Seminera
1 Nefia 19–22: “Mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao”


“1 Nefia 19–22: -Mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

1 Nefia 19–22: -Mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

1 Nefia 19–22

“Mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao”

Sary
Ilay mpiandry ondry tsara

Inona no tsapanao rehefa tsaroan’ny olona iray izay manan-danja aminao ianao? Teo am-pampianarana momba ny fampielezana sy ny fanangonana an’i Isiraely, i Nefia dia nampiasa ireo faminanian’i Isaia mba hanehoana fa tsy hanadino ny mpianakavin’i Isiraely niely ny Tompo. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatsapa ny fitiavan’ny Tompo anao sy ny olon-drehetra ary ny faniriany hanangona anareo ao Aminy.

Ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika

Misy ny fotoana ahafantarantsika sy ahatsapantsika tsirairay ny fitiavan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, fa mety tsy ho fantatsika mihitsy izany amin’ny fotoana sasany. Alaovy sary an-tsaina hoe miresaka amina namana iray izay nilaza taminao ianao fa tsy azony antoka ny fitiavan’ Andriamanitra azy.

  • Inona no mety hozarainao avy ao amin’ny soratra masina ka afaka manampy ny namanao?

  • Inona no zavatra niainanao azonao zaraina amin’ny namanao momba ny fomba nahafantaranao sy nahatsapanao ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Saintsaino ny fahatsapanao manokana momba ny fitiavan’ Andriamanitra anao, ao anatin’izany ny fanontaniana na fanahiana mety hanananao. Rehefa mandalina ianao, dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao hahatakatra sy hahatsapa tsara kokoa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao.

Nampianatra momba ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika i Nefia

Ao amin’ny 1 Nefia 19, i Nefia dia naminany momba ny fiainan’i Jesoa Kristy amin’ny hoavy sy ny iraka hataony. Vakio ny 1 Nefia 19:7–10, hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Nefia momba ny fomba handraisana an’i Jesoa Kristy mandritra ny androny etỳ an-tany sy ny antony mahatonga Azy ho vonona hatao toy izany.

  • Inona no teny na andian-teny nanan-danja taminao tao amin’ireo andininy ireo? Nahoana?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny fampianarana ao amin’ireo andininy ireo miantraika amin’ny fahatsapanao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Rehefa avy nirakitra an-tsoratra ireo faminaniany manokana momba an’i Jesoa Kristy i Nefia, dia nizara faminaniana avy amina mpaminanin’ny Testamenta Taloha, i Isaia, momba ny fampielezana sy ny fanangonana an’i Isiraely. Ireo faminaniana ireo dia nanan-danja tamin’i Nefia sy ny fianakaviany izay niparitaka niala avy tany Jerosalema tanindrazany noho ny faharatsian’ny olona nipetraka tamin’izany faritra izany. Ireo faminanian’i Isaia dia nilaza fa maro amin’ireo Isiraelita no hahatsapa ho hadinon’ny Tompo any am-pielezan’izy ireo.

Vakio ny 1 Nefia 21:14–16 ary tadiavo ny tenin’ny Tompo tamin’ireo izay mety hahatsapa ho hadino.

Ny fitiavan’ny Mpamonjy dia miseho amin’ny alalan’ny fahavononany hanangona olona ho ao Aminy

Naely patrana foana ny vahoakan’i Isiraely fahiny isaky ny nijanona tsy nanompo an’i Jehovah ka nanapaka ny fanekempihavanana sy ny didin’ Andriamanitra (jereo ny 2 Nefia 6:10–11; 10:3–6). Ny vahoakan’i Isiraely dia voangona rehefa manatona an’i Kristy, manaiky ny filazantsarany amin’ny alalan’ny batisa ary mitandrina ny didiny izy ireo. Nampanantena an’i Isiraely niely patrana ny Tompo fa tsy hanadino azy ireo ary hanangona azy ireo any Aminy amin’ny andro farany (jereo ny 1 Nefia 15:13–14; 2 Nefia 6:11; 9:1–2; 10:7–8).

Halalino ny lohatenin’ny toko ao amin’ny 1 Nefia 21 sy 22 mba hahatakarana tsara kokoa ny zavatra aminanian’i Isaia sy ny fampianarana ao amin’ireo toko ireo.

Halalino ireto andalan-tsoratra masina momba ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany manaraka ireto. Jereo tsara ny teny na andian-teny izay milaza ny fitiavan’ny Tompo ny olony.

Rehefa mamarana ny lesona androany ianao, dia eritrereto ny zavatra nianaranao sy tsapanao momba ny fitiavan’ Andriamanitra. Hevero ny fomba nahatsiarovan’ Andriamanitra sy nanatonany anao tamina famindram-po sy hatsaram-panahy. Inona no azonao atao mba hanehoana fankasitrahana ny zavatra nataony ho anao? Hevero ny hirakitra ny eritreritrao sy ny fahatsapanao ara-panahy ao anatin’ny diary fandalinanao.