Seminera
1 Nefia 16–18: Ny Liahôna: Mpanoro lalana ao an-tany foana


“1 Nefia 16–18: Ny Liahôna: Mpanoro lalana ao an-tany foana,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“1 Nefia 16–18: Ny Liahôna: Mpanoro lalana ao an-tany foana,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

1 Nefia 16–18

Ny Liahôna: Mpanoro lalana ao an-tany foana

Sary
I Lehia sy ny Liahôna

Mahatsapa ho very na sahiran-tsaina momba ny zavatra tokony hataonao na ifantohanao amin’ny fiainana ve ianao? Mety hanao ahoana ny fahasamihafan’ny fiainanao raha afaka namantatra kokoa ny fitarihana noezahin’ny Tompo nomena anao ianao? Tsy ela taorian’ny nialan’ny fianakavian’i Lehia tany Jerosalema, dia nanome azy ireo fitarihana fanampiny ny Tompo tamin’ny alalan’ny Liahôna. Afaka manampy anao hamantatra sy hanaraka ny tari-dàlan’ny Tompo eo amin’ny fiainanao ity lesona ity.

Mpanoro lalana ao an-tany foana

Diniho ny sasany amin’ireo sary fanehoana ilay fitaovana mahagaga nomena an’i Lehia tsy ela taorian’ny nitarihany ny fianakaviany avy tany Jerosalema.

Sary
Liahôna
Sary
Liahôna
Sary
Liahôna
  • Inona no fantatrao momba ny zavatra aseho ao amin’ireo sary ireo? (jereo ny 1 Nefia 16:10).

  • Inona no tanjony?

Rehefa avy notarihin’ny Tompo handeha lavitra kokoa tany an-tany foana i Lehia, dia nahita fitaovana mahagaga izay nomen’ny Tompo izy teo am-pifohazana. Ny Liahôna dia “bola varahina misy sahaza roa izay manondro lalana, toy ny kômpà—ary koa nanome toromarika an’i Lehia sy ireo mpanaraka azy rehefa nanao ny marina izy ireo” (Torolalana ho an’ny Soratra masina, “Liahôna,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Alaivo sary an-tsaina hoe mety hanao ahoana izany hoe mifoha ianao indray maraina ary mahita fitaovana toy ny Liahôna eo akaikin’ny varavaranao, izay azonao ampiasaina hitari-dalana anao mandritra ny andro.

  • Inona no mety ho niova teo amin’ny fiainanao raha nanana zavatra toy ny Liahôna hitarika anao ianao?

  • Inona avy no toe-java-misy atrehinao amin’izao fotoana izao ka ilanao fitarihana sy tari-dalana hafa?

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namaritra antony iray tokony hikatsahantsika ny hahatakatra tsara kokoa ny fiasan’ny Liahôna. Mariho fa ny andian-teny hoe “fanehoana an’ohatra sy tandindona” dia manondro zavatra, na tranga, na tantara, na olona izay maneho zavatra hafa.

Ny famaritana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna momba ny Liahôna, ilay mpanondro làlana na kômpà nampiasain’i Lehia sy ny fianakaviany tany an-tany foana, dia nampidirina manokana tao amin’ny rakitsoratra ho fanehoana an’ohatra sy tandindona ho an’izao androntsika izao ary ho lesona manan-danja momba ny zavatra tokony hataontsika mba hisitrahana ireo fitahian’ny Fanahy Masina. (David A. Bednar, “That We May Always Have His Spirit to Be with Us,” Ensign or Liahona, May 2006, 30)

Fitovitoviana misy eo amin’ny Liahôna sy ny Fanahy Masina

Manaova tabilao tahaka ity manaraka ity ao amin’ny diary fandalinanao. Hevero ny hanao lisitra ny fitovitoviana sasantsasany misy eo amin’ny Liahôna sy ny Fanahy Masina izay efa fantatrao. Rehefa mandalina ianao, dia hevero izay zavatra ianaranao ka manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny Fanahy Masina sy ny fomba ahafahanao mampiasa tsara kokoa io fanomezam-pahasoavana io eo amin’ny fiainanao.

Toetoetry ny Liahôna

Fitovitoviana amin’ny Fanahy Masina

Toetoetry ny Liahôna

Fitovitoviana amin’ny Fanahy Masina

Vakio ireto toko sy andininy ao amin’ny soratra masina ireto, ary raketo an-tsoratra ao amin’ny tsanganana ankavian’ny tabilaonao ireo antsipiriany momba ny Liahôna. Izany dia mety hahitana ny fomba niasan’ny Liahôna, ny antony nanomezana azy ary ny zavatra nitranga nahatonga azy nitsahatra tsy niasa intsony. Avy eo dia hevero am-bavaka ny fomba ifandraisan’ireo antsipiriany momba ny Liahôna ireo na anehoan’izy ireo an’ohatra ny asan’ny Fanahy Masina. Raketo an-tsoratra ao amin’ny tsanganana havanan’ny tabilaonao ireo fitovitoviana. Ohatra, ao amin’ny 1 Nefia 16:10, dia nianatra isika fa ny Liahôna dia nanondro ny làlana tokony halehan’i Lehia sy ny fianakaviany tany an-tany foana. Mitovitovy amin’izany, ny Fanahy Masina dia afaka manondro ny zotra tokony halehantsika eo amin’ny fiainana.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona avy ny roa na telo amin’ireo fahamarinana manan-danja indrindra nianaranao momba ny Fanahy Masina tamin’ny alalan’ny fampitahana azy amin’ny Liahôna?

    • Oviana ianao na ny hafa no niaina iray na maromaro amin’ireo fahamarinana momba ny Fanahy Masina ireo?

    • Ahoana no ahafahan’ny fikatsahana hahafantatra sy hanaraka fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina miantraika amin’ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Makà fotoana hisaintsainana ny fahaizanao mandray tari-dàlana avy amin’ny Fanahy Masina sy ny hery mitarika ananan’izany eo amin’ireo safidy ataonao. Hevero ny hirakitra an-tsoratra izay eritreritra na fahatsapana rehetra mety hanananao.