Seminera
Môzià 7–8: Ny mpaminanin’ny Tompo amin’ny maha-mpahita azy ireo


“Môzià 7–8: Ny mpaminanin’ny Tompo amin’ny maha-mpahita azy ireo,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môzià 7–8,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môzià 7–8

Ny mpaminanin’ny Tompo amin’ny maha-mpahita azy ireo

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Tena mitovy amin’ny Mpamonjy hoe manana anaram-boninahitra izay mampianatra antsika momba Azy, ireo mpanompon’ny Tompo koa dia manana anarana izay manampy antsika hahatakatra ny anjara asan’izy ireo ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Rehefa nangataka fanampiana tamin’ny asa iray izay tsy hainy natao i Limia Mpanjaka, dia natoron’ny lehilahy iray nantsoina hoe Amôna ny mpaminany izy. Nazavain’i Amôna ny mpanjaka ihany koa ireo fahamarinana manan-danja mikasika ny andraikitry ny mpaminany, mpahita sy mpanambara. Afaka manampy anao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny mpaminany izay mpahita eo amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ihany koa ity lesona ity.

Fanontaniana mikasika ny mpaminany

Alaovy sary an-tsaina hoe misy olona iray fantatrao nahafantatra fa mino ny mpaminany maoderina ianao. Manatona anao izy ireo ary manontany izao manaraka izao:

  • Naheno aho fa manana mpaminany ny fiangonanareo. Inona ny zavatra ataony?”

  • Nahoana isika no mbola mila mpaminany velona ankehitriny?

  • Novakiako tamin’ny internet fa nandika boky taloha be i Joseph Smith. Efa nisy mpaminany taloha na maoderina nanao izany ve?

  • Inona ny zavatra inoanao momba ny mpaminany?

Ny Bokin’i Môrmôna dia ahitana fampianarana maro momba ny mpaminany, ao anatin’izany ny fomba ampiasan’ny Ray any An-danitra azy ireo hanampy antsika. Rehefa mandalina ianao dia saintsaino ireo fanontaniana eo ambony ary katsaho ny hanamafy orina ny fijoroanao ho vavolobelona momba ny mpaminany. Tadiavo ihany koa ny valin’ireo fanontaniana hafa izay anananao momba ny mpaminany.

Dia telo

Dia telo nataon’ireo Nefita no ilaina ho takatra ao amin’ity lesona ity sy ireo lesona manaraka. Jereo ity sary manaraka ity ary vakio ny fanazavana ireo dia voafaritra an-kisary.

Sary
Sary fanehoana ny dian’ireo Nefita izay nitaky ny tanin’i Nefia

Tamin’ny fotoana naha-mpanjaka ny rain’i Benjamina Mpanjaka (Môzià), dia nisy lehilahy iray nantsoina hoe Zenifa nandao an’i Zarahemlà niaraka tamina vondron’olona mba hitaky ny tanin’i Nefia (jereo ny Môzià 9:3–4). Tsy nandrenesana na inona na inona nandritra ny taona maro ny vondron’i Zenifa, noho izany ny mpanjaka manaraka, i Môzià (Zanakalahin’i Benjamina Mpanjaka) dia nandefa vondrona notarihin’i Amôna mba hikaroka azy ireo (jereo ny Môzià 7:1–3). Hitan’izy ireo ny vahoakan’i Zenifa izay notarihin’ny zafikelin’i Zenifa, dia i Limia Mpanjaka. Ny vahoakan’i Limia dia nandevozin’ny Lamanita “noho ny helok’[izy ireo]” (Môzià 7:20).

Nilaza tamin’i Amôna i Limia Mpanjaka fa nandefa ekipa mpikaroka hitady an’i Zarahemlà izy, saingy tsy nahomby izy ireo. Vakoka avy any amin’ny tany mankany avaratra no nentin’izy ireo nody, tao anatin’izany ny rakitsoratra iray voasoratra tamina takela-bolamena 24 (jereo ny Môzià 8:7–9). Nantenain’i Limia Mpanjaka fa afaka mandika teny na mahalala olona afaka manao izany i Amôna (jereo ny Môzià 8:6, 11–12).

Vakio ny Môzià 8:13–14, hitadiavana ny olona nolazain’i Amôna fa afaka mandika ilay rakitsoratra sy ny anton’izany.

Mety hanampy ny fahafantarana fa i Môzià sy i Joseph Smith dia samy nanana fitaovana manokana nantsoina hoe Orima sy Tomima nomanin’ Andriamanitra hanampiana azy ireo handika rakitsoratra fahiny. (Jereo ny Môzià 28:13–14; Joseph Smith—Tantara 1:35. Raha te hahalala misimisy kokoa ianao dia jereo ny “Orima sy Tomima” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.)

Ny anjara asan’ny mpahita

Vakio ny Môzià 8:15–18 mba hianarana ny hoe inona izany mpahita izany sy ny antony nanomezan’ny Ray any An-danitra mpahita antsika.

  • Inona no nianaranao?

Fahamarinana iray asehon’io tantara io ny hoe manome mpaminany sy mpahita ary mpanambara ny Tompo mba hahasoa ny olombelona. Azonao atao ny manisy marika ireo teny sy andian-teny ao amin’ny soratra masinao izay mampianatra an’io fahamarinana io, na hanoratra io fahamarinana io eo akaikin’ireo andininy izay mampianatra izany.

Ny Torolalalana ho an’ny Soratra Masina dia manazava ny anjara asan’ny mpahita ho toy izao manaraka izao:

Olona iray izay omen’ Andriamanitra alalana hahita amina maso ara-panahy ireo zavatra izay nafenin’ Andriamanitra tamin’izao tontolo izao (Mosesy 6:35–38). Mpanambara sy mpaminany izy (Môzià 8:13–16). Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, i Amôna dia nampianatra fa ny mpahita irery ihany no afaka mampiasa mpandika teny manokana, na ny Orima sy Tomima (Môzià 8:13; 28:16). Mahafantatra ny zavatra lasa sy ny ankehitriny ary ny ho avy ny mpahita. Fahiny, matetika no nantsoina hoe mpahita ny mpaminany (1 Sam. 9:9; 2 Sam. 24:11).

I Joseph Smith dia ilay mpahita lehiben’ny andro farany (F&F 21:1; 135:3). Ho fanampin’izany, ny Fiadidiana Voalohany sy ny Filankevitry ny Roambinifololahy dia tohanana ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara. (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mpahita,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no nianaranao momba ny anjara asan’ny mpaminany amin’ny maha mpahita azy?

    • Inona araka ny eritreritrao no antony hanomezan’ Andriamanitra ireny fahaiza-manao ireny an’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo?

    • Amin’ny fomba ahoana no maha-porofon’ny fitiavan’ Andriamanitra anao ny fisian’ny mpaminany, mpahita ary mpanambara?

Ny lanjan’ny mpahita amin’izao androntsika izao

  1. Misafidiana sy manaova farafahakeliny iray amin’ireto sahanasa manaraka ireto mba hanampiana anao hahatakatra lalindalina kokoa ny lanjan’ny mpahita.

    • Mieritrereta toe-java-misy telo farafahakeliny izay ahafahana mahafantatra fa ireo mpaminanin’ny Ray any An-danitra manampy anao hitoetra ho mahatoky amin’ny Tompo dia mpahita. Raketo an-tsoratra ireo toe-java-misy ireo.

    • Mandalìna lahateny vao haingana natao tamina fihaonambe maneran-tany avy amina mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany na Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Mandraketa ohatra izay maneho fa mpahita izy ireo.

    • Asao hamaky ny “Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany,” hita eo aloha amin’ny kiboky Ho zatovo mahery! (2022, 2) ny mpianatra. Raketo an-tsoratra ny fomba eritreretinao anehoan’io hafatra io sy ireo fenitra tafiditra ao amin’io bokikely io fa mpahita ny mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany.

    • Raketo an-tsoratra ireo tombontsoa niainanao na ny fianakavianao avy amin’ny fanarahana ireo mpahita.

Mety hanampy ny fahafantarana fa i Môzià Mpanjaka dia tena nandika ireo rakitsoratra (jereo ny Môzià 28:11–19). Ho afaka hamaky ampahany amin’ireo rakitsoratra ireo ianao rehefa mandalina ny bokin’i Etera.

Na dia talohan’ny nandikana ireo rakitsoratra aza, i Limia Mpanjaka dia niharan’ny fahalalana fa afaka mandika teny i Môzià Mpanjaka. Vakio ny Môzià 8:19–20, hitadiavana ny fihetsika nasetrin’i Limia Mpanjaka rehefa nahalala izy fa miantso mpaminany, mpahita, ary mpanambara Andriamanitra.

  • Ahoana no niantraikan’ny fahazoana io fahalalana io tamin’i Limia?

Saintsaino ny fahatsapanao momba ny nanomezan’ny Ray any An-danitra mpaminany, mpahita ary mpanambara mba hitari-dalana antsika ankehitriny. Azonao raketina ao amin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao.