Seminera
Famerenana ny fifehezana fotopampianarana 4


“Famerenana ny fifehezana fotopampianarana 4,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Famerenana ny fifehezana fotopampianarana 4,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana 4

Ampiharo ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Sary
tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna

Mampihatra ny soratra masina eo amin’ny fiainantsika isika amin’ny alalan’ny fampiasana ny fotopampianarana sy ireo fitsipika ao anatiny mba hanampiana antsika ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy kokoa. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hampihatra ny fotopampianarana ampianarina amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana samihafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Manova zavatra ve izany?

  • Misy andinin-tsoratra masina tena tianao indrindra ve? Nahoana no lasa tianao indrindra izany?

Matetika ireo andinin-tsoratra masina manan-danja indrindra amintsika dia ireo izay miantefa amin’ny fiainantsika manokana. Ohatra, izy ireny dia afaka mamaly fanontaniana sarotra, mitondra fiadanana ho antsika ao anatina fotoan-tsarotra, na manampy amin’ny fananganana ny fijoroantsika ho vavolombelona.

Vakio ity fanambarana manaraka avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson ity ChurchofJesusChrist.org

Afaka mitodika any amin’ny soratra masina isika. Ny soratra masina dia mampianatra antsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany, ny halehiben’ny Sorompanavotany, ary ny drafitra lehiben’ny fahasambarana sy ny fanavotan’ny Raintsika. Ny filomanosana isan’andro ao amin’ny tenin’ Andriamanitra dia zava-dehibe ho an’ny fiavotana ara-panahy, indrindra fa ao anatin’izao andro isian’ny fiovana sarotra tsy mitsaha-mitombo izao. Rehefa mivoky amin’ny tenin’i Kristy isan’andro isika, dia ny tenin’i Kristy no hanambara amintsika ny fomba hiatrehana ireo zava-tsarotra izay tsy noheverintsika mihitsy ho atrehana. (President Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 89)

  • Inona no nisarika ny sainao tao amin’ny teny nambaran’ny Filoha Nelson?

Toko sy andininy ary andian-teny manan-danja fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

Ny hoe mampihatra ny soratra masina dia midika hoe mahafantatra ny andinin-tsoratra masina izay mifanaraka amin’ny filantsika, ary avy eo dia mandray andraikitra eo anatrehan’ny zavatra ampianarin’ireny andininy ireny antsika. Mba hanampiana anao hahatakatra io dingana io, dia vakio ireto rafi-tantara manaraka ireto:

  • Misy fanapahan-kevitra sarotra horaisin’i Guillermo ary matahotra ny mety hanaovany safidy diso izy.

  • Sahirana mafy amin’ny fitandremana didy iray izy.

Vakio ireto toko sy andininy ary andian-teny manan-danja fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ireto. Tadiavo ireo heverinao fa afaka miantefa amin’i Guillermo na i Maggie. Raha heverinao fa misy andinin-tsoratra masina iray afaka manampy, dia ataovy izay hamakiana ilay andininy iray manontolo fa tsy ny andian-teny manan-danja voatanisa etsy ambany ihany.

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

1 Nefia 3:7

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:25

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:27

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Afaka izy na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay … na … ny fahababoana sy ny fahafatesana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 26:33

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 28:30

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Andriamanitra dia “hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:3

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:8–9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:17

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:41

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra … dia tahiana amin’ny zava-drehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 3:19

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“[Esory] ny maha-olona araka ny nofo [ary tongava] olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 4:9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Minoa an’ Andriamanitra … minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 18:8–10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Aoka hatao “batisa amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona … fa efa nanao fanekempihavanana taminy ianareo.”

Ahoana no ahafahan’ny soratra masina manampy?

  • Inona avy no andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana afaka manampy an’i Guillermo na i Maggie? Nahoana?

  • Inona no mety ho azon’i Guillermo sy i Maggie atao noho ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ireo andininy ireo?

Mampihatra soratra masina eo amin’ny fiainantsika

Saintsaino hoe inona ireo zavatra ilainao na olana anananao. Angamba mila fanampiana amin’ny fianarana, fifandraisana amin’ny ray aman-dreninao na ny iray tampo aminao mihatsara, finoana bebe kokoa an’i Kristy mba hibebahana, na faharetana ianao. Tanisao ao amin’ny diary fandalinanao ireo zava-tsarotra na olana atrehanao. Ezaho ampidirina ny zavatra rehetra tonga ao an-tsaina.

Misafidiana iray amin’ireo zavatra ilainao na olana anananao izay nosoratanao.

Vakio ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina fifehezana fotopampianarana ary tadiavo ireo izay mety hisahana ireo zavatra ilainao, na ireo zava-tsarotra atrehanao, na olana atrehanao. Mety hanampy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana maro. Katsaho ny fitarihan’ny Ray any An-danitra rehefa mandalina ianao.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ity fanontaniana manaraka ity ary avy eo dia fenoy ny roa amin’ireto teny nambara manaraka ireto:

  • Inona no andian-teny manan-danja fifehezana fotopampianarana nosafidinao?

    1. Ity andininy ity dia afaka manampy ahy amin’ireo olana atrehako amin’ny alalan’ny …

    2. Ity andininy ity dia manampy ahy hahatakatra sy hanaraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny …

    3. Mino aho fa ny fiainana ireo fahamarinana ao amin’ireo andininy ireo dia afaka mitondra fahasambarana ho ahy satria …