Seminera
Tombano ny fianaranao 2: 1 Nefia 16–2 Nefia 25


“Tombano ny fianaranao 2: 1 Nefia 16–2 Nefia 25,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Tombano ny fianaranao,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Tombano ny fianaranao 2

1 Nefia 162 Nefia 25

Sary
olona mijery ny tandindony

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanombantombana ny fivoarana niainanao nandritra ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna.

Misaintsaina ny fianarana ny filazantsara

Mamoaha fitaratra na zavatra hafa mamoaka sary ary makà fotoana hijerena ny tenanao. Somary ahodino miankavanana sy miankavia ilay fitaratra ary jereo ireo zavatra tsy ho hitanao raha tsy misy fitaratra.

  • Inona avy ireo tombontsoa azo avy amin’ny fananana fitaratra?

  • Ahoana no ahafahan’ny fijerena ny tenantsika amina fitaratra iray hitovitovy amin’ny fieritreretana na fanombanana ny fianarantsika ny filazantsara?

Mitovitovy amin’ny hoe afaka mahita ny endrikao ivelany, ny fakana fotoana hijerena sy hieritreretana momba ny fianaranao ny filazantsara dia afaka manampy anao amina fomba maro. Rehefa misaintsaina ny zavatra nianaranao avy amin’ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna ianao, dia afaka manampy anao hahafantatra ny fivoaranao sy hampisongadina ireo sehatra tokony hatsaraina ny Fanahy Masina. Ity lesona ity dia hanampy anao hisaintsaina ny fitomboanao manokana sy ireo traikefanao tamin’ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna.

Misaintsaina ny fivoarana ara-panahy

Saintsaino ireo bitsika sy fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina mety voarainao tamin’ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna. Misy fomba maro mety ho nifandraisan’ny Fanahy Masina taminao. Ohatra, mety nisarika ny sainao ny andininy sasany ary nahatsapa faniriana hanisy marika azy ireo ianao. Mety nahatsapa fiadanana na fitiavana ianao. Mety namaky ianao ary nahatsapa ho entanim-panahy hanao asa amina fomba iray na nahita valiny amin’ny fanontaniana nanananao.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ny telo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto farafahakeliny. Mety hanampy ny hamerenana mijery ny diary fandalinanao mba hanampiana anao hamaly ireo fanontaniana.

    • Inona no tantara na andinin-tsoratra masina avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna nanampy anao hahita ny fomba ifandraisan’ny Ray any An-danitra amin’ireo zanany?

    • Inona avy ireo eritreritra na fahatsapana tonga teo aminao tao amin’ny seminera na tao anatin’ny fandalinanao manokana tamin’ity taona ity?

    • Inona no nataonao mba hikatsahana fanambarana avy amin’ny Ray any An-danitra?

    • Inona no azonao atao mba hikatsahana fanambarana sy ho vonona hahafantatra fanambarana rehefa tonga izany?

    • Ahoana no fomba nandraisanao andraikitra teo anatrehan’ireo fahatsapana noraisinao?

Hazavao ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Sary
Nandao ny Saha Edena i Adama sy i Eva

Nisy fiantraikany teo amin’ny olona rehetra ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva. Ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra momba ireny vokany ireny sy ny fomba anavotan’ny Mpamonjy antsika amin’ny Fahalavoana. Ity fanazaran-tena manaraka ity dia afaka manampy anao hizatra hanazava ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Alaivo sary an-tsaina hoe misiônera ianao ary ianao sy ny mpiara-mitory aminao dia miomana hampianatra olona iray momba ny Fahalavoana. Nanapa-kevitra ianareo fa ny iray aminareo no tokony hampianatra momba ny Fahalavoana sy ireo vokany eo amin’ny olombelona ary ny iray no tokony hampianatra momba ny fomba anampian’ny Mpamonjy antsika handresy ireo vokatry ny Fahalavoana.

Safidio ny iray amin’ireo lohahevitra kasainao sy ilay mpiara-mitory aminao hampianarina.

Ampiasao ny soratra masina mba hanampy anao amin’ny fanazavana ilay lohahevitra nosafidinao. Mety mahasoa ny hamerenana hijery ny 2 Nefia 2:17–27; 9:6–12; 10:23–25, na ny fanamarihana fohy ao amin’ny diary fandalinanao, na ny “Chute d’Adam et Ève” ao amin’ny Sujets de l’Évangile (topics.ChurchofJesusChrist.org) mba hanampy anao hiomana hizara.

Rehefa vitanao izany, dia hevero ny hizara ny fanazavanao amin’olona iray hafa. Ohatra, olona iray ao amin’ny fianakaviana, namana, na mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Raketo an-tsoratra ny fanazavanao ny lohahevitra nosafidinao.

Ireo fahatsapako momba an’i Jesoa Kristy

Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna. Saintsaino ny zavatra nianaranao na nohalalininao momba ny Mpamonjy. Avereno jerena ireo toko nohalalininao toy ny 1 Nefia 19, 2 Nefia 9, ary ny 2 Nefia 25. Azonao atao ihany koa ny mitady ireo andinin-tsoratra masina nasianao marika. Mety hanampy ny hamerenana mijery ny zavatra nosoratanao tao amin’ny diary fandalinanao, indrindra fa ireo zavatra nampidirina ahitana ny fahatsapanao momba Azy.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Ataovy ity manaraka ity. Ampidiro ny zavatra nataonao na ny fanazavana fohifohy momba izany.

    • Manorata tononkalo iray na taratasy iray halefa any amin’ny Mpamonjy, izay maneho ny zavatra tsapanao momba Azy. Hevero ny hampiasa teny na andian-teny avy ao amin’ny soratra masina na manondro andinin-tsoratra masina.

    • Manangòna lisitrana teny izay mamaritra ny fahatsapanao momba ny Mpamonjy. Ampidiro ao anatin’izany ny famaritana sasany avy amin’ny soratra masina. Manakambàna teny maro izay atao miendrika rahona, na soraty amina tapa-taratasy ireo teny ary hevero ny hanantona azy ireo ao amin’ny efitranonao na any amina toerana hafa izay hahitanao azy ireo matetika.

    • Makà zavatra izay manampy anao haneho ny fahatsapanao momba ny Mpamonjy.