Seminera
2 Nefia 26: Mijery sy mitia ary mitondra ny hafa amin’ny fomba anaovan’ Andriamanitra izany


“2 Nefia 26: Mijery sy mitia ary mitondra ny hafa amin’ny fomba anaovan’ Andriamanitra izany,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 26,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 26

Mijery sy mitia ary mitondra ny hafa amin’ny fomba anaovan’ Andriamanitra izany

Sary
I Jesoa Kristy voahodidin’olona

Isan’andro, isika dia miatrika hafatra sy fampahalalana natao hitarika ireo fahatsapantsika sy ireo fomba fijerintsika. Ao amin’ny 2 Nefia 26 dia nampianatra momba ny fomba fijerin’ Andriamanitra i Nefia. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hijery sy hitia ary hitondra ny hafa amin’ny fomba anaovan’ Andriamanitra izany.

Ny fomba fijerintsika

Diniho ireto sary manaraka ireto ary eritrereto ny fomba fiantraikan’ireo solomaso samy hafa eo amin’ny fahitantsika.

Sary
ankizivavy manao solomaso 3D
Sary
zatovovavy manao solomaso miaro amin’ny masoandro
Sary
zatovolahy manao solomaso fiarovana
Sary
zatovovavy manao solomaso hijerena zava-misy virtoaly
  • Inona no mety ho fiantraikan’ireo solomaso isan-karazany ireo amin’ny fomba fahitan’ny olona iray?

  • Inona avy ireo zavatra sasantsasany izay misy fiantraikany eo amin’ny fahitantsika sy ny fitondrantsika ny hafa?

Makà fotoana hisaintsainana ny fomba fiheveranao ny hafa. Eritrereto ny zavatra mety hamolavola ny fomba fijerinao sy ny fomba ahafahan’izany hisy fiantraikany eo amin’ny fahatsapanao sy fitondranao ny hafa. Rehefa mandalina ianao dia mikatsaha fitaomam-panahy mba hahafantarana ny zavatra azonao atao hijerena sy hitondrana ny hafa amin’ny fomba anaovan’ny Mpamonjy izany.

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hijery sy hitia ary hitondra ny hafa amin’ny fomba anaovan’ Andriamanitra izany.

Ny toetran’ Andriamanitra

Ao amin’ny 2 Nefia 26, i Nefia dia nahita ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy teo anivon’ny Nefita, ary koa ny faharatsian’ny olony sy ny famongorana farany azy ireo. Hitany ihany koa ny faharatsian’ny Jentilisa amin’ny andro farany. Mifanohitra amin’izany, nasongadiny avy eo ny fikarakaran’ Andriamanitra ny zanany rehetra.

Diniho ireto fanontaniana telo manaraka ireto rehefa mamaky ny 2 Nefia 26:12–13, 23–33 ianao:

  • Ahoana no fomba fijerin’ Andriamanitra ireo zanany sy fahatsapany momba azy ireo?

  • Ahoana no anehoany izany?

  • Ahoana no fomba tiany mba hijerentsika sy hitondrantsika ny hafa?

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Teny, na andian-teny, na fahamarinana inona no nasianao marika ka afaka mamaly ireo fanontaniana? Nahoana?

    • Inona no nianaranao na tsapanao momba ny toetran’ Andriamanitra?

    • Inona no mety ho fiantraikan’ny fahatsiarovana ireo fahamarinana momba an’ Andriamanitra ireo eo amin’ny fifandraisanao Aminy? Inona no mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny fomba itondranao ny hafa?

Mariho fa ao amin’ny 2 Nefia 26:33, i Nefia dia nanasongadina olona samihafa maro tamin’ny alalan’ny fanaovana fampiarahana azy ireo tsiroaroa ao anatina vondron’olona mifanohitra. Mety hanampy anao hahatakatra tsara kokoa izany ireto famaritana manaraka ireto. Mety ho azonao heverina ihany koa ny hanoratra ireo famaritana ireo ao amin’ny soratra masinao amin’ny alalan’ity andininy ity.

  • Hafa firenena: Olona iray tsy mino an’ Andriamanitra.

  • Jiosy sy Jentilisa: Andian-teny manondro ireo rehetra izay ao anatin’ny mpianakavin’i Isiraely sy ireo izay tsy ao anatiny.

Ny 2 Nefia 26:33 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Ao amin’ny lesona manaraka ianao dia hanana fahafahana hamerimberina fampiharana ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io amina fanontaniana na toe-javatra iray.

  • Inona no mety ho fiovana nisy raha nanaiky sy nampihatra ireo fampianarana ao amin’ny andininy 33 izao tontolo izao?

Makà fotoana hisaintsainana ny fomba fijerinao, ao anatin’izany ny fahatsapanao sy ny fitondranao ny hafa, raha mitaha amin’ny fomba fijerin’ Andriamanitra sy ny fahatsapany sy fitondrany ny hafa.

ChurchofJesusChrist.org, 

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no mety ho fiantraikan’ny fahatsiarovanao ny fomba fijerin’ Andriamanitra ny olona rehetra sy ny zavatra tsapany momba azy ireo eo aminao?

    • Amin’ny fomba ahoana no ahombiazanao eo amin’ny fijerena sy fitondrana ny hafa tahaka ny itondran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy azy ireny?

    • Ahoana no ahafahan’ny fahatsiarovana ireo fampianarana momba ny Tompo ao amin’ny 2 Nefia 26:33 manampy anao hijery, hitia, ary hitondra ny hafa amin’ny fomba anaovan’ Andriamanitra izany?

Mandritra ny andro vitsy manaraka, dia ezaho dinihina ny fomba fijerinao ny hafa, sy ny fahatsapanao momba ny hafa ary ny fitondranao ny hafa. Mihainoa ireo bitsika avy amin’ny Fanahy Masina ary mikatsaha fanampiana avy amin’ny Tompo mba hanaovana izay fanovana rehetra ilaina mba hitiavana sy hitondrana ny hafa mitovy kokoa amin’ny fomba anaovan’ Andriamanitra izany.