Seminera
Môzià 3:1–17: Famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy


“Môzià 3:1–17: Famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Môzià 3:1–17,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Môzià 3:1–17

Famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

Sary
Jesoa Kristy

Nandritra ny tantara dia nisy anjely nitsidika ny tany mba hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy hanambara “vaovao mahafaly sady fifaliana lehibe” (Môzià 3:3; Almà 13:22; Helamàna 16:14). I Benjamina Mpanjaka dia nandray fitsidihana toy izany. Nozarainy tamin’ny olony ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ilay anjely momba an’i Jesoa Kristy, ireo zavatra hiainan’ny Mpamonjy, ary ny fahamarinana fa avy amin’ny anaran’i Kristy ihany no iavian’ny famonjena. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy mba hahafahanao ho voavonjy.

Vaovao mahafaly sady fifaliana lehibe

  • Afaka mieritreritra fotoana nahatongavana anjely tety an-tany hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ve ianao?

Ohatra anankiray ny ao amin’ny Lioka 2:10–12. Vakio ireo andininy ireo na jereo ilay horonan-tsary hoe “Shepherds Learn of the Birth of Christ” manomboka amin’ny mari-potoana 0:00 hatramin’ny 1:47, hitadiavana ny zavatra nolazain’ny anjely hanambarana ny fahaterahan’ny Mpamonjy. Io horonan-tsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Nisy anjely niseho tamin’i Benjamina Mpanjaka ihany koa. Vakio ny Môzià 3:3–4 hitadiavana ireo fitovitoviana eo amin’ny zavatra nolazain’ilay anjely tamin’ireo mpiandry ondry sy ny zavatra nolazain’ilay anjely tamin’i Benjamina Mpanjaka.

  • Inona no fantatrao momba an’i Jesoa Kristy ka horaisina ho “vaovao sady fifaliana lehibe”?

Ao amin’ny lahateny nataony tamin’ny vahoakany izay hita ao amin’ny Môzià 3:1–17, i Benjamina Mpanjaka dia nizara ny ampahany amin’ny hafatr’ilay anjely. Io hafatra io dia niresaka momba ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny iraka nampanaovina Azy, ny fomba ahafahan’izy ireo mandray fifaliana, ary ny zavatra atolotr’i Jesoa izay tsy vitan’olon-kafa ny manolotra azy.

Ilay anaran-tokana iavian’ny famonjena

Vakio ny Môzià 3:17, hitadiavana ny zavatra atolotr’i Jesoa Kristy.

  • Inona no fahamarinana azonao fantarina avy amin’ny andininy 17?

Vakio ity fanambarana manaraka avy amin’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, hitadiavana ny zavatra namonjen’i Jesoa Kristy antsika:

I Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika, tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany tsy hay takarina dia tsy vitan’ny hoe mamonjy antsika amin’ny fahafatesana sy manome antsika ny famelana ny fahotantsika amin’ny alalan’ny fibebahana fotsiny, fa vonona ihany koa Izy hamonjy antsika amin’ny alahelo sy ny fijaliana mihatra amin’ny fanahintsika maratra. (Neil L. Andersen, “Maratra,Liahona, nôv. 2018, 85)

Eritrereto ny zavatra ilainao amonjena anao. Misy fahotana ezahinao mafy ve ny handresy azy? Misy alahelo na fanaintainana iainanao ve? Rehefa mandalina ny Môzià 3 ianao, dia mikatsaha aingam-panahy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahalala ny fomba ahafahanao mandray ny famonjena atolotr’i Jesoa Kristy.

Vakio ny Môzià 3:5–10, hitadiavana ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy mba hahafahanao ho voavonjy. Makà fotoana hamakiana miadana sy hisaintsainana. Ny fisaintsainana dia fomba iray anasana ny Fanahy Masina hampianatra anao. Azonao atao ny manoratra hevitra sy eritreritra ao amin’ny soratra masinao na diary fandalinanao.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy no fahatsapana niainanao rehefa nandalina ireo andininy ireo ianao?

  • Inona avy no andian-teny ao amin’ireo andininy ireo izay manan-danja aminao?

  • Inona no zavatra hitanao ka mahatonga anao hifaly?

Azonao atao ny mijery ilay horonan-tsary hoe “Nijaly ho antsika i Jesoa Kristy,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, hitadiavana ny fomba nitahiana karazan’olona samihafa tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Vakio ny Môzià 3:11–13, hitadiavana ny zavatra ilainao atao mba handraisana fifaliana sy famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Vakio miadana sy saintsaino ireo andininy ireo. Afaka manampy anao hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto.

  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nianaranao na tsapanao momba an’i Jesoa Kristy ka mandrisika anao hibebaka?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mitondra fifaliana ny fahazoana famelan-keloka?

Tsarovy ny zavatra ilainao amonjena anao. Eritrereto ny zavatra nohalalininao tao amin’ny Môzià 3 sy ireo fahatsapana noraisinao avy amin’ny Fanahy. Miezaha mampihatra finoana, mibebaka ary mino an’i Kristy mba hahafahanao mandray ny fanampian’ny Mpamonjy sy ny fifaliana izay tonga avy amin’ny famelan-keloka.