Seminera
Môzià 3:19: Manaisotra ny maha-olona araka ny nofo


“Môzià 3:19: Manaisotra ny maha-olona araka ny nofo,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môzià 1,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môzià 3:19

Manaisotra ny maha-olona araka ny nofo

Sary
ankizy mitsikitsiky

Mahatsapa ho kivy noho ny fahadisoana nataonao na ny tsy fahavitana mitandrina ny didin’ Andriamanitra rehetra ve ianao indraindray? I Benjamina Mpanjaka dia nanondro ny toetra tsy lavorary ananantsika ho “olona araka ny nofo. Nampianatra izy fa afaka mandresy izany amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy isika. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampiana anao hikatsaka ny fanampian’ny Mpamonjy eo amin’ny fandresena ny toetra maha-olona lavo anao.

Ny toetry ny fahalavoantsika

Sary
amboadia mitomany valala

Nanome izao fomba fijery manaraka izao ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Nisy Cherokee hendry iray, izay iray amin’ireo foko tompon-tany any Etazonia, nitantara fanoharana iray momba ny fiainana tamin’ny zafikeliny. “Misy ady mafy ifanaovan’ny amboadia anankiroa ato anatiko,” hoy ilay raibe mitantara. “Ny iray dia ratsy: feno fahatezerana sy fitsiriritana, fitseran-tena sy alahelo, fitiavan-karena sy lainga. Ny iray kosa dia tsara: feno hatsaram-panahy sy fangorahana, fanetrentena sy fahamarinana ary fitiavana sy hafaliana. Izany ady izany dia misy ao anatintsika tsirairay avy.” “Iza amin’ireo ambodia ireo no handresy?” hoy ilay zafikely nanontany. (Dallin H. Oaks, “Safidy,” Ho zatovo mahery!, sep. 2021, 13; tantara namboarina avy amin’i Shayne M. Bowen, “Agency and Accountability,” New Era, sep. 2012, 8)

  • Raha ianao ilay dadabe, ahoana no mety hamalianao ny fanontanian’ny zafikelinao?

  • Ahoana no nahamarihanao io ady eo amin’ny “ambodia roa” io ao aminao?

Ao amin’ilay tantara nozarain’ny Filoha Oaks, ny valintenin’ilay dadabe tamin’ny fanontanian’ilay zafikeliny momba ny hoe iza amin’ilay amboadia no haharesy dia ny hoe, “Ny anankiray izay omenao sakafo.”

Tao anatin’ny lahateny farany nataony tamin’ny Nefita, i Benjamina Mpanjaka dia nampianatra fahamarinana fa nisy anjely iray nanambara taminy momba ny toetry ny fahalavoantsika sy ny fiantraikan’izany eo amin’ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra.

Vakio ny Môzià 3:19, hitadiavana ny fomba namaritan’i Benjamina Mpanjaka ny olona iray manana toetoetra mitovy amin’ireo nasehon’ilay amboadia voalohany ao amin’ilay tantara.

Ny Môzià 3:19 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.  Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Ao amin’ny lesona manaraka ianao dia hanana fahafahana hamerimberina fampiharana ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io amina fanontaniana na toe-javatra iray.

  • Inona no hitanao?

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Amin’ny ampahany, ny olona araka ny nofo izay noresahan’ny Mpanjaka Benjamina dia velona tokoa ao anatin’ny tsirairay avy amintsika Ny lehilahy na vehivavy araka ny nofo dia tsy tia mibebaka, olon’ny nofo sy manaram-batana, mamela ny zavatra handeha ho azy sy mpanao zavatra diso tafahoatra, ary mpieboebo sy tia tena. (David A. Bednar, “Mino isika fa tokony ho madio fitondrantena,” Ensign na Liahona, mey 2013, 42)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no fahavalon’ Andriamanitra ny olona araka ny nofo?

  • Mety ho inona no hevitry ny hoe “manome sakafo” ilay lehilahy na vehivavy araka ny nofo ao anatintsika rehetra?

Eritrereto ny sasantsasany amin’ireo fomba nahamarihanao ireo toe-tsaina na fitondran-tenan’ny lehilahy na vehivavy iray araka ny nofo eo amin’ny fiainanao. Rehefa manohy mandalina ianao, dia mitadiava fampianarana izay afaka hanampy anao amin’ny ezaka ataonao handresy ireo toetra sy fitondran-tena ireo.

Mandresy ny olona araka ny nofo

Vakio indray ny Môzià 3:19, ka amin’ity indray mitoraka ity dia tadiavo ny zavatra nampianarin’i Benjamina Mpanjaka momba ny fomba ahafahantsika mandresy ilay olona araka ny nofo.

  • Inona no nianaranao tao amin’io andininy io izay manampy anao handresy ny maha olona araka ny nofo?

Avy ao amin’ny Môzià 3:19, dia ianarantsika fa amin’ny alalan’ny fanekentsika ny fitaoman’ny Fanahy Masina, dia afaka mandresy ilay olona araka ny nofo isika ary tonga olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Araka ny hevitrao dia amin’ny fomba ahoana no ahafahan’i Jesoa Kristy manala ny maha-olona araka ny nofo antsika ka hahatonga antsika ho olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotany?

    • Midika inona aminao izany hoe “manaiky ny fitaoman’ny Fanahy Masina” izany? Amin’ny fomba ahoana araka ny hevitrao ny fanaovana izany no manampy anao handresy ny maha-olona araka ny nofo?

Mampiasa fampifandraisana soratra masina mba hampitomboana ny fahatakaranao

Ny fampiasana ny soratra masina mifandray.dia fahaiza-mandalina soratra masina izay hanampy anao hampahalalina ny fahatakaranao andinin-tsoratra masina iray. Ampiharo amin’ny alalan’ny fitadiavana soratra masina mifandray izay mampitombo ny fahatakaranao ireo fampianarana ao amin’ny Môzià 3:19 izany fahaiza-manao izany.

Hevero ny hitady soratra masina mifandray amin’ny alalan’ny fikarohana ny voambolana hoe “olona araka ny nofo” na teny manan-danja avy ao amin’ny Môzià 3:19 ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile. Azonao atao ihany koa ny mijery ny sasany amin’ireo toko sy andinin-tsoratra masina ary lohahevitra voatanisa ao amin’ny fanamarihana ambanim-pejy amin’ny Môzià 3:19.

Safidy azo atao ihany koa ny mandalina ny sasany na ny rehetra amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no soratra masina mifandray roa farafahakeliny nampiasainao ho an’ity sahanasa ity?

    • Ahoana no nanatsaran’izany fampifandraisana soratra masina izany ny fahatakaranao na ny fankasitrahanao ireo fampianarana ao amin’ny Môzià3:19?

    • Inona no nianaranao mikasika ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy antsika handresy ny maha olona araka ny nofo sy ho tonga olomasina?

Mampihatra izany amin’ny fiainanao

  1. Vitao ireto manaraka ireto:

    Izao ianao efa nianatra kokoa momba ny dikan’ny hoe manaisotra ilay olona araka ny nofo sy tonga olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy izao, eritrereto ny fomba ahafahanao mampihatra ireny fampianarana ireny amin’ny fiainanao. Inona no zavatra tsapanao fa anentanan’ny fanahy anao hatao na hatsahatra? Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao sy ny fahatsapanao.