Seminera
2 Nefia 21–24: Ny Arivotaona


“2 Nefia 21–24: Ny Arivotaona,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 21–24,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 21–24

Ny Arivotaona

Sary
liona iray sy ondry iray

Alaivo sary an-tsaina hoe hanao ahoana ny fiainana raha tsy nisy ratsy teto amin’izao tontolo izao. Indray andro any dia ho toy izany izao tontolo izao. Hitranga mandritra ny fanjakan’i Jesoa Kristy mandritra ny arivo taona izany. Mpaminany maro, anisan’izany i Nefia sy i Isaia, no naminany momba ny 1000 taona feno fiadanana antsoina hoe Arivotaona. Afaka manampy anao hahatakatra sy hiomana amin’ny fanjakana arivo taonan’i Jesoa Kristy ity lesona ity.

Ny hoavy

  • Inona ireo zavatra manan-danja sasantsasany izay hitranga amin’ny ho avy andrandrainao? Nahoana?

  • Inona no zavatra tsapanao rehefa mieritreritra momba ireo zavatra hitranga ireo ianao?

  • Inona no ataonao mba hiomanana?

Ny Arivotaona

Zavatra hitranga iray manan-danja amin’ny ho avy ny Arivotaona.

  • Inona no zavatra fantatrao momba ny Arivotaona? Inona avy no fanontaniana anananao momba izany?

Azonao atao ny manoratra ireo fanontaniana anananao sy mamela toerana malalaka hasiana fanamarihana. Rehefa mandalina ianao anio, dia tadiavo ny valin’ireo fanontaniana anananao.

I Nefia mpaminany dia nanoratra momba ny andro farany ary nampiditra ny maro tamin’ireo faminanian’i Isaia momba ny andro farany. I Isaia dia naminany momba ny fandravana an’i Asyria sy i Babylona ho toy ny karazana fandravana amin’ny Fiaviana Fanindroany (jereo ny 2 Nefia 2023). Naminany momba ny Famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny izay hialoha lalana ny fanjakana arivo taonan’i Jesoa Kristy ihany koa izy. Ireo faminaniany dia feno tandindona sy fanoharana izay manampy lalindalina kokoa ny fahatakarantsika ny Arivotaona.

Vakio ireto faminaniana avy amin’i Nefia sy i Isaia manaraka ireto ary mitadiava famaritana ny Arivotaona.

Azonao atao ny manao ny sarin’ny sasany amin’ireo famaritana.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Raha avy amin’ireo famaritana ireo dia ahoana araka ny hevitrao no haha-hafa ny fiainanao amin’ny Arivotaona?

    • Inona avy no famaritana momba ny Mpamonjy hitanao? Inona no ampianarin’izany anao momba Azy?

Iray amin’ireo fahamarinana ianarantsika avy amin’ireo soratra masina ireo ny hoe i Jesoa Kristy dia hanjaka eto an-tany ao anatin’ny fahamarinana sy fiadanana mandritra ny Arivotaona.

Alaivo sary ao an-tsainao hoe hanao ahoana izany hiaina mandritra ny Arivotaona izany, rehefa manjaka ao anatin’ny fahamarinana sy fiadanana ny Mpamonjy. Diniho ny fomba ahafahan’ny fiadanan’ny Mpamonjy mitahy ny fiainanao.

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia namaritra fitahiana iray hafan’ny Arivotaona:

Manakantsakana ny zavatra tsara tokony hitranga sy manemotra ny fahatanterahan’ireo fitahiana nampanantenaina ny maha-tokan-tena, ny tsy fananan-janaka, ny fahafatesana, ary ny fisaraham-panambadiana. … Ny Tompo dia nampanantena fa any amin’ny mandrakizay dia tsy hisy fitahiana tsy homena ireo zanakalahy sy zanakavavy izay nitandrina ny didy, izay tsy nivadika tamin’ny fanekempihavanany, ary naniry ny hanao ny marina.

Maro amin’ireo zavatra tena manan-danja tsy afaka notanterahina teto amin’ny fiainana an-tany no hamboarina amin’ny Arivotaona, izay fotoan’ny fahatontosan’ny zava-drehetra tsy tò tao amin’ny drafitra lehiben’ny fahasambarana ho an’ny zanaky ny Ray any an-danitra mendrika rehetra. Fantatsika fa marina izany raha ireo ôrdônansin’ny tempoly no lazaina. Inoako ihany koa fa ho marina izany eo amin’ny fifandraisan’ny fianakaviana sy ireo zavatra iainan’ny fianakaviana. (Filoha Dallin H. Oaks, “The Great Plan of Happiness,” Ensign, Nov. 1993, 75)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ny roa na maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no ampianarin’io teny nambara io anao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

    • Inona amin’ireo fitahian’ny Arivotaona no tena irinao indrindra? Nahoana?

    • Inona no valiny hitanao tamin’ireo fanontanianao momba ny Arivotaona nandritra ny lesona?

Mba hahazoana fanampiana misimisy kokoa amin’ny famaliana ireo fanontanianao, dia jereo ny “Arivotaona” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Fiomanana ho amin’ny Arivotaona

Sary
Tempolin’i Salt Lake eo am-pandalovana fanamboarana.

Tamin’ny 2020 dia nanomboka ny fanavaozana ny Tempolin’i Salt Lake. Niresaka momba ireo fanavaozana ireo ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Tadiavo ny fomba nampitahany izany tamin’ny fiainantsika. Jereo ny horonan-tsary hoe “Fanorenana tsara hanoherana ny fotoana ho avy,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny kaodim-potoana 14:51 hatramin’ny 15:26, na vakio ny fanambarana eo ambany.

Tena fanantenan’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana ny hoe ireo fanavaozana lehibe hatao amin’ny Tempolin’i Salt Lake dia hanatanteraka ilay fanirian’i Brigham Young “hahita ny tempoly hatsangana amin’ny fomba izay haharetany hatramin’ny arivotaona.” Mandritra ireo taona ho avy dia enga anie ka handrisika sy hanentana antsika, isam-batan’olona na fianakaviana, ireo fanatsarana hatao amin’ny Tempolin’i Salt Lake, ka hahatonga antsika ihany koa, raha atao an’ohatra, “hatsangana amin’ny fomba izay haharitra hatramin’ny arivotaona.” (Gary E. Stevenson, “Fanorenana tsara hanoherana ny fotoana ho avy,” Liahona, mey 2020, 51–52)

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “hatsangana amin’ny fomba izay haharitra hatramin’ny arivotaona”?

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Rehefa mieritreritra momba ny fanjakana arivo taonan’ny Mpamonjy ianao dia inona no tsapanao?

    • Inona no azonao atao izao mba hiomanana amin’ny Arivotaona?

    • Inona no olana mety hatrehinao rehefa manao ireo fiomanana ireo ianao?