Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Môzià 3:19—“[Manaisotra] ny maha olona araka ny nofo ary [ Tonga] olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy.”


“Fifehezana fotopampianarana: Môzià 3:19—‘[Manaisotra] ny maha-olona araka ny nofo sy [tonga] olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: Môzià 3:19,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fifehezana fotopampianarana: Môzià 3:19

“[Manaisotra] ny maha olona araka ny nofo ary [Tonga] olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy.”

Sary
zatovo mifamihina

Tao amin’ny fandalinanao ny Môzià 3:19, dia nianaranao ny fomba fandresena ilay olona araka ny nofo amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny toko sy andininy fifehezana fotopampianarana ary ireo andianteny manan-danja ao amin’ny Môzià 3:19. Hanampy anao koa izany hanazava ny fotopampianarana izay ampianarina ao amin’io andinin-tsoratra masina io sy hampihatra ny fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Ianaro tsianjery sy hazavao

Nandritra ny lesona teo aloha, dia nianaranao ity fahamarinana manaraka avy ao amin’ny Môzià 3:19 ity: Afaka mandresy ilay olona araka ny nofo sisika amin’ny alalan’ny fanekena ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Môzià 3:19 dia ny hoe “[Manaisotra] ny maha-olona araka ny nofo sy [tonga] olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy”.

Manaova sarina telozoro (triangle) toy izao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Zarao andiany efatra ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ara-tsoratra masina ho an’ny Môzià3:19. Soraty ao amin’ny telozoronao ireo ampahany efatra. Ohatra, azonao atao ny manoratra ny hoe “Môzià 3:19” eo amin’ny ampahany ambony amin’ny sary nataonao, “[Manaisotra] ny maha-olona araka ny nofo” ao amin’ny ampahany faharoa, dia toy izany hatrany. Manaova fanazaran-tena mitadidy ilay andianteny manontolo avy any amin’ny tampony mankany amin’ny fanambanin’ilay sary nataonao mandra-pahatsapanao ho mahazo aina manao tsianjery tsy ankijery izany.

Sary
sary tsotra ana telozoro mainty sy fotsy misy fizarana efatra
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Vitao ireto manaraka ireto:

    Alaovy sary an-tsaina hoe mampianatra lesona iray momba ny Môzià 3:19 amin’ny kilasin’ny kilonga ao amin’ny paroasy na sampana misy anao ianao. Ahoana no mety hanazavanao ny hafatr’io andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana io amina vondron’ankizy kely? Manorata andiam-pehezanteny fohy amin’ny teninao manokana izay manazava ny fotopampianaran’ny Môzià 3:19.

Fizàrana mampihatra

Avereno jerena fohifohy ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy ao amin’ny andiam-pehezanteny 5–12 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Misafidiana farafahakeliny iray amin’ireo fitsipika telo ary manaova sarina tandindona na sary tsotra izay heverinao fa maneho izany.

Sahirana mafy amin’ny fifehezana ny fahatezerany efa taona maro i Toviyah. Matetika izy no tezitra amin’ireo iraitampo aminy sy ny ray aman-dreniny ary mampakatra ny feony. Sahirana ihany koa izy mifanaraka amin’ny hafa any an-tsekoly. Indray andro, teo am-piresahana tamin’ny ray aman-dreniny momba ny toetrany mora tezitra izy no nilaza hoe: “Iriko ny mba ho afaka ny ho olona manam-paharetana kokoa, saingy tsy mahatsapa ho afaka manao izany aho. Efa ohatr’izao mihitsy aho.”

  1. Valio amin’ny fehezan-teny dimy farafahakeliny ity fanontaniana manaraka ity.

    • Ahoana no hampiasanao ireo fampianaran’ny Môzià 3:19 sy ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy mba hanampiana amin’io toe-java-misy io?

Eritrereto ity manaraka ity raha toa ianao mila fitarihana sasantsasany momba ny fomba hamaliana ilay fanontaniana teo aloha.

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ireo fampianaran’ny Môzià 3:19 manampy amin’io zava-misy io?

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina hafa na teny hafa nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay heverinao fa afaka manampy?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahanao mahita io olana io amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatsiarovana ireo tanjon’ny Tompo amin’ny famelana antsika hiaina amina tontolo lavo no manampy?

  • Inona no zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany izay mety hanova an’io toe-javatra io?

Manao asa amim-pinoana

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahan’ny olona iray ao amin’io toe-java-misy io manao asa amim-pinoana?