Seminera
Môsià 4:9–10: “Minoa an’ Andriamanitra”


“Môzià 4:9–10: ‘Minoa an’ Andriamanitra,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môzià 4:9–53,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môzià 4:9–10

“Minoa an’ Andriamanitra”

Sary
endrik’Andriamanitra

Efa nitsahatra tamin’ny fisaintsainana ny mety ho fiantraikan’ireo zavatra inoanao eo amin’ny fihetsikao sy ny amin’izay mety hahatongavanao ve ianao? Rehefa nampianatra ny zavatra tsy maintsy ataontsika hihazonana ny famelana ny fahotantsika ny Mpanjaka Benjamina dia nasongadiny ny maha-zava-dehibe ny finoana an’ Andriamanitra. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanamafy orina ny finoana sy ny fitiavanao an’Andriamanitra.

Ny fiantraikan’ireo zavatra inoantsika

Ireto manaraka ireto dia hevi-diso vitsivitsy noeritreretin’ny olona ho marina taloha. Saintsaino ny mety ho fiantraikan’ireo zavatra ninoana ireo tamin’ny fiainan’ireny olona ireny

  • Fisaka izao tontolo izao.

  • Mahatonga votry ny saobakaka.

  • Mihodina manodidina ny tany ny kintana.

  • Inona avy no olana mety ho tonga avy amin’ny finoana hevi-diso?

  • Ahoana no nahitanao ireo zavatra inoanao na ny an’ny hafa miantraika amina toe-tsaina na zavatra atao?

  • Ahoana no mety hiantraikan’ny zavatra inoantsika amin’ny lafiny ara-panahintsika?

Minoa an’ Andriamanitra

Nampianatra ny maha zava-dehibe ny finoana an’ Andriamanitra ny Mpanjaka Benjamina. Makà fotoana hisaintsainana ny zavatra inoanao momba an’Andriamanitra mialoha ny hanombohanao ny fandalinanao. Ahoana no iantraikan’ireo zavatra inoanao momba an’ Andriamanitra ireo amin’ny zavatra ataonao? Hevero ny hitanisanao ao amin’ny diary fandalinanao ny sasany amin’ireo zavatra inoanao, ary alalino ny antony inoanao ny zavatra izay ataonao. Ampio tsikelikely ireo eritreritra sy fahatsapana izay anananao mandritra ny fandaliananao.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Vitao ity sahanasa manaraka ity:

Adikao ao anatin’ny diary fandalinanao ity sary manaraka ity. Ao amin’ny faribolana afovoany, soraty ny hoe minoa an’ Andriamanitra sy ny hoe Môzià 4:9–10.

Sary
tranonkalan-kevitra

Vakio ny Môzià 4:9–10, hitadiavana ireo zavatra samy hafa nanasan’i Benjamina Mpanjaka ny olony hinoany momba an’ Andriamanitra. Soraty ao amin’ireo faribolana ivelany ny tsirairay amin’izany. Raha ilaina dia afaka manampy faribolana bebe kokoa amin’ny sarinao ianao.

Ny Môzia4:9 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.  Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Ao amin’ny lesona manaraka ianao dia hanana fahafahana hamerimberina fampiharana ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io amina fanontaniana na toe-javatra iray.

  • Amina fehezanteny tsotra iray, ahoana no mety hamintinanao ireo fampianaran’i Benjamina Mpanjaka ao amin’ny Môzià 4:9–10? Hevero ny hampiasa ny fehezanteny famintinanao ho lohatenin’ny fanehoana an-tsary noforoninao.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fahatakarana sy finoana ireo fampianarana avy amin’i Benjamina Mpanjaka ireo miantraika amin’ny fiainanao?

  • Ahoana no fahitanao ireo fampianarana ireo izay toherin’izao tontolo izao sy ataony tsinontsinona ankehitriny?

Nizara izao torohevitra manaraka izao ny Filoha Russell M. Nelson ho an’ireo izay tsy mahazo antoka hoe mino an’ Andriamanitra izy ireo:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Rehefa tsy azonareo antoka akory hoe mino an’ Andriamanitra ianareo; dia izao hanombohana azy. Fantaro fa raha vao tsy misy ny zavatra iainana miaraka amin’ Andriamanitra dia afaka miahiahy ny amin’ny fisian’ Andriamanitra ny olona iray. Koa ataovy izay ahafahanareo manomboka miaina zavatra miaraka Aminy. … Angataho Izy mba hilaza aminao raha toa ka tena eo marina Izy, raha toa ka mahafantatra anao Izy. Anontanio Azy ny fahitany anao. Ary avy eo dia mihainoa. (Russell M. Nelson, “Avia, manaraha Ahy,” Ensign na Liahona, mey 2019, 90)

  • Inona no zavatra niainanao ka nanamafy orina ny finoanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Miditra lalina kokoa

Ny fomba iray ahafahantsika manamafy ny finoana sy fahatokiantsika an’ Andriamanitra dia amin’ny alalan’ireo fampianarana entanim-panahy sy ny zavatra niainan’ny hafa (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Finoana”). Misafidiana farafahakeliny iray amin’ireto sahanasa telo ireto mba hanampiana anao hanatsara ny finoanao an’Andriamanitra:

  • Fihirana: Zahao ny boky fihirana mba hahitana teny, andianteny, andininy na ireo hira manontolo izay mampianatra momba ny toetran’ Andriamanitra na afaka manamafy orina ny finoanao Azy.

  • Tantara hafa ao amin’ny soratra masina: Mitadiava ary mandalìna tantara ao amin’ny soratra masina izay ijoroan’ny hafa ho vavolombelona momba ny zavatra inoan’izy ireo momba ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany. Ao anatin’ireo andalan-tsoratra masina azonao halalinina ny Almà 26:16, 35–37; 34:8–10; sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:22–24.

  • Fihaonambe maneran-tany: Amin’ny alalan’ny fampiasana ireo lahatenin’ny fihaonambe maneran-tany, mitadiava teny, na andianteny, na fitantarana, na tantara izay mampianatra momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary manamafy orina ny finoanao Azy Ireo. (Hevero ny hikaroka lahateny avy amina fihaonambe maneran-tany amin’ny alalana lohahevitra toy ny “Ray any An-danitra,” “Andriamanitra,” na “Jesoa Kristy.”)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Zarao ny sahanasa novitainao sy ny zavatra hitanao ka manampy ny fahatakaranao an’ Andriamanitra na manamafy orina ny finoanao Azy.

Ireo dingana manaraka ataonao

Na manana finoana matanjaka an’ Andriamanitra ianao, na miezaka mamaritra ny zavatra inoanao, dia misy zavatra azon’ny tsirairay amintsika atao mba hanamafisana orina ny finoantsika sy fitiavantsika an’ Andriamanitra. Makà fotoana hisaintsainana ny zavatra tsapanao fa dingana manaraka ataonao mba hahafantarana kokoa an’Andriamanitra. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao sy ny fahatsapanao.