahan’ny fahatakarana ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra manampy antsika amin’ny fiainantsika. Afaka mijery ny horonan-tsary “Answers to Life’s Questions” manomboka eo amin’ny mari-potoana 10:37 hatramin’ny 12:09 ianao na mamaky ny lahatsoratra eo ambany:

Isika mety maty dia manana fijery voafetra momba ny fiainana avy amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Saingy raha mahalala sy mahatakatra ny drafitry ny Ray any An-danitra isika, dia tsapantsika fa ny fiatrehana zava-tsarotra no iray amin’ireo làlana fototra itsapana antsika. …

Amin’ny alalan’ny fifantohana sy fiainana ireo fitsipiky ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarantsika mandrakizay, dia afaka manasaraka ny tenantsika amin’ny faharatsian’izao tontolo izao isika. Raha mifototra amin’ny fahatakarana marina momba ny hoe iza isika, nahoana no eto ambonin’ity tany ity isika, ary aiza no azontsika aleha aorian’ity fiainana an-tany ity, dia tsy afaka mandrahona ny fahasambarantsika amin’izay mety ho endrika fakam-panahy i Satana. Raha tapa-kevitra ka vonona hiaina amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra isika, dia hampiasa ny fahafaha-misafidy nomen’ Andriamanitra isika mba hanapahan-kevitra miainga amina fahamarinana nahazoana fanambarana fa tsy ny hevitry ny hafa amin’ny fomba fisainan’izao tontolo izao ankehitriny. (M. Russell Ballard, “Answers to Life’s Questions,” Ensign na Liahona, mey 1995, 23–24)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto.

    • Ahoana no iantraikàn’ny fahalalanao ny drafitry ny Ray any An-danitra amin’ny fiainanao?

    • Inona avy ireo toe-javatra mety hiantraikàn’ny fahalalana ny drafitry ny Ray any An-danitra amin’ny fanapahan-kevitra ataonao?

    • Ahoana no ahafahan’ny fahalalana ny drafitry ny Ray any An-danitra miantraika amin’ny fomba ijerenao ny toe-java-misy sy ireo zavatra iainanao amin’ny fiainanao?