Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Môzià 2:41—“Ny toetry ny fitahiana sy fahasambaran’ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra”


“Fifehezana fotopampianarana: Môzià 2:41—-Ny toetry ny fitahiana sy fahasambaran’ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Môzià 2:19–41,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Fifehezana fotopampianarana: Môzià 2:41

“Ny toetry ny fitahiana sy fahasambaran’ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra”

Sary
zatovo mihomehy

Tao amin’ny lesona iray tany aloha dia nianaranao fa raha mitandrina ny didin’ Andriamanitra isika, dia hitahy antsika ara-nofo sy ara-panahy Izy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanao tsianjery ny toko sy andininy fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny Môzià 2:41, sy hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andalan-tsoratra masina io ary hampihatra fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Ianaro tsianjery dia hazavao

Manaova na mamoròna sary izay maneho ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Môzià 2:41.

Rehefa vitanao ny fanaovana sary, dia ampiasao izany mba hanampiana anao amin’ny fitadidiana ilay andian-teny mandan-danja hoe: “Ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra … dia tahiana amin’ny zava-drehetra.”

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ity fanontaniana manaraka ity:

    • Ahoana no ahafahanao mampiasa ny sary nataonao mba hanazavana ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Môzià 2:41?

Fampiharana hanazaran-tena

Alaovy sary an-tsaina ity rafi-tantara manaraka ity:

I Nivo dia nianatra lesona fifehezana fotopampianarana tao amin’ny seminera izay nanasongadina fa ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra dia mitondra fahasambarana sy fitahiana eo amin’ny fiainantsika. Taorian’izay, nahatsiaro ho nikorontan-tsaina momba ny zava-misy iainany i Nivo. Miezaka mitandrina ireo didy izy saingy tsy tsapany hoe mahalasa ny fiainany ho mora kokoa, sambatra kokoa, na tsara kokoa izany. Mbola sarotra foana ny fianarany any am-pianarana ary manana olana vitsivitsy amin’ny fianakaviana sy namana izy. Raha tokony hitondra fahasambarana ny fankatoavany ireo didy, nahoana no mahatsapa toy izany izy?

Manao asa amim-pinoana

Vakio ny andiam-pehezanteny 5–6 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Mitadiava andian-teny izay afaka manampy an’i Jenna.

  • Inona no azonao zaraina avy amin’ireo andiam-pehezanteny ireo mba hanampiana an’i Jenna hanao asa amim-pinoana?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’izany manampy an’i Jenna?

Mamakafaka amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ny foto-kevitra sy fanontaniana

Vakio ny andiam-pehezanteny 8 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Mitadiava andian-teny izay afaka manampy an’i Nivo.

  • Inona no mety hozarainao amin’i Nivo?

  • Inona no antony mety hizaranao izany aminy?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Vakio ny andiam-pehezan-teny 11 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Mitadiava andian-teny izay afaka manampy an’i Nivo.

  • Inona avy no loharano avy amin’ Andriamanitra hafa azonao atoro an’i Jenna mba hitodihany?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no hanampian’izany azy?

  1. Valio ao anatina andiam-pehezan-teny ahitana fehezan-teny 5 farafahakeliny ity fanontaniana manaraka ity.

    • Ahoana no ahafahan’i Jenna mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny Môzià 2:41 mba hamahana ny olany?