Seminera
Mandalina ny soratra masina: Hazòny mafy ny tenin’ Andriamanitra


“Mandalina ny soratra masina: Hazòny mafy ny tenin’ Andriamanitra,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Mandalina ny soratra masina,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Loharanom-pitaovana fampahafantarana

Mandalina ny soratra masina

Hazòny mafy ny tenin’ Andriamanitra

Sary
Zatovovavy mandalina soratra masina

Miavaka ny soratra masina eo amin’ny fahafahany mampitombo ny finoana sy fitiavana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ny fandalinana tsy miovaova sy manan-danja dia manasa ny finoana sy manamafy orina ny fiainantsika andavanandro. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hampitombo ny fanirianao sy ny fahafahanao handalina ny soratra masina isan’andro sy handray ireo fitahiana nampanantenaina izay miaraka amin’ny fandalinana soratra masina.

Fandalinana ny soratra masina isan’andro

Raha te hatanjaka kokoa amin’ny alalan’ny fanaovana pompe ny olona iray, dia inona no zavatra tsy maintsy ataony? Hafiriana no mety hilaina mba hahitana fitomboan-tanjaka misongadina? Inona avy no fanamby mety ho tsy maintsy resen’ilay olona?

  • Inona no ifandraisan’izany amin’ny fandalinana soratra masina?

Vakio ireto teny nambaran’ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) sy i Julie B. Beck, Mpanolotsaina Voalohany tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany tamin’izany ireto, ary jereo ny zavatra ampianarin’izy ireo momba ny fandalinana soratra masina:

Ny fampiasam-potoana isan’andro amin’ny fandalinana soratra masina dia tsy isalasalana fa hampahatanjaka ireo foto-pinoantsika sy ireo fijoroantsika ho vavolombelon’ny fahamarinana. (Thomas S. Monson, “How Firm a Foundation,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 68)

Na dia tsy mihevitra ny tenako ho manampahaizana aza aho, … dia ankasitrahako ny nanombohako ny fahazarana mandritra ny androm-piainana mamaky [ny soratra masina]. Zavatra tsy mitombina ny hianarana ireo lesona hita ao amin’ny soratra masina amin’ny alalan’ny famakiana azy ireo indray mandeha fotsiny na fandalinana andininy voafantina ao am-pianarana. (Julie B. Beck, “Mon âme fait ses délices des Ecritures,” Ensign na Liahona, mey 2004, 107)

  • Inona no hitanao?

Hevero ny fahatsapanao momba ny fandalinanao ny soratra masina.

Sary
icon, record
  1. Vitao ao amin’ny diary fandalinanao ireto manaraka ireto:

Taratasy zaraina: “Fitsapam-pahaizana momba ny soratra masina”

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2024)—“Mandalina ny soratra masina”

Fitahiana amin’ny fandalinana ny soratra masina

Na ahoana na ahoana ny laharana nisy anao tamin’ilay fitsapam-pahaizana, dia afaka mitombo amin’ny fanirianao sy fahaizanao mandray ny fitahian’ny soratra masina ianao. Afaka manampy amin’ny fandrisihana izany fitomboana izany ny fahatakarana ny fitahiana mifandray amina fandalinana soratra masina manan-danja.

Vakio ireto andininy manaraka ireto, ka jereo ireo fitahiana azo avy amin’ny fandalinana ny soratra masina.

  • Inona avy ireo fahamarinana mifandray amin’ny fandalinana soratra masina hitanao avy amin’ireo andininy ireo?

  • Iza amin’ireo fahamarinana na fitahiana ireo no efa niainanao?

Ho an’ny fitahiana hafa avy amin’ny fandalinana soratra masina, jereo ny “Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Ahoana no ahafahako mahazo misimisy kokoa avy amin’ny fandalinako soratra masina?

  • Inona no afaka manampy olona iray hahazo bebe kokoa amin’ny fandalinany soratra masina?

Vakio ity teny nambaran’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ary mitadiava fahaizana fanampiny afaka manampy ny fandalinana soratra masina hisy fiantraikany bebe kokoa.

Zavatra tsara indraindray ny mamaky bokin-tsoratra masina iray ao anatin’ny fotoana voafaritra mba hahafantarana ny dikan’ny hafatra entiny amin’ny ankapobeny, saingy ho an’ny fiovam-po dia tokony hiraharaha bebe kokoa mikasika ny habetsahan’ny fotoana lanianao amin’ny soratra masina ianao toy izay mikasika ny habetsahan’ny zavatra vakinao ao anatin’izany fotoana izany. Indraindray dia azoko sary an-tsaina ianareo mamaky andininy vitsivitsy, miato mba handinika izany, mamaky amim-pitandremana indray ireo andininy, ary rehefa iny mieritreritra momba ny hevitra tian’izy ireo ambara iny, mivavaka mba hahatakatra izany, mametra-panontaniana ao an-tsainareo, miandry fahatsapana ara-panahy, ary manoratra ireo zavatra tsapa sy hevi-baovao izay tonga mba hahafahanareo mitadidy sy mianatra bebe kokoa. Rehefa mandalina toy izany ianareo, dia mety tsy mamaky toko na andininy maro ao anatin’ny antsasan-kadiny, saingy hanisy toerana ho an’ny tenin’ Andriamanitra ao am-ponareo ianareo ary hiresaka aminareo Izy. (D. Todd Christofferson, “When Thou Art Converted,” Ensign na Liahona, mey 2004, 11)

  • Inona no hitanao amin’ireo hevitra ireo ka afaka mitahy ny fomba fandalinana soratra masina?

Raiso hanandramana mampiasa ny sosokevitra nomen’ny Loholona Christofferson ny 5 na 10 minitra manaraka. Makà fotoana hisaintsainana, hamerenana mamaky, hivavahana, hametrahana fanontaniana ary hanoratana ny fahatsapana. Indreto misy andinin-tsoratra masina azonao hampiasaina (aza misalasala mifantina andininy samihafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna).

Môzià 3; Almà 32; 3 Nefia 11

  • Inona no zavatra niainanao rehefa nandalina ny soratra masina tamin’io fomba io?

  • Ahoana no mety hiantraikàn’ny fandalinana amin’io fomba io amin’ny fandalinanao manokana ny soratra masina?

Manaova tanjona amin’ny fomba fandalinana soratra masina

Iray amin’ny tanjon’ny seminera ny hanampy anao hanatona kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina isan’andro. Mba hanampiana anao dia takina amin’ny isa tratrarina amin’ny seminera ny famakiana ny bokin’ny soratra masina ho an’ny taona hitsahina amin’ny 75 isan-jaton’ny tetiandron’ny fe-potoana ianarana farafahakeliny.

Mikatsaha aingam-panahy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hametrahana tanjona amin’ny fomba fandalinana anao manokana. Mba hanampiana anao dia atombohy amin’ny alalan’ny fanaovana vavaka mba hikatsahana aingam-panahy avy amin’ny Ray any An-danitra. Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa mametraka tanjona ianao:

  • Amina fotoana inona ary aiza no ahafahako manao ny fandalinako soratra masina isan’andro?

  • Adiny firy isan’andro no handalinako?

  • Inona no azoko atao mba hanasana kokoa ny Fanahy Masina ao anatin’ny fanaovako fandalinana soratra masina?

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Raketo an-tsoratra ny fandalinanao soratra masina ary manaova drafitra hanatanterahana izany.