Seminera
2 Nefia 16: “Masina, Masina, Masina, ny Tompo”


“2 Nefia 16: -Masina, Masina, Masina, ny Tompo,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 16,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 16

“Masina, Masina, Masina, ny Tompo”

Sary
Christ and the Creation [I Kristy sy ny Fahariana], nataon’i JD Sullivan

Efa nisy zavatra niainanao ve ka sarotra ny naneho azy tamin’ny alalan’ny teny? Mety izany no izy ho an’i Isaia tamin’ny fotoana nanoratany momba ny fahitany ny Tompo tamin’ny voninahiny feno. Mba hahafahany mampita tsara io zavatra niainana io, dia nampiasa sariohatra i Isaia mba hamariparitana ny herin’ny Tompo sy ny fahamasinany ary ny fahatsapan’i Isaia manokana ho tsy mahay firy. Nanadio azy tamin’ny fahotany ny Tompo ary niantso azy ho mpaminany. Afaka manampy anao hamantatra ny fahafahan’ny Tompo mamela sy manadio anao ity lesona ity.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ny hery sy voninahitr’i Jesoa Kristy

Ny mpaminany sasany sy ny olona hafa dia nanana tombontsoa manokana nahita an’i Jesoa Kristy tamin’ny voninahiny mahatalanjona feno.

  • Inona no antony sasantsasany nitsidihan’ny Tompo olona samy hafa nandritra ny tantaran’izao tontolo izao?

Makà fotoana hijerena ireto sary manaraka ireto ary hieritreretana hoe inona tamin’ireo zavatra niainana no mety ho tianao indrindra raha nisy anao.

Sary
Ny Fiovan-tarehy nataon’i Carl Bloch

Ny Fiovan-tarehy, nataon’i Carl Bloch

Sary
I Kristy tany amin’ny tanin’i Soafeno, nataon’i Simon Dewey

Christ in the Land Bountiful [I Kristy tany amin’ny tanin’i Soafeno], nataon’i Simon Dewey

Sary
Ny Fahitana Voalohany, nataon’i Walter Rane

Ny Fahitana Voalohany, nataon’i Walter Rane

Sary
Niseho tamin’ny Mpaminany Joseph Smith sy i Oliver Cowdery i Jesoa Kristy, nataon’i Walter Rane

Jesus Christ Appears to the Prophet Joseph Smith and Oliver Cowdery [Niseho tamin’ny Mpaminany Joseph Smith sy i Oliver Cowdery i Jesoa Kristy], nataon’i Walter Rane

  • Inona avy no eritreritra na fahatsapana mety hiainanao eo amin’ny fanatrehan’ny Tompo?

Nahita ny Tompo tamin’ny voninahiny feno i Isaia tamin’ny fotoana niantsoana azy ho mpaminany. Noraketiny an-tsoratra io zavatra niainana io ary i Nefia dia nampiditra izany tao amin’ny zavatra nosoratany. (Jereo ny Isaia 6 sy ny 2 Nefia 16.)

Vakio ny 2 Nefia 16:1–4, hitadiavana ny fomba namaritan’i Isaia ny zavatra hitany. Satria nampiasa sariohatra i Isaia hamaritana ny zavatra hitany, dia mety hilaina ireto fanazavana manaraka ireto:

  • Ebaneban’akanjo: Ny ampahany ambany kokoa amin’ny akanjon’ny Tompo, izay afaka maneho ny fahamarinany sy ny heriny ary ny fahadiovany. Zava-dehibe ny nahitan’i Isaia fa izany dia “nahafeno ny tempoly” (2 Nefia 16:1).

  • Serafima: Anjely manompo ao amin’ny fitsaran’ Andriamanitra. Ireo elatry ny serafima dia tandindon’ny hery ihetsehan’izy ireo na anaovany zavatra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:4).

  • Setroka na Rahona: Matetika dia tandindon’ny fanatrehan’ Andriamanitra (jereo ny Eksodosy 19:18; Apokalypsy 15:8).

  • Teny na andian-teny inona ao amin’ireo andininy ireo no manampy anao hahatakatra ny voninahitry ny Tompo?

  • Araka ny hevitrao, inona no mety ho fihetsikao raha nahita izany ianao?

Vakio ny 2 Nefia 16:5 mba hahitana ny fihetsika nasehon’i Isaia tamin’ny fahitany ny Tompo.

  • Teny na andian-teny inona no manampy anao hahatakatra fa fantatr’i Isaia ny fahotany sy ny fahalemeny?

  • Inona no antony sasantsasany mety hahatsapan’ny olona ankehitriny ho tsy madio na tsy mendrika eo anoloan’ Andriamanitra?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hahatsara ny fahafantarantsika ny fahadisoantsika rehefa manakaiky kokoa ny Tompo isika?

Ny Tompo dia manala an-tsitrapo ireo fahotantsika

Vakio ny 2 Nefia 16:6–7, hitadiavana ny zavatra niseho manaraka tamin’i Isaia. Mety hanampy ny fahatsiarovana fa ny alitara dia nampiasaina tamin’ny fitsaohana tao amin’ny tempoly fahiny.

  • Ahoana no amintinanao ny zavatra nitranga?

  • Inona araka ny eritreritrao no mety ho hevitr’izany?

Eritrereto ny zavatra hitan’i Isaia teo amin’ny alitara sy ny fomba ahafahan’izany mampianatra momba ny famelan-keloka sy ny fahatongavana ho madio amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

  • Ahoana araka ny eritreritrao no niantraikan’ny fanesoran’ny Tompo ireo fahotan’i Isaia taminy?

  • Fahamarinana inona mikasika ny Tompo no takatrao kokoa noho ireo andininy ireo?

Fahamarinana iray azontsika ianarana ny hoe manana hery hanadiovana antsika ny Tompo.

Misy fotoana, mety tsy mahatsiaro sy mahatsapa ny lanjan’io fahamarinana io isika. Ny Rahalahy Bradley R. Wilcox ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany dia nizara tenina zatovolahy iray nantsoiny hoe Damon. Ity zatovolahy ity dia nizara ireo eritreritra sy fahatsapana nananany momba ireo fahotany.

Nanoratra toy izao i Damon: … “Nahatsapa ho menatra tokoa aho ka tsy afaka nahavita zavatra tsara. … Tamiko dia rariny raha nahatsiaro ho malahelo foana aho. Nihevitra aho fa angamba mankahala ahy Andriamanitra noho izaho tsy vonona ny hiezaka mafimafy kokoa ka handresy tanteraka azy ity indray mandeha tsy miverina. Misy fotoana aho mahavita herinandro ary indraindray iray volana, kanefa aorian’izay dia miverina lavo indray ary mihevitra hoe, -tsy ho resiko mihitsy ity, ka inona no antony tokony hiezahako?-” (Bradley R. Wilcox, “Ny fahamendrehana dia tsy midika hoe tsy fisiana kilema,” Liahona, nôv. 2021, 62)

  • Inona no antony mety hananan’ny zatovolahy iray tahaka an’i Damon ireo eritreritra ireo?

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Vitao ity sahanasa fanoratana manaraka ity:

Alaovy sary an-tsaina hoe manana fahafahana hanampy olona iray tahaka an’i Damon ianao. Eritrereto ny zavatra niainan’i Isaia. Eritrereto ihany koa ny zavatra fantatrao manokana momba ny Mpamonjy ka azonao zaraina. Soraty izay zavatra mety hanampy. Azonao atao ihany koa ny mijery ao amin’ny soratra masina na fanambarana avy amina mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay azonao ampiasaina amin’ny fanazavanao. Mety hanampy ireto ohatra manaraka ireto:

Nampianatra toy izao ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Andriamanitra dia tsy mitady olona tsy manana fahalemena. Fa mitady ireo izay vonona hanolotra “fo sy saina marisika” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:34], ary izy ireo dia hataony “tanteraka ao amin’i Kristy” [Môrônia 10:32–33]. (Dieter F. Uchtdorf, “Five Messages That All of God’s Children Need to Hear” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young, 17 aog, 2021], 3, speeches.byu.edu)

Fomba fijery vaovao

Vakio ny 2 Nefia 16:8 mba hahitana ny zavatra nataon’i Isaia taorian’ny nanadiovan’ny Tompo azy.

  • Ahoana araka ny eritreritrao no mety ho fiantraikan’ny fanadiovana niainan’i Isaia tamin’ny valin-teniny ao amin’ny andininy 8?

Taorian’io fahitana io dia nanompo an-tsitrapo ny Tompo i Isaia. Am-polotaonany maro taorian’izany, dia nanampy tamin’ny fitarihana ny vahoakan’i Joda izy. Ireo fampianaran’i Isaia sy ireo zavatra nosoratany dia nanome aingam-panahy olona tsy tambo isaina, ary ny teniny dia nolazain’ny Mpamonjy mihoatra noho ny an’ny mpaminany hafa rehetra.

Niova ihany koa i Damon. Niaraka tamin’ny fanampian’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana, tsapan’i Damon fa ny Tompo dia tsy nandray azy tamin’ny fitsarana feno fahatezerana fa tamin’ny famindram-po kosa, naniry ny hanampy azy hihatsara. Vakio ny tenin’i Damon rehefa nanana fomba fijery vaovao momba an’ Andriamanitra izy:

Izao no nolazain’i Damon: … “Amin’izao fotoana izao aho dia mandany fotoana kely kokoa amin’ny fankahalana ny tenako noho ny zavatra vitako ary mandany fotoana betsaka lavitra kokoa amin’ny fitiavana an’i Jesoa noho ny zavatra nataony.” (Bradley R. Wilcox, “Ny fahamendrehana dia tsy midika hoe tsy fisiana kilema,” Liahona, nôv. 2021, 62)

  • Inona no fiantraikan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, ny fitiavany ary ny famelany heloka teo amin’ny fiainanao?

Saintsaino ity fanontaniana manaraka ity rehefa mamarana ny fandalinana ity toko ity ianao:

  • Inona araka ny hevitrao no azonao atao mba hiainana lalindalina kokoa ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny famelany heloka eo amin’ny fiainanao?