Seminera
Mianatra amin’ny alalan’ny finoana: Ny anjara andraikitry ny mpianatra


“Mianatra amin’ny alalan’ny finoana: Ny anjara andraikitry ny mpianatra,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Mianatra amin’ny alalan’ny finoana,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Tahirin-kevitra fanolorana

Mianatra amin’ny alalan’ny finoana

Ny anjara andraikitry ny mpianatra

Sary
Semineran’ny Repoblika Dôminikana tao San Jose de Ocoa

Tia anao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary te hampianatra anao ny filazantsara amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Inona no azonao atao mba handraisana misimisy kokoa amin’ny zavatra tian’ Izy Ireo ampianarina anao? Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahazo tombony araka izay azo atao amin’ny fanaovanao seminera amin’ny alalan’ny fahatakarana ny dikan’ny hoe mianatra amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Tia ezaka ny Tompo

Jereo ny horonan-tsary “An Especially Noble Calling [Antso mendri-kaja manokana],” azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny mari-potoana 2:16 hatramin’ny 3:49 na vakio ny fanambarana eo ambany. Mieritrereta toe-java-misy ahafahan’io fanambarana io mihatra.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Tian’ny Tompo ny fanaovana ezaka satria ny ezaka dia mitondra valisoa izay tsy azo raha tsy misy ezaka. (Russell M. Nelson, ao amin’ny Joy D. Jones, “Antso mendri-kaja manokana,” Ensign na Liahona, mey 2020, 16)

  • Ahoana no ahafahantsika mampihatra ny teny nambaran’ny Filoha Nelson eo amin’ny fiainantsika? Ohatra, ahoana no iharan’izany amin’ny asa fitoriana sy ny fanompoana ary ny fahazoana fanabeazana?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’izany mihatra amin’ny fianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ao amin’ny seminera amin’ity taona ity?

Mba hanampiana anao hanombantombana ny fianaranao manokana ny filazantsara dia eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy no ezaka ataonao amin’izao mba hianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? Ahoana no nanasanao an’ Andriamanitra hampianatra anao?

  • Tsapanao ve fa mahazo ny vokatra tadiavinao sy ilainao ianao? Nahoana, na raha tsia dia nahoana?

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia eritrereto ny fomba tianao hianarana sy hitomboana amin’ity taona ity. Mikatsaha tari-dalan’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahay mampihatra ity lesona ity amin’ny fiainanao.

Ireo fampianaran’ny Bokin’i Môrmôna

Mamakia roa farafahakeliny amin’ireto andininy ao amin’ny fifehezana fotopampianarana ireto, ary tadiavo ny fomba itanan’ny ezaka ataontsika manokana sy ny faniriantsika anjara toerana sy ny fomba itanan’ Andriamanitra anjara toerana amin’ny fianarantsika ny filazantsara.

  • Inona no hitanao fa afaka manampy anao hianatra bebe kokoa amin’ Andriamanitra mandritra ny seminera?

  • Inona no eritreretinao ho mety ho vokatra raha manantena an’ Andriamanitra hanome azy fahalalana ny olona iray saingy tsy manao ezaka manokana? Na raha toa ka manao ezaka izy fa tsy mikatsaka ny fanampian’ Andriamanitra? Nahoana?

Miainga amin’ny zavatra nohalalininao hatreto, fintino amina fehezan-teny iray ny zavatra takatrao momba ny fianarana ny filazantsara.

Afaka manova ny fiainanao ve ny seminera?

Jereo ny horonan-tsary “Seminary Can Change Lives [Afaka manova fiainana ny seminera]” (4:14), azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Rehefa mijery ianao, dia eritrereto izay mety ho antony nanomezana anarana ilay horonan-tsary hoe “Afaka manova fiainana ny seminera” fa tsy hoe “Hanova ny fiainanao ny seminera”.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mety tsara ny fitenenana hoe afaka manova fiainana ny seminera?

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ity ary tadiavo ny zavatra manampy amin’ny famaritana raha hovain’ny seminera ny fiainanao.

Arakaraka ny hanarahanao ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy no hahombiazanao bebe kokoa.

Inona ary no hanampy anao ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy feno fanolorantena? Ny valiny iray dia ny seminera sy ny institiota—tsy ny fanatrehana fotsiny fa ny fandraisana anjara mavitrika ao am-pianarana ary ny fanarahana am-pahatokiana ireo anjara asa nomena. …

Ny fahazoana diplaoma ao amin’ny seminera sy institiota dia hampitombo ny fahafahanao hihatsara amin’ireo zavatra manan-danja indrindra izay hataonao eo amin’ny fiainana. Ho anao ny tena fifaliana! (Russell M. Nelson, “Fanasana manokana handray anjara amin’ny seminera sy institiota,” feb. 2019, ChurchofJesusChrist.org)

  • Inona no hitanao ho niavaka indrindra tamin’ny tenin’ny Filoha Nelson? Nahoana?

  • Ahoana no ahafahanao mifantoka amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy mandritra ny fanaovanao seminera?

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “mandray anjara mavitrika” amin’ny seminera?

Ahoana no ahazoana tombony araka izay azo atao amin’ny seminera

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Raketo an-tsoratra ny torohevitrao amin’ity rafi-tantara manaraka ity.

    Sary
    Mpandray anjara amin’ny kilasin’ny seminera

    Alaovy sary an-tsaina hoe vao voalohany anatrehan’ilay zatovolahy eo amin’io sary io seminera io. Te hianatra sy hitombo ara-panahy izy saingy tsy azony antoka ny fomba anaovana izany. Miainga amin’ny zavatra nianaranao androany sy ny zavatra hitanao taloha tamina seminera sy fiangonana, raketo an-tsoratra ny torohevitra mety homenao azy.

    Ataovy azo antoka fa ampidirinao ao

    • ny zavatra azony atao mialoha sy mandritra ary aorian’ny fianarana mba hanatsarana ny fianarana ara-panahy ataony

    • ny fomba ahafahany mifantoka amin’ny fanarahana ny Mpamonjy sy manasa ny Fanahy Masina hampianatra azy

Mametraha tanjona ny hahazo be indrindra araka izay azo atao amin’ny seminera ataonao amin’ity taona ity. Mba hanaovana izany, afaka mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ianao:

  • Inona no antenainao fa ho azonao amin’ny seminera amin’ity taona ity?

  • Vonona hanao inona ianao mba hanehoana amin’ny Tompo fa te hianatra Aminy sy ho tonga tahaka Azy kokoa?